Mosary mahafaty ao anatin’ny fotoam-pahatondrahana
“Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena.” — ISAIA 65:13.
1, 2. a) Loza inona moa no iadian’ireo firenena, kanefa tsy misy vokany? b) Fanantenana tena izy inona moa no omen’ny Baiboly?
MIHELOHELO eo amin’izao tontolo izao ny zava-mahatahotra amin’ny mosary. Toy izao no nitantaran’ny fitarihan-teny tao amin’ny Boston Globe izany tarehin-javatra sarotra izany: “Izao tontolo izao, amin’ny olona efa ho iray lavitrisa miaina ao anatin’ny toe-javatra manakaiky ny mosary, dia tsy maintsy mitady ireo fomba hanampiana an’ireo firenena mahantra indrindra hahita amin’ny fetra sasany ny habetsahan-javatra any amin’ireo firenena manan-karena indrindra.” Kanefa, na dia ireo firenena heverina ho mandroso eo amin’ny lafiny ara-teknika aza dia tsy afaka milaza ho voatsimbin’ny mosary tanteraka. Izy ireny koa dia tsy afaka nahatomombana drafitra miantoka ny sakafo ho an’ny tsirairay avy. Ireo izay miahy ny amin’ny hahasoa ny olombelona dia misahirana fatratra mba handamina io zava-manahirana mitombo io. Kanefa misy fanafodiny ve?
2 Nanao izao famakafakana manaraka izao ilay fitarihan-teny vao notononintsika: “Ny lafiny mahakivy indrindra amin’ny tsy fahampian-tsakafo (...), dia ny fahazoana antoka fa afaka manome sakafo ho an’ny mponina rehetra ao aminy izao tontolo izao.” Tsy mitsahatra ny mitatra anefa ny lozan’ny mosary. Fa nahoana? Moa ve ny Mpamorona antsika tia tsy nanao izay hahitan’ny olona an-davitrisany maro fahafahampo amin’ny zavatra ilainy? Rehefa nanomana ny tany izy mba hahatongavany ho fonenana ho an’ny olombelona, dia nataony izay hahafahany mamokatra be dia be, mihoatra noho izay hilain’ny tsirairay avy (Salamo 72:16-19; 104:15, 16, 24). Na dia amin’ny fotoana mikorontana diavintsika aza, dia matoky isika fa ilay Mpanome lehibe dia hanome sakafo hahavoky ireo izay mitodika any amin’ilay tena Loharano. Tamin’ny alalan’ilay Mpiandraiki-draharaha lehibe nomeny antsika, dia izao no nolazainy: “Katsaho hatrany (...) aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany zavatra hafa rehetra [ilaina eo amin’ny fiainana ara-nofo] izany.” — Matio 6:33, MN; I Jaona 4:14.
Mosary mahafaty
3. Mosary inona ratsy kokoa moa no mamely ny tany amin’izao andro izao, ary ahoana no nilazana izany tamin’ny faminaniana?
3 Ny ratsy kokoa, amin’izao andro izao, dia ny mosary ara-panahy mampahonena — mifamatotra mivantana amin’ny tsy fisian’ny fiadanana — izay mamely ny tany. Mivembena ny olombelona ary mitady lalana ivoahana amim-pirehetana. Taonjato maro lasa izay, ilay Andriamanitra Tsitoha dia nilazalaza izany tarehin-javatra izany toy izao, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah; ary hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana, — eny, hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita.” — Amosa 8:11, 12.
4, 5. a) Nahoana moa ny sasany no mitady an’Andriamanitra, kanefa tsy afaka mahita azy? b) Tamin’ny ahoana moa Jesosy no hafa noho ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny (Matio 15:1-14)?
4 Azo atao ve, ao anatin’izany toe-piainana izany, ny mivoaka avy amin’ny fahasahiranana tsy azo ihodivirana? Mamaly hoe eny ny apostoly Paoly ary milaza amintsika izao teny mampahery izao: “Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao (...), ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” — Asan’ny apostoly 17:24-27.
