“Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
1-4. a) Soa inona avy, asehon’ny sary eo amin’ny pejy fonon’ity bokikely ity, no ho tianao ho hita? b) Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona no aseho aminao eo? d) Miorina amin’ny andinin-teny inona avy ao amin’ny Baiboly ny fanantenana toy izany?
JEREO ireo olona sambatra rehetra ireo eo amin’ny pejy fonon’ity bokikely ity. Tsy ho tianao ve ny ho anisan’izy ireny? Azo antoka fa izany, satria iza moa no tsy maniry fatratra fiadanana sy fifandrindrana? Olona avy amin’ny firazanana rehetra, na mainty hoditra izy na fotsy na mavo, no tafakambana eto toy ny fianakaviana iray monja. Endrey izany fifaliana sy firaisan-tsaina! Tsy misy olona gejain’ny tahotra ny taratra avy amin’ny fipoahan’ny baomba ataomika intsony na ny fampihorohoroana. Tsy misy mihitsy firohondrohon’ny fiaramanidina mpiady manakorontana ny fahatonian’ny habakabaka. Tsy manimba ny hasoan’io saha io na miaramila, na tafondro, na kalesy fananiham-bohitra. Tsy ilaina mba hitandroana ny filaminana akory aza ny hazon’ny polisy. Nanjavona ny ady sy ny heloka bevava. Foana ny fahasahiranana amin’ny fitadiavan-trano fa samy manana fonenana kanto ny tsirairay avy.
2 Jereo ange iretsy ankizy e! Mahafinaritra aoka izany ny manara-maso azy milalao! Ny biby no mpiara-milalao amin’izy ireo. Tsy ilaina intsony ny fefy vy, satria miara-miaina amim-pilaminana amin’ny olona sy amin’izy samy izy ny biby. Ny liona sy ny zanak’ondry aza tonga mpisakaiza. Tazano ny famirapiratry ny volon’ireto vorona, ary henoy ny kalony mirindra miaraka amin’ny fitokelaky ny ankizy. Tsy ao anaty tranom-borona izy ireo, satria manjaka ao amin’io zaridaina io ny fahafahana sy fifaliana tsy hita fetra. Fofòny ny hanitry ny voninkazo, henoy ny bitsiky ny ony, fantaro ny fanafosafon’ny tara-masoandro. Andramo ange ireo voankazo ao anaty harona ireo e: ny tsara indrindra amin’ny vokatry ny tany ireo. Ny tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra, izany no mahaforona an’io saha mahatalanjona io.
3 ‘Nefa toa tsy tazana eo ny antitra, hoy angamba ianao. Fa angaha tsy manan-toerana eo anivon’io fitambaran’olona sambatra io izy ireny?’ Eo tokoa izy ireny, saingy efa nihatanora. Ao amin’io saha io, dia tsy misy maty noho ny fahanterana mihitsy. Rehefa tonga olon-dehibe ny tena, dia tsy mihantitra intsony. Na 20 taona na 200 taona ny tsirairay avy amin’ireo mponina an-tapitrisany maro ao amin’io saha io dia manana fahasalamana tonga lafatra sy hery mampiavaka ny fahatanorana. An-tapitrisany maro, hoy isika? Hitatra miandalana hanerana ny tany tokoa ilay saha. Ho henika ny fiainana, ny fiadanana sy ny hatsaran-tarehy hatrany amin’ny faran’ny planeta, any Fuji-Yama ka hatrany Andes, any Hong Kong ka hatrany Méditerranée. Hovana ho zaridaina mahafinaritra ny tany manontolo. Ho voaorina indray ny paradisa any amin’ny faritra rehetra.
4 ‘Tsy afaka ny hino izany aho’, hoy angamba ianao. Alohan’ny hanaovana fanatsoahan-kevitra toy izany, nahoana raha mijery ny porofon’ny hevitra arosonay? Azonao atao, miaraka amin’ny fianakavianao, ny ho tafita velona amin’ny fanafoanana ny fandehan-javatra ankehitriny ka hiditra ao amin’ny Paradisa asehon’ny pejy fonon’ity bokikely ity amin’ny ambangovangony.a
Ilay boky miresaka ny amin’ny Paradisa
5. a) Boky inona no manazava ireo zavatra ireo? b) Amin’ny ahoana izy io no boky miavaka?
5 Ny boky mampanantena antsika izany zava-mahatalanjona rehetra izany sady manome ny porofony antsika no hafa dia hafa indrindra tamin’izay rehetra nosoratana. Ny Baiboly izany. Boky tranainy tokoa izy io, ka ny tapany sasany dia nosoratana efa ho 3 500 taona lasa izao. Io anefa no boky mety amin’izao andro izao indrindra raha ny amin’ny fanomezana torohevitra azo ampiharina ho fisetrana ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana ankehitriny. Manome fanantenana mamirapiratra ireo faminaniany. Io no boky fatra-piely indrindra: 2 000 000 000 mahery amin’ny Baiboly manontolo na tapany lehibe aminy no voazara amin’ny fiteny 1810 mahery.
6. Inona no iavahan’ny Baiboly amin’ny soratra hafa rehetra heverina fa masina?
6 Tsy misy na dia iray aza amin’ny boky masina hafa miely tahaka ny Baiboly, ary tsy tranainy tahaka azy io velively ny ankamaroan’izy ireny. Tsy ampy 1 400 taona ny Korana. Tany amin’ny 2 500 taona lasa tany ho any no nahaveloman’i Bouddha sy Confucius ary tamin’izany fotoana izany no nanoratra izy ireo. Vao 1 200 taona monja izay no nanaovana ny endriny ankehitriny amin’ireo soratry ny Shintoisma. Fa raha ny amin’ny Bokin’ny Mormona, dia vao 160 taona izany. Tsy misy na dia iray monja aza amin’ireny boky masina ireny milaza tsy misy diso, sahala amin’ny Baiboly, ny amin’ny 6 000 taona nisian’ny tantaran’olombelona. Mba hahafantarana ny fivavahana voalohany àry, dia zava-dehibe ny hizahana ao amin’ny Baiboly. Io no hany boky mitondra hafatra ho an’ny olona rehetra.
7. Inona no nolazain’ny olona mieritreritra sasany ny amin’ny Baiboly?
7 Nanambara ny maha-feno fahendrena sy soa ny teny voarakitra ao amin’ny Baiboly ny olona nandinika maro avy amin’ny firenena sy ny toe-piainana rehetra. Isaac Newton, ilay manam-pahaizana malaza nahita ny lalàna momba ny fifanintonan’ny zavatra rehetra, dia nilaza toy izao: “Tsy misy siansa mahazo fanamarinana kokoa noho ny Baiboly.” Patrick Henry, filoha revolisionera amerikana nalaza tamin’ireto teny ireto: “Omeo ahy ny fahafahana na omeo ahy ny fahafatesana”, dia nanambara koa hoe: “Sarobidy kokoa noho izay rehetra mety ho boky hafa nosoratana ny Baiboly.” Na dia i Mohandas Gandhi, olon-kendry indoa, aza, dia niteny toy izao indray andro tamin’ny lefitry ny mpanjaka britanika tany India: “Rehefa ho tonga amin’ny fifanarahana miorina amin’ireo fampianaran’i Kristy voasoratra ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra ny taninao sy ny ahy, dia ho voalamintsika, tsy ireo zava-manahirana ny tanintsika roa tonta ihany, fa ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” Nanisy fitenenana ny amin’ny toko faha-5, 6 sy 7 amin’ny boky iray ao amin’ny Baiboly, ny Filazantsara araka an’i Matio, i Gandhi. Vakio ireo; tsy maintsy hanohina anao ny hafatra mahery entiny.
Ny Baiboly: Boky tatsinanana
8, 9. a) Nahoana moa no diso ny filazana fa boky tandrefana ny Baiboly? b) Ahoana no nanoratana ny Baiboly, ary tao anatin’ny vanim-potoana naharitra toy inona? d) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa tena fanangonam-boky ny Baiboly? e) Olona firy no nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Baiboly? f) Inona no nolazain’ny mpanoratra ny Baiboly sasany raha ny amin’ny maha-izy ny Mpanao azy?
8 Mifanohitra amin’ny zavatra inoan’ny maro, ny Baiboly dia tsy vokatry ny sivilizasiona tandrefana akory na manandratra an’io. Saika izy manontolo, dia tany amin’ny tany any atsinanana no nanaovana azy. Tatsinanana daholo ny mpanoratra azy. Arivo taona talohan’i Bouddha, tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Mosesy, izay niaina tany Atsinanana Afovoany, dia nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra mba hanoratra ny Genesisy, boky voalohany ao amin’ny Baiboly. Manomboka eo, ny Baiboly dia manaraka foto-kevitra mirindra iray ihany, hatrany amin’ny bokiny farany, ny Apokalypsy. Vita tamin’ny 98 amin’ny fanisan-taona iraisana ny fanoratana ny Baiboly, izany hoe eo amin’ny 600 taona tatỳ aorian’i Bouddha. Fantatrao ve fa boky enina amby enimpolo no mahaforona ny Baiboly? Tena fanangonam-boky izany!
