Ny Fomba Ahafahantsika Mamboly Hatsaran-toetra
IREO rakibolana amin’izao andro maoderina izao dia mamaritra ny atao hoe “hatsaran-toetra” ho “fahatsarana ara-pitondran-tena; hatsaram-po”. Izy io dia “fanaovan-javatra sy fomba fisaina mahitsy; toetra feno hatsaram-po”. Milaza i Marvin R. Vincent, mpanao diksionera, fa ny hevitr’ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe “hatsaran-toetra”, dia nilaza “karazana hatsarana rehetra”. Tsy mahagaga àry raha nisy fotoana niderana ho hatsaran-toetra ny fahamalinana, ny herim-po, ny fahaiza-manitsy tena, ny tsy fiangarana, ny fangoraham-po, ny fikirizana, ny filazana sy ny fanaovana ny marina, ny fanetren-tena ary ny tsy fivadihana. Nofaritana koa ho “fanarahana fari-pitsipika momba izay mahitsy” ny hatsaran-toetra.
Fari-pitsipik’iza momba ny fahatsarana sy ny hatsaram-po ary izay mahitsy no tokony harahintsika? Hoy ny gazety Newsweek: “Araka ilay firehan-kevitra mavesa-danja indrindra momba ny fitsipi-pitondran-tena, dia niteraka fironana hisalasala momba ny zava-drehetra ny Taonjaton’ny Fahazavana, ary izany indray kosa dia nahatonga ny fiheverana rehetra ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy ho raharahan’ny tsirairay manokana sisa, miankina amin’izay tiana kokoa ara-pihetseham-po na ny safidy ara-kolontsaina.” Fomba mahafa-po hamaritana ny tsara sy ny ratsy anefa ve izay tiana manokana fotsiny? Tsia. Mba hambolentsika hatsaran-toetra, dia ilaintsika ny fari-pitsipika azo itokisana momba ny tsara sy ny ratsy—fari-pitsipika izay ahazoana milaza hoe tsara na ratsy ny fanaovan-javatra iray, ny fihetsika iray na ny toetra iray.
Ny hany tena loharanon’ny fari-pitsipi-pitondran-tena
Iray ihany no tena Loharanon’ny fari-pitsipi-pitondran-tena, dia ilay Mpamorona ny olombelona, i Jehovah Andriamanitra. Taoriana kelin’ny namoronany an’i Adama, lehilahy voalohany, dia nandidy azy toy izao i Jehovah Andriamanitra: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Nomen’i Jehovah Andriamanitra io anarana miavaka io ilay hazo, mba hampahafantarana fa izy irery ihany no manan-jo hanapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy ho an’ireo zavaboariny. Koa nanjary fototra hoenti-mitsara, na hoenti-manombana, ny zavatra ataon’ny olona iray, ny fomba fijeriny, ary ireo toetrany, àry ireo fari-pitsipik’Andriamanitra ny amin’ny tsara sy ny ratsy. Raha tsy manana ireny fari-pitsipika ireny isika, dia tsy ho afaka hanavaka araka ny tokony ho izy ny tsara sy ny ratsy.
Ilay didy mahakasika ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia nametraka safidy teo anoloan’i Adama sy i Eva—ny hankatò na ny tsy hankatò. Ho azy ireo, dia nidika ho fankatoavana izany didy izany ny hatsaran-toetra. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampahafantarin’i Jehovah misimisy kokoa izay mampifaly sy tsy mampifaly azy, ary nataony izay handraketana an’izany ao amin’ny Baiboly, ho antsika. Koa mitaky fanarahana ireo fari-pitsipika marin’i Jehovah voalaza ao amin’ny Soratra Masina àry ny fambolena hatsaran-toetra.
Fantaro tsara ireo fari-pitsipik’Andriamanitra
Koa satria nofaritan’i Jehovah Andriamanitra sy nampahafantariny tao amin’ny Baiboly ireo fari-pitsipika ny amin’ny tsara sy ny ratsy, moa ve isika tsy tokony hanao izay hahafantarana tsara azy ireo? Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.
Ohatra, diniho ilay tsy fahazoan-kevitra nitranga tamin’i Kunihito, izay voatonona tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, rehefa naneho fiheveran-tena araka ny antonony, nifanaraka tamin’ny kolontsainy, izy. Nanampy azy hanana fomba fijery voalanjalanja kokoa tatỳ aoriana ny fandinihana akaiky kokoa ireo fari-pitsipika araka ny Soratra Masina. Tena mampirisika ny hanehoana fiheveran-tena araka ny antonony tokoa ny Baiboly, ary mananatra antsika mba tsy hatoky tena be loatra sy tsy hiana-kendry. (Ohabolana 11:2; Mika 6:8). Rehefa nanoritra ireo fepetra takina ho an’ny “anjara raharahan’ny mpiandraikitra” anefa ny apostoly Paoly, dia niresaka momba ny hoe “miezaka handroso” ho amin’izany tombontsoa izany. (1 Timoty 3:1, NW ). Tsy vitan’ny hoe tsy tokony hirehareha na hiana-kendry fotsiny ny olona “miezaka handroso” toy izany, fa tsy tokony hanambany tena tsy amin’ny antony koa.
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fahatsarana ara-pitondran-tena eo amin’ny sehatry ny fandraharahana? Eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ankehitriny, dia fanao mahazatra ny mampiasa fomba mampiahiahy na mitady fomba hialana amin’ireo fitsipika sy ireo lalàna momba ny hetra navoakan’ny fanjakana. Na inona na inona ataon’ny hafa anefa, ny fari-pitsipiky ny Baiboly dia hoe tokony “hitondra tena amim-pahitsiana amin’ny zavatra rehetra” isika. (Hebreo 13:18, NW ). Noho izany, dia mamboly hatsaran-toetra isika, rehefa milaza sy manao ny marina sy tsy miangatra amin’ny mpampiasa, ny mpiasa, ny mpividy ary ny fitondram-panjakana. (Deoteronomia 25:13-16; Romana 13:1; Titosy 2:9, 10). Azo antoka fa mitombo ny fitokisana ary mihatsara ny fifandraisana, rehefa milaza sy manao ny marina ny olona. Ary matetika no misoroka tsy fahazoan-kevitra sy fahasarotan-javatra, izay mety hipoitra noho “ny sampona”, ny fanaovana an-tsoratra ireo fifanarahana.—Mpitoriteny 9:11; Jakoba 4:13, 14.
Lafiny hafa iray ilantsika hambolena hatsaran-toetra ny fitafiana sy fisehoana ankapobe. Miova arakaraka ny kolontsaina ny fitafiana fidin’ny olona, ary mety ho mafy ny fanerena hanaraka ireo lamaody farany indrindra. Fa nahoana anefa isika no hanaraka izay lamaody rehetra mivoaka? Mananatra antsika ny Baiboly hoe: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao”. (Romana 12:2). Tsy nanao lalàna ny apostoly Paoly, fa nahazo tsindrimandry kosa hanoratra hoe: “[Iriko] ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa (...) araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.” (1 Timoty 2:9, 10). Mihatra amin’ny lehilahy, ary koa amin’ny vehivavy, io fari-pitsipika fototra io. Mazava ho azy fa afaka manana fomba fitafy sy fisehoana ivelany samihafa sady mahafinaritra ny tsirairay, araka izay tiana kokoa ara-kolontsaina na ny zavatra tiana manokana.
Mampahafantatra ireo fitondran-tena ratsy melohin’Andriamanitra mazava koa ny Baiboly. Izao no vakintsika ao amin’ny 1 Korintiana 6:9, 10: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Nanampy an’i Maria, voatonona tatsy aloha, io andinin-teny io, ka takany fa araka ilay fari-pitsipika momba ny fahatsarana ara-pitondran-tena nosoritan’ilay Mpamorona, dia ratsy ny fiarahany tamin’i Juan, ka tsy maintsy mamarana izany izy, raha tiany ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Mazava fa mila manao izay hahafantarana tsara ireo fari-pitsipik’i Jehovah isika, mba hambolena hatsaran-toetra.
Mianara amin’ny fo
Ny fananana hatsaran-toetra dia tsy vitan’ny hoe manalavitra izay ratsy fotsiny. Misy heriny eo amin’ny fitondran-tena izy io. Manana hatsaram-po ny olona tsara toetra. “Mila hianarana amin’ny fo ary koa amin’ny saina ny hatsaran-toetra”, hoy ny profesora iray. Koa mitaky zavatra betsaka kokoa noho ny fahafantarana tsara ny Tenin’Andriamanitra àry ny fambolena hatsaran-toetra. Izany dia mitaky fisaintsainana momba izay voasoratra ao, mba ho feno fankasitrahana an’i Jehovah ny fontsika, ka ho voatosika hampihatra ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina eo amin’ny fiainantsika isika.
“Endrey ny fitiavako ny lalànao!”, hoy ny fihiakan’ny mpanao salamo. “Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97). Ary nanoratra toy izao i Davida Mpanjaka: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao [asan’Andriamanitra] rehetra; ny asan’ny tànanao no eritreretiko.” (Salamo 143:5). Isika koa dia tokony hanao ny fisaintsainana amim-bavaka ho tapany tsy misaraka amin’ny fianarantsika ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly.
Marina fa mety ho zava-tsarotra ny hanokana fotoana hianarana amim-pahazotoana ny Baiboly, harahina fisaintsainana. Mitaky fakana fotoana avy amin’ny fanaovan-javatra hafa anefa ny fikatsahana hatsaran-toetra. (Efesiana 5:15, 16). Izany no ataon’i Aaron, 24 taona, isan’andro, ka mifoha antsasak’adiny alohan’ny ora fifohazany taloha izy. Hoy ny fitantarany: “Tamin’ny voalohany, dia namaky Baiboly fotsiny aho, nandritra ilay antsasak’adiny. Vao haingana aho vao nahatakatra ny maha zava-dehibe ny fisaintsainana. Koa amin’izao fotoana izao, dia manokana ny antsasak’izany fotoana izany hieritreretana an’izay vao novakiko aho. Tena mahafa-po izany.” Azo atao amin’ny fotoana hafa koa ny fisaintsainana. Nihira toy izao ho an’i Jehovah i Davida: ‘Mieritreritra Anao amin’ny fiambenan’alina aho.’ (Salamo 63:6). Ary mitantara toy izao ny Baiboly: “Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro”.—Genesisy 24:63.
Tena ilaina amin’ny fambolena hatsaran-toetra ny fisaintsainana, satria manampy antsika hanana ny fihetseham-po sy ny fomba fijerin’i Jehovah izy io. I Maria, ohatra, dia nahafantatra fa raran’Andriamanitra ny fijangajangana. Mba ‘hankahalana ny ratsy sy hifikirana amin’ny tsara’ anefa, dia nila nisaintsaina andinin-teny fototra ao amin’ny Baiboly izy. (Romana 12:9). Takany fa nila nanao fiovana izy, rehefa avy namaky ny Kolosiana 3:5, izay mampirisika antsika ‘hamono ny momba ny tenantsika izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy, ary fieremana’. Tsy maintsy nanontany tena i Maria hoe: ‘Karazana firehetam-po, na filana eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, inona no tsy maintsy vonoiko? Inona no zavatra mety hanaitra faniriana maloto ka tokony hohalaviriko? Misy fiovana ilaiko hatao ve eo amin’ny fihetsiko manoloana ny lehilahy?’
Tafiditra ao amin’ny fisaintsainana ny fandinihana ny vokatry ny zavatra atao. Ampirisihin’i Paoly ny Kristianina mba hifady ny fijangajangana sy mba haneho fifehezan-tena, mba “tsy hisy hanao saina hifetsy [“sy hanitsakitsaka ny zon’ny”, NW ] rahalahiny”. (1 Tesaloniana 4:3-7). Fanontaniana tsara hosaintsainina ireto: ‘Inona no fahavoazana hoentiko ho an’ny tenako, ny fianakaviako, na ny hafa, raha manao izany zavatra izany aho? Inona no ho fiantraikan’izany eo amiko, eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pihetseham-po ary ara-batana? Inona no nitranga tamin’ny hafa izay nandika ny lalàn’Andriamanitra tamin’ny lasa?’ Nanatanjaka kokoa ny fon’i Maria ny fisaintsainana toy izany, ary afaka manatanjaka ny fontsika koa.
Mandraisa fianarana avy amin’ny ohatra
Azo ampianarina any an-dakilasy ve ny hatsaran-toetra? Nahavery hevitra ny filozofa nandritra ny an’arivony taona maro io fanontaniana io. Azo atao izany, raha araka ny fironan-kevitr’ilay filozofa grika atao hoe Platon. Nihevitra kosa i Aristote fa arakaraka ny fiezahana haneho hatsaran-toetra no hananana azy io. Toy izao no namintinan’ny mpanao gazety iray ilay adihevitra momba izany: “Raha fintinina, dia tsy azo ianarana irery izay rehetra tafiditra amin’ny hoe hatsaran-toetra. Tsy azo ampianarina amin’ny alalan’ny boky koa izy io. Ny toetra feno hatsaram-po dia avy amin’ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina, izay mampirisika ny hananana hatsaran-toetra sady mamaly soa azy io.” Aiza anefa no hahitantsika olona tena tsara toetra marina? Manolotra ohatra sasany ny amin’ny hatsaran-toetra ny ankamaroan’ny kolontsaina, dia ireo mahery fo ao amin’ny anganony sy ny tantarany, fara faharatsiny. Ny Baiboly anefa no mirakitra ohatra tena izy be dia be.
Ny ohatra miavaka indrindra ny amin’ny hatsaran-toetra dia i Jehovah. Maneho hatsaran-toetra foana izy eo amin’ny zavatra ataony, ary manao izay marina sy tsara. Afaka mamboly hatsaran-toetra isika, amin’ny ‘fanahafana an’Andriamanitra’. (Efesiana 5:1). Ary ‘namela fianarana ho antsika, mba hanarahantsika ny diany’ i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. (1 Petera 2:21). Ambonin’izany, dia mirakitra fitantarana momba ny olona nahatoky maro ny Baiboly, toa an-dry Abrahama, Saraha, Josefa, Rota, Joba, ary ry Daniela sy ny namany hebreo telo. Tsy tokony hohadinoina koa ireo ohatra ny amin’ny hatsaran-toetra, eo anivon’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao.
Afaka mahita fahombiazana isika
Tena afaka mahita fahombiazana ve isika amin’ny fanaovana izay tsara eo imason’Andriamanitra? Noho isika nandova ny tsy fahalavorariana, indraindray dia mety hiady mafy ao anatintsika ny saintsika sy ny nofontsika—ny faniriana hanao izay tsara sy ny fanarahana ny fironantsika hanota. (Romana 5:12; 7:13-23). Afaka mandresy amin’ilay ady anefa isika, noho ny fanampian’Andriamanitra. (Romana 7:24, 25). Nanome ny Teniny sy ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly i Jehovah. Amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina sy amin’ny fisaintsainana izany amim-bavaka, dia afaka ny ho madio am-po isika. Avy amin’ny fo madio toy izany no ipoiran’ny hevitra sy teny ary fanaovan-javatra maneho hatsaran-toetra. (Lioka 6:45). Miorina amin’ny ohatr’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy no ahafahantsika mamboly toetra araka an’Andriamanitra. Ary azo antoka fa afaka miana-javatra betsaka avy amin’ireo manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana amin’izao andro izao isika.
Nampirisihin’ny apostoly Paoly ny mpamaky azy mba hanohy ‘hihevitra’ ny hatsaran-toetra sy ny zavatra hafa misy dera. Azo antoka fa fitahian’Andriamanitra no ho vokatry ny fanaovana izany. (Filipiana 4:8, 9). Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka mahita fahombiazana amin’ny fambolena hatsaran-toetra isika.
[Sary, pejy 6]
Ataovy ampahany amin’ny fianaranao Baiboly ny fisaintsainana
[Sary, pejy 7]
Mambole toetra araka an’Andriamanitra amin’ny fanahafana an’i Jesosy Kristy