Toko 2
Ny Loha Hevitry ny Baiboly
Fanazavana ny Soratra Masina Nanahirana ny mpianatra ny Baiboly tso-po foana ireo zava-miafina voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Naharihary anefa izy ireny tamin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Iza anefa no nampiharihariana izany, ary oviana sy tamin’ny fomba ahoana? Ny fanahin’Andriamanitra ihany no afaka mampahafantatra ny dikany, arakaraka ny nanatonan’ilay fotoana voatondro. (Apokalypsy 1:3) Naharihary tamin’ny mpanompon’Andriamanitra be zotom-po teto an-tany ireny zava-miafina masina ireny, mba hahazoan’izy ireo hery hanambarana ny didim-pitsarany. (Matio 13:10, 11) Tsy midika akory izany hoe tsy mety diso ny fanazavana ato amin’ity boky ity. Milaza toa an’i Josefa fahiny izahay hoe: “Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy [na teny]?” (Genesisy 40:8) Mino mafy koa anefa izahay fa mifanaraka amin’ny Baiboly manontolo ny fanazavana omena ato, ka mampiseho fa manatanteraka ny faminanian’Andriamanitra ny zava-mitranga amin’izao andro mampidi-doza izao.
1. Inona no tena fikasan’i Jehovah?
HOY ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany.” (Mpitoriteny 7:8) Ny bokin’ny Apokalypsy no mirakitra ny tena fiafaran’ny fikasan’i Jehovah, dia ny hanamasina ny anarany eo anatrehan’ny zavaboary rehetra. Efa nilaza foana tamin’ny alalan’ny mpaminaniny fahiny Andriamanitra hoe: “Ho fantatra fa Izaho no Jehovah.”—Ezekiela 25:17; 38:23.
2. Inona no fahalalana mahafa-po omen’ny Apokalypsy sy ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly?
2 Ny Apokalypsy no milaza ny tsipirian’ilay fiafarana feno fandresena, fa ireo boky taloha ao amin’ny Baiboly kosa no milaza ny fiandohana. Ho takatsika ireo raharaha voakasik’izany, rehefa dinihintsika ny Baiboly, ka ho hitantsika amin’ny ankapobeny ny fikasan’Andriamanitra. Sady ho afa-po isika, no ho voatosika hanao zavatra, mba hahazoana ilay hoavy mahafinaritra miandry ny olombelona. (Salamo 145:16, 20) Tsara àry izao ny mandinika ny loha hevitry ny Baiboly manontolo sy ny tantara mifandray amin’izany. Ho azontsika an-tsaina amin’izay ilay raharaha lehibe indrindra atrehin’ny olombelona ankehitriny, sy ny fikasan’Andriamanitra voalaza mazava mba handaminana izany.
3. Inona ilay faminaniana mampiseho ny loha hevitry ny Baiboly manontolo, anisan’izany ny Apokalypsy?
3 Miresaka ny amin’ny “voalohany”, na fiandohana, ny Genesisy, boky voalohany ao amin’ny Baiboly. Lazainy ao ny asa famoronana nataon’Andriamanitra, anisan’izany ny olombelona, izay miavaka indrindra amin’ny zavaboariny eto an-tany. Manonona ilay faminaniana voalohany koa ny Genesisy. Andriamanitra mihitsy no nilaza azy io tao amin’ny Saha Edena, tamin’ny 6 000 taona lasa. Nisy menarana nampiasaina mba hamitahana an’i Eva, vehivavy voalohany. I Eva kosa no nandresy lahatra an’i Adama vadiny mba hiaraka aminy handika ny lalàn’i Jehovah, ka hihinana ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Nilaza toy izao tamin’ilay menarana Andriamanitra, rehefa nanambara ny didim-pitsarany tamin’ilay mpivady nanota: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 1:1; 2:17; 3:1-6, 14, 15) Io faminaniana io no mampiseho ny loha hevitry ny Baiboly manontolo, anisan’izany ny Apokalypsy.
