Manome Taratry ny Fahamatorana ny Fahaiza-manavaka ny Foto-pitsipika
MANIMBA ny fitondran-tena tsara ny fikambanana amin’ny ratsy. Mijinja izay nafafinao ianao. (1 Korintiana 15:33; Galatiana 6:7). Na eo amin’ny ara-panahy na eo amin’ny ara-batana, ny tsirairay amin’ireo filazana ireo dia ohatra ny amin’ny fahamarinana fototra — foto-pitsipika — no sady manome fototra ho amin’ny lalàna. Ny lalàna anefa dia mety tsy haharitra, ary voafetra ny ankamaroany. Ny foto-pitsipika kosa etsy an-danin’izany dia mivelatra ary afaka maharitra mandrakizay. Araka izany, ny Tenin’Andriamanitra dia mampirisika antsika hampiasa foto-pitsipika, isaky ny azo atao.
Ny Websters’s Third New International Dictionary dia mamaritra ny foto-pitsipika ho “fahamarinana ankapobe na fototra: lalàna feno sy fototra, foto-pinoana, na fanambarana izay iorenan’ny hafa na isintonana ny hafa”. Ohatra, mety hanome didy ny zaza iray ianao hoe: “Aza kasihina ny fatana.” Kanefa ho an’ny olon-dehibe iray, ny filazana hoe: “Mahamay ny fatana” dia ho ampy. Mariho fa filazana ankapobeny kokoa itỳ farany. Noho izy io mifehy izay mety hataonao — angamba hahandro sakafo na hanao mofo na hamono ny fatana — dia tonga foto-pitsipika izy io.
Mazava ho azy fa ny foto-pitsipika fototra eo amin’ny fiainana dia ara-panahy; mifehy ny fanompoam-pivavahantsika amin’Andriamanitra sy ny fahasambarantsika izy ireo. Ny olona sasany anefa manalavitra ilay ezaka takina mba hampiasa foto-pitsipika. Aleon’izy ireo manaraka fitsipika rehefa miatrika fanapahan-kevitra — zavatra izay mora kokoa. Tsy fahendrena izany ary mifanohitra amin’ny ohatra navelan’ireo lehilahy nahatoky fahiny tamin’ny andron’ny Baiboly. — Romana 15:4.
Lehilahy nanana foto-pitsipika araka an’Andriamanitra
Teo amin’ireo lehilahy tsy tanteraka, i Abela dia ho azo antsoina hoe ny lehilahy voalohany nanana foto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Azo inoana fa nieritreritra betsaka ny amin’ny fampanantenana momba ilay ‘taranaka’ izy ary nahatakatra fa ny fanavotana tamin’ny ota dia nahafaoka sorona ra. (Genesisy 3:15). Araka izany dia nanolotra ny “voalohan-terak’ondriny” ho an’Andriamanitra izy. Ny teny hoe “izay matavy” dia mampiseho fa nanome izay tsara indrindra ho an’i Jehovah i Abela. Kanefa, roa arivo taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Abela Andriamanitra vao nanonona voalohany ireo tsipirian-javatra takina momba ny fanatitra. Nifanohitra tamin’i Abela, lehilahy nanana foto-pitsipika sy natahotra an’Andriamanitra, i Kaina rahalahiny dia nanao fanatitra anarany fotsiny ho an’Andriamanitra. Tsy nahafa-po anefa ny fihetsiny, satria nisy zavatra momba ny fanatitra nataony nampiharihary fo tsy nanana foto-pitsipika. — Genesisy 4:3-5.
Lehilahy iray nanana foto-pitsipika araka an’Andriamanitra koa i Noa. Raha mampiseho ny Baiboly fa nandidy azy nivantana mba hanorina sambo fiara Andriamanitra, dia tsy misy didy azontsika vakina momba ny tokony hitoriany amin’ny hafa. Na dia izany aza, dia nantsoina hoe “mpitory ny fahamarinana” i Noa. (2 Petera 2:5). Na dia azo inoana aza fa nasain’Andriamanitra hitory i Noa, dia tsy isalasalana fa ny fahatsapany ny fisian’ny foto-pitsipika sy ny fitiavany ny mpiara-belona taminy koa dia nanosika azy hanao izany. Koa satria miaina amin’ny fotoana mitovy amin’ny an’i Noa isika, dia aoka isika hanahaka ny ohatra tsara navelany sy ny fihetsiny.
