-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
4. Iza no taranak’ilay vehivavy, ary inona no hataon’io taranaka io?
4 Nilaza an’ilay faminaniana voalohany i Jehovah, taoriana kelin’ilay fikomiana tany Edena. Nampanantena izy hoe hisy “vehivavy” hanana ‘taranaka’, ary hotorotoroin’io taranaka io eo amin’ny lohany ilay menarana, dia i Satana.a (Vakio ny Genesisy 3:15.) Nampahafantarin’i Jehovah tatỳ aoriana hoe ho avy amin’iza ilay taranaka: Ho avy amin’ny fianakavian’i Abrahama, ho anisan’ny firenen’Israely, ho avy amin’ny fokon’i Joda, ary ho taranak’i Davida Mpanjaka. (Gen. 22:15-18; 49:10; Sal. 89:3, 4; Lioka 1:30-33) I Kristy Jesosy no lehibe indrindra amin’ilay taranaka. (Gal. 3:16) Anisan’ilay taranaka koa anefa ireo Kristianina voahosotra. (Gal. 3:26-29) I Jesosy sy ireo voahosotra no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary io fanjakana io no hampiasain’Andriamanitra mba hanorotoroana an’i Satana.—Lioka 12:32; Rom. 16:20.
5, 6. a) Firy ny fanjakana lehibe noresahin’i Daniela sy Jaona? b) Manondro inona ny lohan’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy?
5 Milaza koa ilay faminaniana voalohany fa hanana ‘taranaka’ i Satana, ary ‘handrafy’, izany hoe hankahala ny taranak’ilay vehivavy izy io. Iza no taranak’ilay menarana? Izay rehetra mankahala sy manohitra ny vahoakan’i Jehovah, toy ny ataon’i Satana. Nozarazarain’i Satana ho fanjakana maro ny taranany. (Lioka 4:5, 6) Ny sasantsasany amin’ireny fanjakana ireny ihany anefa no nanohitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe nanohitra ny firenen’Israely fahiny sy nanohitra an’ireo voahosotr’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny hahalalantsika izany, satria manampy antsika hahafantatra hoe nahoana i Daniela sy Jaona no tsy niresaka afa-tsy mpanjaka valo, izany hoe fanjakana lehibe valo.
-
-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
7. Iza no loha voalohany amin’ilay bibidia, ary nahoana isika no milaza izany?
7 I Ejipta no loha voalohany amin’ilay bibidia. Nahoana? Satria i Ejipta no firenena matanjaka voalohany nankahala ny vahoakan’i Jehovah. Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa avy amin’ny taranany ny taranak’ilay vehivavy. Rehefa nihamaro anefa ny firenen’Israely tany Ejipta, dia nampijaly azy ireo ny Ejipsianina. Te hamongotra azy ireo i Satana, alohan’ny hipoiran’ilay taranaka. Ahoana no nataon’i Satana? Nampirisika an’i Farao izy mba hamono ny zazalahikely israelita rehetra. Nosakanan’i Jehovah anefa ny teti-dratsiny, ary nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta izy. (Eks. 1:15-20; 14:13) Nomeny ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tatỳ aoriana.
8. Iza no loha faharoa amin’ilay bibidia, ary inona no nataon’izy io?
8 I Asyria no loha faharoa amin’ilay bibidia. Niezaka nandripaka ny vahoakan’i Jehovah koa io fanjakana matanjaka io. Marina fa nampiasa an’i Asyria i Jehovah, mba hanasaziana ny foko folon’ny Israely tany avaratra, noho izy ireo nanompo sampy sy nikomy taminy. Nanafika an’i Jerosalema koa anefa ny Asyrianina. Tian’i Satana hofongorana angamba ilay fianakavian’ny mpanjaka tao Jerosalema, satria avy amin’izy io no hipoiran’i Jesosy. Tsy anisan’ny fikasan’i Jehovah àry io fanafihana io, ka nanao fahagagana izy mba handripahana ny tafika asyrianina sy hamonjena ny vahoakany.—2 Mpanj. 19:32-35; Isaia 10:5, 6, 12-15.