4. a) Inona no nitranga tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, taorian’ny nilazan’Andriamanitra ilay faminaniana voalohany? b) Inona avy no fanontaniana mipoitra momba ilay faminaniana voalohany, ary nahoana isika no tokony hahalala ny valin’izy ireo?
4 Noroahin’Andriamanitra avy tao Edena avy hatrany ireo ray aman-drenintsika voalohany, taorian’ny nilazany an’ilay faminaniana. Tsy afaka ny hanantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa intsony izy ireo, ary tsy maintsy niaina teo amin’ny tany ngazana tany ivelan’ilay saha. Voaheloka ho faty izy ireo, ka hiteraka zanaka nandova ota. (Genesisy 3:23–4:1; Romanina 5:12) Inona anefa no dikan’ilay faminaniana tany Edena? Iza no voakasik’izy io? Inona no ifandraisan’izy io amin’ny Apokalypsy? Inona no hafatra entin’izy io ho antsika? Nisy vokany tena ratsy ilay zava-nitranga nahatonga an’i Jehovah hilaza an’io faminaniana io, ka tsy maintsy mahalala ny valin’ireo fanontaniana ireo isika, raha te hahazo fanamaivanana amin’izany.
Ireo mpandray anjara lehibe amin’ilay tantara
5. Inona no nitranga tamin’ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny anarany, rehefa namitaka an’i Eva ilay menarana, ary ahoana no handaminana io adihevitra io?
5 Resaka natao tamin’ilay menarana nandainga tamin’i Eva, ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Nilaza io menarana io fa tsy ho faty i Eva raha tsy mankatò, fa vao mainka aza hahaleo tena sy ho lasa andriamanitra mihitsy. Nolazain’ilay menarana hoe mpandainga àry i Jehovah, ary ho tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona raha mandà ny fitondran’i Jehovah izy ireo. (Genesisy 3:1-5) Nolazaina fa tsy manan-jo hitondra i Jehovah, ary nolotoina ny anarany. Resahin’ny bokin’ny Apokalypsy fa hampiasain’i Jehovah, Mpitsara marina, ny Fanjakan’i Jesosy Kristy Zanany mba hanamarina ny zony hitondra sy hanadio tanteraka ny anarany.—Apokalypsy 12:10; 14:7.
6. Iza no asehon’ny Apokalypsy fa niresaka tamin’i Eva tamin’ny alalan’ny bibilava?
6 Bibilava ara-bakiteny ihany ve no nantsoina hoe “menarana” teo? Tsia! Lazain’ny Apokalypsy amintsika hoe iza ilay fanahy ratsy niteny tamin’ny alalan’io bibilava io. Izy io dia ilay “dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina”, sady ‘nitaona an’i Eva tamin-kafetsena.’—Apokalypsy 12:9; 2 Korintianina 11:3.
7. Inona no manaporofo fa tsy vehivavy ara-bakiteny ilay resahin’ny Genesisy 3:15?
7 Resahin’ny Genesisy 3:15 avy eo ny momba ilay “vehivavy.” I Eva ve izy io? Mety ho nieritreritra izany izy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 4:1.) Tsy hety haharitra ela be anefa ny fifandrafian’i Eva sy Satana, satria efa 5 000 taona mahery lasa izay i Eva no maty. Tsy tena menarana no niresahan’i Jehovah, fa fanahy tsy hita maso. Tsy azo raisina ara-bakiteny koa noho izany ilay hoe vehivavy. Manamafy izany ny Apokalypsy 12:1, 2, ary milaza fa ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, misy an’ireo anjeliny, io vehivavy an’ohatra io.—Jereo koa ny Isaia 54:1, 5, 13.
Taranaka roa mifandrafy
8. Nahoana isika no tokony ho tena liana amin’izay voalaza momba ireo taranaka roa?
8 Misy taranaka roa resahin’ny Genesisy 3:15 avy eo. Tokony hahaliana antsika tokoa izy ireo, satria mifandray amin’ireo ilay raharaha lehibe momba ny zo hitondra an’ity tany ity. Mahakasika antsika tsirairay izany, na antitra isika na tanora. Tsy maintsy mifidy mantsy isika hoe iza amin’ireo taranaka ireo no iandaniantsika.
9. Iza no azo antoka fa anisan’ny taranak’ilay Menarana?
9 Ny taranak’ilay Menarana aloha no horesahintsika. Inona moa izy io? Azo antoka fa manondro ireo anjely hafa niara-nikomy tamin’i Satana izy io, ka “niara-natsipy taminy” tetỳ amin’ny manodidina ny tany, tamin’ny farany. (Apokalypsy 12:9) I Satana, na Belzeboba, no “lehiben’ny demonia”, ka azo antoka fa ireo demonia no ao anatin’ny fandaminany tsy hita maso.—Marka 3:22; Efesianina 6:12.
10. Iza koa no lazain’ny Baiboly fa taranak’i Satana?
10 Izao koa no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny androny: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao.” (Jaona 8:44) Taranak’i Satana ireo mpitondra fivavahana ireo, satria nanohitra an’i Jesosy Zanak’Andriamanitra. I Satana no rainy tsy hita maso, ka manompo azy izy ireo. Maro koa ny olombelona hatramin’izay no nanao ny sitrapon’i Satana, indrindra rehefa nanohitra sy nanenjika ny mpianatr’i Jesosy. Ireny olona rehetra ireny no azo lazaina hoe fandaminan’i Satana hita maso eto an-tany.—Jereo ny Jaona 15:20; 16:33; 17:15.
Fantatra ny taranak’ilay vehivavy
11. Inona no nahariharin’i Jehovah nandritra ny taonjato maro, mahakasika ny taranak’ilay vehivavy?
11 Farany, dia miresaka ny amin’ny taranak’ilay vehivavy ny Genesisy 3:15. Nampitombo ny taranany i Satana, nefa nomanin’i Jehovah koa io “vehivavy” na fandaminana any an-danitra toy ny vadiny io, mba hamokatra taranaka iray. Nasehon’i Jehovah niandalana nandritra ny 4 000 taona teo ho eo tamin’ny olona natahotra azy, ny tsipiriany mifandray amin’ny fahatongavan’io taranaka io. (Isaia 46:9, 10) Afaka nino àry i Abrahama sy Isaka ary Jakoba sy ny hafa fa ho avy amin’ny taranak’izy ireo ilay taranaka. (Genesisy 22:15-18; 26:4; 28:14) Nanenjika an’ireny mpanompon’i Jehovah ireny i Satana sy ny tariny matetika, noho izy ireny nanana finoana natanjaka.—Hebreo 11:1, 2, 32-38.
12. a) Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ny taranaka voalohan’ilay vehivavy? b) Voahosotra mba hanao inona i Jesosy?
12 Tonga teo amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy lehilahy lavorary, tamin’ny taona 29, ary natao batisa. Natsangan’i Jehovah ho zanany tamin’ny alalan’ny fanahy masina i Jesosy teo, ka hoy izy: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:17) Voalaza tamin’io fa nirahina avy tany amin’ny fandaminan’Andriamanitra tsy hita maso any an-danitra i Jesosy. Voahosotra ho Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra koa izy. Io Fanjakany io no hamerina ny fitondrana ny tany ho eo ambany fahefan’i Jehovah, ka handamina indray mandeha tsy miverina an’ilay raharaha momba ny zo hitondra. (Apokalypsy 11:15) I Jesosy àry no taranaka voalohan’ilay vehivavy. Izy ilay Mesia nambara mialoha.—Ampitahao amin’ny Galatianina 3:16; Daniela 9:25.
13, 14. a) Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika ny mahafantatra fa tsy ho olona niavaka iray fotsiny ny taranak’ilay vehivavy? b) Olona firy no nofidin’Andriamanitra ho taranaka faharoa, ary inona ilay fandaminana misy azy ireo? d) Iza koa no miara-manompo amim-piraisan-tsaina amin’ilay taranaka?
13 Olona niavaka iray fotsiny ve no ho taranak’ilay vehivavy? Ahoana tokoa ny amin’ny taranak’i Satana? Milaza ny Baiboly fa anjely ratsy fanahy sy olombelona maro manala baraka an’Andriamanitra no taranak’i Satana. Tsy tokony hahagaga antsika àry raha fikasan’Andriamanitra ny hifidy olombelona tsy mivadika 144 000 mba ho mpisorona sy mpanjaka hiaraka amin’i Jesosy Kristy, ilay Mesia Taranaka. Miresaka azy ireo ny Apokalypsy, rehefa milaza momba ny adin’ny Devoly amin’ilay vehivavy, izany hoe ny fandaminan’Andriamanitra. Lazainy fa “lasa nandeha niady tamin’ireo [zanak’ilay vehivavy] sisa” ny Devoly.—Apokalypsy 12:17; 14:1-4.
14 Antsoina hoe rahalahin’i Jesosy ny Kristianina voahosotra ao amin’ny Baiboly, satria iray Ray sy iray reny izy ireo. (Hebreo 2:11) I Jehovah Andriamanitra no Rain’izy ireo. Tsy maintsy ho ilay “vehivavy” àry no renin’izy ireo, izany hoe ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, izay toy ny vadiny. Taranaka faharoa izy ireo, satria i Kristy Jesosy no voalohany. Ny fiangonan’ireo Kristianina voahosotra eto an-tany no fandaminan’Andriamanitra hita maso. Manompo eo ambany fitarihan’ilay fandaminana any an-danitra izy ireo, ary ho tafaraka amin’i Kristy Jesosy, rehefa hatsangana amin’ny maty. (Romanina 8:14-17; Galatianina 3:16, 29) Tsy anisan’ilay taranaka kosa ny ondry hafa an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra, nefa tafaray mba hiara-manompo amin’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany. Anisan’ireo ondry hafa ireo ve ianao? Sambatra àry ianao manantena fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Jaona 10:16; 17:1-3.
Ny fisehoan’ilay fifandrafiana
15. a) Hazavao ny fomba nisian’ny olombelona sy anjely taranak’i Satana. b) Inona no nitranga tamin’ny taranak’i Satana nandritra ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa?
15 Vao niandoha ny tantaran’ny olombelona, dia efa niseho ny olona taranak’i Satana. Teo, ohatra, i Kaina, ilay olombelona nateraka voalohany, izay “avy tamin’ilay ratsy ka namono tamin-kabibiana [an’i Abela] rahalahiny.” (1 Jaona 3:12) Noresahin’i Enoka tatỳ aoriana ny fiavian’i Jehovah, miaraka amin’ny “anjeliny masina an’alinalina, mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny rehetra, sy hanaporofo fa meloka izay rehetra tsy natahotra an’Andriamanitra. Meloka izy ireny noho ny asa ratsy rehetra nataony tamin-karatsiam-panahy, sy noho ny teny manafintohina rehetra nentin’ny mpanota hanoherana an’Andriamanitra, dia ireo mpanota tsy matahotra azy.” (Joda 14, 15) Niaraka tamin’i Satana koa ny anjely mpikomy, ka lasa anisan’ny taranany. “Tsy nitana ny toerany tany am-boalohany” tany an-danitra izy ireo, fa nitafy nofo kosa, ka nanambady ny zanakavavin’ny olombelona. Niteraka safiotra mahery sy mpampijaly kely izy ireo. Feno herisetra sy faharatsiana ilay tontolo, ka noravan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Safodrano. I Noa nahatoky sy ny fianakaviany ihany no tafavoaka velona. Voatery nandao ny vadiny sy ny zanany safiotra, izay tsy afa-nandositra, ireo anjely tsy nankatò. Lasa demonia teo ambany fifehezan’i Satana izy ireo nanomboka teo. Nolevoniny ny vatany ara-nofo, ka lasa fanahy tsy hita maso indray izy ireo, ary miandry ny fanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’i Satana sy ny taranany, izay efa tena antomotra tokoa.—Joda 6; Genesisy 6:4-12; 7:21-23; 2 Petera 2:4, 5.
16. a) Iza ilay mpanao didy jadona taorian’ny Safodrano, ary ahoana no nampisehoany fa taranak’i Satana izy? b) Ahoana no nanakanan’i Jehovah an’ireo mpanorina ny tilikambon’i Babylona?
