POTIFARA
(Pôtifàra) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary mitovitovy amin’ny hoe Potifera].
Tandapa ejipsianina sady lehiben’ny mpiaro an’i Farao. Nisy fotoana izy nampiasa an’i Josefa. (Ge 37:36; 39:4) Toa lehilahy nanan-karena i Potifara matoa nividy an’i Josefa tamin’ireo mpivaro-mandeha midianita. Hitany fa niasa tsara ilay mpanompony, ka notendreny hiandraikitra an’izay tao an-tranony sy tany an-tsahany. Noho i Josefa, dia notahin’i Jehovah ny fananan’i Potifara.—Ge 37:36; 39:1-6.
Tsy mba toa an’i Josefa izay tsy nivadika tamin’ilay tompony ny vadin’i Potifara. Nanasa an’i Josefa hanao firaisana taminy foana izy. Nisambotra azy mihitsy aza izy, indray andro, rehefa tsy nisy olona tao an-trano. Mbola tsy nanaiky ihany anefa i Josefa, ka nandositra nankany ivelany. Rehefa nody i Potifara, dia tsy nihaino afa-tsy ny fiampangana variraraka nataon’ny vadiny. Tezitra àry izy ka nampidiriny am-ponja i Josefa.—Ge 39:7-20.
Toa tao amin’ny tranon’i Potifara ihany no nisy an’io fonja io, na teo ambany fiadidiany, noho izy “lehiben’ny mpiaro” an’i Farao. Voalaza àry fa nogadraina tao koa ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’i Farao sy ny lehiben’ny mpanao mofony. “Tao amin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiaro an’i Farao” no nisy an’io fonja io, izay ‘fonjan’ny tranon’ny tompon’i’ Josefa. (Ge 39:1; 40:1-7) Sarotra inoana anefa hoe i Potifara ihany ilay “lehiben’ny fonja”, izay nanankina tamin’i Josefa ny ‘fiandraiketana ny voafonja rehetra tao am-ponja.’ (Ge 39:21-23) Toa olona teo ambany fahefan’i Potifara àry izy io.
Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe saris, izany hoe “lehilahy novosirina”, ilay anaram-boninahitr’i Potifara hoe “tandapa.” Mety hidika koa io teny hebreo io hoe mpiandraikitra ny ao an-dapa, na manamboninahitra natokisan’ny mpanjaka. Azo antoka fa olona ambony teo amin’ny fitondrana fa tsy lehilahy novosirina, ilay “tandapa [saris] iray nifehy ny lehilahy mpiady” rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (2Mp 25:19) Azo inoana koa àry fa tsy lehilahy novosirina i Potifara, satria sady miaramila izy no lehiben’ny mpiaro an’i Farao, ary nanambady.