Mitokia Amin’i Jehovah sy ny Teniny
“Hitoky aminao izay mahalala ny anaranao”. — SALAMO 9:10, NW.
1. Nahoana isika no mbola afaka mitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny amin’izao andro maoderina misy antsika izao?
ETO amin’itỳ tontolo maoderina itỳ, dia mety ho toa tsy azo ampiharina sy tsy araka ny zava-misy ny fanasana mba hitoky amin’Andriamanitra sy ny Teniny, ny Baiboly. Kanefa, dia voaporofo fa marina sy azo ampiharina efa hatramin’ny fe-potoana lava be, ny fahendren’Andriamanitra. Ilay Mpamorona ny lehilahy sy ny vehivavy no Niavian’ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ary izy no mahafantatra tsara kokoa noho izay mety ho olon-kafa na iza na iza, ny zavatra ilaintsika. Tsy misy hafa amin’ny tsy niovan’ireo zavatra fototra ilain’ny olombelona, no nijanonan’ireo fomba fototra hanomezana fahafaham-po ireo zavatra ilaina ireo ho tsy niova. Na dia nosoratana efa taonjato maro lasa aza izay ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia mbola manome foana ny tari-dalana tsara indrindra mba hahombiazana eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana izy io. Mahatonga fahasambarana be ny fanarahana azy io — na dia eo amin’itỳ tontolo be kojakojany sy mahay siansa misy antsika itỳ aza!
2. a) Voa tsara inona no novokarin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’ny vahoakan’i Jehovah? b) Zavatra amboniny inona no ampanantenain’i Jehovah an’izay mankato azy sy ny Teniny?
2 Andraisan-tsoa azo tsapain-tanana isan’andro ny fitokiana amin’i Jehovah sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Porofoin’izany ny fiainan’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro manerana ny tany izay nanana ny fiekena sy ny herim-po hampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Ho azy ireo, dia voaporofo fa tsara toerana ny fitokiana amin’ny Mpamorona sy ny Teniny. (Salamo 9:9, 10, NW ). Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia nahatonga azy ireo ho vahoaka tsara kokoa raha ny amin’ny fahadiovana, ny fanaovana ny marina, ny fahazotoana, sy ny fanajana ny aina sy ny fananan’ny hafa, ary ny fahalalana onony eo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana. Izany dia nitarika ho amin’ny fitiavana sy ny fampiofanana araka ny mety ao anatin’ny fianakaviana — fahaizana mandray vahiny, fananana faharetana, famindram-po, fahaiza-mamela heloka — ary zavatra maro be hafa koa. Tena hain’izy ireo ny nanalavitra ny voka-dratsin’ny fahatezerana, ny fankahalana, ny vonoana olona, ny fitsiriritana, ny tahotra, ny fahakamoana, ny fieboeboana, ny lainga, ny fanendrikendrehana, ny fananana firaisana amin’olona samy hafa, sy ny fahalotoam-pitondran-tena. (Salamo 32:10). Andriamanitra anefa dia manao mihoatra noho ny mampanantena fiafarana tsara ho an’izay mitandrina ny lalàny. Nilaza i Jesosy fa izay manaraka ny lalana kristiana dia handray “zato heny amin’izao andro ankehitriny izao dia (...) reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay”. — Marka 10:29, 30.
Halaviro ny fitokiana amin’ny fahendrena araka an’izao tontolo izao
3. Eo am-panohizana mametraka fitokiana amin’i Jehovah sy ny Teniny, zava-manahirana inona avy indraindray no atrehin’ny Kristiana?
3 Ny zava-manahirana ho an’ny olombelona tsy tanteraka dia ny fironany hanamaivana na hanadino izay takin’Andriamanitra. Mora erỳ ny hanombohan’izy ireo mieritreritra fa ambony kokoa ny fahendreny, na koa fa ambony noho ny an’Andriamanitra, sady araka ny toetr’andro kokoa ny fahendren’ireo avara-pianaran’itỳ tontolo itỳ. Mety hampitombo an’io toe-tsaina io koa ny mpanompon’Andriamanitra, noho izy miaina eo anivon’itỳ tontolo itỳ. Noho izany, eo am-panolorana ny fanasana feno fitiavana mba hihaino ny toroheviny, ilay Raintsika any an-danitra, dia mampiditra fampitandremana mety toy izao koa: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao. [Mitokia amin’i, NW ] Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao. Aza manao anao ho hendry; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” — Ohabolana 3:1, 2, 5-7.
4. Hatraiza no ielezan’ny “fahendren’izao tontolo izao”, ary nahoana izy io no “fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”?
4 Azo raisina be dia be, ary avy amin’ny loharano maro, ny fahendren’izao tontolo izao. Misy ireo sokajin-tsekoly maro, ary “tsy misy farany ny manao boky maro”. (Mpitoriteny 12:12). Ankehitriny, ireo antsoina hoe autoroutes de l’information an’ny tontolon’ny ordinatera dia mampanantena ny hanome fanazavana tsy misy fetra saika ny amin’ny foto-kevitra rehetra. Tsy mahatonga an’izao tontolo izao ho hendry kokoa, na mahatonga azy handamina ny zava-manahirana azy anefa, ny fananana izany fahalalana rehetra izany. Miharatsy isan’andro isan’andro kosa aza ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao. Takatra mora foana ny ilazan’ny Baiboly amintsika fa “ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”. — 1 Korintiana 3:19, 20.
5. Fampitandremana inona avy no omen’ny Baiboly raha ny amin’ny “fahendren’izao tontolo izao”?
5 Mandritra izao tapany farany amin’ny andro farany izao, dia tsy maintsy ampoizina tsotra izao fa i Satana Devoly, ilay rain’ny mpamitaka dia handefa lainga maro be mba hiezahana hanimba tsikelikely ny fitokiana amin’ny fahamarinan’ny Baiboly. Ireo mpanao tsikera ambony dia namokatra boky feno tombantombana mitombo isa hatrany, izay mihaika ny maha-azo itokiana sy ny maha-azo ianteherana ny Baiboly. Nampitandrina an’ilay Kristiana tahaka azy toy izao i Paoly: “Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy.” (1 Timoty 6:20, 21). Manohy ilay fampitandremana toy izao ny Baiboly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:8.
Miadia amin’ny fironana hisalasala
6. Nahoana no tena ilaina ny ho mailo mba hisorohana ny tsy hamakan’ny fisalasalana ao am-po?
6 Fomba famely amin-kafetsena hafa iray koa fampiasan’ny Devoly dia ny famafazana fisalasalana ao an-tsaina. Mailaka foana izy mahita fahalemena sasany eo amin’ny finoana, ka manararaotra izany. Na iza na iza manana fisalasalana dia tokony hitadidy fa ilay ao ambadiky ny fisalasalana toy izany dia ilay nilaza tamin’i Eva hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Raha vantany vao avy namboly fisalasalana tao an-tsainy ilay Mpaka Fanahy, ny dingana nanaraka dia ny filazany lainga taminy izay ninoany. (Genesisy 3:1, 4, 5). Mba hanalavirana ny tsy handravan’ny fisalasalana ny finoantsika toy ny nataony tamin’ny an’i Eva, dia mila ny ho mailo isika. Raha efa nanomboka namitsaka tao am-ponao ny fisalasalana na dia kely fotsiny aza, momba an’i Jehovah, na ny Teniny, na ny fandaminany, dia manaova dingana haingana mba hanafoanana izany alohan’ny hahatongavany ho zavatra ratsy ho afaka hanimba ny finoanao. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:12.
7. Inona no azo atao mba hamongorana ny fisalasalana?
7 Inona no azo atao? Eto indray koa dia ny fitokiana amin’i Jehovah sy ny Teniny no valiny. “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.” (Jakoba 1:5, 6; 2 Petera 3:17, 18). Koa ny vavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah àry no dingana voalohany. (Salamo 62:8). Avy eo, dia aza misalasala mangataka fanampiana amin’ireo mpiandraikitra be fitiavana ao amin’ny kongregasiona. (Asan’ny Apostoly 20:28; Jakoba 5:14, 15; Joda 22). Hanampy anao izy ireo mba hahita ny loharanon’ny fisalasalana ao aminao, izay mety ho avy amin’ny fieboeboana, na ny fisainana diso sasany.
8. Ahoana matetika no anombohan’ny hevitr’ireo mpivadi-pinoana, ary inona no fanafodiny?
8 Moa ve nampiditra fisalasalana feno poizina ny famakiana na ny fihainoana ny hevitr’ireo mpivadi-pinoana, na ny filozofian’izao tontolo izao? Amim-pahendrena no anoroan’ny Baiboly hevitra hoe: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady”. (2 Timoty 2:15-17). Mahaliana fa maro tamin’izay nanjary nivadi-pinoana no nanomboka nandeha tamin’ny lalan-diso tamin’ny alalan’ny fitarainana voalohany indrindra momba izay tsapany fa nitondrana azy tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. (Joda 16). Nanaraka tatỳ aoriana ny fanaovana fanakianana ny amin’ireo zavatra ninoana. Tsy misy hafa amin’ny anaovan’ny dokotera mpandidy iray zavatra haingana mba hanesorana aretina mihady iray, dia manaova zavatra haingana mba hamongorana ao an-tsaina izay mety ho fironana hitaraina, ho tsy afa-po amin’ny fomba fanaovan-javatra ao amin’ny kongregasiona kristiana. (Kolosiana 3:13, 14). Esory izay zavatra manolokolo fisalasalana toy izany. — Marka 9:43.
9. Ahoana no hanampian’ny fahazarana teokratika tsara antsika ho salama hatrany amin’ny finoana?
9 Mifikira mafy amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Amin’ny fomba mampiseho tsy fivadihana dia tahafo i Petera izay nilaza tamim-pahatapahan-kevitra hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:52, 60, 66-68). Manàna fandaharam-pianarana ny Tenin’i Jehovah tsara, mba hihazonana ny finoanao ho matanjaka toy ny ampinga lehibe ho afaka “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy”. (Efesiana 6:16). Aoka ianao ho marisika hatrany amin’ny fanompoana kristiana, amin’ny fizarana amim-pitiavana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny hafa. Isan’andro dia saintsaino amim-pahaiza-mankasitraka ny fomba nitahian’i Jehovah anao. Aoka ianao ho velom-pankasitrahana noho ny fanananao fahalalana ny fahamarinana. Ny fanaovanao ireo zavatra rehetra ireo ho toy ny fahazarana kristiana tsara, dia hanampy anao mba ho sambatra, sy hiaritra, ary hitoetra ho tsy manana fisalasalana. — Salamo 40:4; Filipiana 3:15, 16; Hebreo 6:10-12.
Fanarahana ny fitarihan-dalana avy amin’i Jehovah ao amin’ny fanambadiana
10. Nahoana no zava-dehibe indrindra ny hitodihana any amin’i Jehovah mba hahazoana tari-dalana ao amin’ny fanambadiana kristiana?
10 Teo am-panaovana fandaharana mba hiarahan’ny lehilahy sy ny vehivavy hitoetra amin’ny maha-olon-droa mpivady, i Jehovah dia nikasa, tsy ny hamenoana ny tany araka ny antonona fotsiny, fa ny hampitomboana ny fahasambaran’izy ireo koa. Kanefa, nitondra zava-manahirana lehibe teo amin’ny fifandraisan’ny mpivady ny ota sy ny tsy fahatanterahana. Tsy voaro amin’izany ny Kristiana, satria izy ireo koa dia tsy tanteraka ary iharan’ny faneren’ny fiainana amin’ny andro maoderina. Kanefa, raha mbola mitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny koa ny Kristiana dia ho afaka hahita fahombiazana amin’ny fanambadiana sy ny fitaizana ny zanany. Tsy misy toerana ho an’ireo fanao sy fitondran-tena araka an’izao tontolo izao ao amin’ny fanambadiana kristiana. Mananatra antsika toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” — Hebreo 13:4.
11. Eo am-pandaminana zava-manahirana ara-panambadiana, inona no tokony samy heken’ny mpivady?
11 Ny fanambadiana izay tanterahina araka ny torohevitry ny Baiboly dia ahitana rivo-piainana misy fitiavana sy fifanekena ary tsy fananana ahiahy. Ny mpivady dia samy mahazo ny hevitr’ilay fotopoto-pitsipika momba ny maha-loha ary manaja izany. Rehefa mitranga ny fahasahiranana, izany matetika dia vokatry ny fanaovana tsirambina amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly. Eo am-pandaminana ny zava-manahirana maharitra iray, dia tena zava-dehibe ny ifantohan’ilay mpivady amim-pahatsorana amin’ilay tena zava-manahirana ka handaminany ireo antony, fa tsy ireo soritra isehoan’izany. Raha tsy nitarika afa-tsy ho amin’ny fifanarahana kely monja na ny tsy fisian’izany mihitsy ireo fifanakalozan-kevitra natao vao haingana, dia azon’ilay mpivady atao ny mangataka ny fanampiana tsy misy fizahan-tavan’olona avy amin’ny mpiandraikitra be fitiavana iray.
12. a) Momba ny zava-manahirana fahita ao amin’ny fanambadiana, inona avy no anomezan’ny Baiboly torohevitra? b) Nahoana no ilain’ny andaniny avy amin’ny mpivady ny manao zavatra araka ny fomban’i Jehovah?
12 Moa ve ilay zava-manahirana mahakasika ny fifampiresahana, ny fanajana ny fihetseham-pon’ny andaniny avy, ny fanajana ny maha-loha, na ny fomba fanaovana fanapahan-kevitra? Moa ve misy ifandraisany amin’ny fitaizana zanaka ilay izy, na amin’ny fananana fandanjalanjana eo amin’izay ilaina eo amin’ny lahy sy ny vavy? Sa kosa ny teti-bolam-pianakaviana ilay izy, na ny fialam-boly na ny fifaneraserana na ny hoe tokony handeha hiasa ve sa tsia ilay vehivavy, na ny hoe aiza ianareo no tokony hipetraka? Na inona na inona ilay zava-manahirana, ny Baiboly dia manome torohevitra azo ampiharina mivantana amin’ny alalan’ny lalàna, na tsy mivantana amin’ny alalan’ny fotopoto-pitsipika. (Matio 19:4, 5, 9; 1 Korintiana 7:1-40; Efesiana 5:21-23, 28-33; 6:1-4; Kolosiana 3:18-21; Titosy 2:4, 5; 1 Petera 3:1-7). Rehefa samy mifehy tena ny mpivady mba tsy hitaky be loatra amim-pitiavan-tena, ary mamela ny fitiavana hiseho amin’ny fomba feno ao amin’ny fanambadian’izy ireo, dia fahasambarana bebe kokoa no ho vokany. Tokony samy hanana faniriana feno hanao ireo fiovana ilaina, sy hanao zavatra araka ny fomban’i Jehovah, ireo mpivady. “Izay mandinika ny teny no hahita soa; ary izay [mitoky amin’i, NW ] Jehovah no ho sambatra.” — Ohabolana 16:20.
Ry tanora — Henoy ny Tenin’Andriamanitra
13. Nahoana no tsy mora amin’ny tanora kristiana ny mihalehibe no sady hanana finoana matanjaka an’i Jehovah sy ny Teniny?
13 Tsy mora ho an’ny tanora kristiana ny mihalehibe no sady hatanjaka amin’ny finoana rehefa manodidina azy eny rehetra eny ny tontolo ratsy. Ny antony iray dia satria ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy’, dia i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19). Ny tanora dia eo ambany famelezan’io fahavalo lozabe io, izay afaka manao izay hisehoan’ny ratsy ho tsara. Ny toe-tsaina ny amin’ny izaho aloha, ny fanirian-daza amim-pitiavan-tena, ny faniriana mafy hanao zavatra maloto ara-pitondran-tena sy mampiseho fahasiahana, ary ny fikatsahana tsy ara-dalàna ny fahafinaretana — izany rehetra izany dia indray miaraka mba hanome modelim-pisainana iray fahita sy manapaka, izay lazalazaina ao amin’ny Baiboly ho toy “ny fanahy izay miasa ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. (Efesiana 2:1-3). Nampandroso an’io “fanahy” io tamin-kafetsen-dratsy i Satana ao amin’ireo boky ianarana any an-tsekoly, ao amin’ny mozika maro izay misy, ao amin’ny fanatanjahan-tena, sy ao amin’ireo endri-pialam-boly hafa. Mila ny ho mailaka ny ray aman-dreny mba hanoherana ny fitaomana toy izany, amin’ny fanampiana ny zanany hihalehibe sady hitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny.
14. Ahoana no azon’ny tanora ‘andosirana ny filan’ny tanora fanahy’?
14 Nanome torohevitry ny ray toy izao an’i Timoty, mpiara-miasa tanora taminy, i Paoly: “Mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.” (2 Timoty 2:22). Na dia tsy ratsy amin’ny maha-izany azy aza “ny filan’ny tanora fanahy” rehetra, dia tokony ‘handositra’ azy ireny ny tanora amin’ny heviny hoe tsy tokony hamela ireny zavatra ireny ho tonga ny zavatra ahina indrindra izy, ka ho kely, raha hisy akory aza, ny fotoana hikatsahana ireo zavatra araka an’Andriamanitra. Ny fampitomboana bokon’ozatra (body building), ny fanatanjahan-tena, ny mozika, ny fialam-boly, sy ny fanaovana zavatra izay ankafizin’ny tena manokana, ary ny fanaovana dia lavitra, na dia tsy voatery ho ratsy aza, dia mety ho fandrika raha manjary zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Mandosira tanteraka ny resadresaka tsy misy antony, ny fidonanaham-poana, ny fahalianana tsy ara-dalàna amin’ny lahy sy ny vavy, ny tsy fanaovana asa na inona na inona, sy ny fahasorisorena, ary ny fitarainana momba ny tsy fahaizan’ny ray aman-dreninao mipetraka eo amin’ny toeranao.