16 Nisy mpanao didy jadona atao hoe Nimroda, taoriana kelin’ilay Safodrano lehibe. Lazain’ny Baiboly fa “mpihaza mahery” nanohitra an’i Jehovah izy io, ka tena taranak’i Satana tokoa. Mpikomy toa an’i Satana izy, ka nanorina ny tanànan’i Babela, na Babylona, mba hanoherana ny fikasan’i Jehovah hoe hiparitaka hameno ny tany ny olombelona. Tilikambo lehibe no nokasainy hatao teo afovoan’ny tanànan’i Babylona, ka “ny tampony hahatakatra ny lanitra.” Nosakanan’Andriamanitra ireo mpanangana an’io tilikambo io. Nampisafotofoto ny fitenin’izy ireo izy, ka ‘nampiely azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra.’ Tsy noravany anefa ny tanànan’i Babylona.—Genesisy 9:1; 10:8-12; 11:1-9.
Nipoitra ny hery ara-politika
17. Inona ilay lafiny ratsy mampiavaka ny fitambaran’olona manohitra ny zon’Andriamanitra hitondra, ary iza avy no fanjakana natanjaka nipoitra vokatr’izany?
17 Misy lafiny maromaro mampiavaka ny fitambaran’olona manohitra ny zon’i Jehovah hitondra, ka tany Babylona no niandohany. Iray amin’izany ny lafiny ara-politika. Nihamaro ny olombelona, ka nisy olon-kafa koa nanjary tia nanjakazaka toa an’i Nimroda. Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona, ka nampiditra loza taminy. (Mpitoriteny 8:9) Nofehezin’ireo mpanjakan’i Sinara sy ny tany lavitra hafa, ohatra, i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna manodidina, tamin’ny andron’i Abrahama. (Genesisy 14:1-4) Tatỳ aoriana koa dia nisy mpitari-tafika mahay sy olo-malaza, nanangana fanjakana natanjaka mba hahazoana harena sy voninahitra. Resahin’ny Baiboly ny sasany amin’izany, toa an’i Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, ary Roma.
18. a) Ahoana no fihetsiky ny vahoakan’Andriamanitra manoloana ny mpitondra ara-politika? b) Nahoana isika no milaza fa nanao ny sitrapon’Andriamanitra indraindray ny mpitondra ara-politika? d) Ahoana no nampisehoan’ny mpitondra maro fa taranak’ilay Menarana izy ireo?
18 Noleferin’i Jehovah ny fisian’ireny hery ara-politika ireny, ary nankatò tamin’ny fomba voafetra azy ireny ny vahoakany, raha nipetraka tao amin’ny tany nofeheziny. (Romanina 13:1, 2) Nanampy tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra mihitsy aza ny mpitondra ara-politika sasany, na niaro ny vahoakany. (Ezra 1:1-4; 7:12-26; Asan’ny Apostoly 25:11, 12; Apokalypsy 12:15, 16) Mpitondra maro anefa no nanohitra mafy ny fivavahana marina, ka nampiseho fa taranak’ilay Menarana izy ireo.—1 Jaona 5:19.
19. Ahoana no ilazan’ny bokin’ny Apokalypsy ny firenena matanjaka?
19 Mampalahelo fa tsy nitondra fahasambarana ho antsika na namaha ny olana mahazo antsika matetika ny fitondran’olombelona. Navelan’i Jehovah ny olombelona hanandrana karazana fitondrana maro. Tsy ankasitrahany anefa ny kolikoly na ny fitondrana ratsy nataon’ireo mpitondra. (Ohabolana 22:22, 23) Asehon’ny Apokalypsy ho toy ny bibidia mirehareha sy mampahatahotra ireo firenena matanjaka mpampahory.—Apokalypsy 13:1, 2.
Mpandraharaha ara-barotra tia tena
20, 21. Iza ilay antoko faharoa tsy maintsy ho anisan’ny taranaka ratsy fanahin’i Satana miaraka amin’ireo “mpitari-tafika” sy “lehilahy mahery”, ary nahoana?
20 Mifandray akaiky amin’ny mpitondra ara-politika ny mpandraharaha ara-barotra tsy manao ny marina. Nanararaotra ny olona niangaran’ny fiainana ny ankamaroan’ireo mpandraharaha tany Babylona fahiny, araka ny hita tamin’ny famongarana ireo zavatra sisa tavela tamin’ilay tanàna. Mbola mitady tombony feno fitiavan-tena foana ireo mpandraharaha eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ka misy olom-bitsy tena manankarena any amin’ny tany maro, fa ny ankamaroan’ny olona kosa mahantra fadiranovana. Mandroso be ny indostria ankehitriny, ka mahazo tombony be ireo mpivarotra sy mpamokatra, rehefa mamatsy fitaovam-piadiana mahery vaika ho an’ireo mpitondra ara-politika, anisan’izany ireo fitaovam-piadiana simika sy biolojika mandripaka olona maro be. Anisan’ny taranaka ratsy fanahin’i Satana tokoa ireo mpandraharaha tia vola ireo sy ireo mitovy karazana aminy, mbamin’ireo “mpitari-tafika” sy “lehilahy mahery.” Anisan’ny fandaminana eto an-tany izay heverin’Andriamanitra sy Kristy ho mendrika horinganina izy ireo.—Apokalypsy 19:18.
21 Ankoatra ny mpanao politika ratsy toetra sy ny mpandraharaha tia vola be, dia misy antokon’olona fahatelo koa mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra. Inona izany? Mety ho gaga ianao fa milaza momba io rafitra iray fanta-daza io ny Apokalypsy.
Babylona Lehibe
22. Inona no karazana fivavahana nipoitra tany Babylona fahiny?
22 Tsy resaka politika fotsiny no antony nanorenana an’i Babylona fahiny. Tafiditra tamin’izany koa ny fivavahana, satria naorina mba hanoherana ny zon’i Jehovah hitondra io tanàna io. Nanjary fototry ny fanompoan-tsampy tokoa i Babylona fahiny. Nampianatra zavatra nanala baraka an’Andriamanitra ny mpisorona tao aminy. Anisan’izany ny hoe tsy mety maty ny fanahy, toerana mampahatahotra sy fampijaliana mandrakizay ny any ankoatra, ka ny demonia no manjaka ao. Nanasongadina ny fivavahana amin’ny zavaboary sy amin’ny andriamanitra sy andriamanibavy maro be koa izy ireo. Namorona angano izy ireo mba hanazavana ny niavian’ny tany sy ny olona. Nanao fombafomba sy sorona mamoafady koa izy ireo, ary nolazaina fa mba hampahazo antoka ny fananana anaka sy ny fiakaran’ny vokatra ary ny fandresena amin’ny ady izany.
23. a) Inona no nentin’ireo olona niely avy tany Babylona, ary inona no vokany? b) Ahoana no iantsoan’ny Apokalypsy ny fivavahan-diso rehetra eran-tany? d) Niady tamin’iza foana ny fivavahan-diso?
23 Niparitaka avy tany Babylona ireo olona nanana fiteny samihafa, ka nitondra eran-tany ny fivavahana babylonianina niaraka taminy. Niparitaka koa àry ny fombafomba sy finoana avy any Babylona, ka tonga hatrany Eoropa, Afrika, ireo tanin’i Amerika, Extrême-Orient, ary ny Ranomasina Atsimo. Mbola misy hatramin’izao ny maro amin’ireny finoana ireny. Mety àry raha antsoin’ny Apokalypsy hoe Babylona Lehibe ny fivavahan-diso rehetra eran-tany. (Apokalypsy, toko 17, 18) Mpitondra fivavahana mampijaly, finoanoam-poana, tsy fahalalana na inona na inona, ary fitondran-tena maloto foana no vokatry ny fivavahan-diso, na aiza na aiza misy azy. Fitaovana mahery eo an-tanan’i Satana izy io. Niady tamin’ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah Tompo Fara Tampony foana i Babylona Lehibe.
