-
Madio, FahadiovanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Efa nataon’Andriamanitra haniry hanao firaisana sy ho afaka hanan-taranaka ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, ary nasainy nanao firaisana sy niteraka. Tsy nanota àry io mpivady lavorary io raha nanao firaisana. Nisy fiovana lehibe anefa rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo (fihinanana tamin’ilay voankazo voarara izany fahotana izany, fa tsy hoe fanaovana firaisana). Nanjary nanameloka azy ireo ny eritreriny satria efa lasa mpanota izy mivady, ka nanjary tsapany tampoka hoe nitanjaka izy ireo. Notakonany haingana ny taovam-pananahany mba tsy ho hitan’Andriamanitra. (Ge 3:7, 10, 11) Tsy afaka nanome taranaka lavorary intsony ny olona nanomboka teo. Lasa mpanota izy ireo ary voaheloka ho faty, ary izany ihany no nafindrany tamin’ny taranany. Na dia ny olo-marina sy matahotra an’Andriamanitra indrindra aza dia miteraka olona mpanota.—Sl 51:5.
-
-
EvaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tonga dia nahatsiaro menatra izy mivady raha vao avy nandika lalàna. Naka ravin’aviavy àry izy ireo ka nataony sikina. Niafina tany ambadiky ny hazo tao amin’ny zaridaina izy mivady, rehefa nandre ny feon’i Jehovah. Nanontany an’ilay vehivavy momba izay nataony Andriamanitra. Namaly izy hoe nihinana an’ilay voankazo satria nofitahin’ny menarana. Namoaka didim-pitsarana àry i Jehovah, ary nilaza fa hihamafy ny fanaintainan-dravehivavy rehefa bevohoka sy hiteraka. Nilaza taminy koa Andriamanitra fa ny vadiny no hiantefan’ny faniriany ary hanjaka aminy.—Ge 3:7-13, 16.
-
-
AviavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Anisan’ny zavamaniry voatonona be indrindra ao amin’ny Baiboly miaraka amin’ny oliva sy voaloboka ny aviavy (Ficus carica), izay voaresaka ao in-50 mahery. (Mpts 9:8-13; Ha 3:17) Avy any Azia atsimoandrefana, Israely, Syria, ary Ejipta ny aviavy, izay ela velona tokoa. Maniry ho azy ilay hazo, nefa mila ambolena raha tiana hamoa be. (Lk 13:6-9) Saika maniry amin’ny karazan-tany rehetra izy io, na dia ny tany be vato aza. Mety hahatratra 9 m eo ho eo ny haavony, 60 sm eo ho eo ny savaivony, ary misandrahaka be ny sampany. Ny voany no tena itiavan’ny olona azy, nefa manome alokaloka tsara koa izy io. (Jn 1:48-50) Lehibe ny raviny satria mahatratra 20 sm na mahery ny sakany. Ny ravin’aviavy nozairin’i Adama sy Eva mba hataony sikina no aviavy resahin’ny Baiboly voalohany. (Ge 3:7) Mbola misy manjaitra ravin’aviavy hamonosana voankazo na zavatra hafa any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane hatramin’izao.—Jereo AVIAVIDIA.
-