Tsy nitovy tamin’ny klerjy tamin’ny androny i Jesosy fa nampianatra ny olona hampiasa foto-pitsipika. Ohatra iray ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Ilay izy manontolo dia fanintonana ny saina ho amin’ny foto-pitsipika. (Matio, toko faha-5-7). Nampianatra tamin’izany fomba izany i Jesosy, satria tena nahafantatra an’Andriamanitra, tahaka an’i Abela sy i Noa talohany izy. Na dia fony izy mbola zaza aza, dia nanaja fatratra ilay fahamarinana fototra hoe: “Tsy mofo ihany (...) fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” (Deotoronomia 8:3; Lioka 2:41-47). Eny, ny fototra hahatongavana ho olona manana foto-pitsipika araka an’Andriamanitra, raha ny tena izy, dia ny mahafantatra an’i Jehovah sy ny zavatra tiany sy ny tsy tiany ary ny fikasany. Rehefa mifehy ny fiainantsika ireny foto-pitsipika momba an’Andriamanitra ireny, dia tonga foto-pitsipika velona, raha ny marina. — Jeremia 22:16; Hebreo 4:12.
Foto-pitsipika sy ny fo
Azo atao ny mankatò tsy satry fotsiny lalàna iray, angamba noho ny tahotra ny sazy. Ny fanarahana foto-pitsipika iray anefa, dia manakana ny fihetsika toy izany, satria ny tena votoatin’ny foto-pitsipika dia hoe manaiky avy amin’ny fo ny olona iray feheziny. Diniho i Josefa izay niaina talohan’ny nanorenana ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy, sahala amin’i Abela sy i Noa. Rehefa nanandrana nitaona azy hanana firaisana taminy ny vadin’i Potifara, dia namaly toy izao i Josefa: “Koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Eny, i Josefa dia nahafantatra ilay foto-pitsipika hoe ny lehilahy manambady sy ny vehivavy manambady dia “nofo iray ihany”. — Genesisy 2:24; 39:9.
Tsy manana foto-pitsipika mahitsy izao tontolo izao ankehitriny. Mivelona amin’ny herisetra sy ny fahalotoam-pitondran-tena, tahaka ny mpierina izy io. Ny loza dia hoe mety halaim-panahy hangala-pihinana, angamba amin’ny sakafo tsy manjary toy ny azy io ny Kristiana iray — ny sarimihetsika, vidéos, na boky. Tena mendri-piderana mihitsy àry isika, rehefa mandà zava-dratsy, noho ny fanarahana foto-pitsipika tahaka an’i Josefa, amin’ny fitadidiana fa Andriamanitra dia tsy hitsimbina afa-tsy ireo tsy mivadika, mandritra ny “fahoriana lehibe” ho avy. (Matio 24: 21). Eny, ny maha-isika antsika ao amin’ny takona, fa tsy eny ampahibemaso, no mampiharihary marina ny tena ao anatintsika. — Salamo 11:4; Ohabolana 15:3.
Araka izany, raha tarihin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly isika, dia tsy hitady fomba tsy hankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, na hanandrana hijery hoe ho afaka handroso hatraiza isika alohan’ny tena handikana lalàna iray. Mitondra fatiantoka ny fieritreretana toy izany, ary handratra antsika amin’ny farany.
Diniho ny ao ambadiky ny lalàna
Mazava ho azy fa mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiainan’ny Kristiana iray ireo lalàna. Tahaka ny mpiambina izay miaro antsika izy ireny, ary ny votoatiny dia foto-pitsipika lehibe maro. Ny tsy fahatakarana ireny foto-pitsipika ireny dia mety hampihena ny fitiavantsika ireo lalàna mifandray aminy. Ohatra nampiseho izany ny firenen’ny Isiraely fahiny.
Nanome ny Didy Folo ho an’ny Isiraely Andriamanitra, ary ny voalohany taminy dia nandrara ny fanolorana fanompoam-pivavahana tamin’andriamanitra hafa ankoatra an’i Jehovah. Fahamarinana fototra ao ambadik’io lalàna io ny hoe namorona ny zavatra rehetra i Jehovah. (Eksodosy 20:3-5). Niaina nifanaraka tamin’io foto-pitsipika io ve anefa ilay firenena? Ny tenan’i Jehovah mihitsy no mamaly hoe: “Dia izay [ny Isiraelita] manao amin’ny tapakazo hoe: Raiko hianao, ary amin’ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; fa efa niamboho Ahy [Jehovah] izy ka tsy nanatrika Ahy”. (Jeremia 2:27). Hadalana tsy nisy fitiavana na foto-pitsipika re izany! Ary tena nampalahelo ny fon’i Jehovah mihitsy izany! — Salamo 78:40, 41; Isaia 63:9, 10.
