Voaro ny aina tao anatin’ny fotoan’ny mosary
1. Inona no fandaharana mampiseho fahendrena nataon’i Josefa nandritra ireo taom-pahavokarana be, ary inona no vokany?
RAHA vantany vao voatendry ho mpiandraiki-draharaha i Josefa dia nanomboka nisafo ny tany Egypta. Nanam-potoana nandaminan-javatra tsara izy talohan’ny hanombohan’ny taom-pahatondrahana. Namokatra be dia be tamin’izay ny tany. Isan-tanàna dia tsy nitsahatra nanangona ny sakafo avy eny amin’ireo saha teny amin’ny manodidina i Josefa. Izy dia “namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa”. — Genesisy 41:46-49.
2. Hatraiza no nampisehoan’ny vahoaka fahafoizan-tena mba hiantoka ny fahavelomany?
2 Tapitra ny fito taom-pahavokarana be ary, toy ny nanambaran’i Jehovah azy mialoha, dia nitranga ny mosary, tsy tany Egypta ihany, fa “tany amin’ny tany rehetra”. Rehefa nitaraina tamin’i Farao ny vahoaka tany Egypta noana sy nitaky hanina, dia hoy ny nambaran’io: “Mankanesa any amin’i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.” Nivaro-bary tamin’ny Egyptiana i Josefa mandra-pahalanin’ny volan’izy ireny. Avy eo, dia nanaiky ny handoavana ny sarany tamin’ny alalan’ny biby fiompy izy. Farany, dia tonga tao amin’i Josefa ny olona ka niteny hoe: “Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Farao izahay sy ny taninay.” Araka izany, dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tanin’ny Egyptiana rehetra. — Genesisy 41:53-57; 47:13-20.
Fandaharana mba hizarana ny sakafo ara-panahy
3. Araka ny faminanian’i Jesosy, fandaharana inona no mahatonga ho afaka hizara ny sakafo amin’ny fotoana mety?
3 Ho an’ny Egyptiana, ny vary nozarain’i Josefa dia nampiseho ny fiainana; toy izany koa, ny tena sakafo ara-panahy dia zava-dehibe tokoa ho an’ny kristiana izay tonga mpanompon’i Jehovah rehefa manolotra ny fiainany ho azy amin’ny alalan’ilay Josefa Lehibe, dia Jesosy Kristy, izy ireo. Tamin’ny fanompoany teto an-tany, dia nilaza mialoha i Jesosy fa ireo mpianany voahosotry ny fanahy dia hanana andraikitra hizara izany sakafo izany. Nanontany toy izao izy: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.” — Matio 24:45, 46.
4. Amin’ny ahoana moa ireo fandaharana nataon’ny kilasin’ny “mpanompo” amin’izao andro izao no mifanitsy amin’ny fomba nandaminan’i Josefa zavatra tamin’ny androny?
4 Amin’izao andro izao, ny sisa mahatoky amin’io kilasin’ny ‘mpanompo malina’ io dia manao izay rehetra azony atao — ao anatin’ny faritr’izay anomezan’ny Soratra Masina lalana — mba hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah, mbamin’ny olona maneran-tany izay tia ny fahamarinana, handray sakafo mahavelona. Ny “mpanompo” dia mihevitra an’io asa nanendrena io ho adidy lehibe indrindra ary manatontosa izany ho toy ny asa masina tanterahina ho an’i Jehovah. Afa-tsy izany koa, dia nandamina kongregasiona izy ary nanome azy ireo boky momba ny Baiboly be dia be, hany ka ananany ny tahiry betsaka amin’ny ‘voa’ momba ilay Fanjakana hafafy ao amin’ny saha nanendrena azy ireo. Izany dia mifanitsy, tamin’ny andron’i Josefa, amin’ny fotoana namoriany ny vahoaka tao amin’ireo tanàna ka nanomezany voa azy, tsy hataony sakafo fotsiny, fa mba hafafiny ho amin’ny fijinjana manaraka koa. — Genesisy 47:21-25; Marka 4:14, 20; Matio 28:19, 20.