9 Araka izany, tao anatin’ny vanim-potoana nisy 1 600 taona nanomboka tamin’i Mosesy, dia olona eo amin’ny 40 no nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Soratra Masina izay milaza fitantarana mirindra. Nohamarinin’ireny mpanoratra ireny fa ny zavatra nosoratany dia avy amin’ny tsindrimandrin’ny Hery iray faran’izay ambony noho ny olombelona mety maty. Izao no nosoratan’i Paoly, apostoly kristiana: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.”b (2 Timoty 3:16). Toy izany koa, ny apostoly Petera dia nanazava hoe: “Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 Petera 1:20, 21; 2 Samoela 23:2; Lioka 1:70.
10. a) Ahoana no nahatongavan’ny Baiboly hatratỳ amintsika? b) Nahoana moa isika no afaka matoky fa manana ny soratra ara-tsindrimandry tamin’ny voalohany amin’izao andro izao?
10 Ny tena miavaka koa, dia ny fomba nahatongavan’ny Baiboly hatratỳ amintsika. Nandritra ny an’arivony taona maro, mandra-pamorona ny fanontam-pirinty, taonjato dimy eo ho eo izay, dia nilaina ny hanaovana kopia ny Baiboly tamin’ny sora-tanana. Tsy nisy mihitsy asa araka ny haisoratra fahizay naverina tamin-jotom-po toy izany. Natao kopia sy naverina natao kopia izany, nefa tamim-pitandremana lehibe indrindra foana. Diso vitsivitsy tsy dia lehibe monja no nataon’ireo mpanao kopia, ary ny fampitahana sora-tanana dia nahatonga ho afaka hamerina ny soratra voalohany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Nilaza toy izao ny manam-pahaizana malaza iray momba ny sora-tanana araka ny Baiboly, Sir Frederic Kenyon: “Rava hatramin’izao ireo antony farany mahatonga ho afaka hamela ny hisian’ny fisalasalana momba ny fahamarinan’ny soratra tonga hatratỳ amintsika.” Amin’izao androntsika izao, dia miisa 16 000 eo ho eo ny sora-tanana amin’ny Baiboly na sasany amin’ny tapany. Ny sasany aza nisy tamin’ny taonjato faha-2 alohan’i Kristy. Tetsy andaniny koa, dia nisy fandikan-teny marina avy amin’ny teny hebreo sy arameana ary grika, fiteny nanoratana ny Baiboly, natao saika tamin’ny fiteny rehetra amin’ny tany.
11. Fahitan-javatra inona avy amin’ny andro ankehitriny no manamarina ny fitantarana ao amin’ny Baiboly?
11 Nisy nanandrana nanohitra ny fahefan’ny Baiboly tamin’ny fiampangana azy ho tsy marina. Tao anatin’izao taona faramparany izao anefa, ny fikarohana nataon’ny arkeolojia tany amin’ireo sisan-javatra rava avy amin’ny tanàna taloha tany Atsinanana Afovoany dia nampipoitra soratra sy filazana voatahiry hafa manamarina amin’ny fomba tsy azo lavina fa tena nisy tokoa ireo olona sy ireo toerana voatonona ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, na dia ireo tranainy indrindra aza. Hitan’ireo arkeology ny soritra maro avy amin’ny safodrano naneran-tany iray izay, araka ny Baiboly, dia nitranga, 4 000 taona mahery izay, tamin’ny andron’i Noa. Ny amin’izany, dia nilaza toy izao ny andriandahy Mikasa, arkeology fanta-bahoaka: “Tena nisy safodrano tokoa ve? (...) Voaporofo tamin’ny fomba mampiaiky fa tena nisy tokoa ny safodrano.”c
Ilay Andriamanitry ny Baiboly
12. a) Ahoana no ilazan’ny mpaniratsira sasany ny amin’Andriamanitra? b) Nahoana moa ny Baiboly no mampiseho an’Andriamanitra ho toy ny Ray? d) Araka ny filazan’ny Baiboly, iza moa no anaran’Andriamanitra?
12 Raha misy manamavo ny Baiboly, ny hafa mahita fa mahatsikaiky ny mieritreritra ny amin’ny Andriamanitra Tsitoha iray. (2 Petera 3:3-7). Hoy izy ireny: ‘Ahoana no heverinareo fa hinoako an’Andriamanitra kanefa tsy mbola nahita azy mihitsy aho? Azo atao ve ny manaporofo ny fisian’ny Mpamorona tsy hita maso iray, ambony noho ny olombelona? Moa ve tsy mitoetra ao amin’ny zavatra tsirairay avy Andriamanitra?’ Ny hafa manambara hoe: ‘Tsy misy na Andriamanitra na Bouddha.’ Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy misy hafa amin’ny ahazoantsika ny fiainana avy amin’ny ray olombelona iray, dia toy izany koa fa ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nahazo ny fiainana avy amin’ny Ray iray na Mpamorona any an-danitra manana anarana hoe Jehovah. — Salamo 83:18; 100:3; Isaia 12:2; 26:4.
13. Inona moa ireo fomba roa nampiasain’Andriamanitra mba hampahafantarana ny tenany amin’ny olona?
13 Fomba roa miavaka no nampahafantaran’i Jehovah ny tenany tamin’ny olombelona. Tamin’ny alalan’ny Baiboly indrindra no nanaovany izay hahalalana ny fahamarinany sy ireo fikasany mandrakizay. (Jaona 17:17; 1 Petera 1:24, 25). Niseho tamin’ny alalan’ny zavatra noforoniny koa anefa izy. Tamin’ny fandinihana ireo zava-mahatalanjona manodidina azy, dia olona maro no nanatsoaka hevitra avy amin’izany fa tokony hisy Andriamanitra Mpamorona iray izay hita taratra eo amin’ny asany ny toetrany. — Apokalypsy 15:3, 4.
14. Inona no ampahafantarin’ny Baiboly antsika ny amin’i Jehovah?
14 Jehovah Andriamanitra no Mpanao ny Baiboly. Izy no Fanahy (Esprit) Lehibe, ilay misy mandrakizay. (Jaona 4:24; Salamo 90:1, 2). Ny anarany hoe “Jehovah” dia manintona ny saina ho amin’ny fikasany ny amin’ireo zavaboariny. Manam-pikasana ny hanamarina an’io anarana lehibe io izy amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy sy amin’ny fanafahana ireo izay tia azy mba hahafahan’izy ireny hiaina ao amin’ny paradisa iray eto an-tany. (Eksodosy 6:2-8; Isaia 35:1, 2). Tsy misy na inona na inona afaka misakana azy tsy hanao toy izany, satria izy no Tsitoha. Mpamorona izao rehetra izao izy ka tsy hita fetra ny fahamboniany raha oharina amin’ireo andriamani-pirenena sy sampy. — Isaia 42:5, 8; Salamo 115:1, 4-8.
15. Nisy olona mahira-tsaina tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana rehefa avy nandinika ny zavatra noforonina?
15 Tao anatin’izao taonjato faramparany izao, dia nanokana fotoana be dia be nandinihana ny zavatra noforonina ireo mpahay siansa. Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana izy ireo? Ny anankiray tamin’ireo nahita ny herimbaratra, ilay fizisiana malaza atao hoe Lord Kelvin, dia nanambara toy izao: “Inoako fa arakaraka ny andalinana ny siansa no analavirana ny fiheverana ny tsy fisian’Andriamanitra amin’ny endriny rehetra.” Albert Einstein, manam-pahaizana izay fantatra ho tsy mino an’Andriamanitra anefa, dia niaiky toy izao: “Ampy ahy (...) ny misaintsaina ny amin’ny firafitr’izao rehetra izao mahatalanjona, izay manjavozavo no ahatsapan’ireo vavahadin-tsaintsika azy, sy ny miezaka amim-panetren-tena hahafantatra na dia tapany faran’izay bitika monja aza amin’ny saina miharihary ao amin’ny natiora.” Hoy i Arthur Holly Compton, mpahay siansa amerikana sady nahazo ny loka Nobel: “Ny filaminana manjaka eo amin’izao rehetra izao dia manaporofo ny fahamarinan’ny teny mendri-kaja indrindra tamin’izay rehetra notononina, manao hoe: ‘Tamin’ny voalohany Andriamanitra.’ ” Ireo teny voalohany ao amin’ny Baiboly no notononiny teo.
