Andro Fampakaram-bady—Mahafinaritra Saingy Mandreraka
ASEHON’NY Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra—ilay mahafantatra tsara kokoa ny olombelona noho ny olon-kafa rehetra—no nanao ny fampakaram-bady voalohany. Naoriny ho fototry ny fiaraha-monina ny fanambadiana. (Genesisy 2:18-24) Misy fitsipika samihafa mba hitarihana antsika rehefa handamina fampakaram-bady, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly.
Nilaza, ohatra, i Jesosy fa tokony ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’ ny Kristianina. (Matio 22:21) Tsy maintsy arahin’izy ireo àry ny lalàn’ny tany misy azy. Miaro an’ireo rehetra voakasik’ilay izy ny fanambadiana ara-dalàna, satria, ohatra, mamaritra ny andraikitra amin’ny zanaka (toy ny fikarakarana sy fampianarana) sy ny zo handova. Misy lalàna koa natao hiarovana ny mpianakavy amin’ny fanaovana an-keriny na fanararaotana.a
Fanomanana
Tapa-kevitra àry izao fa hivady ireo olon-droa, ary hatao araka ny fitsipika sy lalàn’ny Baiboly sy araka ny lalàn’ilay tany ilay raharaha. Inona indray izao no zavatra tsy maintsy eritreretina? Santionany amin’izany ny daty sy ny karazana fampakaram-bady hatao.
Milaza toy izao ny boky iray momba ny fanambadiana: “Mety tsy hitovy loatra ny hevitry ny ray aman-dreny sy ny an’izy roa hivady, ary mety ho sahirana izy roa hisafidy hoe inona no tena tiany, ary inona no fomban’ny fianakaviana.” Dia ahoana? “Tsy misy vahaolana tsotsotra momba izany, fa ilaina kosa ny mihaino tsara sy miresaka ary mandefitra. Fotoana mampihetsi-po ny rehetra io, ary ho mora kokoa ilay fandaminana, raha somary mieritreritra kely mialoha sy miezaka hahatakatra ny hevitry ny olon-kafa ny rehetra.”—Boky Feno mba Hanomanana Fampakaram-bady (anglisy).
Na dia manao be mba hampety tsara an’io andro io aza ny ray aman-dreny tia ny zanany, dia tokony hitandrina mba tsy handidy ny hanatanterahana ny sitrapony. Tokony hihaino ny torohevitra tsara kosa anefa izy roa hivady, na dia izy ireo aza no tompon’ny teny farany. Tsara raha mitadidy ity torohevitry ny Baiboly ity izy ireo, rehefa mifidy izay soso-kevitra harahiny: “Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.”—1 Korintiana 10:23, 24.
Maro ny zavatra atao amin’ny fanomanana: manomboka amin’ny fandefasana fanasana ka hatramin’ny fandaminana fety. “Rehefa milamina kokoa ny fanomanana, ary betsaka kokoa ny fieritreretana sy fandaminana natao, dia kely kokoa ny harerahana sy ny fanerena”, hoy i Henry Bowman, ao amin’ilay bokiny hoe Mariazin’ny Olo-mandroso (anglisy). Nampitandrina toy izao izy: “Mbola hisy foana ny harerahana na dia ao anatin’ny tarehin-javatra tsara indrindra aza. Tsara ny miezaka mba hampihenana izany.”
Maro ny zavatra tokony hatao sy ny vahiny horaisina. Misy namana sy mpianakavy vonona hanampy ve? Azo asaina ataon’olon-kafa mahay mandray andraikitra ve ny zavatra sasany tsy voatery hataon’izy roa hivady?
