-
EfraimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jakoba, dia natsangany ho zanany i Efraima sy Manase zafikeliny, ka nataony nitovy zo tamin’ireo zanany naterany. (Ge 48:5) Nanana zanakalahy maro i Jakoba, nefa i Josefa no nomena ny zon’ny lahimatoa. Nahazo anjaran-droa avy tamin’ny fananan’i Jakoba rainy àry i Josefa, ka ny anjara iray lasa lovan’ny fokon’i Efraima ary ny iray lasan’ny fokon’i Manase. (1Ta 5:1; ampit. Ge 48:21, 22; De 21:17; Js 14:4.) Nomen’i Jakoba tombony i Efraima rehefa nitso-drano azy mirahalahy izy. Naminany izy fa hahery kokoa i Efraima.—Ge 48:13-20.
-
-
IsraelyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mbola nizara ho foko 12 nisy lehibem-poko ihany ilay firenena vaovao. Tsy tokony hanao raharaha miaramila anefa ny fokon’i Levy, fa hifantoka amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay. Nisy fanovana natao àry mba ho 12 foana ireo foko hahazo anjara lova 12 ao amin’ny Tany Nampanantenaina. (No 1:49, 50; 18:20-24) Teo koa ny momba ny zon’ny lahimatoa. Tokony ho roa ny anjara lovan’i Robena lahimatoan’i Jakoba. (Ampit. De 21:17.) Tsy nanana ny zon’ny lahimatoa intsony anefa izy, satria nanao firaisana tamin’ny vadikelin-drainy. (Ge 35:22; 49:3, 4) Iza àry no ho solon’ny fokon’i Levy sy hahazo ny zon’ny lahimatoa?
Tsotra ny fomba nandaminan’i Jehovah an’ilay izy. Nataony lehibem-poko i Efraima sy Manase zanakalahin’i Josefa. (Ge 48:1-6; 1Ta 5:1, 2) Mbola 12 ihany àry ireo foko, ankoatra ny fokon’i Levy. Roa koa ny anjara lova nomena an’i Josefa rain’i Efraima sy Manase. Nomena an’i Josefa lahimatoan’i Rahely indray ny zon’ny lahimatoa, fa tsy an’i Robena lahimatoan’i Lea intsony. (Ge 29:31, 32; 30:22-24) Ireto avy àry ny anaran’ireo foko 12 (tsy Levita): Robena, Simeona, Joda, Isakara, Zebolona, Efraima, Manase, Benjamina, Dana, Asera, Gada ary Naftaly.—No 1:4-15.
-