5 Raha “tsy mba lavitra antsika rehetra” Andriamanitra, nahoana no be dia be no mitsapatsapa mitady azy kanefa tsy mahita azy? Satria tsy ao amin’ny toerana tsara no itadiavan’izy ireny azy. Firy amin’ireo milaza tena ho kristiana no mizaha ao amin’ny soratra fototry ny kristianisma, dia ny Baiboly Masina? Firy no milaza ho “mpiandry” ka mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hampianarana ny “ondry”? (Jereo Ezekiela 34:10.) Tamin’ny androny i Jesosy dia nilaza tamin’ireo filoha ara-pivavahana feno avonavona fa tsy fantatr’izy ireo “ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra”. (Matio 22:29; Jaona 5:44.) Raha ny aminy, izy dia nahafantatra ny Soratra Masina sy nampianatra izany ny vahoaka izay “nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. — Matio 9:36.
Amin’ny heviny ahoana no hoe miaina ao anatin’ny fotoana fahatondrahan-javatra isika?
6. Ahoana moa no anomezan’i Jehovah toky an’ireo mpanompony raha ny amin’ny fahatondrahana ara-panahy miandry azy ireo?
6 Manome toky sy mampahery ireo izay mitady amim-pahatsorana hahalala azy Jehovah. Tamin’ny alalan’Isaia mpaminaniny, dia niteny toy izao an’ireo mpiandry sandoka izy: “Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra.” (Isaia 65:13, 14). Ahoana anefa no anomezan’Andriamanitra be dia be ho an’ireo mpanompony? Inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa ao amin’ny fifaliana amin’ny fandaharana nomaniny mba hitanana ny fiainana, na dia ao aza ny mosary ara-panahy manjaka amin’izao andro izao?
7. Tantara inona no nomena fahiny mba hampahery antsika amin’izao androntsika izao?
7 Koa satria ny fahatafitantsika velona dia miankina tanteraka amin’ny fahalalantsika ireo didin’Andriamanitra sy ny fampiharantsika izany amim-pinoana, dia tokony hitodika amim-pifaliana any amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, mba hitadiavana hahalala ny sitrapon’ny Mpamorona ny amintsika sy hahay hanavaka ny fomba fiasany ny amintsika (Jaona 17:3). Mba hanaovana izany, dia hodinihintsika ny tantara iray ao amin’ny Baiboly misy fitoviana amin’izay mitranga ankehitriny. Ny fototr’io tantara io dia Josefa patriarika. Toy ny nanomezan’i Jehovah tamim-pahendrena sakafo ho an’ny vahoakany tamin’ny alalan’i Josefa, toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia mitari-dalana amim-pitiavana an’ireo izay mitady azy izy. — Jereo Romana 15:4; I Korintiana 10:11, MN, fanontana 1984, fanamarihana (*) ambany pejy; Galatiana 4:24.
Josefa, ilay namonjy
8, 9. a) Amin’izao andro farany izao, inona moa no fifanitsian-javatra azo atao amin’i Josefa, Jakoba sy Farao? b) Amin’ny ahoana moa no mahakasika antsika ny fahatanterahan’io tantara io?
8 Josefa, zanak’i Jakoba, dia nandray anjara niavaka, tamin’ny famonjena ny Isiraelita. Ara-paminaniana ve ny fiainany? Aoka hotadidiantsika fa Josefa dia niaritra fitondrana ratsy tsy ara-drariny avy amin’ireo rahalahiny; fa nisetra fitsapana samihafa tany an-tany hafa izy; fa noho ny finoany tsy azo nohozongozonina, dia tsy nivadika hatrany izy; farany, fa nasandratra ho amin’ny raharahan’ny mpiandraiki-draharaha izy — ka notanterahiny tamim-pahendrena izany — tamin’ny fotoan’ny mosary nitondra loza iray (Genesisy 39:1-3, 7-9; 41:38-41). Tsy hitantsika ve ny mifanitsy amin’ny fiainan’i Jesosy?
9 Tao anatin’ny fahoriana i Jesosy no tonga Mofon’Aina teo anivon’izao tontolo izao noana ny “handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11; Hebreo 5:8, 9; Jaona 6:35.) Tamin’ny fifandraisany tamin’i Josefa, Jakoba sy Farao dia samy mahatonga antsika hieritreritra ny amin’i Jehovah sy izay notanterahiny tamin’ny alalan’ny Zanany (Jaona 3:17, 34; 20:17; Romana 8:15, 16; Lioka 4:18). Nisy olon-kafa koa nandray anjara tamin’io tantara tena nisy io, ka hodinihintsika amim-pahalianana ny anjara noraisin’izy ireny. Amin’izany, dia hotadidiantsika fa miankina amin’ilay Josefa Lehibe, dia Kristy Jesosy, isika. Velom-pankasitrahana azy tokoa isika noho ny niarovany antsika tamin’ny mosary mahafaty amin’izao “andro farany” miharatsy izao! — II Timoty 3:1, 13.
Mitohy ny tantara
10. a) Ahoana moa no nanomanana an’i Josefa ho amin’ireo andraikitra horaisiny? b) Toetra nanao ahoana no nasehony raha mbola vao kely izy?
10 Tamin’ny andron’i Josefa, dia tsy nisy mihitsy olona ho afaka nahafantatra mialoha ireo fisehoan-javatra nomanin’i Jehovah ho an’ny Olony. Kanefa, tamin’ny fotoana niantsoana an’i Josefa hanatanteraka ny anjara asa lehibe hataony, dia nanam-potoana nampiofanana azy sy nanadiovana ireo toetrany Jehovah. Raha ny amin’izay mahakasika ny tapany voalohany tamin’ny fiainany, dia manambara toy izao ny fitantarana: “Rehefa fito ambin’ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.” (Genesisy 37:2). Niseho ho nahatoky izy tamin’ny fiahiana ny tombontsoan-drainy, toy ny tsy nivadihan’i Jesosy tamin’ny fitsapana rehetra tamin’ny fiandrasana ny ondrin’ny Rainy eo anivon’ny “taranaka tsy mino sady efa nivadika”. — Matio 17:17, 22, 23.
11. a) Nahoana moa no nanomboka nankahala azy ireo rahalahin’i Josefa iray ray taminy? b) Tarehin-javatra inona sahala amin’izany moa no hitan’i Jesosy?
11 Ny rain’i Josefa, Isiraely, dia tia azy nihoatra noho ny rahalahiny rehetra ka nampanaovany akanjo lava nisoratsoratra nitsoriadriaka sahala amin’ny lobaka izy. Noho izany, ireo rahalahiny iray ray taminy dia “nankahala azy (...) ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy”. Nahita antony amboniny hankahalana azy izy ireo tamin’ny nofiny roa; araka ny fandraisan’izy ireo ny hevitr’izany, ireo nofy ireo dia nilaza fa hanapaka azy ireo i Josefa indray andro any. Toy izany koa, ireo filoha ara-pivavahana jiosy dia nanjary nankahala an’i Jesosy noho izy tsy nivadika, noho ny fampianarany nampiaiky sy ny nananany niharihary ny fitahian’i Jehovah. — Genesisy 37:3-11; Jaona 7:46; 8:40.
12. a) Nahoana no rariny raha velom-panahiana ny amin’ireo zanany i Jakoba? b) Ahoana no azo ampifanitsiana ny fiainan’i Josefa sy ny an’i Jesosy?
12 Taty aoriana, ireo rahalahin’i Josefa dia niandry ondry tany akaikin’i Sekema. Rariny raha ho velom-panahiana ny rain’izy ireo, satria tao amin’io toerana io no nandotoan’i Sekema an’i Dina, ka namonoan’i Simeona sy Levy, niaraka tamin’ireo rahalahiny, ireo lehilahy tao an-tanàna. Nangataka an’i Josefa i Jakoba mba hizaha raha salama tsara izy ireo ka hampahafantatra azy ny amin’izany. Na dia tao aza ny lolompon’ireo rahalahiny taminy, avy hatrany i Josefa dia nandeha nitady azy ireo. Toy izany koa, Jesosy dia nanaiky tamim-pifaliana ny asa nankinin’i Jehovah taminy teto an-tany, na dia tsy maintsy nitondra fanaintainana lehibe ho azy aza izany, mba hanaovana azy ho tanteraka sy hahatongavany ho ny Fiasana lehibe indrindra hahazoana famonjena. Ohatra tsara dia tsara ho antsika rehetra tokoa i Jesosy raha ny amin’ny fiaretana! — Genesisy 34:25-27; 37:12-17; Hebreo 2:10; 12:1, 2.
13. a) Ahoana moa no nampisehoan’ireo rahalahin’i Josefa iray ray taminy ny fankahalan’izy ireo azy? b) Azo ampitahaina amin’inona moa ny alahelon’i Jakoba?
13 Nahatazana azy avy lavitra ireo rahalahin’i Josefa folo iray ray taminy. Avy hatrany dia nirehitra ny fahatezeran’izy ireo taminy ka nifanaraka izy ireo mba hanaisotra azy. Nanam-pikasana ny hamono azy aloha izy ireo. Kanefa i Robena, izay natahotra ny ho tompon’andraikitra tamin’ny famonoana olona noho izy lahimatoa, dia nampanapa-kevitra azy ireo hanipy an’i Josefa tao anaty lava-drano maina: nanantena izy ireo fa hiverina hitady azy any aoriana ka hanafaka azy. Nandritra izany fotoana izany anefa i Joda dia nitaona ireo rahalahiny mba hivarotra azy ho andevo tamin’ny Isimaelita maro niray dia izay nandalo. Rehefa avy eo, ireo rahalahin’i Josefa dia naka ny akanjony lava, nanatsoboka izany tao anaty ran’osilahy ka nandefa izany ho any amin’ny rain’izy ireo. Rehefa avy nandinika azy i Jakoba dia nihiaka hoe: “Akanjon’ny zanako io: efa lanin’ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.” Tsy maintsy ho nahatsiaro alahelo sahala amin’izany Jehovah rehefa nahita ny fahorian’i Jesosy, fony izy nanatanteraka ny asa nanirahana azy teto an-tany. — Genesisy 37:18-35; I Jaona 4:9, 10.
Josefa tany Egypta
14. Amin’ny ahoana moa io tantara taloha io no mety hahasoa antsika amin’izao andro izao?
14 Tsy tokony hanatsoaka hevitra avy amin’ny fandinihantsika isika fa ny mifanitsy amin’ireo fisehoan-javatra mampangitakitaka ireo dia mitranga araka ny fitohitohizam-potoana tsy misy hafa amin’ny niainan’i Josefa. Ohatra ara-paminaniana mitohitohy kosa no omen’ireo fisehoan-javatra ireo antsika, dia ohatra ho fianarantsika sy mamporisika antsika amin’izao andro izao. Araka ny nambaran’ny apostoly Paoly, “izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina. Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika”. — Romana 15:4-6.
15. Nahoana moa no nambinina i Josefa sy ny tao an-tranon’i Potifara?
15 Nentina tany Egypta Josefa ary namidy tamin’ny Egyptiana iray natao hoe Potifara, filohan’ny mpiambina an’i Farao. Jehovah dia nomba an’i Josefa izay, na dia lavitra ny tranon’ny rainy aza, dia nanohy nitandrina fotopoto-pitsipika tsara nampianarin-drainy azy. Tsy niala tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Josefa. Nankasitraka ny toetrany miavaka i Potifara tompony ka nanendry azy ho mpiambina ny tao an-tranony rehetra. Ary nitahy ny tao an-tranon’i Potifara Jehovah noho Josefa. — Genesisy 37:36; 39:1-6.
16, 17. a) Fitsapana tsy fivadihana inona indray moa no nihatra tamin’i Josefa? b) Araka izay nitranga tamin’i Josefa fony izy tany an-tranomaizina, iza no nitarika ny fisehoan-javatra?
16 Tamin’izay ny vadin’i Potifara no nanandrana nanangoly an’i Josefa. Tsy nitsahatra ny nanda azy io. Indray andro, dia nihazona ny fitafiany ravehivavy, ka navelany izany sady nandositra izy. Teo anoloan’i Potifara, io vehivavy io dia niampanga an’i Josefa ho nitady haka azy, ka dia nampidirin’i Potifara tany an-tranomaizina izy. Nandritra ny fotoana kelikely, dia nogadraina vy izy. Tao amin’io tranomaizina io anefa, rehefa nianjadian’ny fahoriana i Josefa, dia nanamarina fa lehilahy nihazona ny tsy fivadihana izy. Tamin’izany, ny mpiambina ny tranomaizina dia nanankina taminy ny andraikitra teo amin’ny mpigadra rehetra. — Genesisy 39:7-23; Salamo 105:17, 18.
17 Taty aoriana, ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofon’i Farao dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’izy ireo ka nampidirina an-tranomaizina. Niasa ho azy ireo i Josefa ka nitarika ny fisehoan-javatra indray Jehovah. Nanonofy nahatonga azy ireo ho very hevitra ireo tandapa roa. Rehefa niaiky Josefa fa ‘avy amin’Andriamanitra ny filazana ny hevitry ny nofy’, dia nolazainy tamin’izy ireo ny heviny. Ary araka ny nolazainy, rehefa afaka hateloana, tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Farao, dia nahita ny toerany indray ny lehiben’ny mpitondra kapoaka, fa nahantona kosa ny lehiben’ny mpanao mofo. — Genesisy 40:1-22.
