Ny Anjara Asa Mendrika Notanan’ny Vehivavy teo Amin’ireo Mpanompon’Andriamanitra Tany Am-boalohany
“Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.” — GENESISY 2:18.
1. Ahoana no ilazalazan’ny rakibolana iray momba ny Baiboly ny toe-piainan’ny vehivavy tamin’ny andro fahiny?
“TSY nisy toerana tany amin’ny manodidina an’i Méditerranée na Proche-Orient fahiny nanomezana fahafahana ny vehivavy toy izay ananany eo amin’ny fitambaran’olona tandrefana maoderina. Ny modely ankapobeny dia naha-ambany kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy, tsy nisy hafa tamin’ny naha-ambany kokoa ny andevo noho ny olona afaka, ary ny tanora noho ny be taona. (...) Noheverina ho sarobidy kokoa ny ankizy lahy noho ny vavy, ary ireo vavikely menavava indraindray dia navela ho faty tamin’ny tsy fiarovana azy tamin’ny haratsian’ny toetr’andro.” Toy izany no ilazalazan’ny rakibolana iray momba ny Baiboly ny toe-piainan’ny vehivavy tamin’ny andro fahiny.
2, 3. a) Araka ny tatitra iray, manao ahoana ny tarehin-javatra misy ny vehivavy maro amin’izao andro izao? b) Fanontaniana inona avy no mipoitra?
2 Tsy tsara kokoa ny tarehin-javatra any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Tamin’ny 1994, dia sambany vao nifantoka tamin’ny fomba itondrana ny vehivavy ny tatitra fanao isan-taona momba ny zon’olombelona nataon’ny Sampan-draharaham-panjakana any Etazonia. “Asehon’ny Filazana Momba ny Tany 193 fa Zava-misy eo Amin’ny Fiainana ny Fanavakavahana Isan’andro”, hoy ny lohateny lehibe iray tao amin’ny New York Times momba ilay tatitra.
3 Koa satria misy vehivavy maro be avy amin’ny fiaviana ara-kolontsaina samihafa miaraka amin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, dia mipoitra ny fanontaniana sasany: Moa ve ilay fitondrana vao nolazalazaina teo no ilay karazany nokasain’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny vehivavy? Ahoana no nitondrana ny vehivavy teo amin’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny andron’ny Baiboly? Ary ahoana no tokony hitondrana ny vehivavy amin’izao andro izao?
“Mpanampy” sy “fameno”
4. Fanamarihana inona no nataon’i Jehovah taorian’ny naha-irery ny lehilahy voalohany tao amin’ny zaridainan’i Edena nandritra ny fotoana kelikely, ary inona no nataon’Andriamanitra avy eo?
4 Taorian’ny naha-irery an’i Adama tao amin’ny zaridainan’i Edena nandritra ny fotoana kelikely, dia nanao izao fanamarihana izao i Jehovah: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy [“mpanampy ho azy, ho famenony”, NW ] izy.” (Genesisy 2:18). Na dia lehilahy lavorary aza i Adama, dia nisy zavatra hafa nilaina mba hanatanterahana ny fikasan’ny Mpamorona. Mba hamenoana izay nilaina, dia namorona ny vehivavy i Jehovah ary nanao ny fanambadiana voalohany. — Genesisy 2:21-24.
5. a) Ahoana no ampiasan’ireo mpanoratra ny Baiboly matetika ilay anarana hebreo nadika hoe “mpanampy”? b) Milaza inona ny nanisian’i Jehovah fitenenana ny amin’ny vehivavy voalohany ho “fameno”?
5 Moa ve ny teny hoe “mpanampy” sy “fameno” milaza fa ny anjara asa notendren’Andriamanitra ho an’ny vehivavy dia nanambany? Mifanohitra amin’izany. Matetika ireo mpanoratra ny Baiboly dia mampihatra amin’Andriamanitra ilay anarana hebreo (ʽeʹzer) nadika hoe “mpanampy”. Noporofoin’i Jehovah, ohatra, fa izy dia “mpanampy antsika sy ampingantsika” (Salamo 33:20, NW; Eksodosy 18:4, NW; Deoteronomia 33:7). Ao amin’ny Hosea 13:9 (NW ), i Jehovah dia manisy fitenenana ny tenany mihitsy ho “mpanampy” ny Isiraely. Raha ny amin’ilay teny hebreo (neʹghedh) nadika hoe “fameno”, dia manazava toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Ilay fanampiana tadiavina dia tsy fanomezana fanampiana fotsiny eo amin’ny asany andavanandro na eo amin’ny fiterahana zanaka (...) fa ilay fifanohanana omen’ny fiarahan’ny samy mpinamana.”