Fandaniana
Tena ilaina ny manangana teti-bola mifanaraka amin’izay mety ho takatry ny tena. Sady tsy mety no tsy maneho fitiavana, raha voatery hitrosa izy roa hivady na ny ray aman-drenin’izy ireo, mba hanaovana fampakaram-bady tsy takatry ny volany. Maro koa anefa no nanao fampakaram-bady tsotsotra, na dia afaka nanao fampakaram-bady tena malaza be aza. Na ahoana na ahoana, dia tena nanampy an’ireo olon-droa ny fanaovana lisitry ny vinavinam-pandaniana sy ny tena fandaniana. Mety ho tsara koa ny hanaovana lisitry ny daty tokony hahavitana ny fandaminan-javatra rehetra. Mety handreraka be mantsy ny mitadidy ireny daty ireny.
Ohatrinona no ho lany amin’ilay fampakaram-bady? Samy hafa araka ny toerana misy ny olona izany, saingy ho tsara amin’ny rehetra ny manontany tena toy izao: ‘Takatry ny volanay ve ny zavatra rehetra noeritreretinay hatao? Tena ilaina ve izy rehetra?’ Nilaza toy izao i Tina, vao nampakarina: “Toa tsy nilaina akory ny zavatra sasany nolazaina hoe ‘tsy maintsy atao’, rehefa nodinihina.” Saino ity torohevitr’i Jesosy ity: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” (Lioka 14:28) Esory ny zavatra sasany raha tsy takatry ny volanao ny zavatra rehetra tianao hatao. Ary na dia takatry ny volanao aza izany, dia mety ho tianao ihany ny hanao zavatra tsotra.
Nisy fampirantiana natao tany Italia momba ny asa sy zavatra ilaina amin’ny fampakaram-bady. Izao no tombana momba ny vola mety holanin’ny vehivavy Italianina hanambady nomeny tao: Fanaovana volo sy fanatsaran-tarehy: 2 800 000 FMG; fanofana fiara tsara tarehy: 1 900 000 FMG; fakana vidéo: 3 800 000 FMG; raki-tsary (mbola tsy misy sary): 790 000 FMG-3 100 000 FMG; voninkazo: 3 800 000 FMG no ho miakatra; fety: 280 000 FMG-570 000 FMG isan’olona; akanjo rebareba: 7 600 000 FMG no ho miakatra. Marina tokoa fa maniry hanao zavatra manokana ilay olona, satria fotoan-dehibe io andro io. Tokony ho voalanjalanja anefa izay fanapahan-kevitra rehetra atao.
Mandany vola be ny sasany, fa mitsitsy kosa ny hafa, na voatery mitsitsy. “Samy mpisava lalana [mpitory manontolo andro] izahay, ka tsy nanam-bola. Tsy naninona anefa izany”, hoy ny vehivavy iray nanambady. “Nividy lamba hanaovana ny akanjo ny rafozam-baviko, ka namanay no nanjaitra azy io, sady izay koa no fanomezana nataony. Nataon’ny vadiko sora-tanana ny fanasana, ary nisy namana kristianina nampindrana fiara anay. Ny zavatra tena nilaina tamin’ilay fanasana no novidinay, ary nisy nanome divay ho anay. Tsy dia niavaka be ilay izy, nefa tena nahafa-po.” Araka ny lehilahy iray nampaka-bady, dia “mihena be ny fandaniana” rehefa manampy ny havana sy ny namana.
Na toy inona na toy inona fananan’ireo Kristianina hivady, dia tokony hohalaviriny ny fanaovan-javatra tafahoatra, na mitovy amin’izao tontolo izao, na ny fisehosehoana. (1 Jaona 2:15-17) Hampalahelo tokoa raha ny fotoana mahafinaritra toy ny fampakaram-bady no mahatonga olona iray tsy hanaraka ny fitsipiky ny Soratra Masina momba ny fahalalana ny antonony. Ampitandremany mantsy ny fihinanana sy fisotroana tafahoatra, na ny zavatra hafa rehetra mety hahatonga an’ilay olona ho “manan-tsiny”!—Ohabolana 23:20, 21; 1 Timoty 3:2.
Aza mihevitra ny hanao fampakaram-bady makotroka kokoa sy tsara kokoa toy ny fanaon’ny olona. Nanao voaly tena niavaka, ohatra, ny vehivavy roa tany amin’ny tany iray: Nisy 13 metatra ny sakan’ny iray taminy, ary nilanja 220 kilao. Ny iray kosa nirefy 300 metatra ny halavany, ka nila ankizy 100 hitarika azy. Hifanaraka amin’ny fampirisihan’ny Baiboly mba hahalala ny antonony ve ny fisehosehoana toy izany?—Filipiana 4:5.
Tokony harahina ve ny fomba?
Miovaova arakaraka ny tany ny fomba amin’ny fampakaram-bady, ka tsy ho voaresaka ato daholo. Tsara anefa raha manontany tena toy izao ireo olona hivady, alohan’ny hanapahany hevitra hanaraka fomba iray: ‘Inona no dikan’ilay izy? Misy ifandraisany amin’ny finoana ny vintana na fananana anaka, toy ny famafazana fotsim-bary an’ilay mpivady vao, ve ilay izy? Mifandray amin’ny fivavahan-diso na fanao melohin’ny Baiboly ve ilay izy? Tafahoatra na tsy maneho fitiavana ve ilay izy? Mety hahasadaikatra na hanafintohina ny olona ve ilay izy? Mety hahatonga ny olona hiahiahy an’ireo mpivady vao ve izany? Tsy tena tsara ve ilay izy?’ Raha misy zavatra mampisalasala amin’ireo, dia ho tsara ny tsy hanaovana izany fomba izany, ary mety hilaina ny mampahafantatra mialoha ny fanapahan-kevitra noraisina, amin’ny olona asaina.
Fifaliana sy fihetseham-po
Mety hifamahofaho amin’ilay andro lehibe ny fifaliana be sy ny ranomaso. “Be dia be ny fifaliana satria nofinofy zary tanteraka ilay izy”, hoy ny vehivavy iray nanambady. Hoy kosa anefa ny lehilahy iray nampaka-bady: “Sady ratsy indrindra no tsara indrindra teo amin’ny fiainako iny andro iny. Nitomany be ny rafozako satria nalaiko ny vavimatoan’izy ireo; nitomany koa ny vadiko nahita ny ray aman-dreniny nitomany; nitomany koa aho tamin’ny farany, satria tsy zakako intsony ilay izy.”
Tsy tokony hahataitra ny fihetsika toy izany, satria vokatry ny fihetseham-po. Tsy tokony hahagaga koa raha somary sorisorena daholo indraindray ny mpianakavy, na dia ireo hivady aza. “Mety ho io koa no voalohany iarahan’izy ireo mandamina zavatra lehibe, ary tsy maintsy misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany ihany ny fahataitairana amin’ilay izy”, hoy ny Boky Feno mba Hanomanana Fampakaram-bady. “Tsy hanova inona akory ny fahatezerana, raha tsy mandeha araka izay niheverana azy ny zava-drehetra. Hanampy betsaka amin’ny fotoana toy io kosa ny fitadiavana torohevitra sy fanampiana.”
Hoy ny lehilahy iray nanambady: “Ho tiako indrindra raha nanana mpanoro hevitra azoko niresahana tsara sy namborahana ny tao am-poko aho, nefa nalahelo aho fa tsy mba nanana izany.” Iza no tsara kokoa hanao izany fa tsy ny namana na havana na olon-kafa matotra sy za-draharaha eo anivon’ny fiangonana kristianina?
Mifamahofaho be ny fihetseham-pon’ny ray aman-dreny rehefa mahita ny zanany handao azy ireo. Mety ho faly izy ireo, na hirehareha, halahelo, na hitebiteby. Tsy tokony ho tia tena anefa izy ireo, fa hahatakatra tsara kosa hoe tonga ny fotoana ‘handaozan’ny zanany ny ray sy ny reniny’, ka hiarahany amin’ny vadiny, mba “ho nofo iray ihany” izy ireo, araka ny nikasan’ny Mpamorona azy. (Genesisy 2:24) Izao no nolazain’ny reny iray, mahakasika ny fihetsiny tamin’ny fanambadian’ny zanany lahimatoa: “Nitomany aho, saingy ankoatra ny ranomason’alahelo, dia tao koa ny ranomasom-pifaliana noho ny fahazoana vinantovavy tena tiana.”
Raha tian’ny ray aman-dreny sy izy roa hivady ny hahatonga ilay fotoana hahafinaritra sy hampahery, dia mila maneho ireto toetra kristianina ireto izy ireo: fiaraha-miasa, fahatoniana, fitiava-namana, ary fandeferana.—1 Korintiana 13:4-8; Galatiana 5:22-24; Filipiana 2:2-4.
Misy vehivavy matahotra sao hisy zavatra tena tsy handeha mihitsy amin’ilay fampakaram-bady: angamba ho vaky pne ny fiara ka ho tara izy ireo, ho ratsy be angamba ny andro, na ho simba tampoka tsy azo amboarina intsony ny akanjony amin’io andro io. Mety tsy hitranga mihitsy izany rehetra izany. Jereo kosa anefa ny tena zava-misy. Tsy misy zavatra handeha ho azy. Tsy maintsy hisy zavatra tsy mety, na tiana na tsy tiana. (Mpitoriteny 9:11) Miezaha handray zavatra amin’ny vazivazy, rehefa tojo zava-manahirana, ary ny zavatra tsara ifantohana. Tadidio fa mety hihomehezanao ny zavatra tsy nety, rehefa mitantara azy io ianao afaka taona vitsivitsy. Aza avela hanamaloka ny fifaliana amin’ilay fampakaram-bady ny zavatra madinika tsy mety.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Maro tokoa ny tany mandrara ny fampirafesana, fanambadian’ny mpihavana akaiky, hosoka, herisetra an-tokantrano, ary fanambadian’ny zaza tsy ampy taona.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Toa tsy nilaina akory ny zavatra sasany nolazaina hoe ‘tsy maintsy atao’, rehefa nodinihina.”—TINA, VAO NAMPAKARINA
[Efajoro/Sary, pejy 7]
LISITRA MODELY MOMBA NY ZAVATRA TOKONY HOMANINAb
Enim-bolana mialoha, na mahery
❑ Miresaka momba ilay fikasana hivady amin’ilay lehilahy, na ilay vehivavy sy ny havany ary ny ray aman-dreniny
❑ Mifidy ny karazana fampakaram-bady hatao
❑ Manangana teti-bola
❑ Mamantatra ny zavatra takin’ny lalàna
❑ Mamandrika ny toerana hanaovana fety
❑ Mitady mpaka sary
Efa-bolana
❑ Mifidy (avy amin’ny akanjo efa misy), na mividy, na manjaitra akanjo mariazy
❑ Manafatra voninkazo
❑ Mifidy sy mampanao taratasy fanasana
Roa volana
❑ Mizara fanasana
❑ Mividy peratra
❑ Mikarakara ny taratasy ilaina
Iray volana
❑ Manandrana ny akanjo mariazy
❑ Manamafy ny fanafarana sy ny fotoana natao
❑ Manoratra taratasy fisaorana momba ireo fanomezana efa voaray
Tapa-bolana
❑ Manomboka mitatitra ny entana ho any amin’ilay trano hipetrahana
Herinandro
❑ Manao izay hahazoana antoka fa fantatr’ireo olona hanampy rehetra ny zavatra tokony hataony
❑ Mandamina ny fomba hamerenana ny zavatra nohofana na nindramina
❑ Mizara izay andraikitra rehetra azo zaraina amin’olon-kafa
[Fanamarihana ambany pejy]
b Azo amboarina araka ny zavatra takin’ny lalàna sy ny toe-javatra misy ny tena manokana izy ity.
[Sary, pejy 8]
“Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona”