TANDAPA
Azo adika koa hoe “lehilahy novosirina” (Es 2:3, f.a.p.; Is 56:3) ny teny hebreo hoe saris nadika hoe “tandapa.” (Ge 40:2, 7; 1Mp 22:9) Ny Genesisy 37:36 (Prot., Kat., DIEM) koa manao hoe ‘tandapa.’ Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Baiboly frantsay iray (TOB): “Sarîs ... anaram-boninahitra ... lasa nanana heviny malalaka hoe ‘tandapa.’” Ilazana tandapa (As 8:27) na lehilahy novosirina tsy afa-miteraka ny teny grika hoe eonokôs.—Mt 19:12.
Maro no mihevitra fa lehilahy niandraikitra efitra fatoriana na efitra maromaro tao amin’ny lapa na tranobe ny tandapa, toa an’i Blasto, izay ‘niandraikitra ny efitra fatorian’i’ Heroda Mpanjaka. (As 12:20) (Epiʹ to kôitônôs anefa ny teny grika eo.) Isan-karazany anefa ny andraikitry ny tandapa. Mpanompo natokisan’i Ahasoerosy Mpanjaka i Bigtana sy Taresy tandapa medianina-persianina, ka toa niambina ny varavaran’ny tranony tao an-dapa. (Es 2:21) Ny hafa indray nanompo ny mpanjaka mivantana. (Es 1:10, 11) Nisy kosa manamboninahitra tao amin’ny tafika. (2Mp 25:19) Andraikitr’ilay “lehiben’ny tandapa” tany Babylona ny nanendry olona hiambina an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria, izay anisan’ireo Jiosy nentin’i Nebokadnezara tany Babylona niaraka tamin’i Joiakina Mpanjaka tamin’ny 617 T.K.—Da 1:3, 7, 11.
Tsy ny tandapa rehetra no lehilahy novosirina. Matetika no lehilahy novosirina no niambina an’ireo vady sy vadikelin’ny mpanjaka. Tsy voatery ho novosirina anefa ny tandapa hafa, toy ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro (toerana ambony) sy lehiben’ny mpanao mofo, na dia nisy lehilahy novosirina lasa nahazo toerana ambony toy izany aza. (Ge 40:2) Nanambady i Potifara tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiaro azy. (Ge 39:1) Olona ambony niadidy ny harenan’i Kandasy Mpanjakavavy ilay “tandapa” etiopianina nitorian’i Filipo ny vaovao tsara sy nataony batisa. Niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy, nanompo an’i Jehovah, ary nankatò ny Lalàna. Tsy lehilahy novosirina anefa izy matoa tafiditra ho anisan’ny fiangonan’Israely. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ihany koa no natao batisa, talohan’ny niovan’i Kornelio ho Kristianina. (As 8:26-38; 10:24, 34, 35, 44-47; De 23:1) Novorin’i Davida daholo ny tandapany (tsy lehilahy novosirina raha jerena ny fomban’ny Jiosy sy ny Lalàna) sy ireo andriana ary lehilahy mahery, mba hilazany fa i Solomona zanany no voatendry hanorina ny tempolin’i Jehovah.—1Ta 28:1-6; jereo MPANDROSO ZAVA-PISOTRO; MPIANDRAIKITRA NY AO AN-TRANO.