5. a) Fikarakarana manokana inona no omen’ny “mpanompo” amin’izay ilain’ny anisan’ny ankohonany rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra ireo? b) Inona no fitoviana misy eo amin’ny fahatondrahan-tsakafo ara-panahy tamin’ny 1986 sy ny hanina niavosa tamin’ny andron’i Josefa?
5 Na dia rehefa rarana aza ny asa fitoriana ampahibemaso ka enjehina ny Vavolombelon’i Jehovah, dia heverin’ny “mpanompo mahatoky” ho masina ny andraikitra hanome sakafo ara-panahy ny olombelona (Asan’ny apostoly 5:29, 41, 42; 14:19-22). Rehefa mitranga ny loza aman’antambo iray, toy ny tafiodrivotra, ny tondra-drano na ny horohorontany, ny “mpanompo” dia miahy ny hanomezana fahafahampo izay ilain’ireo anisan’ny tranon’Andriamanitra, amin’ny ara-batana sy ara-panahy. Na dia ireo izay nohidiana tany amin’ny toby fitanana aza dia nahazo teny vita pirinty tsy tapaka. Ny fefy mampisaraka ireo firenena dia tsy afaka misakana ny sakafo ara-panahy be dia be alefa ho any amin’ireo olona mila izany. Mba hanohizana manome toy izany an’io sakafo io, dia ilaina ny herim-po, ny finoana, ary matetika, fahakingan-tsaina be. Ho an’ny taona 1986 fotsiny, ny “mpanompo” dia namoaka tondraka naneran-tany, Baiboly sy boky mifono baoritra 43 958 303 sy gazety 550 216 455. Izany dia tena “tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra”.
Valifaty, sazy sa famindrampo?
6, 7. a) Ahoana no nahatonga ny mosary hahatarika ireo rahalahin’i Josefa folo iray ray taminy hiondrika teo anatrehany? b) Tamin’ny heviny ahoana no nosedraina koa ny tenan’i Josefa?
6 Nanjary tsapa tany amin’ny tany Kanana ny mosary. Tamin’izay Jakoba dia naniraka ireo rahalahin’i Josefa iray ray taminy folo ho any Egypta mba hividy vary tany. Notanany ho eo anilany anefa Benjamina, ilay tena rahalahin’i Josefa, satria, araka ny nolazainy, “andrao hisy loza hanjo azy”. Koa satria ny tenan’i Josefa no nikarakara ny fivarotana voa, dia niseho teo anatrehany ireo rahalahiny ka niankohoka. Tsy fantatr’izy ireo hoe iza izy, fa ny tenany kosa nahalala azy. — Genesisy 42:1-7.
7 Niverina tao an-tsainy ireo nofin’i Josefa taloha. Inona no hataony? Hamaly ratsy an’ireo rahalahiny ve izy? Rehefa sahirana izy ireo izao, havelany ve ny fahadisoan’izy ireo noho ny fitondrana ratsy nampiharin’izy ireo taminy? Hohadinoiny ve ny fanaintainana mafy tsapan’ny rainy? Inona izao no tsapan’ireo rahalahiny rehefa nahatsiaro ny fahavoazana lehibe nampihariny taminy? Nosedraina koa Josefa tamin’io toe-javatra niseho io. Moa ve ny fitondrantenany hifanaraka amin’izay harahin’ilay Josefa Lehibe, dia Jesosy Kristy, atỳ aoriana, araka ny ilazalazana izany ao amin’ny I Petera 2:22, 23; “ ‘Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina.”
8. Inona no hitari-dalana an’i Josefa, ary nampiseho inona izany raha ny amin’ny fitondrantenan’i Jesosy sy ireo mpianany?
8 Rehefa nahita tamin’ireo fisehoan-javatra ireo ny tanan’i Jehovah i Josefa, dia tsy hanadino ny hitandrina ireo lalàny sy ireo fotopoto-pitsipiny. Toy izany koa, Jesosy dia tapa-kevitra mandrakariva ny ‘hanao ny sitrapon’ny Rainy’ amin’ny fanomezana ny fiainana mandrakizay ho ‘an’izay rehetra naneho finoana azy’. (Jaona 6:37-40.) Noho izy ireo “iraka solon’i Kristy”, ny mpianany voahosotry ny fanahy dia manatanteraka koa ny asa masina nanirahana azy amin’ny fanambarana ‘amin’ny vahoaka ny teny rehetra milaza izany fiainana izany’. — II Korintiana 5:20; Asan’ny apostoly 5:20.
