ANGIVIMBAZAHA
[Heb.: dodaʼim, mr.].
Karazana ahitra maniry mandavantaona ary anisan’ny fianakaviamben’ny ovy. Lehibe sy boribory lavalava ary maitso antitra ny ravin’angivimbazaha (Mandragora officinarum). Toa eo amin’ny fakany lehibe no anirian’ny raviny, izay manao faribolana sy mandady amin’ny tany. Eo afovoan’ilay faribolana no anirian’ireo tahony izay samy misy voninkazo iray fotsy, volomparasy, na somary manga. Mitovy habe amin’ny paiso ny voany mena manopy mavo, izay masaka amin’ny fotoam-pijinjana varimbazaha any Palestina. (Ge 30:14) Manitra sy malefaka toy ny an’ny paoma, hono, ny hanitry ny angivimbazaha. (Jereo To 7:13.) Hoatran’ny tongotr’olona ny fakany lehibe vaventy izay mizara roa matetika, ka mahatonga ny olona hinohino foana sy hihevitra fa manana hery hafakely ilay zavamaniry.—SARY, Boky 1, p. 544.
Nataon’olona fahiny fanafody mampitony fanaintainana sy fitsaboana hozatra mikainkona ny voan’angivimbazaha. Misy faritra koa any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane mbola mihevitra fa mampitombo faniriana hanao firaisana na mampiteraka izy io. Neken’i Rahely ny hanaovan’i Lea rahavaviny firaisana tamin’i Jakoba vadiny, ho takalon’ny angivimbazaha vitsivitsy. (Ge 30:14, 15) Tsy lazain’ny Baiboly ny tena antony, fa nihevitra angamba izy fa raha nihinana azy ireny izy dia ho bevohoka ka tsy ho menatra intsony hoe tsy niteraka. Taona vitsivitsy taorian’izay anefa izy vao bevohoka.—Ge 30:22-24.