16. Ahoana no anandratan’izao rehetra izao ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra?
16 Mirehareha noho ny fahiratan-tsainy sy ireo zava-bitany ara-tsiansa eo amin’ny lafin’ny fananihana ny habakabaka ireo mpitondra ao amin’ireo firenena mahery. Bitika anefa ny zanabolan’izy ireny raha oharina amin’ny volana voasintona hanodidina ny tany sy ireo planeta manodidina ny masoandro! Tsinontsinona ny zava-bitan’izy ireny raha oharina amin’ny asan’i Jehovah izay namorona vahindanitra an-davitrisany maro, ka ny tsirairay avy aminy dia voaforon’ny masoandro an-davitrisany maro sahala amin’ny antsika ary nanambatra izany sy nametraka azy ao amin’ny habakabaka mandritra ny fotoana tsy voafetra! (Salamo 19:1, 2; Joba 26:7, 14). Tsy mahagaga mihitsy raha heverin’i Jehovah ho toy ny valala fotsiny ny olona ary “tahaka ny tsinontsinona” ireo firenena mahery. — Isaia 40:13-18, 22.
17. Nahoana moa no mety ny hinoana ny fisian’ny Mpamorona iray?
17 Aoka horaisintsika ho ohatra ny trano onenanao. Azo inoana fa tsy ny tenanao no nanorina azy ary tsy isalasalana fa tsy fantatrao izay nanorina azy. Kanefa ny tsy fahafantaranao ny mpanorina azy akory tsy mahasakana anao tsy hanaiky fa tena asan’ny olona iray manan-tsaina tokoa izy io. Ho hadalana ny hanantitranterana fa tonga ho azy teo izy io. Koa satria ny famoronana izao rehetra izao mitaky asan’ny saina iray ambony tsy hita fetra, tsy mampiseho tsy fiheverana ve ny fandavana ny fisian’ny Mpamorona Manan-tsaina iray? Marina tokoa fa ny adala ihany no milaza anakampo hoe: “Tsy misy Andriamanitra.” — Salamo 14:1; Hebreo 3:4.
18. Asehoy fa persona Andriamanitra ary mendrika ny fiderana rehetra.
18 Ireo zava-mahatalanjona manodidina antsika, ireo voninkazo, ireo biby, ny olombelona, zava-bita tsara indrindra, ny fahagagana ny amin’ny aina sy ny fahaterahana, izany rehetra izany dia manaporofo ny fisian’ny Saina ambony Mpanao azy. (Romana 1:20). Izay milaza saina anefa dia milaza hevitra. Ary izay milaza hevitra dia milaza olona. Ny saina ambony indrindra dia ny an’ilay Olona ambony indrindra, ny Mpamorona ny zavatra velona rehetra, ny Loharanon’aina mihitsy. (Salamo 36:9). Tena mendrika ny fiderana rehetra sy ny fankalazana rehetra ny Mpamorona. — Salamo 104:24; Apokalypsy 4:11.
19. a) Nahoana no tsy misy mihitsy firenena afaka milaza fa avy amin’Andriamanitra ny fandresena ara-tafika azony? b) Nahoana moa Andriamanitra no tsy miraharaha ny ady ifanaovan’ireo firenena?
19 Voahozongozona ny finoan’ny sasany an’Andriamanitra noho ny fitsapana mafy nateraky ny Ady Lehibe Faharoa. Tao anatin’io ady io, ny tany tsirairay avy, na katolika izy na protestanta na nanaraka finoan’ny tatsinanana, dia samy niantso ny ‘Andriamaniny’. Azo atao ve ny milaza fa nanome fandresena ny sasany “Andriamanitra” ka namela ny hafa ho resy? Asehon’ny Baiboly fa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo firenena nandray anjara tamin’ny ady nivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina. Tsy tompon’andraikitra amin’ny fikorontanana sy ny fifanoheran’ireo firenena akory Jehovah, Mpamorona ny lanitra sy ny tany. (1 Korintiana 14:33). Ambony tsy hita fetra noho ny an’ireo fanjakana ara-politika sy ara-tafika ny fisainany. (Isaia 55:8, 9). Toy izany koa, ny fivavahana marina, ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny ady. Ambony lavitra noho ireo andriamanitra mpanindrahindra firenena Jehovah. Tsy manan-tsahala izy, satria izy no Andriamanitr’ireo fo tia fiadanana ao amin’ny firenena rehetra. Hoy ny Baiboly: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Maneran-tany, ireo olona tia ny rariny ankehitriny dia tonga amin’ny fahalalana an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” marina, ilay Mpamorona ny olombelona. — Romana 16:20; Asan’ny Apostoly 17:24-27.
20. Inona avy no zava-mitranga manaporofo fa tsy kristiana ny fivavahana lazaina fa kristiana ary manohitra an’Andriamanitra?
20 Ny sasany mampahatsiahy ny fisaratsarahana sy ny fihatsarambelatsihin’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana izay mihambo ho manaraka ny Baiboly, ka milaza hoe: ‘Ahoana no hahafahako hino an’ilay Andriamanitry ny Baiboly kanefa ireo firenena manana an’io boky io no anisan’ireo manangona amim-pahataitairana fitaovam-piadiana noklehera?’ Marina tokoa fa na dia tsy niova mihitsy aza ny Baiboly, ireo firenena lazaina fa kristiana dia lavitra aoka izany ny Kristianisma voalazan’ny Baiboly toy ny fifanalaviran’ireo farany avaratra sy atsimo indrindra amin’ny tany. Fihatsarambelatsihy fotsiny ny fanekeny ny Kristianisma satria manana ny Baiboly izy ireny kanefa tsy manaraka ireo fitsipiny. Nihiaka toy izao indray andro ny prezidà amerikana nandidy ny handatsahana ny baomba ataomika voalohany tany Hiroshima: “Indrisy, raha mba nanana Izaia na Masindahy Paoly mantsy isika!” — mba hitari-dalana ny olona ao anatin’ny fahasahiranana maneran-tany. Raha niray hevitra tamin’io mpaminany voalazan’ny Baiboly io anefa izy dia tsy ho nampandatsaka fitaovana ataomika iray, satria Izaia nitory fanovana ny sabatra ho fangady ary ny lefona ho fanetezam-boaloboka. Fa raha ny amin’ilay Paoly voalazan’ny Baiboly, dia izao no nambarany: “Tsy mba miady araka ny nofo [izahay] (...) fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay.” (Isaia 2:4; 2 Korintiana 10:3, 4). Tsy nanaraka ireo torohevitra mampiseho fahendrena ao amin’ny Soratra Masina anefa ireo firenena ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fa naleony niditra hifaninana hanao fitaovam-piadiana hamonoan-tena. Mihambo ho kristiana sy manaraka ny Baiboly izy ireny, kanefa tsy marim-pototra ny fihamboany. Noho ny tsy nanaovany ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy hanatrika ny fampiharana ny fanamelohany izao izy ireny. — Matio 7:18-23; Zefania 1:17, 18.
Ny asa sy ny fahagagana vitan’i Jehovah
21. Nahoana moa no tsy mety ny hisalasalana ny amin’ireo fahagagana vitan’Andriamanitra?
21 Mamorona sy manao fahagagana Jehovah. Mbola tsy nanontany tena mihitsy ve ianao ny amin’ny fahagagana sasany voatantara ao amin’ny Baiboly: ny rano tonga ra, ny Ranomasina Mena nisaraka roa, ny niterahan’ny virijina an’i Jesosy, raha ireo fotsiny aza no tononina? Azo inoana fa tsy ho takatry ny olombelona na oviana na oviana, noho ny fahiratan-tsainy voafetra, ny fomba nety ho nitrangan’ny fahagagana sasany, toy ny tsy ahafantarany tanteraka ny fahagagana isan’andro amin’ny fiposahana sy filentehan’ny masoandro. Fahagagana ny namoronana ny olombelona. Tsy nahita maso izany ny olona ankehitriny, nefa fantany fa tena nitranga tokoa izany, satria porofon’izany ny fisian’ny tenany. Fahagagana maharitra ny karazam-piainana rehetra sy izao rehetra izao manontolo. Raha izany no izy, mety ve ny hisalasalana raha toa ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ka mitantara fahagagana manokana sasany, natao tamin’ny fotoana manokana, na dia tsy ilaina intsony aza ny fahagagana toy izany amin’izao andro izao?
22. Lazalazao ny amin’ilay asa famoronan’Andriamanitra voalohany.
22 Fahagagana sy zava-mahatalanjona ny zavatra noforonina rehetra. Ny zavaboarin’i Jehovah voalohany anefa no nahagaga indrindra tamin’izy rehetra. Izany dia zanaka ara-panahy iray, ny ‘lahimatoany’. (Kolosiana 1:15). Nantsoina hoe “ny Teny” io Zanaka tany an-danitra io. Rehefa afaka taonjato maro be taorian’ny namoronana azy, dia tonga teto an-tany izy ka nantsoina hoe “Kristy Jesosy, Izay olona”. (1 Timoty 2:5). Izao no nolazaina ny aminy tamin’izay fotoana izay: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.” — Jaona 1:14.
23. a) Ahoana no azo ilazalazana ny fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy ny Zanany? b) Inona no noforonin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanany?
23 Ny fifandraisana misy eo amin’i Jehovah sy ny Zanany dia azo oharina amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny lehibe iray sy ny zanany ao amin’ny trano fiasana iray. Manampy ny rainy hanamboatra zavatra noforonin-drainy ilay zanaka. Tamin’ny alalan’ny Zanany lahimatoa sady mpiara-miasa aminy no nanomezan’i Jehovah fiainana ho an’ny zavaboary ara-panahy maro hafa. Tatỳ aoriana, ireny zanak’Andriamanitra ireny dia nifaly tamin’ny fahitana ny Zanak’i Jehovah, ilay Lehiben’ny Mpiasa ho azy, nanao ny lanitra sy ny tany hita maso. Mampisalasala anao ve ny hoe naha-vokatry ny famoronana an’ireo zavatra ireo? Rehefa afaka arivo taona maromaro tatỳ aoriana, dia nanontany lehilahy nahatoky iray toy izao Jehovah: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao. Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?” — Joba 38:4, 7; Jaona 1:3.
24. a) Zavatra noforonina teto an-tany inona no miavaka, ary amin’ny lafiny inona avy? b) Nahoana moa no tsy mety ny hilazana fa nivoatra avy amin’ny biby ny olombelona?
24 Rehefa nandeha ny fotoana, dia noforonin’i Jehovah ireo zavatra hita maso sy ireo manana aina velona eto an-tany: ny zavamaniry, ny hazo, ny voninkazo, ny hazandrano, ny vorona sy ny biby hafa rehetra. (Genesisy 1:11-13, 20-25). Avy eo, dia nilaza toy izao tamin’ilay Lehiben’ny Mpiasa ho azy Andriamanitra: “Andeha Isika hamorona [“hanao”, MN ] olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika (...). Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:26, 27). Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra sy nisy fitoviana taminy ny olombelona voalohany, nomena ireo toetran’Andriamanitra lehibe toy ny fitiavana, ny fahendrena, ny fahamarinana sy ny hery, ka ambony lavitra noho ny biby. Ao anatin’ny sokajiny iray hafa noho ny biby ny olombelona, satria izy afaka misaina, manao volavolan-kevitra sy manompo an’Andriamanitra. Tsy fahendrena fa fahaizana avy hatrany no mitarika ny biby. Hadalana loatra ny handavana ny fisian’ny Mpamorona sy ny hinoana fa ny olombelona, zavaboary manan-tsaina nomena toetra tsara be dia be toy izany, dia nivoatra avy amin’ny biby ho amin’ny karazam-piainana ambony! — Salamo 92:6, 7; 139:14.
25, 26. a) Fahatsinjovan-javatra mahafinaritra inona no natolotra ny olombelona? b) Nahoana no tsy hisy fahasahiranana mihitsy momba ny fihoaran’ny isan’ny mponina?
25 Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny “saha tao Edena tany atsinanana” ny olombelona. Zaridaina nahafinaritra izy io, sahala amin’ilay asehon’ny pejy fonon’ity bokintsika ity, kanefa olona roa monja no nonina tao, dia Adama sy ny vadiny. Tsy misy intsony io paradisa tamin’ny voalohany io: ravan’ny ranon’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa izy io. Fantatra anefa ny hoe taiza ho aiza no tokony ho nisy azy any Atsinanana Afovoany, satria mbola misy foana ny sasantsasany amin’ireo onibe lazain’ny Baiboly fa namakivaky azy. (Genesisy 2:7-14). Nisy fahafahana nahafinaritra azon’ny olombelona nohararaotina: ny hanitatra ny fefin’io saha io, hiasa ny tany sy hanova azy ho paradisa hatraiza hatraiza. — Isaia 45:12, 18.
26 Koa satria samy tia asa Andriamanitra sy ny Zanany, dia nanankinana asa koa ny olombelona. (Jaona 5:17). Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva, olona mpivady voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Milaza ve izany fa tokony hameno ny tany hihoa-pampana ny olombelona? Tsia. Rehefa asaina mameno kafe ny kaopy iray ianao, dia tsy ampidininao mandra-pirarany eo ambony latabatra akory ilay ranon-javatra. Rehefa feno ilay kaopy, dia mijanona ianao. Toy izany koa, tamin’ny fandidiana ny olona ‘hameno ny tany’, ny tian’Andriamanitra holazaina dia fanisiana mponina amin’ny antonony eo amin’ny planetantsika, rehefa avy eo dia tokony hitsahatra ny fiterahana. Tsy hiteraka zava-manahirana mihitsy izany ao anatin’ny fitambaran’olona tanteraka iray. Ao anatin’izao tontolo izao tsy tanteraka ihany no miteraka zava-manahirana ny fihoaran’ny isan’ny mponina.
Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fahoriana?
27. Fanontaniana inona avy no tokony hovaliantsika izao?
27 Raha fikasan’Andriamanitra ny hanao ny tany ho paradisa, nahoana ny planetantsika no dia feno faharatsiana sy fahoriana ary fahasahiranana toy izao? Raha Tsitoha Andriamanitra, nahoana no leferiny hatramin’ny ela be toy izao ny toe-piainana toy izany? Afaka manantena ny hahita ny fahataperan’ny fahoriantsika rehetra ve isika? Ahoana no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?
28. Ahoana moa no nidiran’ny fikomiana tao amin’ny sahan’i Edena?
28 Aharihariny fa nanomboka ny zava-dratsy mitambesatra amin’ny olombelona rehefa nikomy tamin’ny fiandrianana na fanapahan’i Jehovah ny anankiray tamin’ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra. (Romana 1:20; Salamo 103:22, MN, fanamarihana ambany pejy). Tsy isalasalana mihitsy fa io anjely io dia anisan’ireo izay nifaly tamin’ny namoronana ny olombelona. Namaka tao am-pony anefa tatỳ aoriana ny fitsiriritana sy ny avonavona ary nanaiky ho sodokan’ny faniriana hahita an’i Adama sy Eva hanompo azy fa tsy ny Mpamorona azy ireo, Jehovah, izy. Toy ny ataon’ny olona mahay manova feo ho ohatra ny avy any an-kibo ka mahatonga hihevitra fa miteny ny sariolona ahetsiketsika iray, dia nampiasa bibilava iray izy mba hitaomana an’i Eva tsy hankatò an’ilay Andriamanitra Tsitoha. Nanaraka ny vadiny tao amin’ny lalan’ny tsy fankatoavana i Adama. — Genesisy 2:15-17; 3:1-6; Jakoba 1:14, 15.
29. a) Fanontaniana lehibe inona avy no napetraka? b) Ahoana no namalian’Andriamanitra an’io fihaikana io? d) Inona no anjara azonao raisina mba hamaliana ny fihamboan’i Satana?
29 Tatỳ aoriana io anjely nikomy io dia nahazo ny anarana hoe “menarana ela”. (Apokalypsy 12:9; 2 Korintiana 11:3). Antsoina hoe Satana koa izy, ka ny dikan’izany dia hoe “Mpanohitra”, sy Devoly, izany hoe “Mpanendrikendrika”. Nataony izay hampisalasala ny amin’ny maha-ara-dalàna sy ara-drariny ny fanapahan’i Jehovah eto an-tany. Nandefa fihaikana an’Andriamanitra koa izy ka nihambo fa hatramin’izao dia ho hainy ny hampiala ny olombelona rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Nomen’Andriamanitra eo amin’ny 6 000 taona àry Satana mba hanandramana manaporofo ny fihamboany, ka izany dia handamina indray mandeha ny raharaha ny amin’ny fiandrianan’i Jehovah. Tsy nahomby tamin’ny fomba mampahonena ny fanapahan’olombelona tsy niankina tamin’Andriamanitra. Nisy anefa lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana, ka ohatra niavaka tamin’izany i Jesosy, tsy nivadika hatrany tamin’Andriamanitra na dia tao aza ny fitsapana mafy, ka nanamarina an’i Jehovah ary nanaporofo fa mpandainga ny Devoly. (Lioka 4:1-13; Joba 1:7-12; 2:1-6; 27:5). Afaka ny ho tonga lehilahy na vehivavy tsy mivadika koa ianao. (Ohabolana 27:11). Tsy Satana ihany anefa no fahavalonao. Ny amin’ny fahavalo hafa iza no tianay horesahina?
Ny fahavalontsika: Ny fahafatesana
30. Araka ny Soratra Masina, inona no fanamelohana hihatra amin’ny olombelona noho ny tsy fankatoavana?
30 Nambaran’Andriamanitra fa raha nisy tsy fankatoavana, ny ho fanamelohana dia ny fahafatesana. Izao no nolazain’i Jehovah rehefa nanonona ny fanamelohana an’ilay vehivavy izy: “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” Izao no nambarany tamin’i Adama: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:16-19). Noroahina tsy ho ao amin’ilay Paradisan’ny fahasambarana ireo ray aman-drenintsika voalohany ary voatery nonina tao amin’ny tany tsy voavoly mandra-pahafatiny. — Genesisy 5:5.
31. Inona moa no atao hoe ota, ary inona avy no vokany ho an’ny olombelona?
31 Taorian’ny nahaverezan’ny fahatanterahany vao nanomboka niteraka Adama sy Eva. Taranak’izy ireo tsy tanteraka ny olona rehetra ka noho izany dia maty izy rehetra. Manazava izany amin’izao teny izao ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” Inona moa no tiana holazaina amin’ny hoe “ota” eo? Izany dia ny tsy fahatratrarana ny zava-kendrena, dia ny fahatanterahana, ny toetr’izay feno. Tsy mankasitraka na mitana ho velona izay rehetra tsy tanteraka Jehovah. Koa satria ny olona rehetra nandova ny fahotana sy ny tsy fahatanterahan’i Adama, lehilahy voalohany, dia “nanjaka” teo amin’izy ireo ny fahafatesana. (Romana 5:12, 14). Maty sahala amin’ny biby ny olona nietry. — Mpitoriteny 3:19-21.
32. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny fahafatesana nolovaintsika?
32 Inona moa no atao hoe “fahafatesana”? Ny mifanohitra amin’ny fiainana. Napetrak’Andriamanitra teo anoloan’ny olombelona ny fahatsinjovana fiainana mandrakizay eto an-tany raha nankatò hatrany izy. Niseho ho nivadika anefa ny olombelona ka ny sazy dia ny fahafatesana, ny tsy fahatsiarovan-tena, ny fahafoanana. Tsy noresahin’Andriamanitra ny amin’ny hoe hamindrana ny fiainan’olombelona any amin’ny faritra ara-panahy na any amin’ny “afobe” mirehitra raha misy tsy fankatoavana sy fahafatesana. Nomeny azy izao fampiomanana izao: “Ho faty tokoa hianao.” Ny Devoly mpamono olona no nandainga tamin’ny filazana hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo.” (Genesisy 2:17; 3:4; Jaona 8:44). Ny nolovan’ny olona rehetra avy tamin’i Adama, dia ny fahafatesana, ny fiverenana ho amin’ny vovoka. — Mpitoriteny 9:5, 10; Salamo 115:17; 146:4.
33. a) Ho avy halaza inona no miandry ny olombelona sy ny tany? b) Inona moa ireo zavatra telo lehibe tanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany?
33 Amin’izany, moa ve tsy misy ho avy mihitsy ho an’izay maty? Misy ho avy mahafinaritra tokoa miandry azy ireny! Ahariharin’ny Baiboly fa hotanterahin’Andriamanitra tsy misy diso ny fikasany hanorina paradisa an-tany ho an’ny olona rehetra, anisan’izany ireo maty. Hoy Jehovah: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro.” “Hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.” (Isaia 66:1; 60:13). Noho ny habetsahan’ny fitiavany, dia nirahin’i Jehovah ho eto an-tany ny Zanany, ny Teny, mba hahazoan’ny taranak’olombelona ny fiainana amin’ny alalany. (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9). Tokony hojerentsika izao ny zavatra telo lehibe tanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany, dia: 1) ny fanomezana fomba hanafahana ny olona amin’ny fahafatesana, 2) ny famelomana indray ny maty ary 3) ny fanorenana fitondram-panjakana tonga lafatra iray ho an’ny olona rehetra.
Ny fanafahana amin’ny fahafatesana
34, 35. a) Tamin’ny fomba ahoana ihany no azo nanavotana ny olombelona avy amin’ny fahafatesana? b) Inona moa no atao hoe avotra?
34 Hatramin’ny taloha ireo mpaminanin’Andriamanitra dia efa naneho ny finoany, tsy ny tsy fetezan’ny olona ho faty, fa ny fampanantenana fa ‘hamonjy azy ho afaka’ amin’ny fahafatesana Andriamanitra. (Hosea 13:14). Ahoana anefa no hanaovana izany fanafahana amin’ny fatoran’ny fahafatesana izany? Ny fahamarinana tonga lafatr’i Jehovah dia nitaky ‘aina solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify’. (Deoteronomia 19:21). Nampandova fahafatesana ny taranany rehetra i Adama noho izy ninia tsy nankatò an’Andriamanitra ka tamin’izany dia namoy ny ain’olombelona tanteraka nananany tamin’izany. Nilaina àry ny hakan’ny lehilahy hafa iray ny toerany sy ny hanolorany ny vidin’ny ain’olombelona tanteraka nananany mba hanavotana izay verin’i Adama.
35 Nekena tokoa io fotopoto-pitsipika ara-drariny momba ny fitoviana io tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tantara. Ny fitenenana fampiasa dia ny hoe “avotra”. Inona moa no atao hoe avotra? Izany dia “vidiny aloa mba hanavotana olona iray na zavatra iray amin’olona mitana azy ho babo. Lazaina amin’izany fa avotana ny mpigadra an’ady na ny mpanompo rehefa afahana ho takalon’ny zava-tsarobidy iray. (...) Izay arotsaka na atao takalo ho onitra dia ny avotra.”d Hatramin’ny nanotan’i Adama, ny olombelona rehetra dia toy ny mpigadra an’ady na ny mpanompo, eo ambany ziogan’ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana. Mba hanafahana azy ireo, dia tokony hisy avotra homena. Mba hanalavirana izay rehetra mety ho fiadian-kevitra ny amin’ny maha-ara-drariny ny vidim-panavotana, dia nilaina ny hanaovana sorona ny ain’olombelona tanteraka hafa, izany hoe ny mitovy indrindra amin’ny ain’i Adama.
36. Ahoana no nanomezan’i Jehovah ny vidin’ny avotra, dia ain’olombelona tanteraka?
36 Aiza anefa no hahitana ain’olombelona tanteraka toy izany? Ny taranak’i Adama rehetra dia teraka tao anatin’ny tsy fahatanterahana. “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony.” (Salamo 49:7). Mba hitondrana fanafodin’ny tarehin-javatra, Jehovah, natosiky ny fitiavany lalina ny olombelona, dia tena nanolotra ho sorona tokoa ny Zanany “lahimatoa” sarobidy. Nafindrany ho ao an-kibon’ny virijina jiosy iray nantsoina hoe Maria ny aina tanteraka nananan’ny Zanany ara-panahy, dia ny Teny. Nitoe-jaza ilay vehivavy tanora ary niteraka zazalahy nomena anarana hoe “Jesosy”. (Matio 1:18-25). Araka ny fandrindran-kevitra tokoa fa ilay Mpamorona ny aina dia afaka nanatanteraka fahagagana mahatalanjona toy izany.
37. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fitiavany ny olona maniry hahazo ny fiainana?
37 Rehefa tonga olon-dehibe i Jesosy dia niseho teo anatrehan’i Jehovah sy natao batisa. Nanendry azy hanatanteraka ny sitrapony Jehovah tamin’izay. (Matio 3:13, 16, 17). Koa satria nafindra avy tany an-danitra ny ainy, dia tanteraka i Jesosy. Azony natao àry ny nanao sorona izany ain’olombelona tanteraka izany mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahafatesana. (Romana 6:23; 5:18, 19). Ny tenany mihitsy no nilaza hoe: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 10:10; 15:13). Rehefa namono azy teo amin’ny hazo fijaliana i Satana, dia nanaiky an’io fahafatesana mafy io i Jesosy, noho ny fahafantarana fa ny olona izay haneho finoana dia hahazo ny fiainana noho io fandaharam-panavotana io. — Matio 20:28; 1 Timoty 2:5, 6.