24. a) Ahoana no nanorotoroan’ny Menarana an’ilay Taranaka teo amin’ny voditongony? b) Nahoana no lazaina fa ny voditongotry ny taranak’ilay vehivavy ihany no naratra?
24 Ny mpanora-dalàna sy Fariseo tao amin’ny Fivavahana Jiosy tamin’ny taonjato voalohany no meloka indrindra tamin’ny taranak’ilay Menarana. Izy ireo mantsy no nitarika ny fanenjehana sy ny famonoana ho faty ny taranaka voalohan’ilay vehivavy. Vitan’ilay Menarana tamin’izay àry ny ‘fanorotoroana’ ny voditongotry ny “taranaka.” (Genesisy 3:15; Jaona 8:39-44; Asan’ny Apostoly 3:12, 15) Nahoana no lazaina fa ny voditongony ihany no naratra? Satria vetivety ihany io ratra nahavoa azy teto an-tany io. Tsy naharitra izy io, satria natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy, tamin’ny andro fahatelo, ka lasa fanahy tsy hita maso.—Asan’ny Apostoly 2:32, 33; 1 Petera 3:18.
25. a) Inona no efa nataon’i Jesosy nomem-boninahitra tamin’i Satana sy ny anjeliny? b) Rahoviana no hesorina ny taranak’i Satana eto an-tany? d) Inona no ho vokany, rehefa hotorotoroin’ny Taranaky ny vehivavy ‘ny lohan’ilay’ menarana?
25 Manompo eo an-tanana havanan’Andriamanitra izao i Jesosy Kristy nomem-boninahitra, ary mitsara ny fahavalon’i Jehovah. Efa noroahiny avy tany an-danitra i Satana sy ny anjeliny, ka etỳ amin’ny manodidina ny tany sisa no azon’izy ireo aleha. Izany no mahatonga ireo loza maro be ankehitriny. (Apokalypsy 12:9, 12) Efa nambara koa anefa fa hesorina ny taranak’i Satana eto an-tany, rehefa hotanterahin’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’i Babylona Lehibe sy ny tapany hafa amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany. Farany, dia hotorotoroin’i Jesosy Kristy, Taranaky ny vehivavy, ny lohan’i Satana, ilay menarana fetsy hatramin’ny ela. Ho ringana tanteraka i Satana amin’izay, ka tsy ho afaka hiditra amin’ny raharahan’olombelona intsony.—Romanina 16:20.
26. Nahoana isika no tokony handinika ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy?
26 Ahoana no hitrangan’izany rehetra izany? Izany no aharihary amintsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Aseho amintsika izany amin’ny alalan’ny fahitana maro, asongadin’ny famantarana sy fanoharana mahavariana. Aoka àry isika hazoto handinika an’io faminaniana mahery io. Ho sambatra tokoa isika, raha mihaino sy mitandrina ny teny ao amin’ny Apokalypsy! Manome voninahitra ny anaran’i Jehovah Tompo Fara Tampony isika raha manao izany, ka hahazo ny fitahiany mandrakizay. Tohizo àry ny famakianao, ary ampiharo izay ianaranao. Mety hahazo famonjena ianao, amin’izao fotoana miavaka eo amin’ny tantaran’ny olombelona izao.
[Efajoro/Sary, pejy 13]
Soratra Mampiseho Raharaham-barotra Fahiny
Mitanisa lalàna 300 latsaka kely nangonin’i Hammourabi, mpanjakan’i Babylona fahiny, ny boky Soratra Momba An’i Proche-Orient Fahiny (anglisy), nataon’i James Pritchard. Asehon’ireo lalàna ireo fa voarara ny fanaovana ny tsy marina nibaribary, izay toa nanjaka teo amin’ny tontolon’ny varotra tamin’izany. Ohatra: “Raha misy olona nividy na nasaina nitahiry volamena na volafotsy na andevolahy na andevovavy na omby na ondry na ampondra na izay zavatra rehetra avy any an-tanan’ny zanaky ny tompo na andevon’ny tompo iray, ka tsy nisy vavolombelona na fifanarahana, dia tokony hovonoina ho faty izany olona izany satria mpangalatra.”