-
Tsy Manan-tsinyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Anisan’ny teny hebreo nadika hoe “tsy manan-tsiny” ny hoe tam. Ampiasaina izy io mba hilazana ny fitondran-tena fakan-tahaka nananan’i Joba sy ny hatsaran-tarehin’ilay vehivavy Solemita. (Jb 1:1, 8; To 5:2; 6:9) Voalaza koa fa tsy nanan-tsiny i Jakoba noho izy nipetrapetraka nilamina tao an-tranolainy, fa tsy mpankeny an-tsaha sy mpihaza tia nisangy loza toy ny rahalahiny. (Ge 25:27) Teny hebreo hafa nadika indraindray hoe tsy manan-tsiny koa ny hoe tamim. Midika hoe “tsy misy tsiny; tsy misy kilema; lavorary” izy io. (Oh 2:21; 11:5, 20) Samy avy amin’ny matoanteny fototeny hoe tamam ny hoe tam sy tamim. Midika hoe “tsy manan-tsiny; vita; tanteraka; ripaka tanteraka” ny hoe tamam. (Sl 19:13; 1Mp 6:22; Is 18:5; Je 24:10; ampit. 1Sa 16:11 izay misy hoe “Ireo daholo ve ny lahy rehetra?”, a.b.t.: Vita ve ny lahy?) Amemptôs no teny grika nandikana ny teny hebreo hoe tam indraindray, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. (Jb 1:1, 8; 2:3; 9:20) Misy endriny hafa amin’ny hoe amemptôs koa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary azo adika hoe “tsy misy tsininy; tsy manan-tsiny” izy io.—Lk 1:6; Fi 3:6; He 8:7; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA.
-
-
EsaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nohamavoiny ny tombontsoa nomen’i Jehovah. Lasa mpihaza nahay sy tia nisangy loza i Esao, ary azo lazaina hoe olon-dia. Tsy nieritreritra afa-tsy ny hanome fahafaham-po ny tenany izy sady olona araka ny nofo, fa tsy mba toa an’i Jakoba rahalahiny, izay “tsy nanan-tsiny.” (Ge 25:27) Tian’i Isaka anefa i Esao, satria “izy nitondra haza hohaniny.”—Ge 25:28.
-
-
JakobaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nijaly i Rebeka tamin’izy bevohoka, satria niady ireo zaza tao an-kibony. Nanazava i Jehovah fa ho lasa firenena roa mifandrafy ireo. Nilaza koa izy fa ilay zokiny no hanompo ny zandriny, na dia tsy nahazatra aza izany. Nihazona ny voditongotr’i Esao tokoa i Jakoba zandriny, rehefa teraka izy ireo. Izany no nanaovana ny anarany hoe Jakoba, izay midika hoe “Ilay Mihazona Voditongotra.” (Ge 25:22-26) Nasehon’i Jehovah àry fa mahay mamantatra ny fototarazon’ny zaza ao an-kibo sy izay ho toetran’ny olona izy, ary mampiasa an’izany fahaizany izany mba hifantenana amin’izay olona hanatanteraka ny fikasany. Zony rahateo izany. Tsy mandahatra ny hoavin’ny tsirairay mihitsy anefa izy.—Ro 9:10-12; Ho 12:3.
-