-
Ny Herin’ny VavakaNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Martsa
-
-
NINO ny herin’ny vavaka i Eliezera. Tamim-pinoana niavaka, toy ny an’ny zaza, dia nanao izao fangatahana tamim-panetren-tena izao izy: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.”—Genesisy 24:12-14.
-
-
Ny Herin’ny VavakaNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Martsa
-
-
Misy fianarana be dia be azontsika raisina avy amin’ny vavaka nataon’i Eliezera. Nasehon’ilay vavaka ny finoany niavaka, ny fanetren-tenany, sy ny fiahiany tsy tamim-pitiavan-tena ny amin’izay nilain’ny hafa. Nasehon’ilay vavaka koa ny naneken’i Eliezera ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny olombelona. Tsy isalasalana fa fantany ny firaiketam-pon’Andriamanitra manokana tamin’i Abrahama, ary koa ny fampanantenany fa hisy fitahiana ho avy amin’ny olombelona rehetra, amin’ny alalan’i Abrahama. (Genesisy 12:3). Nanomboka ny vavaka nataony tamin’izao teny izao àry i Eliezera: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko”.
-