6. Inona no nolazaina taorian’ny famoronana ny vehivavy, ary nahoana?
6 Araka izany dia tsy misy na inona na inona manambany eo amin’ny filazalazan’i Jehovah ny vehivavy ho “mpanampy” sy “fameno” iray. Nanana ny nahaforona azy manokana, izay niavaka ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-batana, ny vehivavy. Ilany nifanitsy tsara, fameno nahafa-po ho an’ny lehilahy izy. Tsy nitovy ny tsirairay taminy, kanefa dia samy nilaina ny tsirairay taminy mba ‘hamenoana ny tany’ mifanaraka amin’ny fikasan’ny Mpamorona. Niharihary fa taorian’ny famoronana ny lehilahy sy ny vehivavy no ‘nahitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany’. — Genesisy 1:28, 31.
7, 8. a) Tamin’ny ahoana ny fidiran’ny ota tao Edena no nisy fiantraikany tamin’ny anjara asan’ny vehivavy? b) Fanontaniana inona avy no mipoitra momba ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:16 eo amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah?
7 Niova ny toe-javatra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy tamin’ny fidiran’ny ota. I Jehovah dia nanonona fanamelohana ho azy roa, tamin’ny naha-mpanota azy. “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao”, hoy i Jehovah tamin’i Eva, raha noresahany ny amin’ny mety ho fisehoan-javatra avelany hisy izay toy ny hoe izy no nanao azy. Nanampy teny toy izao izy: “Fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Hatramin’io fotoana io, dia maro ny vehivavy manambady notapahin’ny vadiny, matetika tamin’ny fomba henjana. Tsy noheverina ho sarobidy toy ny mpanampy sy fameno, izy ireo fa matetika kosa no nentina nitovy kokoa tamin’ny mpanompo na andevo.
8 Inona anefa no dikan’ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:16 ho an’ireo vehivavy mpivavaka tamin’i Jehovah? Moa ve izy ireo nailika ho amin’ny toerana ambany sy mampietry? Tsy izany velively! Ahoana anefa ny amin’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly izay miresaka ny amin’ny fomba sy fanao mahakasika ny vehivavy izay mety ho toa tsy azo ekena any amin’ny fitambaran’olona sasany amin’izao andro izao?
Fahatakarana ny hevitr’ireo fomba ao amin’ny Baiboly
9. Rehefa mandinika ireo fomba nahatafiditra ny vehivavy tamin’ny andron’ny Baiboly isika, zavatra telo inona avy no tokony hotadidintsika ao an-tsaina?
9 Nentina tamin’ny fomba tsara ny vehivavy teo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly. Mazava ho azy fa rehefa mandinika ireo fomba nahatafiditra ny vehivavy tamin’izany andro izany, dia manampy ny mitadidy zavatra maromaro ao an-tsaina. Voalohany, rehefa miresaka ny amin’ny tarehin-javatra tsy mahafinaritra izay nitombo noho ny fanapahana feno fitiavan-tena nataon’ny lehilahy ratsy fanahy ny Baiboly, izany akory tsy midika fa nankasitraka izany fomba fitondrana vehivavy izany Andriamanitra. Faharoa, na dia nandefitra tamin’ny fanao sasany teo amin’ireo mpanompony nandritra ny fotoana kelikely aza i Jehovah, dia nanisy fitsipika nifehy azy ireny izy mba hiarovana ny vehivavy. Fahatelo, tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hitsara ireo fomba fahiny amin’ny alalan’ireo fari-pitsipika maoderina. Ny fanao sasany izay mety ho toa tsy mahafinaritra ho an’ny olona miaina ankehitriny dia tsy voatery ho noheverin’ny vehivavy tamin’izany ho nanambany. Aoka isika handinika ohatra sasany.
10. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fananana vady maro, ary inona no milaza fa tsy nafoiny mihitsy ilay fari-pitsipiny tany am-boalohany momba ny fananana vady tokana?
10 Fananana vady maro:a Araka ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany, ny vehivavy dia tsy hizara ny vadiny amin’ny vehivavy hafa. Vehivavy iray ihany no noforonin’Andriamanitra ho vadin’i Adama. (Genesisy 2:21, 22). Taorian’ilay fikomiana tany Edena, dia niseho voalohany teo amin’ny taranak’i Kaina ny fananana vady maro. Tamin’ny farany, dia nanjary fomba izy io ary noraisin’ny olona sasany mpivavaka tamin’i Jehovah. (Genesisy 4:19; 16:1-3; 29:21-28). Na dia namela ny hisian’ny fananana vady maro aza Jehovah, ary nahatonga ny mponina teo amin’ny Isiraely hitombo izany, dia naneho fiheverana ny vehivavy izy tamin’ny fanisiana fitsipika nifehy ilay fanao mba ho voaro ireo vehivavy manambady sy ny zanany. (Eksodosy 21:10, 11; Deoteronomia 21:15-17). Ambonin’izany, dia tsy nanary mihitsy ilay fari-pitsipiny tany am-boalohany momba ny fananana vady tokana i Jehovah. Samy nanambady tokana avokoa i Noa sy ireo zanany lahy izay namerenana indray ilay didy ‘hameno ny tany’. (Genesisy 7:7; 9:1; 2 Petera 2:5). Nilazalaza ny tenany ho toy ny lehilahy nanambady tokana Andriamanitra, rehefa nampiseho an’ohatra ny fifandraisany tamin’ny Isiraely. (Isaia 54:1, 5). Avy eo koa, ilay fari-pitsipik’Andriamanitra tany am-boalohany ny amin’ny fananana vady tokana dia naorin’i Jesosy Kristy indray sady narahina tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany. — Matio 19:4-8; 1 Timoty 3:2, 12.
11. Nahoana no nisy vodiondry naloa tamin’ny andron’ny Baiboly, ary nanambany ny vehivavy ve izany?
11 Fandoavana vodiondry: Milaza toy izao ilay boky hoe Ancient Israel — Its Life and Institutions: “Io adidy handoa vola na izay mifandanja amin’izany, ho an’ny fianakavian-drazazavavy io, dia miharihary fa nanome ho an’ny fanambadiana isiraelita endriny ivelany toy ny fividianan-javatra. Kanefa ilay [vodiondry] dia toa, tsy ny vidiny naloa mba hahazoana ilay vehivavy loatra, fa onitra nomena ny fianakaviana.” (Izahay no manao soramandry.) Koa ny fandoavana vodiondry dia natao mba hanonerana amin’ny fianakavian’ilay vehivavy ny famoizana ny asa ataony, sy ireo ezaka sy fandaniana tsy maintsy nataon’ny fianakaviany mba hikarakarana azy. Tsy manambany ny vehivavy àry izy io, fa nanamafy kosa ny hasarobidiny ho an’ny fianakaviany. — Genesisy 34:11, 12; Eksodosy 22:15; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aprily 1989, pejy faha-21-24.
12. a) Ahoana indraindray no nanisiana fitenenana ny amin’ny lehilahy manambady sy ny vehivavy manambady ao amin’ny Soratra Masina, ary teny nanafintohina ho an’ny vehivavy ve izany? b) Inona no tsara homarihina momba ny teny nampiasain’i Jehovah tao Edena? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
12 Lehilahy manambady toy ny “tompo”: Ny fisehoan-javatra iray teo amin’ny fiainan’i Abrahama sy i Saraha tokony ho tany amin’ny 1918 al.f.i. dia milaza fa tamin’ny androny dia nanjary nahazatra ny fiheverana ny lehilahy iray manambady ho toy ny “tompo” (Hebreo: baʹʽal) ary ny vehivavy manambady ho toy ‘fananana’ (Hebreo: beʽu·lahʹ ). (Genesisy 20:3, NW ). Taorian’izay, ireny fitenenana ireny dia nampiasaina indraindray tao amin’ny Soratra Masina, ary tsy misy filazana hoe nihevitra izany ho nanafintohina ireo vehivavy talohan’ny andro kristiana.b (Deoteronomia 22:22, NW ). Tsy tokony ho nentina toy ny fananana trano na tany anefa ny vehivavy manambady. Ny fananana trano na tany sy ny harena dia azo novidina sy azo namidy ary azo nolovaina mihitsy aza, fa tsy mba toy izany ny amin’ny vehivavy manambady. “Trano sy harena no lova avy amin’ny ray”, hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly, “fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah.” — Ohabolana 19:14; Deoteronomia 21:14.
