-
Madio, FahadiovanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Efa nataon’Andriamanitra haniry hanao firaisana sy ho afaka hanan-taranaka ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, ary nasainy nanao firaisana sy niteraka. Tsy nanota àry io mpivady lavorary io raha nanao firaisana. Nisy fiovana lehibe anefa rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo (fihinanana tamin’ilay voankazo voarara izany fahotana izany, fa tsy hoe fanaovana firaisana). Nanjary nanameloka azy ireo ny eritreriny satria efa lasa mpanota izy mivady, ka nanjary tsapany tampoka hoe nitanjaka izy ireo. Notakonany haingana ny taovam-pananahany mba tsy ho hitan’Andriamanitra. (Ge 3:7, 10, 11) Tsy afaka nanome taranaka lavorary intsony ny olona nanomboka teo. Lasa mpanota izy ireo ary voaheloka ho faty, ary izany ihany no nafindrany tamin’ny taranany. Na dia ny olo-marina sy matahotra an’Andriamanitra indrindra aza dia miteraka olona mpanota.—Sl 51:5.
-
-
TahotraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy tokony hatahotra olona na hatahotra an’izay mety hataon’ny olona aminy ny vahoakan’i Jehovah, satria i Jehovah no Mpiaro sy Mpamelona azy ireo. Raha raiki-tahotra mantsy izy ireo, dia mety hilefitra na dia zava-dratsy aza no asain’ilay olona hataony. (Sl 27:1; 78:53; 91:2-5; Is 12:2) Na miaro ny mpanompony aza anefa i Jehovah, dia tsy midika izany hoe tsy misy mijaly izy ireo eto amin’ity tontolo ity. Mety hampahonena na hahantra mihitsy aza izy ireo indraindray, ka toa tsy ho tafavoaka no fahitana azy. Manalavitra azy ireo àry ny olona tsy manam-pinoana, satria matahotra sao ho lasa tahaka azy ireo. (Sl 31:11) Tsy azon’izy ireny anefa fa miahy ny mpanompony foana i Jehovah, ary tsy hahafoy azy ireo.—Sl 27:10; 94:14.
-