-
MordekayFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lehilahy nanam-pinoana. Olona nanam-pinoana toa an’ireo notanisain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11 i Mordekay, na dia tsy voatonona ao aza ny anarany. Be herim-po sy nahay nanapa-kevitra izy, ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra sy ny olony. Narahiny koa ilay toro lalana nolazain’i Jesosy tatỳ aoriana hoe: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Mt 22:21) Samy avy amin’ny fokon’i Benjamina izy sy Estera. Naminany toy izao momba an’io foko io i Jakoba: “Hamiravira foana toy ny amboadia i Benjamina. Hihinana ny rembiny izy amin’ny maraina, ary hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.” (Ge 49:27) Toy ny hoe efa hariva tokoa tamin’izay ho an’ny firenen’Israely, satria efa lasa teo ambany fahefan’ny hafa firenena izy io sady tsy nitondra intsony ireo mpanjakany. Mety ho i Mordekay sy Estera Benjaminita no nanatanteraka ny fikasan’i Jehovah, ka nandripaka an’ireo Amalekita sisa tavela tamin’izany. Nitady izay hahasoa ny mpiray tanindrazana taminy i Mordekay. Porofo izany fa nino izy hoe avy amin’ny zanak’Israely no hiavian’ilay Taranak’i Abrahama, izay hitondra fitahiana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany.—Ge 12:2; 22:18.
-
-
AmboadiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
2. [Heb.: shoʽal; gr.: alôpeks]. Biby mitovy amin’ny alika, saingy matsokotsoko ny vavany, miendrika telozoro lehibe sady ranga ny sofiny, ary matevina ny rambony. Malaza ho fetsy ny amboadia, ka niantso an’i Heroda Mpanjaka hoe “iny amboadia fetsy iny” i Jesosy Kristy. (Lk 13:32) Aleon’ny amboadia mampiasa hafetsena toy izay mirifatra mandositra fahavalo, na dia mety hahatratra 70 km/ora mahery aza, hono, ny hafainganam-pandehany raha tsy mandeha lavitra izy.
-