-
AhozataFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Naman’i Abimeleka mpanjaka filistinina, mpanjakan’i Gerara. “Namany akaiky” i Ahozata ary niaraka taminy rehefa nitsidika an’i Isaka tany Beri-sheba izy. (Ge 26:23, 26) Eo ny Baiboly no miresaka voalohany momba ny “namana akaiky”, izany hoe olona akaikin’ny fo sy atokisana ary angatahana torohevitra, na omena fahefana ho mpitondra teny.—Jereo NAMANA (Naman’ny mpanjaka).
-
-
NamanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Naman’ny mpanjaka. Namana toy ny namana rehetra ihany no tian’ny Baiboly holazaina amin’io teny io, ary tsy lazainy koa hoe inona no andraikitry ny olona nantsoina hoe naman’ny mpanjaka. Hita amin’ny fomba fanao any amin’ny tany sasany anefa fa mety hanondro tandapa iray natokisan’ny mpanjaka izy io, na namana akaiky izay niaraka matetika taminy ary indraindray nanatanteraka iraka manokana.—Ge 26:26.
-