9, 10. a) Inona no nataon’i Josefa tatỳ aoriana, ary nahoana? b) Tamin’inona no nampisehoan’i Josefa fangoraham-po sahala amin’izay hasehon’i Jesosy?
9 Tsy nanao izay hahafantaran’ireo rahalahiny azy avy hatrany i Josefa. Niteny tamim-pahasiahana tamin’izy ireo kosa izy — nampiasa mpandika teny izy — ka nihiaka hoe: “Mpisafo tany hianareo!” Koa satria izy ireo niresaka taminy ny amin’ny zandry lahy, dia notakin’i Josefa tamin’izy ireo ny hanaporofoany ny fahitsiam-pony tamin’ny fanafarana azy io ho any Egypta. Ren’i Josefa izy ireo nanenina noho ny nivarotany ny tenany ho andevo, ka nilaza fa izay nitranga tamin’izy ireo dia tokony ho sazy noho ny heloka nataon’izy ireo. Nanalavitra i Josefa ary nitomany. Na dia izany aza, dia nasainy nofatorana Simeona, notanana ho antoka mandra-piverin’ireo rahalahiny hafa miaraka amin’i Benjamina. — Genesisy 42:9-24.
10 Tsy namaly ratsy i Josefa. Tiany ny hamantatra raha feno fahatsorana ny fibebahan’ireo rahalahiny ka avy amin’ny fon’izy ireo tokoa, mba hahafahany hiseho hamindra fo amin’izy ireo (Malakia 3:7; Jakoba 4:8). Tamim-pangoraham-po sahala amin’ny hasehon’i Jesosy atỳ aoriana, dia tsy vitan’ny hoe nameno voa ny kitapon’ireo rahalahiny i Josefa, fa naveriny teo am-bavan’ny kitapo tsirairay avy koa ny volan’izy ireo. Afa-tsy izany koa, dia nomeny vatsy nilainy teny an-dalana izy ireny. — Genesisy 42:25-35; jereo Matio 11:28-30.
11. a) Rehefa nandeha ny fotoana, voatery nanao inona moa i Jakoba, ary nahoana izy no nanaiky tamin’ny farany? b) Sahala amin’izany koa, amin’ny ahoana no anomezan’ny Romana 8:32 sy ny I Jaona 4:10 antoka antsika ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
11 Rehefa ela ny ela, dia lany ny sakafo novidina tany Egypta. Koa nangataka an’ireo zanany sivy i Jakoba mba hiverina hividy tany. Talohan’izay, dia nihiaka toy izao izy ny amin’i Benjamina: “Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ny làlana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’ny fiainan-tsi-hita ny volo fotsiko.” Kanefa, taorian’ny fanaporofoan-kevitra lehibe ary rehefa nanaiky hiantoka an’i Benjamina i Joda, dia nanome lalana tsy fidiny an’ireo zanany i Jakoba hitondra ilay zazalahy hiaraka amin’izy ireo. — Genesisy 42:36 ka hatramin’ny 43:14.
12, 13. a) Inona no fitsapana nampiharin’i Josefa tamin’ireo rahalahiny mba hahalalana ny toe-pony? b) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo rahalahin’i Josefa ka nahatonga an’i Josefa hiseho hamindra fo?
12 Rehefa hitan’i Josefa fa tonga niaraka tamin’ireo rahalahiny Benjamina, dia nantsoiny tao an-tranony daholo izy rehetra ka nanaovany fanasana. Tao dia nataony avo dimy heny noho ny an’ny hafa ny anjaran’i Benjamina. Manaraka izany, dia nampihatra fitsapana farany tamin’ireo rahalahiny i Josefa. Naveriny tao amin’ny kitapony avy indray ny volan’izy ireo rehetra ary nataony teo am-bava-kitapon’i Benjamina ny kapoaka volafotsiny. Rehefa lasa izy ireo, dia nirahin’i Josefa ny lehilahy mpikarakara ny tao an-tranony hiampanga azy ireo ho nangalatra ka nisava ny kitapony mba hizahana an’ilay kapoakany. Koa satria hita tao amin’ny kitapon’i Benjamina ilay izy, dia nandriatra ny fitafiany ireo mpirahalahy, ary nentina indray teo anatrehan’i Josefa. Nitalaho mafy ny famindrampon’i Josefa i Joda ka nitolo-batana ho andevo ho solon’i Benjamina, mba hahafahan’ilay zazalahy hiverina any amin-drainy. — Genesisy 43:15 ka hatramin’ny 44:34.
