-
Zava-maharikorikoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
1. Miseho in-140 eo ho eo ny teny hoe taʽav (rikoriko, mankahala) sy hoe tôhʽevah (zava-maharikoriko), ao amin’ny Soratra Hebreo. Ilazana zavatra na olona ankahalaina mafy na tsy tiana intsony ireo teny ireo, satria nandika fitsipika ilay olona na satria tsy mifanaraka amin’izay nieritreretana azy ilay zavatra.
-
-
Ejipta, EjipsianinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Naharikoriko an’ireo Ejipsianina ny niara-nisakafo tamin’ny Hebreo, toy ny rehefa nasain’i Josefa nisakafo tany aminy ny rahalahiny. Nirehareha ny amin’ny fivavahany na ny firazanany angamba izy ireo, na nitsara an-tendrony. Nety ho naharikoriko azy ireo koa ny mpiandry ondry. (Ge 43:31, 32; 46:31-34) Ny iray tamin’ireto angamba no anton’izany: Nisy saranga samy hafa teo amin’izy ireo, ka toa anisan’ny saranga ambany ny mpiandry ondry. Na koa kely ny tany azo novolena, ka halan’izy ireo izay nitady kijana.
-