Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 1
Ejipta Fahiny
Nosoratana nandritra ny 1 600 taona teo ho eo ny Baiboly. Misy ifandraisany amin’ireto firenena matanjaka fito ireto ny faminaniana sy tantara raketiny: Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, Roma, ary ny Anglisy-Amerikanina. Hodinihina tsirairay ao amin’ny lahatsoratra fito mifampitohy ireo, mba hanaporofoana fa azo itokisana ny Baiboly, sady avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mirakitra an’ilay fanantenana hoe hifarana ny fahoriana vokatry ny tsy fahaizan’ny olombelona mitondra.
I EJIPTA no firenena matanjaka voalohany resahin’ny Baiboly. Mampahalaza azy ny piramida sy ny Reniranon’i Nil. Tany Ejipta no nanomboka nisy ny firenen’Israely. Teraka sy nianatra tany koa i Mosesy, ilay nanoratra ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. Manamarina an’izay nosoratany momba an’i Ejipta fahiny ve ny tantara sy ny arkeolojia? Diniho ireto ohatra ireto.
Tantara azo itokisana
Anaram-boninahitra sy fomba fiteny. Matetika no ahitana tsipiriany ny tantara marina. Lazainy, ohatra, ny fombafomba sy ny fahalalam-pomba ary ny anaran’ny olona ambony sy ny anaram-boninahiny. Toy izany ve ny Genesisy sy ny Eksodosy, boky roa voalohany ao amin’ny Baiboly? Niresaka momba ny Eksodosy sy ny fitantaran’ny Genesisy momba an’i Josefa, zanakalahin’i Jakoba, i John Duncan, tao amin’ny boky iray nosoratany. Hoy izy: “Nahafantatra tsara ny fiteny, ny fombafomba, ny finoana, ny fiainana tao an-dapa, ny fomba fiteny, ary ny fitondrana tany Ejipta [ilay mpanoratra Baiboly].” Hoy ihany izy: “Nampiasa ny anaram-boninahitra tena fampiasa tamin’ilay fotoana noresahiny [ny mpanoratra]. Ny fampiasany ny hoe Farao, tamin’ny vanim-potoana samihafa, no mampiaiky indrindra fa azo itokisana izy ary fantany tsara i Ejipta, tamin’ny fotoana nanoratana ny Testamenta Taloha.” Nilaza koa i Duncan fa nataon’ilay mpanoratra “nanaraka tsara ny fanao tao an-dapa sy nampiasa fiteny mety ny olona tantarainy, rehefa niseho teo anatrehan’i Farao.”
Fanamboarana biriky. Nanao biriky ny Israelita tamin’izy ireo andevo tany Ejipta. Natao tamin’ny tanimanga izany ary nasiana mololo mba hampiraikitra azy. (Eksodosy 1:14; 5:6-18)a Hoy ny boky Akora sy Orinasa Tany Ejipta Fahiny (anglisy), taona maromaro lasa izay: “Vitsy ny toerana toa an’i Ejipta, izay mbola [manamboatra biriky] hamainina amin’ny masoandro hatramin’izao. Io no tena fampiasan’ny olona any rehefa manao trano.” Milaza koa ilay boky fa “fanaon’ny Ejipsianina ny mampiasa mololo rehefa manamboatra biriky.” Manamarina an’ilay tsipiriany resahin’ny Baiboly izany.
Fiharatana. Nanalava volombava ny lehilahy hebreo fahiny. Milaza anefa ny Baiboly fa niharatra i Josefa talohan’ny hisehoany teo anatrehan’i Farao. (Genesisy 41:14) Nahoana? Mba hanarahana ny fomban’ny Ejipsianina, izay nihevitra fa maloto ny olona misy volovolo eo amin’ny tarehy. Hoy ny boky Fiainana Andavanandro Tany Ejipta Fahiny (anglisy): “Nirehareha ho niharatra nadiodio [ny Ejipsianina].” Hita tany amin’ny fasany ny hareza sy fitaovana fanongotana volo ary fitaratra, niaraka tamin’ny fitoerany. Nitandrina tsara tokoa i Mosesy rehefa nitantara. Toy izany koa ireo olona hafa nanoratra ny Baiboly, izay nitantara ny zava-nitranga tany Ejipta fahiny.
Fandraharahana. Nilaza tsipiriany voafaritra tsara i Jeremia, mpanoratra ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa, rehefa nitantara ny fifampiraharahana teo amin’i Solomona Mpanjaka sy ny Ejipsianina ary ny Hitita. Milaza ny Baiboly fa “farantsa volafotsy eninjato no vidin’ny kalesy iray, ary farantsa volafotsy dimampolo amby zato ny soavaly iray”, izany hoe ampahefatry ny vidin’ny kalesy.—1 Mpanjaka 10:29.
Niroborobo be ny fivarotana soavaly sy kalesy tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona. Milaza ny boky Ny Arkeolojia sy ny Fivavahan’ny Israely (anglisy) fa samy manamarina izany, na i Hérodote, Grika mpahay tantara, na ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Milaza io boky io fa ‘soavaly efatra no takalon’ny kalesy iray tamin’izany.’ Manamarina an’ilay voalazan’ny Baiboly izany.
Ady. Niresaka momba ny nanafihan’i Farao Sisaka an’i Joda koa i Jeremia sy Ezra. Nofaritan’izy ireo tsara fa nitranga izany “tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama Mpanjaka” tao Joda, izany hoe tamin’ny 993 Talohan’i Kristy (T.K.). (1 Mpanjaka 14:25-28; 2 Tantara 12:1-12) Ny Baiboly ihany no nitantara momba an’io fanafihana io. Ela be tatỳ aoriana vao hita ilay sary mivohitra teo amin’ny rindrin’ny tempoly ejipsianina tao Karnak (Thèbes fahiny).
I Sisaka mijoro eo anoloan’ny andriamanitra Amona no eo amin’ilay sary, ary manainga ny tanany hamely an’ireo babo izy. Teo koa ny anaran’ny tanàna israelita resiny, izay resahin’ny Baiboly ny maro aminy. Miresaka momba “Ny Sahan’i Abrama” koa ilay izy, ary io no tranainy indrindra amin’ny asa soratra ejipsianina miresaka an’ilay Abrahama ao amin’ny Baiboly.—Genesisy 25:7-10.
Tsy namoromporona àry ireo mpanoratra Baiboly. Fantany fa mbola hataon’Andriamanitra ampamoaka izy. Nolazain’izy ireo àry ny marina, na dia nanala baraka aza izany, toy ilay tamin’ny nandresen’i Sisaka an’i Joda. Tsy toy izany mihitsy anefa ireo mpanora-dalàna ejipsianina, fa nanitatra sy nanamboamboatra ny zavatra notantarainy sady tsy nety nanoratra an’izay nety ho nampahamenatra ny mpitondra azy sy ny vahoakany.
Faminaniana azo itokisana
Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly, ary izy ihany no afaka milaza mialoha ny hoavy. Mariho, ohatra, izay nasainy nosoratan’i Jeremia mahakasika an’i Memfisa sy Thèbes, tanàna tany Ejipta. Foiben’ny varotra sy ny raharaham-panjakana ary ny fivavahana i Memfisa, na Nofa, taloha. Hoy anefa Andriamanitra: “Higagan’ny olona i Nofa ary hodorana ka tsy hisy mponina.” (Jeremia 46:19) Izany tokoa no nitranga! Milaza ny boky iray fa norobain’ny Arabo “ireo antontan-javatra rava tao Memfisa”, ary nampiasainy. “Tsy nisy dongom-bato niangana àry, teo amin’ny tany mainty manerana an’ilay tanàna fahiny.”
Toy izany koa no nitranga tamin’i Thèbes, izay nantsoina hoe No-amona na No, sy ny andriamaniny tsy misy dikany. Renivohitr’i Ejipta izy taloha, sady foiben’ny fivavahana tamin’i Amona. Hoy i Jehovah momba azy: ‘Hitodika manokana amin’i Amona aho, sy amin’i Farao sy Ejipta sy ny andriamaniny. Dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona ireo.’ (Jeremia 46:25, 26) Nandresy an’i Ejipta sy No-amona renivohiny tokoa ny mpanjaka babylonianina, araka ilay faminaniana. Notafihin’i Cambyse II, mpitondra persianina, koa ilay tanàna, tamin’ny 525 T.K. Nandrava tanteraka azy io ny Romanina, tamin’ny farany. Tsy manan-tsahala tokoa ny Baiboly, satria marina ny faminaniana raketiny. Matoky àry isika fa ho tanteraka izay lazainy momba ny hoavy.
Fanantenana azo antoka
Nosoratan’i Mosesy tamin’ny fotoana nampahatanjaka an’i Ejipta ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly.b Hita ao amin’ny Genesisy 3:15 izany. Voalaza ao fa hataon’Andriamanitra izay hisian’ny ‘taranaka’ iray hanorotoro an’i Satana sy ny ‘taranany’, izany hoe ireo manahaka ny toetra ratsiny. (Jaona 8:44; 1 Jaona 3:8) Voaporofo fa i Jesosy Kristy, ilay Mesia, no voalohany amin’io ‘taranaka’ io.—Lioka 2:9-14.
Hanjaka eo amin’ny tany manontolo i Kristy, ary hesoriny ny faharatsiana rehetra sy ny fitondran’olombelona mampahory. Tsy hisy intsony ny ‘olona hanjakazaka amin’ny namany ka hampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Toa an’i Josoa fahiny, izay nitarika ny Israelita nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, dia hitarika ny “vahoaka be” matahotra an’Andriamanitra koa i Jesosy, ka ho tonga soa aman-tsara ao amin’ny “Tany Nampanantenaina” lehibe kokoa izy ireo, dia tany voadio ho lasa paradisa.—Apokalypsy 7:9, 10, 14, 17; Lioka 23:43.
Mampahatsiahy antsika faminaniana hafa nosoratana tamin’ny fotoana nampahatanjaka an’i Ejipta izany, dia ny Joba 33:24, 25. Voalaza ao fa hanafaka ny olona avy any “an-davaka”, na fasana, Andriamanitra ka hanangana azy amin’ny maty. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany koa àry ireo maty an-tapitrisany ankehitriny, miaraka amin’ireo ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy. (Asan’ny Apostoly 24:15) Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’
Azo itokisana tokoa ny tantara sy faminaniana ao amin’ny Baiboly. Mbola hitohy ny fandinihana an’io loha hevitra io ao amin’ny laharana manaraka ka i Asyria, ilay firenena matanjaka taorian’i Ejipta, no horesahina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha tsy manana Baiboly ianao nefa afaka mampiasa Internet, dia azonao vakina ao amin’ny www.watchtower.org ny andinin-teny ato. Ho hitanao ao ilay hoe “Vakio ato ny Baiboly.”
b Andriamanitra no nanonona ny faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15, tao amin’ny zaridainan’i Edena, fa i Mosesy no nanoratra izany, tatỳ aoriana.
[Efajoro/Sary, pejy 18]
NY TSANGAMBATON’I MERNEPTAH
Nahita tsangambato vita amin’ny granita mainty, tao amin’ny tempoly iray tany Ejipta ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, tamin’ny 1896. Antsoina hoe Tsangambaton’i Merneptah izy io ary ahitana ny zava-bitan’i Merneptah, mpanjakan’i Ejipta. Misy manam-pahaizana milaza fa taloha kelin’ny 1300 T.K. izy no nanjaka. Nahitana an’izao hira izao, tao amin’io tsangambato io: “Lao sy lany tamingana ny Israely.” Io ihany no soratra ejipsianina fahiny miresaka momba ny Israely, ary io no soratra tranainy indrindra miresaka momba ny Israely, ankoatra ny Baiboly.
Oviana no natao ilay tsangambato? Tamin’ny andron’ny Mpitsara, izany hoe nandritra ny fotoana voatantara ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, ao amin’ny Baiboly. Samy resahin’ny Mpitsara na ny fahombiazana na ny tsy fahombiazan’ny Israelita. Tsy toy izany kosa ny tantaran’ireo farao, satria ny fahombiazany ihany no lazainy. Hoy ny Mpitsara 2:11, 12 momba ny tsy fahombiazan’ny Israelita: ‘Nanjary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely, sady nanompo an’ireo Bala [andriamanitry ny Kananita]. Koa nahafoy an’i Jehovah, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta, izy ireo.’ Mampiavaka ny Baiboly manontolo ny fahatsoran’ireo mpanoratra.
[Sary nahazoan-dalana]
Todd Bolen/Bible Places.com
[Sary, pejy 16]
Mbola ampiasaina any Ejipta ny biriky misy mololo, hamainina amin’ny masoandro
[Sary, pejy 16]
Anisan’ny nampiasain’ny Ejipsianina rehefa niharatra ny hareza sy fitaratra
[Sary, pejy 16]
Hita eto amin’ity sary mivohitra any Karnak ity ny anaran’ireo tanàna israelita resy
[Sary, pejy 16, 17]
Hita teo akaikin’i Memfisa ity sarivongana goavam-be ity, ary 12 metatra teo ho eo ny haavony
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Ejipta, Farao; Roma, Néron: Photograph taken by courtesy of the British Museum; Media sy Persa, sary mivohitra: Musée du Louvre, Paris
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Fitaovana fiaratana: © The Metropolitan Museum of Art/Art Resource, NY; sary mivohitra any Karnak: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.; sarivongana any Memfisa: Courtesy Daniel Mayer/Creative Commons