18. a) Ahoana no nahatsiarovana an’i Josefa? b) Inona moa no nonofisin’i Farao?
18 Na dia niangavy an’ilay mpitondra kapoaka aza i Josefa mba hiresaka amin’i Farao ny aminy, dia afaka roa taona vao tsaroan’io lehilahy io izany. Ary izany aza dia satria nanonofy indroa nahavery hevitra azy i Farao tao anatin’ny indray alina monja. Koa satria tsy nisy ombiasin’ny mpanjaka mihitsy afaka nanambara ny heviny, dia nilaza tamin’i Farao ilay mpitondra kapoaka fa afaka nilaza ny hevitry ny nofy i Josefa. Noho izany, dia nampanalain’i Farao Josefa izay, tamim-panetren-tena, dia nilaza ny Loharanon’ny tena filazana ny heviny, tamin’ny fanambarana hoe: “Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’i Farao.” Avy eo dia nitantara ny nofiny tamin’i Josefa toy izao ilay mpanjakan’i Egypta:
“Indro, hono, nitsangana teo amoron’i Neily aho; koa indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin’ny bararata ireny. Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ny tany Egypta rehetra. Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy. Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin’ny fahiny ihany izy. (...)
“Ary hitako tamin’ny nofiko indray, ka indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin’ny tahony iray, sady vokatra no tsara; ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main’ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny; ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin’ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.” — Genesisy 40:23 hatramin’ny Ge 41:24.
19. a) Tamin’ny ahoana moa Josefa no nampiseho fanetren-teny? b) Ahoana no nilazana ny hevitry ny nofy?
19 Hafahafa re izany raha nofy! Iza no afaka nanome ny heviny? Josefa, nefa tsy nirehareha noho izany ny tenany. Hoy izy: “Ny nofin’i Farao dia iray ihany; izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao.” Avy eo dia nambaran’i Josefa ny hafatra ara-paminaniana lehibe voarakitra tao amin’ireo nofy ireo:
“Indro, hisy fito taona zina indrindra eran’ny tany Egypta rehetra; ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany (...). Ary naverina indroa ny nofin’i Farao, satria efa voatendrin’Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’Andriamanitra faingana.” — Genesisy 41:25-32.
20, 21. a) Ahoana no namalian’i Farao ny fampitandremana nomena azy? b) Hatreo, amin’ny ahoana moa no azo ampitahana an’i Josefa sy Jesosy?
20 Inona no azon’i Farao natao teo anoloan’izany mosary nananontanona izany? Nanoro hevitra azy i Josefa mba hanendry lehilahy malina sy hendry tao amin’ilay tany, mba hanangona ny ambiny amin’ny vokatra mandritra ireo taona tsara. Fantatr’i Farao izao ireo toetra niavaka nananan’i Josefa. Koa nesoriny ny peratra fanombohan-kaseny ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa, ary tamin’izany no nanendreny an’i Josefa teo amin’ny tany Egypta manontolo. — Genesisy 41:33-46.
21 Telopolo taona Josefa fony izy nitsangana teo anatrehan’i Farao, toy izany koa Jesosy fony izy natao batisa ka nanomboka ny fanompoany niankinan’ny aina. Ny lahatsoratra manaraka dia mampiseho ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Josefa mba ho tandindon’ilay ‘Fiasany lehibe indrindra sady Mpamonjy’ amin’ny fotoan’ny mosary ara-panahy, ka ho hitantsika hoe amin’ny ahoana izany no mihatra amin’izao androntsika izao. — Asan’ny apostoly 3:15; 5:31, MN.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa ireo endriny roa amin’ny mosary mamely amin’izao andro izao?
◻ Inona moa ireo toetra tsara dia tsara nambolen’i Josefa fony izy niara-nonina tamin’ireo rahalahiny iray ray taminy?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tapany voalohany amin’ny fiainan’i Josefa tany Egypta?
◻ Manome toky antsika ny amin’inona ny nikarakaran’i Jehovah an’i Josefa sy ireo noana?
[Efajoro, pejy 13]
Tao amin’ny Sunday Star any Toronto tamin’ny 30 martsa 1986, ny mpanao gazety iray dia nanoratra toy izao momba ireo Fiangonana lehibe: “Ny tsy fahombiazan’izy ireo miharihary indrindra dia ny tsy fanomezana fahafahampo amin’ny hanoanana ara-panahy lehibe mahazo ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora amin’izao andro izao.”