-
Fananganan-janakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nasain’i Rahely sy Lea nanao firaisana tamin’ny mpanompovaviny i Jakoba, ary ny zaza teraka dia noheverin’izy roa vavy ho toy ny naterany mihitsy, izany hoe naterany ‘teo ambony lohaliny.’ (Ge 30:3-8, 12, 13, 24, f.a.p.) Niray lova tamin’ny zanaka naterak’i Jakoba tamin’ireo vadiny ara-dalàna ireny zaza ireny. Zanaka naterak’i Jakoba rainy mantsy izy ireny. Nanan-jo ho tompon-janaka koa i Rahely sy Lea, satria tompon’ireo mpanompovavy.
-
-
FahaterahanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Rehefa voakarakara ilay zaza sy ny reniny, dia nentina tany amin-drainy ilay zaza na nambara fa nahazo zazakely ilay fianakaviana. Neken’ilay ray fa zanany ilay zaza. (Je 20:15) Toy izany koa fa raha nisy vehivavy momba, dia nekena ho zanany izay zaza nateraky ny vadiny tamin’ny mpanompovaviny. (Ge 16:2) Azo inoana fa izany no tian’i Rahely hatao rehefa niangavy an’i Jakoba hanao firaisana tamin’i Bilaha mpanompovaviny izy, mba hiterahan’izy io ‘eo ambony lohaliny’, ka ‘hahazo zaza avy aminy’ i Rahely. (Ge 30:3, f.a.p.) Tsy ara-bakiteny ilay hoe hiteraka teo ambony lohalik’i Rahely i Bilaha. Midika kosa izany hoe handrotsirotsy an’ilay zaza eo am-pofoany i Rahely toy ny hoe tena zanany ilay izy.—Ampit. Ge 50:23.
-