-
SatanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hatsipy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka ary haringana amin’ny farany. Hoy Andriamanitra tamin’ilay menarana (tamin’i Satana, raha ny marina, satria ny biby tsy hahatakatra hoe inona ilay adihevitra), rehefa voataonan’i Satana hikomy i Eva ary avy eo i Adama: “Vovoka no hohaninao mandritra ny androm-piainanao. Ary hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.” (Ge 3:14, 15) Te hilaza Andriamanitra fa voaroaka tsy ho anisan’ny fandaminany masina i Satana, ary tsy manana fanantenana intsony fa toy ny hoe ‘hihinam-bovoka’ mandra-pahafatiny. Hanorotoro ny lohany ilay ‘taranaka’ ka ho faty izy. Tamin’i Kristy teto an-tany, dia fantatr’ireo demonia fa izy Ilay hanipy azy ireo ao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka”, na “hampijaly” azy, izany hoe tsy hamela azy hanao na inona na inona.—Mt 8:29; Lk 8:30, 31; jereo MAMPIJALY.
-
-
Menarana, BibilavaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
MENARANA, BIBILAVA
[Heb.: nahash, tannin, tsefaʽ, tsifʽôhni; gr.: ôfis].
Biby mandady lavalava misy kirany, ary tsy misy tongotra na tanana. Mikisaka amin’ny kibony na tratrany izy rehefa mifindra toerana, ary akaikin’ny tany ny lohany ka toy ny milelaka vovoka ny lelany mivoaka miditra. (Ge 3:14) Misy karazany 30 mahery any Israely.
-