Ny fiverenana ho amin’ny fiainana
38. Ahoana no namelomana indray ny Zanak’Andriamanitra ary inona no porofo ananantsika ny amin’izany?
38 Raha novonoin’ireo fahavalony ho faty ny Zanak’Andriamanitra, izany akory tsy nahatonga azy hamoy ny zony hanana fiainan’olombelona tanteraka, satria izy nitana ny tsy fivadihany teo anatrehan’Andriamanitra. Fa ahoana no hahafahan’i Jesosy, maty sy nalevina, hampiasa io fananana sarobidy io, dia ny zo hanana fiainan’olombelona, ho an’ny olombelona? Teo Jehovah no nanatanteraka fahagagana hafa iray, ny voalohany tamin’ny karazany. Tamin’ny andro fahatelo nisaina avy teo amin’ny nandevenana an’i Jesosy, dia nanangana azy tamin’ny maty tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy sy tsy mety maty Jehovah. (Romana 6:9; 1 Petera 3:18). Mba hanorenana fototry ny finoana ny fananganana ny maty, dia imbetsaka i Jesosy no nitafy vatan’olombelona ka niseho tamin’ireo mpianany; indray mandeha aza izy dia niseho tamin’ny 500 mahery tamin’izy ireo. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo, toy izany koa ny apostoly Paoly izay azon’ny fahajambana tatỳ aoriana noho ny famirapiratry ny fisehoan’i Jesosy be voninahitra, nanana antony tokony hisalasalana ny amin’ny fahagagana momba ny nananganany azy tamin’ny maty. — 1 Korintiana 15:3-8; Asan’ny Apostoly 9:1-19.
39. a) Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny sorony, ary iza no mandray soa voalohany avy amin’izany? b) Fahagagana lehibe hafa inona no nambaran’i Jesosy?
39 Rehefa afaka 40 andro, Jesosy tafatsangana tamin’ny maty dia niakatra ho any an-danitra mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra sy hanolotra ho azy ny vidin’ny sorona olombelona nataony, ny vidin’ny fanavotana ny fianakavian’olombelona. “Fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Hebreo 10:12, 13). Ny voalohany mandray soa amin’ny fanafahana noho io avotra io dia “ondry vitsy” kristiana mahatoky “ao amin’i Kristy”. (Lioka 12:32; 1 Korintiana 15:22, 23). “Navotana avy tamin’ny olona” ireo ka noho izany dia tonga, amin’ny alalan’ny fananganana ny maty, mpikambana miaraka amin’i Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 14:1-5). Fa inona no ho anjaran’ireo maty an-davitrisany maro matory ao am-pasana? Nandritra ny fivahiniany teto an-tany, dia nilaza i Jesosy fa ny Rainy dia nanome azy fahefana hitsara sy hanome fiainana. Nanampy teny toy izao izy: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [“am-pasana fahatsiarovana”, MN ] ny feony; dia hivoaka izy (...) ho any amin’ny fitsanganana.” (Jaona 5:26-29). Hovelominy indray ao amin’ny paradisa an-tany izy ireny.
40, 41. a) Inona marina moa no tiana holazaina amin’ny hoe “fananganana ny maty”? b) Nahoana moa isika no afaka maneho finoana ny fampanantenan’Andriamanitra fananganana ny maty?
40 Mariho ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza gaga amin’izany”. Ahoana anefa no mety hahavelona indray olona iray maty hatramin’ny taonjato maro? Moa ve ny tenany tsy lasa vovoka? Mety ho efa tonga sakafon’ny zavamaniry sy ny biby aza izany. Ny tiana holazaina amin’ny hoe “fananganana ny maty” anefa dia tsy fanakambanana ireo foto-javatra simika teo aloha ihany fa famoronan’Andriamanitra indray ilay olona ihany, manana ny maha-izy azy tsy miova. Hanamboatra vatana vaovao Andriamanitra amin’ireo foto-javatra avy amin’ny tany, dia vatana homeny toetoetra, toetra mampiavaka, fitadidiana toy ny taloha, raha fintinina dia ilay oha-piainana novolavolain’ilay olona hatreo amin’ny andro nahafatesany.
41 Aoka hatao hoe nafoinao noho ny hain-trano ny trano iray tsy foinao. Ho mora aminao ny hampanorina indray io fonenana io ihany, satria miavaka ao amin’ny fitadidianao ny sary, ny ohatra voaforon’ny andinindininy rehetra maminao. Vao mainka manana fahefana hamorona indray ireo olona notanany ao amin’ny fahatsiarovany Andriamanitra, Mpanao ny fitadidiana, satria tiany izy ireny. (Isaia 64:7 [64:8, MN ]). Izany no antony ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “am-pasana fahatsiarovana”. Amin’ny fotoana voatendry hananganana ny maty, dia hanao izany fahagagana izany Andriamanitra, toy ny nanaovany fahagagana fony izy namorona ny lehilahy voalohany, saingy amin’io kosa dia hamerimberina izany imbetsaka izy. — Genesisy 2:7; Asan’ny Apostoly 24:15.
42. Nahoana moa no mety hisy sy azo antoka ny fiainana mandrakizay eto an-tany?
42 Hovelomin’Andriamanitra indray ny maty, amin’ny fahatsinjovana ny tsy hahitana fahafatesana intsony mihitsy. Fa ahoana no mety hisian’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny planetantsika? Mety hisy sady azo antoka izany satria tafiditra ao anatin’ny fikasana sy ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 6:37-40; Matio 6:10). Matoa maty ny olombelona dia tsy noho ny inona fa noho ny fahotana nolovana tamin’i Adama. Ampy anefa ny mihevitra ireo zava-mahatalanjona maro karazana tsy hita fetra eto an-tany natao hahafinaritra ny olombelona mba hahatsapana fa tena fohy loatra ny faharetam-piainana latsaka ny zato taona. Raha nanome ny tany ho an’ny zanak’olombelona Andriamanitra, dia tiany ny hahita azy ireo hifaly amin’ny hakanton’ny zavatra noforonina, mandrakizay, fa tsy mandritra ny zato na arivo taona monja. — Salamo 115:16; 133:3.
Ilay Fitondram-panjakam-piadanana tonga lafatra
43. a) Nahoana moa no ilaina ny fitondram-panjakana tonga lafatra iray? b) Inona moa no fikasan’Andriamanitra ny amin’izany?
43 Koa satria nanda ny lalàn’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia lasa teo ambany fifehezan’i Satana, “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, ny fanapahan’olombelona. (2 Korintiana 4:4, MN ). Ny ady, ny faharatsiana mihoa-pampana, ny fandraisana kolikoly sy ny fiovaovan’ny fitondram-panjakan’olombelona dia manaporofo izany. Tsy afaka nanorina indray ny fandriampahalemana teto amin’izao tontolo izao feno fikorontanana ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana. Mila dia mila fitondram-panjakam-piadanana ny olombelona. Moa ve tsy ara-dalàna raha toa ilay Mpamorona, izay mikasa ny hanorina indray ny Paradisa eto an-tany, ka manome koa fitondram-panjakana iray tonga lafatra hitondra azy? Izany indrindra no sitrapony. Ny Mpanjaka mampiseho azy eo anivon’io Fitondram-panjakana io dia ny “Andrian’ny fiadanana”, Kristy Jesosy, ary “ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:5, 6 (9:6, 7, MN ).
44. a) Aiza no hisy io Fitondram-panjakana io? b) Iza no hahaforona azy?
44 Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa ho any an-danitra io Fitondram-panjakana tonga lafatra io. Avy amin’io toerana misy tombontsoa io, Jesosy Kristy Mpanjaka dia hitondra amin’ny fomba mandaitra ny tany ao anatin’ny rariny. Hisy mpikambana hampiarahina aminy koa ao amin’io Fitondram-panjakana any an-danitra tsy hita maso io. Izy ireny dia fidina eo amin’ireo olo-mahatoky, mpianatr’i Jesosy izay niara-naharitra taminy tao anatin’ny fitsapana ka nilazany hoe: “Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy.” (Lioka 22:28, 29). Olom-bitsy monja no voaray ho any an-danitra mba hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy. Toy izany koa, ireo firenena amin’izao andro izao dia tsy mifidy afa-tsy vitsivitsy amin’ireo anisany mba hitondra eo anivon’ny antenimieram-pirenena na ny parlemanta iray. Ambaran’ny Baiboly fa 144 000 monja no hiaraka amin’i Kristy Jesosy ao amin’ny Fanjakany. Ilay Fanjakana na Fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra àry dia voaforon’i Jesosy Kristy sy olona 144 000 nalaina avy amin’ny olombelona. (Apokalypsy 14:1-4; 5:9, 10). Ary eto an-tany? Manazava ny Salamo 45:16 fa hanendry “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra” ny Mpanjaka. Ireny “mpanapaka” olombelona na mpitondra ireny dia hotendrena avy any an-danitra noho ny fifikirany lalina amin’ireo fotopoto-pitsipika marina. — Jereo Isaia 32:1.
45, 46. a) Inona moa no foto-kevitra lehibe indrindra tamin’ny fitorian’i Jesosy? b) Nahoana moa io Fitondram-panjakana tonga lafatra io no tsy naorina avy hatrany? d) Amin’ny heviny ahoana moa ny 1914 no taona voamarika ao amin’ireo faminaniana sy amin’ireo fisehoan-javatra maneran-tany?
45 Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa no nanorenana an’io Fitondram-panjakana tonga lafatra io? Tamin’ny fivahiniany teto an-tany, dia nataon’i Jesosy foto-kevitra lehibe indrindra tamin’ny fitoriany ny amin’io Fanjakana io. (Matio 4:17; Lioka 8:1). Tsy tamin’izay fotoana izay na tamin’ny fotoana nananganana azy tamin’ny maty anefa ny nanorenany izany. (Asan’ny Apostoly 1:6-8). Na dia taorian’ny niakarany ho any an-danitra aza, dia tsy maintsy mbola niandry ny fotoana noferan’i Jehovah izy. (Salamo 110:1, 2; Hebreo 1:13). Asehon’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa tonga tamin’ny 1914 ny andro voatendry. ‘Kanefa, hoy angamba ianao, moa ve io taona io nahita fiorenan’ny fitondram-panjakana tonga lafatra iray fa tsy fitomboan’ny loza teto amin’izao tontolo izao kosa?’ Izany indrindra no tianay horesahina! Misy fifandraisana akaiky amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo loza aman’antambo miseho amin’izao androntsika izao. Izany no hojerentsika izao.
46 Nandritra ny 35 taona teo ho eo talohan’ny 1914, Ny Tilikambo Fiambenana (gazetiboky ara-pivavahana miely indrindra maneran-tany amin’izao andro izao) dia nanintona ny sain’ireo mpamaky azy ho amin’ny 1914 ho toy ny taona voamarika ao amin’ireo faminanian’ny Baiboly. Nanomboka tanteraka tamin’ny fomba nahagaga izany faminaniana izany tamin’ny 1914. Aoka hotononintsika ilay faminaniana nolazain’i Jesosy, taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay momba ny “famantarana” hiseho amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra izay hanaporofo ny fanatrehany tsy hita maso ao amin’ny herin’ny fanjakany. Namaly an’ireo mpianany izay nanontany azy ny amin’io “famantarana” io i Jesosy ka nanambara toy izao: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.” (Matio 24:3, 7, 8). Ho fahatanterahan’ireo teny ireo tamin’ny fomba nanaitra, dia nipoaka tamin’ny 1914 ny voalohany tamin’ireo ady lehibe. Avo fito heny noho ny nateraky ny fitambaran’ireo ady 900 nitranga tao anatin’ireo 2 500 taona teo aloha ny halehiben’ny fandringanana! Tsy nitsahatra mihitsy ny fahoriana hatramin’izay. Nahita fahoriana ve ianao noho ny ady, ny mosary sy ny horohorontany lehibe mandrava ny tany nanomboka tamin’ny 1914? Raha izany no izy, dia vavolombelona mahita maso ny “famantarana” ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny ianao. — Daniela 12:4.
47. Ahoana no nahitana mazava ireo fisehoan-javatra fahatanterahan’ny “famantarana” tao anatin’izao taona faramparany izao?
47 Nitombo ny “fahoriana” niaraka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, avo efatra heny noho ny Ady Lehibe Voalohany ny fandringanany, ary mitohy ny fanafihana amin’izao andro izao, amin’ny fotoan’ny fiadiana noklehera. Tanteraka amin’izany ity faminanian’i Jesosy hafa iray ity: “Hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra”. (Lioka 21:11). Ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava sy ny faharatsiana, ny tsy fankatoavana sy ny ditran’ny ankizy, ny fandrosoan’ny tsy fitiavam-pivavahana sy ny fahalotoam-pitondrantena, izany zava-mitranga mampahonena rehetra izany dia nambara koa ho samy foto-javatra hanamarika “ny andro farany” ho an’izao fandehan-javatra ratsy izao. — 2 Timoty 3:1-5; Matio 24:12.
48. Iza moa no fototry ny loza eto an-tany, ary nahoana no nitombo izany loza izany nanomboka tamin’ny 1914?
48 Kanefa raha naorina tamin’ny 1914 ny Fitondram-panjakana any an-danitra, nahoana no misy fahoriana toy izao eto an-tany? Satana Devoly no tompon’andraikitra amin’izany. Rehefa nandray ny fahefany hanjaka Kristy, ny nataony voalohany dia ny niady tamin’i Satana tany an-danitra. Tamin’izay, Satana, “izay mamitaka izao tontolo izao”, dia nazera niaraka tamin’ireo anjeliny ho etỳ akaikin’ny planetantsika. Noho ny fahafantarany fa antomotra ny oran’ny farany, dia miteraka fahasahiranana lehibe eo amin’izao tontolo izao izy. Izao no voasoratra: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:7-9, 12.
49. a) Inona no hanjo an’ireo izay “manimba ny tany”? b) Ahoana no hampiharan’i Jehovah ny “didim-pitsarany” eo amin’ireo firenena?
49 Hitsahatra ve izany fahoriana izany indray andro any? Eny, rehefa handray anjara ny Fitondram-panjakana any an-danitra mihitsy, ny Fanjakan’ilay Andriamanitra Tsitoha, ka ‘hanimba izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:18; Daniela 2:44). Tsy holeferin’i Jehovah na oviana na oviana ny hisian’ny fanjakana ara-politika, ny kristiana sandoka ary na iza na iza hafa koa, hanimba ny tany izay asany, amin’ny alalan’ny fitaovan’izy ireo noklehera. Nanamafy toy izao kosa aza izy: “Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra.” (Zefania 3:8). Jehovah, amin’ny alalan’ny Kristiny, dia hampiasa ireo tafika lehibe hobaikony eo amin’izao rehetra izao mba hanorotoro ireo mpiandany amin’i Satana eto an-tany. Hatao amin’ny ambaratonga maneran-tany izany fandringanana izany, ary, amin’ny halehibeny, dia ho sahala amin’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa izany. — Jeremia 25:31-34; 2 Petera 3:5-7, 10.
50. a) Inona moa no atao hoe “Hara-Magedona”? b) Olona iza ihany no ho afaka ny ho tafita velona amin’i Haramagedona?
50 Ao amin’ny Baiboly, izany fandringanana ireo firenena ratsy izany dia antsoina hoe ny adin’i Haramagedona. (Apokalypsy 16:14-16). Ireo manetry tena, izay mitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ihany, no ho tafita velona amin’ny adin’Andriamanitra ka hiditra ao anatin’ny fandehan-javatra vaovaom-piadanana. (Zefania 2:3; Isaia 26:20, 21). Izao no lazain’ny Baiboly ny amin’izy ireny: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11). Amin’izay no hanomboka ny asa fanorenana indray ny Paradisa eto an-tany!
Ny fianarana izay mampiditra ho ao amin’ny Paradisa
51. Nahoana moa ianao no tokony hanao zavatra dieny izao?
51 Ho tianao ve ny hiaina ao amin’ny Paradisa? Raha izany no izy, dia ho faly tokoa ianao hahafantatra fa fony izy niresaka ny amin’ny fandehan-javatra misamboaravoara misy antsika ankehitriny sy ny “famantarana” manambara ny hanafoanana azy, dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Mampalahelo anefa fa ny ankamaroan’olona amin’izao andro izao dia manaraka ny lalana malalaka izay mitarika ho amin’ny fandringanana. (Matio 7:13, 14). Kely sisa ny fotoana tavela mba hiovan-dalana. Afaka ny ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa ianao noho ny nampiomanany anao amin’ny fotoana mety! Tian’i Jehovah ny hahazoanao ny fiainana, ka hanampy anao hanao ireo dingana ilaina amin’izany izy. — 2 Petera 3:9; Ezekiela 18:23.
52. Inona no ilainao mba hanaovana fisafidianana amim-pahendrena raha ny amin’ny fivavahana?
52 Ilaina maika dia maika izao ny hahazoanao ny fahalalana marina. (1 Timoty 2:4; Jaona 17:3). Aiza no mety hahazoanao izany? Ho hitanao ao amin’izay rehetra mety ho fivavahana ve izany? Misy milaza fa ny fivavahana rehetra dia mitarika ho amin’ny zava-kendrena iray ihany, somary sahala amin’ny lalana rehetra eo amin’ny tendrombohitra iray mitarika ho ao an-tampony. Diso hevitra aoka izany anefa izy ireny! Mba hahitana ny lalana tsara, ireo mpianika tendrombohitra dia mijery sarintany sy manakarama mpitari-dalana. Toy izany koa, ny fivavahana marina ihany no mety hitarika anao ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary mila fitarihan-dalana ianao mba hahitana izany. — Asan’ny Apostoly 8:26-31.
53. a) Raha tianao ny hahazo ny fiainana mandrakizay, tokony hanohy hanao inona moa ianao? b) Fandrik’i Satana inona avy no angamba tsy maintsy resenao?
53 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity bokikely ity noho ny fikendrena ny hanampy anao. Azo antoka fa efa nahatonga anao ho afaka hahatakatra fahamarinana fototra araka ny Baiboly vitsivitsy izy ity. Tsy isalasalana fa afaka nahatsapa ny tenanao fa ny hevitra nolazaina tsirairay avy dia miorina amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Mba handrosoana ho amin’ny zava-kendrenao, dia ilainao izao ny manohy mianatra. Toy ny ilàna fianarana tsy ara-pivavahana mba hitanana toerana ao anatin’ny fitambaran’olona ankehitriny, dia toy izany koa fa tena ilaina ny fianarana Baiboly mety mba hiomanana hiditra ao anatin’ny fitambaran’olona izay hiaina ao anatin’ny Paradisa. (2 Timoty 3:16, 17). Angamba Satana hanandrana hampiala anao amin’ny fampipoirana fanoherana avy amin’ny havanao akaiky na amin’ny fakana fanahy anao amin’ny alalan’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo na ny fahalotoam-pitondrantena. Aza manaiky ho resin’ny Devoly. Ny tsy fanananao ahiahy sy ny ho avinao, mbamin’ny an’ny fianakavianao, dia miankina amin’ny fanapahan-kevitrao hianatra ny Baiboly. — Matio 10:36; 1 Jaona 2:15-17.
54. Fandaharana hafa inona koa moa no nataon’i Jehovah tsy lavitra ny tranonao mba hampianarana anao ny Teniny?
54 Ankoatra ny fanohizana ny fianaranao ny Baiboly, dia afaka mampitombo ny fahalalanao amin’ny fomba hafa iray koa ianao. Eo akaikinao, dia misy olona mihevitra ny fianarana ny Baiboly ka mivory tsy tapaka ao amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana. Eo daholo ny mpanatrika mba handray fampianarana ao amin’ny Baiboly ary manandrana amim-pahatsorana ho tonga tsaratsara kokoa izy ireny. Mandray amin-kafanam-po an’ireo vaovao amin’izao teny izao izy ireny: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah [ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ho azy] (...); mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” (Isaia 2:3). Ny Hebreo 10:24, 25 dia manome antony tsara tokony hanatrehana ireny fivoriana momba ny Baiboly ireny. Izao no vakintsika ao: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.”
55. a) Amin’ny lafiny inona avy moa ny fandaminan’i Jehovah no tsy mitovy amin’ny hafa? b) Amin’ny heviny ahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tafaray kokoa noho ny vahoaka hafa rehetra?
55 Amin’ny fiarahana amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia ho tsapanao fa hafa dia hafa ny rivo-piainana ao tsy toy izay manjaka ao amin’ireo tempoly sy eglizy. Tsy misy fanantazan-drakitra, na fifosana, na fifandirana, na fanavakavahana noho ny toerana ara-pianakaviana na ara-tsosialy. Ny toetra miavaka indrindra eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ny fitiavana. Voalohany indrindra, dia tia an’i Jehovah izy ireny, ary manaraka izany, dia tia ny namany. Marika mampiavaka ny kristiana marina izany. (Matio 22:37-39; Jaona 13:35). Manasa anao izahay mba hanatrika ny fivorian’izy ireo ka ny tenanao mihitsy no hanamarina izany. Tsy isalasalana mihitsy fa hanaitra ny sainao ny firaisan-tsain’izy ireo. Misy telo tapitrisa mahery ny Vavolombelona maneran-tany, any amin’ny tany 200 mahery. Manaraka fandaharana mitovy anefa ny Vavolombelona maneran-tany amin’ireo fivoriany. Koa satria atonta miaraka amin’ny fiteny maro ny bokin’izy ireo, ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana ny gilaoby dia mianatra isan-kerinandro, ora vitsivitsy no manelanelana izany, foto-kevitra araka ny Baiboly mitovy. Ny firaisan-tsaina manjaka eo anivon’ny olon’i Jehovah dia fahagagana eo amin’izao tontolo izao misaratsaraka.
56. a) Inona no soa azonao raisina avy amin’ny fiarahana amin’ny fandaminan’i Jehovah? b) Raha misy zava-manahirana mitranga, tokony hanao ahoana ny fandraisanao izany? d) Nahoana moa no zava-dehibe ny hanapahanao hevitra hanolotra ny fiainanao ho an’i Jehovah?
56 Arakaraka ny hifaneraseranao tsy tapaka amin’ny olon’i Jehovah, dia hilainao ny hitafy “ny toetra vaovao” sy hamboly ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra: “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [“finoana”, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Kolosiana 3:10, 12-14; Galatiana 5:22, 23). Handray fahafahampo lalina avy amin’izany ianao. Noho izao tontolo izao ratsy iainanao sy ny tsy fahatanterahan’ny tenanao, dia angamba ianao tsy maintsy hisetra fahasahiranana indraindray. Hanampy anao anefa Jehovah. Ireo izay miezaka amim-pahatsorana hahazo sitraka aminy, dia omeny izao fampanantenana izao ao amin’ny Teniny: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Ho voasinton’ny fitiavan’i Jehovah ianao, ary haniry hanompo azy. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampiseho aminao ny fomba hanolorana ny fiainanao amin’io Andriamanitra tia io sy hanana tombontsoa ho tonga anankiray amin’ireo vavolombelony. (Salamo 104:33; Lioka 9:23). Satria tena tombontsoa tokoa izany. Tsapanao ve izany! Amin’ny maha-mpivavaka amin’i Jehovah anao, dia afaka maniry fatratra an’io zava-kendrena io ianao, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa, eto an-tany mihitsy. — Zefania 2:3; Isaia 25:6, 8.
57. a) Ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, karazam-pifandraisana akaiky inona moa no hotanan’ny olombelona amin’Andriamanitra? b) Soa inona avy no ho azonao raisina amin’izay?
57 Milofosa àry amin’ny fianarana ary miezaha mampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao an’i Jehovah Andriamanitra, ny Zanany, sy ny Fitondram-panjakana any an-danitra araka ny rariny. Raha nilazalaza ny amin’ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra sy ireo soa harotsany ho an’ny olombelona ny Baiboly, dia manambara toy izao: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.” Ao anatin’io fandehan-javatra vaovao io, ‘Andriamanitra mihitsy’, izay manana voninahitra misandratra ambony lavitra noho ny an’ireo fitondram-panjakana tia tena sy mpandringana, amin’ny maha-Ray be fahamoram-panahy azy, dia ho akaiky dia akaiky an’ireo izay tia azy sy mivavaka aminy. Tsy hisy afa-tsy fivavahana tokana tokoa, dia ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah, ka ireo mpivavaka amin’Andriamanitra dia hitana fifandraisana akaiky aminy mampiray ny zanaka amin’ny rainy. Tena hiseho ho Ray feno fitiavana tokoa izy! “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.
58. Nahoana moa no mahazo matoky ianao fa ‘hanavao ny zavatra rehetra’ Jehovah?
58 Amin’izany no ho tanteraka ilay fahagagana lehibe hanorenana indray paradisa iray eto an-tany, eo ambany fitondram-panjakana tonga lafatra iray any an-danitra. Ho tanteraka amin’ny fomba azo antoka toy ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany rahampitso izany, satria “mahatoky sy marina” ireo fampanantenan’i Jehovah, Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Izy no manambara avy any amin’ny seza fiandrianany avo any ambony hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” — Apokalypsy 21:5.
Rehefa avy namaky an’ity bokikely ity ianao, ahoana no havalinao ireto fanontaniana manaraka ireto:
Amin’ny heviny ahoana moa ny Baiboly no boky miavaka?
Inona no nianaranao ny amin’Andriamanitra?
Iza moa Kristy Jesosy?
Iza moa Satana Devoly?
Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?
Nahoana no maty ny olombelona?
Manao ahoana ny maty?
Inona moa ny avotra?
Aiza ary amin’ny fomba ahoana moa no hitrangan’ny fananganana ny maty?
Inona moa ilay Fanjakana, ary inona no hotanterahiny?
Inona moa no “famantarana ny fifaranan’ny fandehan-javatra”?
Ahoana no azonao iomanana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Andinin-teny ao amin’ny Baiboly manamarina ny voalaza eo aloha: 1) Asan’ny Apostoly 17:26; Salamo 46:9; Mika 4:3, 4; Isaia 65:21-23; 2) Isaia 65:25; 11:6-9; 55:12, 13; Salamo 67:6, 7; 3) Joba 33:25; Isaia 35:5, 6; 33:24; Salamo 104:24; Isaia 55:11.
b Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe MN ho an’ny Traduction du monde nouveau), ny fakan-teny ara-baiboly dia avy ao amin’ny Fandikan-teny Malagasy.
c Monarchs and Tombs and Peoples—The Dawn of the Orient, pejy faha-25.
d Cyclopedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i J. McClintock sy J. Strong, Boky 8, pejy faha-908.
[Sary, pejy 13]
Ambony lavitra noho ireo biby noforonina ny olombelona
[Sary, pejy 18]
Nitovy tamin’i Adama lehilahy tanteraka i Jesosy