15. Zavatra inona avy no mety hitranga ao an-tokantrano manokana, ka afaka mahatonga ny tanora hanana fiainana roa sosona?
15 Na dia mitokana ao an-tokantrano aza ny tanora, dia mety hamitsaka hamely azy ny loza. Raha fampisehoana ao amin’ny televiziona sy vidéo misy fahalotoam-pitondran-tena na herisetra no jerena, dia mety ho tafaorina ny faniriana hanao zava-dratsy. (Jakoba 1:14, 15). Hoy ny torohevitry ny Baiboly: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”. (Salamo 97:10; 115:11). Fantatr’i Jehovah raha manandrana manana fiainana roa sosona ny olona iray. (Ohabolana 15:3). Ry tanora kristiana, jereo ny manodidina ny efitranonao. Moa ve ianao mampiseho sary fametaka amin’ny rindrina an’ireo olo-malaza maloto fitondran-tenan’ny fanatanjahan-tena na ny tontolon’ny mozika, sa kosa ianao mampiseho zavatra mahasoa izay fampahatsiarovana tsara? (Salamo 101:3). Ao anaty lalimoaranao, moa ve ianao manana fitafiana maotona, sa ny sasany amin’izany kosa manome taratry ny fomba fitafy tafahoatra an’itỳ tontolo itỳ? Amin’ny fomba an-kolaka, ny Devoly dia afaka mamandrika anao raha manaiky ny fakam-panahy hanandrana izay ratsy ianao. Manoro hevitra amim-pahendrena toy izao ny Baiboly: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. — 1 Petera 5:8.
16. Ahoana no mety hanampian’ny torohevitry ny Baiboly ny tanora iray hanao izay hireharehan’ny rehetra maminy indrindra, ny aminy?
16 Milaza aminao mba hitandrina ny fifaneraseranao ny Baiboly. (1 Korintiana 15:33, NW ). Tokony ho ireo olona matahotra an’i Jehovah no ho namanao. Aza manaiky ho resin’ny faneren’ireo mitovy taona aminao. (Salamo 56:11; Ohabolana 29:25). Mankatoava ny ray aman-dreninao matahotra an’Andriamanitra. (Ohabolana 6:20-22; Efesiana 6:1-3). Mitodiha any amin’ny loholona mba hahazoana fitarihan-dalana sy fampaherezana. (Isaia 32:1, 2). Hazony ho eo amin’ireo zava-tsarobidy sy tanjona ara-panahy ny saina sy ny masonao. Mitadiava fahafahana mba hanaovana fandrosoana ara-panahy, sy mba handraisana anjara amin’ireo asan’ny kongregasiona. Mianara manao zavatra amin’ny tananao. Aoka ianao hihalehibe no sady hatanjaka sy ho salama ara-panahy, ary amin’izay dia hoporofoinao fa tena olona ianao — olona mendrika ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah! Hirehareha ny aminao ilay Raintsika any an-danitra, hiravoravo ny aminao ny ray aman-dreninao eto an-tany, ary hampaherezinao ireo rahalahy sy anabavinao kristiana. Izany no zava-dehibe! — Ohabolana 4:1, 2, 7, 8.
17. Soa inona avy no ho an’izay mitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny?
17 Tamin’ny fiteny poetika, dia nahazo tsindrimandry mba hanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana [i Jehovah]. Jehovah, Tompon’ny maro, ô, sambatra izay olona [mitoky aminao, NW ].” (Salamo 84:11, 12). Eny, fahasambarana sy fahombiazana, fa tsy fahadisoam-panantenana sy tsy fahombiazana no ho an’izay rehetra mitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny, ny Baiboly. — 2 Timoty 3:14, 16, 17.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ny Kristiana no tsy tokony hametraka ny fitokiany amin’ny “fahendren’izao tontolo izao”?
◻ Inona no tokony hatao raha manana fisalasalana ny tena?
◻ Amin’ny ahoana no mitondra fahombiazana sy fahasambarana eo amin’ny fanambadiana ny fanaovan-javatra araka ny fomban’i Jehovah?
◻ Ahoana no anampian’ny Baiboly ny tanora ‘handositra ny filan’ny tanora fanahy’?
[Sary, pejy 23]
Mitodika any amin’i Jehovah sy ny Teniny ny Kristiana, raha mbola manilika ho toy ny fahadalana “ny fahendren’izao tontolo izao”
[Sary, pejy 25]
Mahita fahombiazana sy fahasambarana ireo fianakaviana izay mitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny