Aza miray zioga amin’ny tsy mino
“Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino (...) Fa (...) inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” — 2 KORINTIANA 6:14, 15.
1. Ahoana no nahatonga ny anabavy iray hanambady tsy mino?
NAMOY ny vadiny tamin’ny lozam-piarakodia, taona maromaro lasa izay, ny vehivavy vavolombelon’i Jehovah iray tany andrefan’i Etazonia. “Trotraka aho tamin’ny voalohany,” hoy izy nahatsiaro izany, “kanefa vonona ny tsy hamela izany hanakantsakana ny fanompoako an’i Jehovah aho. Rehefa afaka roa taona anefa, dia nanomboka nahatsiaro tena ho tsy nilaina aho niaraka tamin’ireo mpivady tao amin’ny kongregasiona. Tsy nasaina hiaraka hivoaka amin’ireo fianakaviana hafa foana izaho sy ny zanako vavy. Rehefa nahamarika mpivady kristiana nifaneho fitiavana aho, dia vao mainka koa nahatsiaro tena ho voailika. Toa tsy nisy nahamarika fa nihanalemy teo amin’ny ara-panahy aho. Rehefa nasain’ny lehilahy iray teo amin’izao tontolo izao fantatro tany am-piasana hisakafo àry aho dia nanaiky. Tsy tandritandriko akory dia raiki-pitia taminy aho. Tamin’ny farany, dia nalemy sy resin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery aoka izany aho ka nanaiky ny hanambady azy.”
2. Nahoana no zavatra ara-dalàna ny faniriana hanambady, ary natao mba hahaforona inona moa ny fanambadiana?
2 Eny tokoa, mety ho mahery dia mahery ny faniriana ny hiara-hiaina amin’ny vady iray, ary ara-dalàna koa izany. Araka ny nilazan’i Jehovah azy: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza [“tapany mitovy”, izay mifanentana aminy] ho azy aho.” (Genesisy 2:18, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fakàn-teny, fanamarihana ambany pejy) Ny fanambadiana dia natao mba hahaforona fatorana akaiky sy maharitra eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Tsy i Adama akory fa i Jehovah no niteny hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:22-24; ampitahao amin’ny Matio 19:4-6.) Maniry fatratra ny hahita ny tapany mitovy aminao toy izany angamba ny fonao.
3, 4. a) Ahoana moa no ampitandreman’ny Baiboly amin’ny famoronana fifandraisana akaiky amin’ny tsy mino? b) Amin’ny fomba ahoana moa no azo ampiharana amin’ny fanambadiana ny torohevitr’i Paoly momba ny zioga tsy mifanentana? d) Ahoana moa no nety ho nandraisan’ireo kristiana tany Korinto ny hevitry ny teny hoe “tsy mino”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
3 Ny Baiboly, anefa, dia mampitandrina amin’ny famoronana fifandraisana akaiky amin’ny tsy mino. Araka ny nilazan’ny apostoly Paoly azy: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana [“Aza manisy lamboridy ny tenanao hiarahana amin’ny mpiara-miasa tsy mifanentana, Ny Baibolin’i Jerosalema] amin’ny tsy mino.a Fa inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?”b (2 Korintiana 6:14, 15) Mety ho tao an-tsain’i Paoly ny fandrarana ny fanakambanana omby sy boriky hiasa tany teo amin’ny Lalàn’i Mosesy. (Deoteronomia 22:10) Kely kokoa ny boriky ary tsy matanjaka toy ny omby ka hijaly noho izany fametahana azy amin’ny zioga tsy mifanentana izany. Koa satria ny fanambadiana dia toy ny zioga mampiray ny lehilahy iray amin’ny vadiny, raha manambady tsy mino ny kristiana iray dia ho toy ny fidirana amin’ny zioga tsy mifanentana izany. (Matio 19:6) Matetika ny zioga toy izany no mitondra fanerena sy fihenjanana fanampiny ao amin’ny fanambadiana. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:28.
4 Kanefa, araka ny asehon’ny zavatra notantaraina teo am-piandohana, ny kristiana sasany dia nifidy ny hanambady tsy mino. Nahoana no sarotra amin’ny sasany ny manambady “ao amin’ny Tompo ihany”? — 1 Korintiana 7:39.
Nahoana ny sasany no mitady any an-toeran-kafa
5. Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny antony mahatonga ny sasany ho raiki-pitia amin’ny tsy mino.
5 Tsy hoe mitady amim-piniavana ny tsy hiraharaha ny torohevitr’Andriamanitra izy ireo. Hevero ny toerana misy ny anabavy kristiana iray izay mety haniry ny hanambady. Mety ho velom-paniriana ny hahazo vady kristiana izy, kanefa toa tsy misy rahalahy azo ifidianana anisan’ireo namana mino miaraka aminy. Tsapany fa mandroso fahalehibeazana izy. Mety haniry ny hanorina fianakaviana izy. Ny tahotra ny ho antitra manirery sy ny fahatsapana fa mila ny hotiavina izy dia mety hahatonga azy ho mora solafaka. Raha misy lehilahy eo amin’izao tontolo izao amin’izay mampiseho fiheverana azy, dia mety ho sarotra aminy ny hanohitra. Mety hiseho ho tsara fanahy sy malefaka izy io. Mety tsy hifoka na hampiasa teny maloto izy. Dia avy amin’izay ny hevitra fanalan-tsiny: ‘Jereo fa mahafinaritra kokoa noho ny anadahy maro be fantatro izy!’ ‘Liana te-hianatra izy.’ ‘Mahalala rahavavy manambady tsy mino tonga mpiara-mino amintsika tatỳ aoriana aho.’ ‘Misy fanambadiana kristiana sasany izay tsy mandeha tsara akory!’ — Jereo Jeremia 17:9.
6, 7. a) Ahoana no nanazavan’ny anabavy tsy manambady iray ny fahakiviany? b) Fanontaniana inona moa no mendrika ny hodinihintsika?
6 Eny tokoa, mety hahakivy ny kristiana iray ta-hanambady ny toerana misy azy. Mamoifo mihitsy aza ny sasany. “Kely dia kely ny isan’ny anadahy azo ifidianana, hoy ny anabavy tsy manambady iray rehefa nanazava ny toe-javatra eo amin’ny faritra misy azy izy. “Kanefa maro be tokoa ny rahavavy tsy manambady. Raha mahita ny hatanorany manidina fotsiny ny rahavavy iray, ny safidy tavela ho azy dia na tsy manambady mihitsy na manambady izay voalohany miseho eo.”
7 Ny torohevitry ny Baiboly anefa dia mazava: ‘Aza miray zioga amin’ny tsy mino.’ (2 Korintiana 6:14) Henjana sy tsy araka izay tokony ho izy ve io fampitandreman’Andriamanitra io?
Fanehoan’Andriamanitra ny fiahiany feno fitiavana
8. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa ny hahasoa antsika indrindra no katsahin’ny fony?
8 Miahy lalina tokoa ny amin’ny hahasoa antsika mandrakizay i Jehovah. Moa ve izy tsy namoy zavatra sarobidy tamin’ny nanomezana ny Zanany “ho avotra hisolo ny maro”? (Matio 20:28) Tsy izy ve no ‘mampianatra antsika hahitantsika soa’? (Isaia 48:17) Moa ve izy tsy nampanantena fa ‘tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika’? (1 Korintiana 10:13) Araka ny fandrindran-kevitra àry fa tsy maintsy ny hahasoa antsika indrindra no katsahin’ny fony rehefa milaza amintsika izy fa tsy tokony hiray zioga amin’ny tsy mino isika! Hevero ho toy ny fanehoany ny fiahiany antsika feno fitiavana io fampitandremana io.
9. a) Fampitandremana inona momba ny famoronana fatorana akaiky amin’ny tsy mino iray moa no nomen’i Paoly? b) Inona moa ny dikan’ny teny grika nadika hoe “fifanarahana”, ary ahoana no anazavan’izany ny fahasahiranana mitranga rehefa miray zioga amin’ny tsy mino ny kristiana iray?
9 Nokasain’ny Mpamorona hahaforona ny fatorana akaiky indrindra eo amin’ny olombelona, izay hahatongavan’ny lehilahy iray sy ny vadiny ho “nofo iray ihany” ny fanambadiana. (Genesisy 2:24) Fahendrena ho an’ny kristiana iray ve ny hamorona fatorana akaiky toy izany amin’ny tsy mino iray? Namaly izany i Paoly tamin’ny filazana fitohitohizam-panontaniana lalim-paka, izay samy hoe ‘tsy misy’ no valiny: “Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no ifanarahan’[grika, sym.pho’ne.sis] i Kristy sy Beliala [Satana]? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” (2 Korintiana 6:14, 15) Ny teny grika hoe sym.pho’ne.sis dia midika ara-bakiteny hoe “fampanenoana miaraka” (avy amin’ny hoe syn, “miaraka”, sy ny hoe pho.né, “feo”). Manondro ny fifanarahana avoakan’ny zavamaneno izany. Tsy misy fifanarahana mihitsy tokoa eo amin’i Kristy sy Satana. Toy izany koa, eo amin’ny zioga tsy mifanentana, dia ho sarotra amin’ny lehilahy iray sy ny vadiny ny ‘hamoaka feo mitovy’. Toy ny zavamaneno roa tsy mifanaraka izy roa, ary mamoaka feo ratsy fa tsy mozika.
10. Inona avy moa ireo zavatra ilaina mba hahasambatra ny fanambadiana iray, ary inona avy ireo tombontsoa azo rehefa eo ny zioga mifanentana?
10 Ahoana àry no hahafahan’ny olona araka ny fanahy iray hanana fifanarahana amin’ny olona araka ny nofo iray? (1 Korintiana 2:14) Ny zavatra inoana, ny fotopoto-pitsipika ary ny zava-kendrena iombonana dia tena ilaina mba hahasambatra ny fanambadiana iray. Tsy misy na inona na inona hanome hery mafy kokoa ho an’ny fanambadiana iray afa-tsy ny fifikiran’ny andaniny roa amin’ny Mpamorona. Rehefa eo ny zioga mifanentana dia afaka mifamporisika izy mivady eo amin’ny fanompoam-pivavahany. Afaka maka hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina izy roa mba handaminana ireo tsy fifanarahana misy eo aminy. Tsy mazava àry ve izany fa ny antony nilazan’i Jehovah amintsika tsy hiray zioga amin’ny tsy mino dia satria tiany ny hahasambatra antsika amin’ny fatorana akaiky indrindra ananantsika amin’ny vadintsika?
11. Nahoana moa no nandrarana teo amin’ny Isiraely ny fanambadiana ireo tsy nanompo an’i Jehovah, ary fanontaniana mampieritreritra inona no mitranga?
11 Mampanalavitra antsika ireo vokatra mampalahelo ateraky ny fikambanan’ny kristiana iray amin’ny tsy mino iray matetika ny fankatoavana io fampitandreman’ny Baiboly io. Mety hitranga, ohatra, ny fanaovan’ilay tsy mino izay tsy hanompoan’ilay kristiana an’i Jehovah intsony. Hevero ny fampitandremana nomen’i Jehovah ny Isiraely fahizay. Voarara ny fanambadiana tamin’ireo tsy nanompo an’i Jehovah. Nahoana? Nampitandrina toy izao i Jehovah: “Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamanikafa.” (Deoteronomia 7:3, 4) Rehefa miatrika ny fanoheran’ny vady tsy mino iray ny kristiana iray dia mety hirona ho amin’ny fanarahana ambokony. Mora ny mieritreritra hoe: ‘tsy hanjo ahy izany!’ Izany anefa no nitranga tamin’ny olona iray nanana ny fahendren’i Solomona. Tsy hety hitranga aminao koa ve izany? — 1 Mpanjaka 11:1-6; ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 4:29, 30.
12. Tamin’ny ahoana moa no naha-fiarovana ho an’ireo Isiraelita ny lalàn’Andriamanitra nandrara ny fanambadiana ireo olona hafa firenena? Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny valin-teninao.
12 Na dia tsy voataona hiala amin’ny fanompoam-pivavahana marina aza ilay mino, mbola eo ihany ireo zava-manahirana sy fanerena mifandray matetika amin’ny tokantrano voazarazara eo amin’ny ara-pivavahana. Diniho indray ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely. Hevero hoe nanaiky ny hanambady lehilahy kananita iray ny ankizivavy isiraelita iray. Raha jerena ireo fanao teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy nanjaka tao amin’ny tany Kanana, hanaja ny lalàn’ilay Andriamani-drazazavavy ve izy? Hanaiky an-tsitrapo ny tsy hanana firaisana taminy nandritra ny fadimbolany ve izy, araka ny nandraran’ny Lalàn’i Mosesy?c (Levitikosy 18:19; 20:18; ampitahao amin’ny Levitikosy 18:27.) Raha ohatra indray ka ny lehilahy isiraelita iray no nanambady ankizivavy kananita iray, ho nanohana an-dralehilahy ve izy rehefa nanao ny diany intelo isan-taona ho an’i Jerosalema izy mba hanatrika ireo firavoravoana? (Deoteronomia 16:16) Mazava àry fa ny lalàn’Andriamanitra nandrara ny fanambadiana toy izany dia natao ho fiarovana ireo Isiraelita.
13. a) Nahoana moa ny olona iray eo amin’izao tontolo izao no tsy manana fieritreretana voataiza araka ny Baiboly? b) Fanerena sy zava-manahirana inona avy moa no atrehin’ny sasany ao amin’ny tokantrano voazarazara eo amin’ny ara-pivavahana?
13 Ary amin’izao andro izao? Ny fitsipika ara-pitondrantenan’ireo olona eo amin’izao tontolo izao dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny an’ny Baiboly. Na dia miseho ho madio ara-pitondrantena toy inona aza ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao, izy ireo dia tsy manana fieritreretana kristiana voataiza araka ny Baiboly. Tsy nandany taona maro nianarana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary tsy ‘niova tamin’ny fanavaozana ny saina’, na ‘nanary ny toetra taloha.’ (Romana 12:2; Kolosiana 3:9) Noho izany àry, ny kristiana izay miray zioga amin’ny tsy mino matetika dia mihantsy alahelo sy fahoriana be. Ny sasany dia miatrika fanerena tsy an-kijanona mba handray anjara amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy maharikoriko, na hankalaza ireo fetin’izao tontolo izao. Ary ny sasany dia mitaraina mihitsy aza noho ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Nanoratra toy izao ny anabavy anankiray: “Ny fahatsapana ho manirery rehefa manambady olona tsy tia an’i Jehovah ny tena no fahatsiarovana ho manirery ratsy indrindra. Tsy misy na iza na iza hiarahanao mampihatra ny fahamarinana, izay zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao.”
14. a) Ao amin’ny tokantrano voazarazara iray, nahoana moa no sarotra ny mitaiza ny ankizy ‘amin’ny famaizana sy ny fananaran’i Jehovah”? b) Inona no mety ho vokatry ny tokantrano voazarazara eo amin’ny ankizy?
14 Ao amin’ny tokantrano voazarazara, dia mety ho sarotra be ny mitaiza ireo ankizy “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ].” (Efesiana 6:4) Hamela an-tsitrapo ireo ankizy hanatrika ireo fivoriana na handray anjara amin’ny asa fitoriana ve, ohatra, ilay tsy mino? Matetika amin’ny farany ireo ankizy dia mijaly raha ny amin’ny firaiketam-po — samy tiany ireo ray aman-dreniny, kanefa iray amin’izy ireo ihany no tia an’i Jehovah. Nilaza toy izao ny anabavy iray nanambady tsy mino: “Nandalo alahelo maro dia maro aho nandritra ireo 20 taona naharetan’ny fanambadiako. Nihalehibe tao anatin’ny fikorontanana sy ny fisafotofotoana ara-pihetseham-po ireo zanako lahy ary anisan’izao tontolo izao izy ankehitriny. Ny zanako vavy kosa dia tezitra aoka izany rehefa tsy maintsy misaraka amiko satria manana zo ny hotsidihina nomen’ny fitsarana azy ny rainy. Misy ireo zava-manahirana rehetra ireo satria fony aho 18 taona dia nifidy ny tsy hiraharaha ny iray amin’ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah aho.” Inona moa izany fotopoto-pitsipika izany? Ny hoe: Aza miray zioga amin’ny tsy mino!
15. Nahoana moa Jehovah no manome torohevitra antsika mba tsy hiray zioga amin’ny tsy mino?
15 Mazava àry fa tian’i Jehovah hifaly amin’ny fiainantsika betsaka araka izay azontsika atao isika. Natao mba hahitantsika soa izay angatahin’i Jehovah amintsika, anisan’izany ny torohevitra nomeny mba tsy hiray zioga amin’ny tsy mino. (Deoteronomia 10:12, 13) Ny fanambadiana tsy mino dia tsy firaharahana ny torohevitry ny Baiboly sy ny lalan’ny fahendrena ary ireo fanandraman-javatra matetika feno alahelon’ny hafa.
Fanontaniana fandre
16, 17. a) Raha tsy mitandrina isika, amin’ny fomba ahoana moa no mety hanakantsakanan’ny fihetseham-pontsika ny fomba fisaina tsara? b) Tokony tsy horaharahaina ve ny torohevitr’i Jehovah satria amin’ny toe-javatra maningana dia misy kristiana iray nanambady tsy mino ary izao dia samy manompo an’i Jehovah izy roa. Hazavao.
16 Kanefa, raha tsy mitandrina isika, dia mety hanakantsakana ny fomba fisaina tsara ny fihetseham-pontsika. Mety hanomboka hieritreritra isika fa afaka ny haningana. Diniho ny sasany amin’ireo fanontaniana fandre indrindra.
17 Ahoana ny amin’ireo rahalahy na anabavy izay nanambady tsy mino, ary izao izy ireo dia samy manompo an’i Jehovah? Na dia izany aza, dia mbola voadika ihany ny fitsipik’i Jehovah. Moa ve manamarina ny fomba ampiasaina ny vokatra azo? Manazava ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny amin’ireo izay tsy miraharaha ny toroheviny izay nitranga tamin’ireo Jiosy niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona. Rehefa naka vady mpanompo sampy ny sasany tamin’izy ireo, i Ezra sy i Nehemia, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia tsy nihambahamba velively nanameloka ny nataon’izy ireo. “Nanao izay mahadiso [nanao zavatra tsy tamim-pahatokiana, MN ]” ireo Jiosy ireo, nanao “ratsy lehibe” sy ‘fahadisoana’. (Ezra 10:10-14; Nehemia 13:27) Indro misy zavatra hafa iray tokony hoheverina: Rehefa tsy miraharaha ny torohevitr’Andriamanitra isika, dia mety hanome ratra ara-panahy ny tenantsika, ary hanimba ny fieritreretantsika. Nilaza toy izao ny anabavy iray izay tonga mpino ny vadiny tsy nino tatỳ aoriana: ‘Mbola mijaly noho ireo olatra ara-pihetseham-po tavela aho. Tsy haiko ny milaza aminareo izay tsapako rehefa manondro anay ny hafa ka milaza hoe, “Koa no toa nety tsara ny an-drizareo.”’
18. Inona moa no lalan’ny fahendrena raha manintona anao ny olona iray izay mbola tsy vita batisa, ary inona no hasehonao amin’izany?
18 Ahoana raha manintona anao ny olona iray izay mianatra ny Baiboly sy manatrika ireo fivoriana, nefa mbola tsy vita batisa? Mahafaly antsika ny mahita olona mampiseho fahalianana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ny fanontaniana mitranga anefa dia izao: Tokony hasehonao ve ny fihetseham-ponao? Raha lazaina amim-pahatsorana, ny lalan’ny fahendrena dia ny miandry aorian’ny nanaovana batisa ny namanao sy ny nanaovany fandrosoana teo amin’ny fanehoana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra alohan’ny hiarahanareo. (Galatiana 5:22, 23) Mety tsy ho mora ny fampiharana io torohevitra io, kanefa raha manao izany ianao, dia hampiseho ny fifikiranao amin’ireo fitsipika ao amin’ny Baiboly; hametraka fanorenana tsara ho an’ny tena fahasambarana ao amin’ny fanambadianao ianao. Raha tena tia anao marina ilay namanao ary manjary tia an’i Jehovah marina, dia tsy isalasalana fa ho vonona ny hiandry izy mandra-pahatongavanareo roa ho “ao amin’ny Tompo” — nanolo-tena sy vita batisa — alohan’ny hiarahanareo. Tadidio koa fa tsy simban’ny fotoana ny tena fitiavana. — 1 Korintiana 7:39; Genesisy 29:20.
19. Inona moa no tokony hotadidinao ao an-tsaina raha sarotra aminao ny mahita vady eo amin’ireo mpiara-manompo aminao?
19 Ahoana raha sarotra aminao ny mahita vady sahaza ho anao eo amin’ireo mpiara-manompo aminao? “26 taona aho izao, tsy manambady ary mahatsiaro ho tena manirery,” hoy ny anabavy iray. Marina fa mety ho sarotra kokoa noho izany aza ireo zava-manahirana avy amin’ny fikambanana amin’ny zioga tsy mifanentana ao amin’ny fanambadiana! Mety hitaky finoana, fifehezan-tena sy faharetana ny fankatoavana ny torohevitr’Andriamanitra, kanefa matokia fa fantatr’i Jehovah ary iriny izay tsara indrindra ho anao. (1 Petera 5:6, 7) Ataovy ho antom-bavaka izany, ary miandrasa an’i Jehovah. (Salamo 55:22) Amin’izao fandehan-javatra izao, dia tsy misy na iza na iza manana fiainana mahafa-po azy tanteraka. Mety haniry mafy ny hanambady ny fonao. Ny hafa anefa manana zava-manahirana azy koa, izay tsy ho voalamina amin’izao fandehan-javatra izao ny sasany aminy. Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao ihany vao ho afa-po tanteraka ny ‘fanirian’ny zava-miaina rehetra’. — Salamo 145:16.
20. Ahoana moa no nilazan’ny anabavy iray tsy manambady ny fahavononany, ary amin’ny fananana fahavononana toy izany, fahafaham-po inona no mety ho azonao?
20 Eo am-piandrasana izany, manàna fahavononana tsy hiray zioga amin’ny tsy mino. Naneho toy izao ny fahavononany ny anabavy iray tsy manambady, 36 taona: “Mivavaka isan’andro amin’i Jehovah mba hahazoako vady aho. Tsy maniry hitady any ivelan’ny fandaminan’i Jehovah aho, kanefa mbola eo foana ny fakam-panahy hanao izany. Eo am-piandrasana dia nanapa-kevitra aho ny hamboly ireo toetra tsara izay hanatsara ahy hahatongavako ho vehivavy araka ny fanahy tadiavin’ny lehilahy araka ny fanahy iray.” Vonona toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia afaka ny hahazo fahafaham-po avy amin’ny fisehoanao ho mahatoky eo anatrehan’ilay Andriamanitry ny rariny ianao. — Salamo 37:27, 28.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny 1 Korintiana 14:22, i Paoly dia mampiasa ny teny hoe “tsy mino”mifanohitra amin’ny hoe “mino”, na olona vita batisa. Ireo Korintiana àry izany dia nahatakatra fa ny dikan’ny teny hoe “tsy mino” dia olona tsy vita batisa. — Jereo Asan’ny apostoly 8:13; 16:31-34; 18:8.
b “Raha itarina io fitsipika io dia azo lazaina toy izao: ‘Aza mamorona fifandraisana, na vetivety na maharitra, amin’ny tsy mino satria hitarika ho amin’ny fileferana amin’ireo fari-pitondrantena kristiana izany na hanimba ny asa fanambarana ataon’ny kristiana. Ary nahoana no asiana fisarahana toy izany? Satria ilay tsy mino dia tsy miara-manaiky ireo fitsipik’ilay kristiana, na ny zavatra ekeny, na ny zava-kendreny.’” — The Expositor’s Bible Commentary, boky faha-10, pejy faha-359.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aprily 1973, pejy faha-252, 253.
Afaka manazava ve ianao?
◻ Ahoana moa no nampitandreman’ny Baiboly ny amin’ny famoronana fifandraisana akaiky amin’ny tsy mino?
◻ Nahoana moa ny kristiana nanolo-tena sasany no mitady vady any ivelan’ny kongregasiona?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fampitandreman’i Jehovah ny amin’ny zioga tsy mifanentana no tena fanehoana ny fitiavany sy ny fiahiany antsika?
◻ Fanontaniana inona avy momba ny fitadiavana vady no ataon’ny olona matetika, ary ahoana no hamalianao azy ireo?