-
Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Janoary
-
-
Bodo: Tsy maninona. “Ary ny menarana no malina indrindra tamin’ny bibidia rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra. Koa hoy izy io tamin-dravehivavy: ‘Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?’ Dia hoy ravehivavy tamin’ilay menarana: ‘Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina: “Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.”’ Dia hoy ny menarana tamin-dravehivavy: ‘Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’ ”
-
-
Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Janoary
-
-
Voahirana: Izay aloha e. Fa tsy izay ihany ny olana napoitran’i Satana. Jereo indray ange ny andininy faha-5 e! Hitanao ve ny tenin’i Satana tamin’i Eva?
Bodo: Nolazainy fa hahiratra, hono, ny masony raha mihinana amin’ilay voankazo izy.
Voahirana: Ie, dia “ho tahaka an’Andriamanitra”, hono, izy ary “hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Te hilaza i Satana eo hoe misy zavatra tsara tsy tian’Andriamanitra ho azon’ny olombelona.
Bodo: Hay ve izany e.
Voahirana: Mbola olana lehibe koa izany.
Bodo: Fa ahoana?
Voahirana: Te hilaza i Satana hoe ho tsara kokoa ny fiainan’i Eva, na ny an’ny olona rehetra mihitsy, raha tsy Andriamanitra no mitondra azy ireo. Teto koa, dia hitan’i Jehovah hoe tsara kokoa raha avela hanaporofo i Satana raha marina ny teniny. Noho izany, dia navelany hitondra an’izao tontolo izao aloha i Satana. Izany no mahatonga antsika hahita fijaliana be dia be hoatr’izao, satria i Satana no mitondra an’izao tontolo izao, fa tsy Andriamanitra.d Fa misy vaovao tsara anefa.
-