Fahoriana Mahazo ny Fianakaviana — Toetra Mampiavaka Izao Androntsika Izao
FAHORIANA mahazo ny fianakaviana — maro no mihevitra azy io ho famantarana fa ireo fitsipika mahazatra momba ny fanambadiana sy ny fitaizan’ny ray aman-dreny ny zanany dia lany andro. Ny hafa dia mihevitra izany ho vokatry ny fiovana ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-tsosialy. Ny hafa koa mihevitra azy io ho loza tsy azo idifiana iray fanampiny fotsiny avy amin’ny haitao maoderina. Raha ny marina, ireo zava-manahirana itoloman’ny fianakaviana amin’izao andro izao dia manondro zavatra misy heviny lehibe lavitra. Mariho ny tenin’ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:1-4:
“Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana [voajanahary, NW ], mpanontolo fo [“miziriziry amin’ny heviny”, NW ], mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”.
Moa ve ireo teny ireo tsy tonga hatrany amin’ny fototr’ireo zava-manahirana amin’izao andro izao? Ny fahoriana mahazo ny fianakaviana amin’izao andro izao dia miharihary fa vokatra mivantana avy amin’ny toe-piainana nambaran’ny faminaniana fa hitranga mandritra ny andro faran’ity tontolo ity. Ary misy porofo mampiaiky fa io fotoam-pahoriana io dia nanomboka tamin’ny taona 1914.a Hatramin’izay, ny hery fitaoman’ilay zavaboary ara-panahy mahery noho ny olombelona antsoina hoe Satana Devoly dia nanjary nandrava indrindra. — Matio 4:8-10; 1 Jaona 5:19.
Noho izy voatana etỳ amin’ny faritra manodidina ny tany hatramin’ny 1914, i Satana dia “manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:7-12). Koa satria i Satana dia rafy iray tsy hibaboka mihitsy amin’ilay Andriamanitra izay “ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ anarana”, dia hahagaga ve raha tonga toerana mampidi-doza ho an’ny fianakaviana ny tany? (Efesiana 3:15). Tapa-kevitra ny hampiala ny taranak’olombelona manontolo amin’Andriamanitra i Satana. Amin’ny fomba tsara kokoa inona moa no ahafahany manatanteraka izany raha tsy amin’ny fampiasana ny zava-manahirana mba hanafihana ny fianakaviana?
Hila zavatra lehibe kokoa noho ny tsangan-kevitra marivo omen’ireo lazaina fa manam-pahaizana manokana, ny fiarovana ny fianakaviana amin’ny fanafihana mahery noho ny olombelona toy izany. Ny Baiboly anefa dia miteny toy izao ny amin’i Satana: “Fa fantatsika ny hafetseny”. (2 Korintiana 2:11). Misy fiarovana sasany azo rehefa fantatra ny sasany amin’ireo fomba manokana fanaovany ny fanafihany.
Vola sy asa
Ny fanerena ara-toe-karena dia anisan’ireo fiadiana mahery indrindra famelezan’i Satana. “Andro mahory”, na “fotoana isian’ny fihenjanana” izao araka ny andikan’ny Revised Standard Version ny 2 Timoty 3:1. Any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, ny zava-manahirana toy ny tsy fananana asa, ny karama varimasaka, ary ny tsy fahampian’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana, dia mahatonga fahasahiranana be ho an’ny fianakaviana. Kanefa, na dia any Etazonia izay azo lazaina hoe manankarena aza, ny fanerena ara-toe-karena dia misy vokany lehibe. Nampahafantatra ny fandinihana iray natao tany Etazonia fa ny vola no iray amin’ireo antony lehibe indrindra mahatonga ady ao amin’ny fianakaviana. Manazava ilay boky hoe Secrets of Strong Families fa “ny fotoana sy ny fitandremana, [ary] ny hery” atokana mba hanomezana izay takin’ny asa fivelomana, dia mety ho tonga “fahavalo fetsy” iray izay hanimba tsikelikely ny fifaneken’ny mpivady.
Nanery vehivavy faran’izay betsaka hitady asa ny toe-javatra misy. Nanao izao tatitra izao ilay mpanoratra atao hoe Vance Packard: “Amin’izao fotoana izao, ny ampahefatr’ireo zazakely na ankizy madinika latsaka ny telo taona any Amerika fara fahakeliny, dia manan-dreny izay misahana asa any ivelan’ny tokantrano.” Ny fikarakarana saiky tsy misy farany an’ireo zavatra ilain’ny ankizy madinika sy ny asa fivelomana iray dia mety ho fiezahana manahirana be sy mahatrotraka — miaraka amin’ny vokany manimba eo amin’ny ray aman-dreny sy eo amin’ny zanaka. Nanampy teny i Packard fa noho ny tsy fisian’ny fandaharam-pikarakarana ny ankizy ampy any Etazonia, “dia misy ankizy an-tapitrisany maromaro tsy nahazo ny fikarakarana tsara tokony ho nomena azy fony izy ireo mbola kely dia kely”. — Our Endangered Children.
Ny toeram-piasana mihitsy mazàna no manimba ny firindran’ny fianakaviana. Misy mpiasa maro voatarika hanana firaisana tsy ara-dalàna amin’ny mpiara-miasa aminy. Ny hafa kosa latsaka ao anatin’ny fitadiavana fahombiazana tsy misy farany, ary manao sorona ny fiainam-pianakaviany mba hahazoana fisondrotana eo amin’ny asa. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 4:4.) Nanjary revo aoka izany tamin’ny asany tamin’ny naha-masoivohon’ny tranom-barotra azy ny lehilahy iray, hany ka nilazalaza ny tenany ho “manambady saingy mitaiza irery ny zanany” ny vadiny.
Fatoram-panambadiana mihaosa
Niharam-pamelezana koa ny fandaharana momba ny fanambadiana mihitsy. Hoy ilay boky hoe The Intimate Environment: “Taloha, dia nantenaina ny hitoeran’ny olon-droa ho mpivady raha tsy hoe nanao fahotana lehibe momba ny fanambadiana — fanitsakitsaham-bady, halozana, fanaovana tsirambina tafahoatra — angaha ny iray tamin’izy ireo. Amin’izao fotoana izao, ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra ny zava-kendren’ny fanambadiana ho fanomezana fahafaham-po ny tena manokana.” Eny, ny fanambadiana dia raisina ho toy ny fanafodin’ny tsy fahasambarana, ny fahasorisorena, na ny fitoerana ho manirery — fa tsy ho toy ny fifanekena amin’olon-kafa iray mandritra ny androm-piainana. Ny zavatra ampifantohana ny saina amin’izao fotoana izao, dia ny amin’izay raisinao avy amin’ny fanambadiana fa tsy ny amin’izay anjara omenao ho azy io. (Ampifanohero amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35.) Io “fiovana lehibe teo amin’ireo zavatra noheverina fa nisy vidiny manodidina ny fanambadiana” io dia tena nampahalemy ny fatoran’ny fanambadiana. Rehefa tsy mahazo fahafaham-po ny tena manokana, dia mampiasa ny fisaraham-panambadiana ho ala olana haingana mazàna, ireo olon-droa.
Ny olona amin’izao “andro farany” izao dia lazalazaina ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly ho “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. (2 Timoty 3:4, 5). Misy manam-pahaizana manokana maro mahatsapa fa ny fihemorana teo amin’ny fivavahana dia nandray anjara tamin’ny fanimbana tsikelikely ny fanambadiana. Ao amin’ny bokiny hoe The Case Against Divorce, ny Dr. Diane Medved dia nanoratra hoe: “Araka ny ankamaroan’ireo fivavahana, Andriamanitra dia nilaza fa tokony haharitra ny fanambadiana. Rehefa tsy mahazo antoka ny amin’Andriamanitra ianao na tsy mino Azy, dia manao izay tianao ianao amin’izay.” Ho vokatr’izany, rehefa misy zava-manahirana eo amin’ny fanambadiana, dia tsy mitady ala olana ara-dalàna ny mpivady. “Mailaka erỳ izy ireo manapaka ny fanambadiana.”
Tanora iharam-panafihana
Miaritra fikorontanan-tsaina avy amin’ireo fanerena amin’izao andro izao ny ankizy. Mampivarahontsana ny isan’ny ankizy iharan’ny vono amin-kerisetra sy fampietrena amin’ny teny ary fanimbana eo amin’ny maha-lahy sy vavy avy amin’ny ray aman-drenin’izy ireo ihany. Noho ny fisaraham-panambadiana, dia tsy mahazo ny fitaomana feno fitiavana avy amin’ny ray sy ny reny ny an-tapitrisany maro hafa, ary ny fahoriana noho ny fisarahan’ny ray aman-dreny dia mazàna maharitra mandritra ny androm-piainana manontolo.
Ireo tanora dia tototry ny fanafihana avy amin’ny fitaomana mahery maro. Amin’ny fotoana maha-14 taona ny tanora amerikana antonontonony iray, dia efa nanatri-maso vonoana olona 18 000 izy sy karazany hafa tsy tambo isaina eo amin’ny herisetra, firaisana tsy ara-dalàna, fahitana fahafinaretana amin’ny fampijaliana, ary heloka bevava, amin’ny fijerena televiziona fotsiny. Manana heriny lehibe eo amin’ny tanora koa ny mozika, ary maro amin’izy io no tsy mendrika amin’ny fomba mahatafintohina, na manazava tsara ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, na araka ny tolo-kevitr’i Satana mihitsy aza eo amin’ny tonony. Ny sekoly dia mahatonga ny tanora hisetra tsangan-kevitra maro toy ny fivoarana miandalana izay manimba tsikelikely ny finoana an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Ny faneren’ireo mpiara-mianatra dia manosika ny maro handray anjara amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny fampiasana amin’ny fomba tafahoatra ny zava-pisotro misy alkaola sy ny zavatra mahadomelina.
Ny fototry ny fahoriana mahazo ny fianakaviana
Ny fanafihana ny fianakaviana àry dia miitatra be ary afaka manimba zavatra. Inona no afaka manampy ny fianakaviana mbola ho velona ihany? Nanipy hevitra toy izao ilay mpanolo-kevitra ara-pianakaviana atao hoe John Bradshaw: “Ireo fitsipika fitaizantsika ny zanatsika dia tsy nampanarahina tsara ny toetr’andro tao anatin’ny 150 taona. (...) Araka ny hevitro dia tsy mandaitra intsony ireo fitsipika tranainy.” Tsy ala olana anefa ny fanomezana fitsipika maromaro kokoa nataon’olombelona. I Jehovah Andriamanitra no ilay Niavian’ny fianakaviana. Fantany tsara kokoa noho ny olon-kafa rehetra ny maha-zava-dehibe ny asan’ny fiainam-pianakaviana eo amin’ny fahasambarantsika manokana, sy izay ilaina mba hahasambatra sy hampahatanjaka ny fianakaviana. Tokony hahagaga antsika àry ve raha manome ny ala olana ho an’ny fahoriana mahazo ny fianakaviana ny Teniny, ny Baiboly?
Io boky tranainy io dia manazava ny fomba nialan’ny fiainam-pianakaviana tamin’izay nantenaina taminy. Napetraka tao amin’ny faritra miendrika zaridaina kanto ilay mpivady olombelona voalohany, ary nomena asa mahaliana sady mahafa-po hanova ny tany manontolo ho paradisa. Namoaka didy Andriamanitra fa ho loham-pianakaviana i Adama. Hiara-miasa aminy toy ny “mpanampy” na “fameno” ho azy i Eva, amin’ny maha-lohany azy. Nanohitra io fandaharana io anefa i Eva. Naka an-keriny ny toeran’ny vadiny tamin’ny naha-lohany azy izy ary tsy nankatò an’ilay hany fandrarana nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo. Niala tamin’ny naha-lohany azy i Adama ka nanaraka ny vadiny tamin’io fikomiana io. — Genesisy 1:26–3:6.
Ny vokany nanimba avy tamin’io fialana tamin’ny fandaharan’Andriamanitra io dia nanjary niharihary avy hatrany. Noho izy ireo tsy nadio intsony ary nanan-tsiny, dia nanao zavatra tamin-kenatra sy tamim-pahatsiarovan-tena ho meloka i Adama sy i Eva. I Adama, izay nilazalaza ny vadiny tamin’ny teny fankasitrahana miendrika tononkalo taloha kelin’izay, dia nanondro azy tamim-pangatsiahana hoe ‘ny vehivavy izay nomenao ahy’ izao. Io teny tsy mampiseho fankasitrahana io dia vao fiandohan’ny fahoriana eo amin’ny fanambadiana fotsiny. Ny fiezahana very maina foana nataon’i Adama mba hahazoana indray ny naha-lohany azy dia nitarika azy ‘hanapaka ny vadiny’. I Eva kosa, ho setrin’izany, dia hanana ‘faniriana’ amin’ny vadiny, azo inoana fa amin’ny fomba tafahoatra na tsy voalanjalanja. — Genesisy 2:23; 3:7-16.
Tsy nahagaga raha nisy fiantraikany nanimba teo amin’ny taranany ny fifandrafiana tao amin’ny fanambadian’i Adama sy i Eva. Nanjary mpamono olona tsy nifaditra ovana i Kaina, zanak’izy ireo lahimatoa. (Genesisy 4:8). I Lameka, taranak’i Kaina, dia nanampy trotraka ny fikororosian’ny fiainam-pianakaviana rehefa tonga mpampirafy voalohany teo amin’ny tantara. (Genesisy 4:19). Araka izany, dia tsy vitan’ny hoe namela lovam-pahotana sy fahafatesana fotsiny i Adama sy i Eva, fa modelim-pianakaviana marary iray koa izay nanjary toe-javatra nisy ny taranak’olombelona hatramin’izay. Amin’izao andro farany izao, ny tsy fifanarahana eo amin’ny fianakaviana dia mahatratra ny fara tampony teo amin’ny fotoana rehetra.
Ireo fianakaviana izay miroborobo
Tsy manaiky ho resin’ireo fanerena amin’izao andro izao avokoa akory ny fianakaviana rehetra. Ny lehilahy manambady iray, ohatra, dia miaina miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany vavy roa tao amin’ny tanàna kely iray any Etazonia. Na dia misy aza ny hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka eo amin’ny mpifanila trano aminy maro, dia tsy mba toy izany ny amin’izy mivady, ary tsy manahy izy ireo ny amin’ny hoe mety hanandraman’ireo zanany vavy zavatra mahadomelina na firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ny takarivan’ny alatsinainy, rehefa mifantoka eo amin’ny televiziona ireo tanora hafa, ny fianakavian’izy ireo manontolo dia mivory manodidina ny latabatra ao amin’ny efitrano fisakafoana mba hanao dinidinika momba ny Baiboly. “Ny alatsinainy alina no alinay manokana mba hiarahana sy hiresahana”, hoy ny fanazavan’ilay raim-pianakaviana. “Ireo zanakay vavy dia mahatsiaro tena ho afaka mamboraka aminay ny zava-manahirana azy ireo.”
Etsy an-danin’izany, dia misy reny mitaiza irery ny zanany any New York City, izay mahita filaminana miavaka ara-pianakaviana miaraka amin’ny zanany vavy roa. Inona no tsiambaratelony? “Mitana ny televiziona tsy hirehitra mandra-pahatongan’ny faran’ny herinandro izahay”, hoy ny fanazavany. “Manao dinidinika momba ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly izahay isan’andro. Manokana takariva iray koa izahay ho an’ny dinidini-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly.”
Samy Vavolombelon’i Jehovah ireo fianakaviana roa ireo. Manaraka ny torohevitra ho an’ny fianakaviana omena ao amin’ny Baiboly izy ireo — ary mandaitra izany. Tsy maningana anefa izy ireo. Misy fianakaviana ana hetsiny maro mitovy amin’izy ireo izay mahazo vokatra tsara amin’ny fampiharana ireo fitsipika ho an’ny fiainam-pianakaviana hita ao amin’izany boky izany.b Inona avy àry izany fitsipika izany? Ahoana no ahafahan’izany mitondra soa ho anao sy ny fianakavianao? Ho valin’izany, dia manasa anao izahay mba handinika ilay lahatsoratra manomboka ao amin’ny pejy manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana porofo fanampiny fa nanomboka tamin’ny 1914 ny andro farany, dia jereo ny toko faha-18 amin’ilay boky hoe: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa Eto An-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manolotra fanampiana eo amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ao amin’ny fianakaviana. Azo atao ny mifandray amin’izy ireo amin’ny fanoratana any amin’ny mpampanonta ity gazety ity.
[Sary, pejy 4]
Mahatonga fahoriana be ho an’ny fianakaviana any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana ny fahantrana ara-toe-karena
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. Navy photo
[Sary, pejy 7]
Amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia misy fianakaviana maro mahatohitra ireo fanerena amin’izao andro izao