13 Niaiky i Josefa tamin’io indray mandeha io fa niova fo ireo rahalahiny, ka tsy nahafehy ny fihetseham-pony intsony. Rehefa avy nampamoaka ny olona rehetra izy, dia nanambara teo anoloan’ireo rahalahiny hoe: “Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta. Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ (...) mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.” Dia hoy ny teny nanampiny: “Andeha miakatra faingana hianareo ho any amin’ikaky, ka lazao aminy hoe: (...) Midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona; dia honina eo amin’ny tany Gosena hianao, ka (...) dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena hianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.” — Genesisy 45:4-15.
14. Vaovao tsara inona no nentina ho an’i Jakoba?
14 Rehefa ren’i Farao fa tao ireo rahalahin’i Josefa, dia nilaza tamin’i Josefa izy mba haka sariety tao Egypta hakana ny rainy sy ny fianakaviany manontolo, satria ho azy ireo ny tsara indrindra tamin’ny tany. Rehefa nandre izay rehetra nitranga i Jakoba dia toy ny novelomina indray ka nihiaka hoe: “Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.” — Genesisy 45:16-28.
Sakafo ara-panahy be dia be
15. Raha ny amin’ny tenantsika, any amin’iza no itodihantsika mba hananana anjara amin’ny sakafo ara-panahy, ary inona no antoka ananantsika fa hahazo izany be dia be?
15 Inona moa ho antsika amin’izao andro izao ny hevitr’izany fisehoan-javatra izany? Koa satria mahatsapa foana izay ilaintsika ara-panahy isika, dia mitodika any amin’Ilay lehibe lavitra noho ny farao be fahamoram-panahy tamin’ny andron’i Josefa. Izany dia Jehovah Mpanjaka Tompo, izay manome sakafo ho antsika ary mitari-dalana antsika amin’izao vanim-potoana maizina izao maha-mosarenan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izao tontolo izao. Mandany hery isika ho tombontsoan’ny Fanjakany, ka amin’izany dia toy ny mitondra ny ampahafolon-karentsika ao amin’ny fitehirizany, raha mbola manokatra amim-pahalalahan-tanana ho antsika “ny varavaran’ny lanitra” izy ka mandrotsaka amintsika fitahiana “manana amby ampy”. — Malakia 3:10.
16. a) Eo anilan’iza ihany amin’izao andro izao no mety hahitana “sakafo” manome famonjena? b) Inona no natao mba hamafazana bebe kokoa ny voa ho an’ny olombelona?
16 Ilay Mpiandraiki-draharahan’i Jehovah, Jesosy, Mpanjaka sy nomem-boninahitra izao, dia mitsangana eo ankavanany (Asan’ny apostoly 2:34-36). Toy ny tsy maintsy nivarotan’ny vahoaka tena ho andevo mba hahavelona, dia toy izany koa amin’izao andro izao, izay rehetra maniry ho velona dia tokony hanatona an’i Jesosy, ho tonga mpianany sy hanolo-tena ho an’Andriamanitra (Lioka 9:23, 24). Toy ny nanirahan’i Jakoba ireo zanany hitady sakafo eo anilan’i Josefa, dia toy izany koa fa Jehovah dia mampitodika ny olombelona mibebaka ho any amin’ny Zanany malala, dia Jesosy Kristy (Jaona 6:44, 48-51). Manangona ireo mpianany ho kongregasiona azo ampitahaina amin’ny tanàna i Jesosy — misy maherin’ny 52 000 amin’izany izao maneran-tany —, ka ao izy ireny dia fahanana be dia be amin’ny ara-panahy ary mahazo “vary” amboniny, dia “voa” afafiny ao amin’ny saha (Genesisy 47:23, 24; Matio 13:4-9, 18-23). An-tsitrapo no anaovan’izy ireny fanambarana ho an’i Jehovah, ka mihamaro hatrany no manao izany manontolo andro; tamin’ny taona lasa, dia 595 896 no tampon’isan’ny mpitory nanana tombontsoa nandray anjara tamin’io karazana asa io nandritra ny iray volana. Amin’ny ara-keviny izany dia mampiseho mpitory maharitra 11 isaky ny kongregasiona.
17. Fitantarana ara-paminaniana hafa inona no misy itoviana amin’ny nahatafakambana ireo rahalahin’i Josefa folo iray ray taminy tamin’ny tenany?
17 Azo atao ny manamarika fa, rehefa avy nibebaka noho ny fomba fisainany sy ny nataony taloha ireo rahalahin’i Josefa folo iray ray taminy, dia tafaray taminy tany Egypta, tany izay mampiseho, miaraka amin’i Sodoma, izao tontolo izao nanomboana an’i Jesosy (Apokalypsy 11:8). Izany fisehoan-javatra izany dia mampahatsiahy antsika ny faminaniana hita ao amin’ny Zakaria 8:20-23; io faminaniana io dia mifarana amin’ny fitantarana ny amin’ny “folo lahy” izay nanambara hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay”, izany hoe hiaraka amin’ny vahoaka voahosotry ny fanahin’i Jehovah, izay mbola misy sisa aminy miasa eto an-tany.
18. Mitovy amin’inona, amin’izao androntsika izao, ny tombontsoa manokana nomena an’i Benjamina?
18 Mampiseho inona kosa ilay tena rahalahin’i Josefa, Benjamina, izay namoizan-dRahely vady malalan’i Jakoba ny ainy ny niterahana azy tamin’ny fomba sarotra? Benjamina dia nahazo fankasitrahana manokana tamin’i Josefa, izay azo inoana fa nahatsiaro ho akaiky kokoa an’io zanaky ny reniny io. Tena mety ho izany no antony nahazoan’ilay zazalahy anjara avo dimy heny rehefa tafavory voalohany ireo roa ambin’ny folo mirahalahy tamin’ny fanasana nataon’i Josefa. Moa ve Benjamina tsy mampiseho amin’ny fomba miavaka ny sisa amin’ny Vavolombelona voahosotry ny fanahy, izay ny ankamaroany dia voangona eo anilan’ny Tompo nanomboka tamin’ny 1919? Ireo kristiana mahaforona an’io kilasin’i “Benjamina” io dia tena nandray anjara manokana avy tamin’i Jehovah tokoa araka ny ‘lazain’ny Fanahy amin’ny fanahin’izy ireo’. (Romana 8:16.) Nosedraina koa ny tsy fivadihan’izy ireo rehefa nanampy azy ireo ny ‘ondrin’ny Tompo’. — Matio 25:34-40.
19. Inona no fifanahafana azo dinihina eo amin’ny nanorenan’ny taranak’Isiraely fonenana tao amin’ny tany Gosena sy ny fiangonan’ny olon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?
19 Mariho fa rehefa nanafatra an’i Jakoba sy ny ankohonany ho any Egypta i Farao, ny isan’ny lehilahy nanorim-ponenana tany dia tafakatra ho fitopolo, isa nampitomboina avy amin’ny 10 sy ny 7 (Genesisy 46:26, 27). Ao amin’ny Soratra masina manontolo, ireo isa roa ireo dia mampiseho toetr’izay feno, momba ny lanitra raha ny amin’ny isa “7”, ary momba ny tany raha ny amin’ny “10”. (Apokalypsy 1:4, 12, 16; 2:10; 17:12.) Azo atao ny mampifanitsy an’io fandaharana io amin’izay mitranga amin’izao androntsika izao, izay azontsika anantenana hahita an’i Jehovah manangona ao amin’ny ‘taniny’, dia ny paradisa ara-panahy ananantsika, ny mpianakaviny Vavolombelona rehetra (jereo Efesiana 1:10). “Fantatr’i Jehovah izay azy”, ary dieny ankehitriny izy dia mametraka azy ireny ao amin’izay “tany tsara indrindra”, tahaka an’i Gosena tao amin’ny tanin’i Farao. — Genesisy 47:5, 6; II Timoty 2:19, MN.
20. Nahoana moa isika no tokony hifaly, na dia ao aza ny mosary ara-panahy mamely amin’izao andro izao?
20 Tamin’ny andron’i Josefa, ireo taonan’ny mosary dia nandimby ny taonan’ny fahavokarana be. Amin’izao andro izao, dia miara-miseho ireo fotoana roa ireo. Ny fahatondrahan’ny sakafo ara-panahy hita ao amin’ny toeram-panompoam-pivavahana amin’i Jehovah dia mifanohitra amin’ny mosary mamely ao amin’ny tany tsy mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra (Isaia 25:6-9; Apokalypsy 7:16, 17). Na dia noana ny tenin’i Jehovah aza ny fivavahana lazaina fa kristiana, araka ny voalazan’ny faminanian’i Amosa, izany teny izany dia ambaran’i Jerosalema any an-danitra tsy an-kijanona. Mahafaly antsika tokoa izany! — Amosa 8:11; Isaia 2:2, 3; 65:17, 18.
21. a) Tombontsoa lehibe inona no ananantsika amin’izao andro izao? b) Tokony ho velom-pankasitrahara an’Andriamanitra noho ny inona moa isika, ary ahoana no azontsika isaorana azy?
21 Amin’izao andro izao, eo ambany fitarihan’ilay Josefa Lehibe, Jesosy Kristy, dia manana tombontsoa lehibe isika tafangona ho kongregasiona azo ampitahaina amin’ny tanàna. Afaka manatrika fanasana ao isika noho ny sakafo mahasalama ara-panahy be dia be, ary koa mamafy voan’ny fahamarinana sy manambara — vaovao tsara izany! — fa mety ho azo io sakafo ara-panahy io. Izany no ataontsika mba hahasoa an’izay rehetra manaiky ireo fandaharana feno fitiavana nataon’ilay Filoha Tompom-piandrianana, dia Jehovah. Afaka ny ho velom-pankasitrahana ny Andriamanitsika aoka izany isika noho ny nanomezany ny Zanany, dia ilay Josefa Lehibe, izay Mpiandraiki-draharaha feno fahendrena tompon’andraikitra amin’ny sakafo ara-panahy! Notendren’i Jehovah izy mba ho Ilay miaro ny aina amin’ny fotoan’ny mosary ara-panahy. Araka ny ohatra omeny sy eo ambany fahefany, aoka ny tsirairay avy amintsika hanompo azy amim-paharisihana amin’ny fanompoana masina!
Mampitaha ve ianao?
◻ Amin’ny ahoana moa Josefa no sahala amin’i Jesosy tamin’ny asany amin’ny maha-mpiandraiki-draharaha?
◻ Ahoana no azo ampitahana ny tantaran’i Josefa amin’ny fahatongavana ho mpanompon’Andriamanitra rehefa nanolo-tena ho azy?
◻ Toetra tsara inona no navelan’i Josefa sy Jesosy ho ohatra ho antsika?
◻ Toy ny tamin’ny andron’i Josefa, inona no fandaharana nomanina mba hizarana ny sakafo?
◻ Tokony hanosika antsika hanao inona ny fandinihana an’io tantara io?
[Sary, pejy 16, 17]
Eo amin’izao tontolo izao tafihin’ny mosary ara-panahy, ilay Josefa Lehibe dia manome sakafo tondraka ho an’izay rehetra manatona azy amim-pinoana.
Toy ny naneken’ireo rahalahin’i Josefa folo iray ray taminy azy, dia misy olona betsaka manaiky an’i Kristy ankehitriny.
Sahala amin’ireo olona fitopolo tao amin’ny ankohonan’i Jakoba, ny isa fenon’ny ‘ondrin’i Jehovah’ dia tonga ao amin’ny “tany” tsara iray, dia: ny paradisa ara-panahy ananantsika amin’izao fotoana izao.
[Sary, pejy 18]
Nomen’i Kristy tombontsoa indrindra ny kilasin’i Benjamina amin’ny andro ankehitriny tamin’ny nahazoany be dia be “hanina amin’ny fotoana”.