Anjara asa mendrika
13. Rehefa nanaraka ny ohatr’i Jehovah sy nankato ny Lalàny ireo lehilahy natahotra an’Andriamanitra, dia inona no vokatr’izany teo amin’ny vehivavy?
13 Inona àry no anjara asan’ny vehivavy teo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana? Ahoana no niheverana azy ireo sy nitondrana azy? Raha tsorina, rehefa nanaraka ny ohatr’i Jehovah manokana sy nankato ny Lalàny ireo lehilahy natahotra an’Andriamanitra, dia nitana ny fahamendrehany ireo vehivavy sady nanana zo sy tombontsoa maro.
14, 15. Inona no milaza fa nohajaina ny vehivavy teo amin’ny Isiraely, ary nahoana i Jehovah no afaka nanantena ara-drariny fa hanaja azy ireny ireo lehilahy mpivavaka aminy?
14 Tokony ho nohajaina ny vehivavy. Ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely dia nandidy ny hanajana ny ray sy ny reny. (Eksodosy 20:12; 21:15, 17). “Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo”, hoy ny Levitikosy 19:3. Rehefa nanatona an’i Solomona zanany i Batseba indray mandeha, “ny mpanjaka nitsangana hitsena an’i Batseba sady niankohoka teo anatrehany”, tamin’ny fihetsika ho fanajana. (1 Mpanjaka 2:19). Manazava toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Tsy azo natao ny fampitahana ara-paminaniana ny fitiavan’Andriamanitra ny Isiraely tamin’ny fitiavan’ny lehilahy ny vadiny raha tsy teo amin’ny fitambaran’olona nanajana ny vehivavy.”
15 Manantena i Jehovah fa hanaja ny vehivavy ireo lehilahy mpivavaka aminy, satria izy dia manaja azy ireny. Hita ny filazana ny amin’izany ao amin’ireo andinin-teny misy fampiasan’i Jehovah ara-panoharana ireo zavatra iainan’ny vehivavy, sy ny fampitoviany ny fihetseham-pony manokana amin’ny an’ny vehivavy (Isaia 42:14; 49:15; 66:13). Izany dia manampy ny mpamaky mba hahatakatra ny fihetseham-pon’i Jehovah. Mahaliana fa ny teny hebreo nadika hoe “famindram-po” sy “fiantrana” izay ampiharin’i Jehovah amin’ny tenany, dia mifandray akaiky amin’ilay teny nadika hoe “kibo” ary azo lazalazaina ho “fihetseham-pon-dreny”. — Eksodosy 33:19; Isaia 54:7.
16. Ohatra inona avy no mampiseho fa noheverina ho sarobidy ny torohevitra nomen’ny vehivavy tia an’Andriamanitra?
16 Noheverina ho sarobidy ny torohevitry ny vehivavy tia an’Andriamanitra. Rehefa nisalasala ny hanaraka ilay torohevitr’i Saraha vadiny tia an’Andriamanitra, i Abrahama indray mandeha, dia nilaza taminy toy izao i Jehovah: “Ekeo ny teniny”. (Genesisy 21:10-12). Ireo vehivavy hetita vadin’i Esao “dia nangidy tamin’ny fanahin’Isaka sy Rebeka”. Tamin’ny farany i Rebeka dia nilaza ny fahoriana hanjo azy raha hanambady Hetita iray i Jakoba zanak’izy ireo. Nanao ahoana ny fihetsik’i Isaka? Hoy ilay fitantarana: “Ary Isaka nampaka an’i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita hianao.” Eny, na dia tsy nanome torohevitra nivantana aza i Rebeka, dia nanao fanapahan-kevitra izay nanisy fiheverana ny fihetseham-pony ny vadiny. (Genesisy 26:34, 35; 27:46; 28:1). Tatỳ aoriana i Davida Mpanjaka dia nanalavitra heloka tamin’ny fandatsahan-dra noho izy nihaino ny fiangaviana mafy nataon’i Abigaila. — 1 Samoela 25:32-35.
17. Inona no mampiseho fa nanana fahefana sasany tao amin’ny fianakaviana ny vehivavy?
17 Nanana fahefana sasany tao amin’ny fianakaviana ny vehivavy. Nampirisihina toy izao ireo ankizy: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. (Ohabolana 1:8). Ny filazalazana ny amin’ilay “vehivavy mahay” ao amin’ny Ohabolana toko faha-31 dia mampiharihary fa ny vehivavy manambady izay mazoto dia tsy vitan’ny hoe nikarakara tsara ny ankohonana fotsiny fa nety ho nitantana fivarotana fananana koa, hanorina saha mamokatra, hanao fandraharahana madinika, ary ho fantatra noho ny tenim-pahendrena ataony. Ny zava-dehibe indrindra tamin’izany rehetra izany dia ny fananan’ilay vehivavy fahatahorana feno fanajana ara-pivavahana an’i Jehovah izay mendri-piderana. Tsy mahagaga raha “mihoatra lavitra noho voahangy” ny hasarobidin’izany vady izany! Nankafizina fatratra ny voahangy mena sarobidy ho amin’ny firavaka sy ho fampihaingoana. — Ohabolana 31:10-31, fanamarinana ambany pejy.
Vehivavy nahazo tombontsoa manokana tamin’Andriamanitra
18. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanomezana tombontsoa manokana ny vehivavy sasany tamin’ny andron’ny Baiboly?
18 Ny fanehoan’i Jehovah fiheverana ny vehivavy dia hita taratra teo amin’ny tombontsoa manokana nomeny ny sasany tamin’izy ireny tamin’ny andron’ny Baiboly. I Hagara sy i Saraha ary ny vadin’i Manoa dia notsidihin’anjely izay nampita tamin’izy ireo ny fitarihana avy tamin’Andriamanitra. (Genesisy 16:7-12; 18:9-15; Mpitsara 13:2-5). Nisy “vehivavy izay nanompo” tao amin’ny tabernakely ary vehivavy mpihira tao amin’ny tempoly. — Eksodosy 38:8; 1 Samoela 2:22; Mpitoriteny 2:8.
19. Indraindray dia nampiasa vehivavy i Jehovah mba hisolo tena azy tamin’ny fomba ahoana?
19 Imbetsaka teo amin’ny tantaran’ny Isiraely, i Jehovah no nampiasa vehivavy mba hisolo tena azy na mba hiteny ho Azy. Izao no vakintsika momba ny mpaminanivavy Debora: “Niakatra ho any aminy ny Zanak’Isiraely h[o]tsaraina.” (Mpitsara 4:5). Taorian’ny nandresen’ny Isiraely an’i Jabina mpanjaka kananita, dia tena nanana tombontsoa manokana tokoa i Debora. Miharihary fa izy no nanao, fara faharatsiny, ny ampahany tamin’ilay hira fandresena izay nanjary tapany amin’ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandrin’i Jehovah.c (Mpitsara toko faha-5). Taonjato maro tatỳ aoriana, mba hanontaniana an’i Jehovah, i Josia Mpanjaka dia nandefa solontena, izay nahatafiditra mpisoronabe, tany amin’i Holda mpaminanivavy. Afaka namaly tamim-pahefana toy izao i Holda: “Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. (2 Mpanjaka 22:11-15). Tamin’io toe-javatra io ilay mpanjaka dia nandidy ilay solontena hankany amin’ny mpaminanivavy iray, kanefa izany dia natao mba hahazo fitarihana avy amin’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Malakia 2:7.
20. Ohatra inona avy no mampiseho ny fiahian’i Jehovah ny fihetseham-po sy izay mahasoa ny vehivavy?
20 Ny fiahian’i Jehovah ny amin’izay hahasoa ny vehivavy dia miharihary eo amin’ireo ohatra nanaovany zavatra ho an’ny sasany tamin’ireo vehivavy mpivavaka taminy. Indroa izy no nisalovana mba hiarovana an’i Saraha tsara tarehy, vadin’i Abrahama, mba tsy ho voasavika (Genesisy 12:14-20; 20:1-7). Naneho hatsaram-panahy tamin’i Lea vadin’i Jakoba tsy tiana kokoa, Andriamanitra tamin’ny ‘fampananana anaka azy’ mba hiterahany zazalahy. (Genesisy 29:31, 32). Rehefa nanao vivery ny ainy mba hiarovana ireo zazalahy hebreo tamin’ny famonoan-jazakely tany Egypta ny mpampivelona isiraelita roa natahotra an’Andriamanitra, dia ‘nanome azy zanaka’ i Jehovah. (Eksodosy 1:17, 20, 21). Namaly koa ny vavaka feno hafanam-po nataon’i Hana izy. (1 Samoela 1:10, 20). Ary rehefa niatrika tompon-trosa izay niomana haka ny zanany mba handoavana ny trosany ny vady navelan’ny mpaminany iray maty, dia tsy nahafoy azy i Jehovah. Tamim-pitiavana, Andriamanitra dia namela an’i Elisa mpaminany hampitombo ny tahirin-diloilony mba hahafahany handoa ny trosany. Araka izany dia nitsimbina ny fianakaviany sy ny fahamendrehany izy. — Eksodosy 22:21, 22; 2 Mpanjaka 4:1-7.
21. Mampiseho filazalazana voalanjalanja inona momba ny toe-piainan’ny vehivavy ny Soratra Hebreo?
21 Tsy nampirisika velively fanambaniana ny vehivavy àry ny Soratra Hebreo, fa manolotra filazalazana voalanjalanja ny amin’ny anjara toerany teo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra. Na dia tsy niaro ireo vehivavy mpivavaka taminy tamin’ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:16 aza i Jehovah, ireo lehilahy tia an’Andriamanitra izay nanaraka ny ohatr’i Jehovah sy nitandrina ny Lalàny dia nitondra ny vehivavy tamim-pahamendrehana sy tamim-panajana.
22. Tamin’ny fotoana naha-teto an-tany an’i Jesosy, ahoana no nampiova ny anjara asan’ny vehivavy, ary fanontaniana inona avy no natao?
22 Tao anatin’ireo taonjato nanaraka ny fahavitan’ny Soratra Hebreo, dia niova ny anjara asan’ny vehivavy teo amin’ireo Jiosy. Tamin’ny fotoana nisehoan’i Jesosy teto an-tany, ny lovantsofin’ireo raby dia nametra aoka izany ny vehivavy teo amin’ireo tombontsoany ara-pivavahana sy ny fiainany ara-tsosialy. Nisy fiantraikany teo amin’ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy ve izany lovantsofina izany? Ahoana no tokony hitondrana ny vehivavy amin’izao andro izao? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny rakibolana iray, ny hoe “fananana vady maro” (polygamie) dia manondro “fanambadiana isian’ny iray amin’ny mpivady, na ny lahy na ny vavy, mety hanana vady mihoatra ny iray amin’ny fotoana iray ihany”. Ilay teny voafaritra kokoa hoe “polygynie” dia faritana ho “toetra na fanaon’izay manana vady vehivavy mihoatra ny iray indray miaraka.”
b Manerana ny Soratra Hebreo manontolo, ireo lehilahy sy ny vehivavy manambady dia asiana firesahana matetika kokoa ho “lehilahy vady” (Hebreo: ʼish) sy “vehivavy vady” (Hebreo: ʼish·shahʹ). Tany Edena, ohatra, ny teny nampiasain’i Jehovah dia tsy hoe “tompo” sy “fananana”, fa lehilahy “vady” sy vehivavy “vady”. (Genesisy 2:24; 3:16, 17). Ny faminanian’i Hosea dia nanambara mialoha fa aorian’ny fiverenana avy any amin’ny fahababoana, ny Isiraely dia hiantso amim-pibebahana an’i Jehovah hoe “Vadiko” fa tsy “Tompoko” intsony. Izany dia mety ho toa manondro fa ilay teny hoe ‘vady’ dia manana heviny malefaka kokoa noho ny hoe ‘tompo’. — Hosea 2:18, fanamarihana ambany pejy.
c Tsara homarihina ny fampiasana ny mpisolo anarana hoe “izaho” izay manondro an’i Debora ao amin’ny Mpitsara 5:7.
Ahoana no Avalinao?
◻ Milaza inona momba ny anjara asa nanendren’Andriamanitra ny vehivavy ny teny hoe “mpanampy” sy “fameno”?
◻ Rehefa mandinika ireo fomba nahakasika ny vehivavy tamin’ny andron’ny Baiboly isika, dia inona no tokony hotadidintsika ao an-tsaina?
◻ Inona no mampiseho fa nanana anjara asa mendrika ny vehivavy teo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tany am-boalohany?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no nanomezan’i Jehovah tombontsoa manokana an’ireo vehivavy talohan’ny andro kristiana?