-
“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
Tsy nanampo na inona na inona i Josefa fa dia nanatona soa aman-tsara. Nihevitra aza izy hoe handray azy tsara ny zokiny. Tonga dia nendahan-dry zareo anefa ny akanjony, dia notaritaritiny ho eny amin’ny lavadrano iray efa ritra izy, ary natosiny tao. Nanaintaina be izy rehefa nidoboka tao. Niezaka nitsangana izy rehefa tsy dia naninona, saingy hitany hoe tsy ho tafavoaka tao mihitsy izy. Ny lanitra manga tandrifin’ilay vava lavaka sisa no mba hitany. Nihalefy tsikelikely koa ny feon’ireo zokiny rehefa nihanihataka an’ilay lavaka izy ireo. Niangavingavy sy nitalaholaho mafy izy, fa tsy nisy niraharaha. Tsy rototra akory ry zareo nihinan-kanina teo akaiky teo. Nony dify kely i Robena dia nieritreritra ny hamono an’i Josefa indray ry zareo, saingy notenenin’i Joda hoe aleo izy hamidy amin’ny mpivaro-mandeha. Akaikin’ny lalan’ny mpivaro-mandeha mankany Ejipta mantsy i Dotana, ka tsy ela dia nandalo ny Ismaelita sy ny Midianita. Efa vita ny varotra vao tonga i Robena. Namidin’izy ireo ho andevo ny zandriny, ary lafony 20 sekely.b—Genesisy 37:23-28; 42:21.
-
-
“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Aogositra
-
-
b Marina ny nolazain’ny Baiboly na dia amin’io tsipiriany kely io aza. Nisy asa soratra nilaza fa 20 sekely ny vidin’ny andevo tany Ejipta tamin’izany.
-