Manana lalàna avy amin’Andriamanitra koa ny Kristiana. Ohatra, tsy maintsy manalavitra ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny ra izy ireo. (Asa. 15:28, 29). Rehefa mieritreritra momba izany ianao, dia afaka mahita foto-pitsipika fototra toy ny hoe: mendrika ny fifikirana tsy voazarazara avy amintsika Andriamanitra; sy ny hoe tsy maintsy ho mahatoky eo anatrehan’ny vadintsika isika; ary ny hoe i Jehovah no Mpanome Aina antsika. (Genesisy 2:24; Eksodosy 20:5; Salamo 36:9). Raha sady mahatakatra no mankasitraka amin’ny fomba lalina ireo foto-pitsipika ao ambadik’ireo toromarika ireo isika, dia hahita fa natao mba hahasoa antsika izy ireny. (Isaia 48:17). Amintsika dia ‘tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra’. — 1 Jaona 5:3.
Raha tsy niraharaha ny didin’Andriamanitra ireo Isiraelita fahiny, tamin’ny andron’i Jesosy kosa ireo “mpahay lalàna,” na mpanora-dalàna teo amin’izy ireo dia nanao ny nifanipaka tamin’izany. Nanao fitsipika sy lovantsofina maro be izay nanakona ny fanompoam-pivavahana madio sy nanafina ireo foto-pitsipika araka an’Andriamanitra, izy ireo. (Matio 23:2, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Nahatsapa ho voatery hanaiky fa tsy nahomby, tsy nanam-panantenana, na hihatsaravelatsihy ny olona. (Matio 15:3-9). Ary maro tamin’ireo fitsipika nataon’olombelona no tsy nifaditra ovana. Rehefa hanasitrana lehilahy iray maty tanana i Jesosy, dia nanontany an’ireo Fariseo nanatrika hoe: “Inona moa no mety hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va?” Toy ny nihiaka hoe tsia ny fanginan’izy ireo, ka nahatonga an’i Jesosy ‘halahelo noho ny hamafin’ny fony’. (Marka 3:1-6). Mety hamonjy biby fiompy (fampiasam-bola) folaka na naratra ireo Fariseo tamin’ny Sabata, kanefa tsy namonjy lehilahy iray na vehivavy iray na oviana na oviana — raha tsy hoe notandindomin-doza angaha ny ainy. Eny tokoa, revo aoka izany tamin’ireo fitsipik’olombelona sy tsipirian-dalàna izy ireo, ka tahaka ny vitsika mandehandeha eo amin’ny sary hoso-doko iray, ary tsy mahita ilay sary manontolo — izany hoe ny foto-pitsipik’Andriamanitra. — Matio 23:23, 24.
Na dia ireo tanora aza anefa dia afaka manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fankasitrahany ny foto-pitsipiky ny Baiboly, rehefa tsotra ny fony. Nanontany ny iray kilasy ny mpampianatra an’i Rebecca, telo ambin’ny folo taona, hoe iza no hiloka. Nilaza ny ankamaroany hoe tsia. Kanefa rehefa noresahina ny toe-javatra samihafa, dia nanaiky ny rehetra, afa-tsy i Rebecca, fa hiloka izy ireo. Nanontany an’i Rebecca ilay mpampianatra raha hividy karatra loteria (1000 FMG) hanaovana asa soa izy. Nilaza i Rebecca hoe tsia ary nanome ireo antony araka ny Soratra Masina nanazava fa ny fanaovana izany dia ho endriky ny filokana. Niteny tamin’ny kilasy manontolo àry ilay mpampianatra azy hoe: ‘Araka ny hevitro, dia i Rebecca ihany eto no manana izay antsoiko hoe “foto-pitsipika” amin’ny tena hevitr’io teny io.’ Eny, mety ho afaka namaly tsotra fotsiny i Rebecca hoe: “Mifanohitra amin’ny fivavahako izany”, kanefa nieritreritra tamin’ny fomba lalina kokoa noho izany izy; ary afaka namaly ny antony maha-ratsy ny filokana sy ny antony nandavany tsy handray anjara tamin’izany.
Ny ohatra tahaka an’i Abela sy i Noa sy i Josefa ary i Jesosy dia mampiseho amintsika ny soa raisintsika amin’ny fampiasantsika ny “fahaiza-misaina” sy ny “fahaizana manjohy hevitra” amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. (Ohabolana 2:11, NW; Romana 12:1, NW). Mety ny hanahafan’ireo loholona kristiana an’i Jesosy rehefa ‘miandry ny ondrin’Andriamanitra izay eo amin’izy ireo’. (1 Petera 5:2). Araka ny nasehon’ny ohatr’i Jesosy tsara, dia ireo tia ny foto-pitsipika araka an’Andriamanitra no olona hiroborobo eo ambanin’ny fiandrianan’i Jehovah. — Isaia 65:14.