-
-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
13 Nampiasa ny Fanjakana Medianina sy Persianina i Jehovah mba hanatanteraka faminaniana, izany hoe handresy an’i Babylona sy hamerina ny Israelita any an-tanindrazany. (2 Tan. 36:22, 23) Nitady handripaka ny vahoakan’i Jehovah anefa ny Fanjakana Medianina sy Persianina tatỳ aoriana. Nanao tetika hamongorana ny Jiosy nanerana ny fanjakana persianina i Hamana praiminisitra, ary efa nifidy fotoana mihitsy izy hanatanterahana izany. Soa ihany fa narovan’i Jehovah tamin’ny fanafihan’ny taranak’i Satana ny vahoakany. (Est. 1:1-3; 3:8, 9; 8:3, 9-14) Afaka milaza àry isika hoe i Media sy Persa no loha fahefatra amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy.
-
-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
16. Inona no nataon’i Antiokosa Faha-4?
16 Nanjaka teo amin’ny Israely i Gresy, rehefa avy nandresy an’i Persa. Efa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Jiosy tamin’izay, ary efa voaorina ny tempolin’i Jerosalema. Mbola vahoaka voafidin’i Jehovah izy ireo tamin’izay, ary tao amin’ny tempoly izy ireo no nanompo azy. Nampijaly azy ireo anefa i Gresy, tamin’ny taona 168 T.K. Nanisy alitaran’ny mpanompo sampy tao amin’ny tokotanin’ny tempoly i Antiokosa Faha-4, iray tamin’ireo jeneraly nahazo ny fanjakan’i Aleksandra. Namoaka didy koa izy hoe hovonoina ho faty izay manaraka ny fivavahan’ny Jiosy. Tena nankahala ny vahoakan’i Jehovah tokoa ny taranak’i Satana! Tsy ela anefa dia nisy fanjakana matanjaka hafa nisolo an’i Gresy. Iza izy io?
-
-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
17. Inona no nataon’ilay loha fahenina, ka nanatanteraka ny Genesisy 3:15?
17 I Roma no fanjakana natanjaka indrindra eran-tany, tamin’i Jaona nahazo an’ilay fahitana momba ny bibidia. Izy io no loha fahenina amin’ilay bibidia. (Apok. 17:10) Nandray anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana ny Genesisy 3:15 i Roma. Nampiasa an’ireo mpitondra romanina mantsy i Satana, mba handratrana ny ‘voditongotr’ilay taranaka.’ Nendrikendrehin’izy ireo ho nampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana i Jesosy, ka nasainy novonoina ho faty. (Mat. 27:26) Vetivety anefa dia sitrana ilay ratra, satria natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy.
18. a) Iza ilay firenena vaovao nofidin’i Jehovah, ary nahoana i Jehovah no nifidy azy io? b) Inona no manaporofo fa nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana?
18 Niray tetika tamin’ireo mpitondra romanina ny mpitondra fivavahana jiosy, mba hamono an’i Jesosy. Nanda an’i Jesosy koa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany àry ny Israelita, ary nifidy firenena vaovao izy, dia ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 3:26-29; 6:16; Mat. 23:38; Asa. 2:22, 23) Iza io firenena vaovao io? Ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra rehetra, ka Jiosy ny sasany ary hafa firenena ny sasany. (Efes. 2:11-18) Mbola nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana, na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty aza. Imbetsaka ny fitondrana romanina no nitady handripaka ny Kristianina voahosotra, izay anisan’ny taranak’ilay vehivavy.c
-
-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
a Ny fitambaran’ireo mpanompon’i Jehovah rehetra any an-danitra no antsoina hoe vehivavy, ao amin’ny Genesisy 3:15. Asehon’ny Baiboly ho toy ny hoe vadin’i Jehovah izy io.—Isaia 54:1; Gal. 4:26; Apok. 12:1, 2.
-
-
“Mpampiharihary Zava-miafina” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
c Tsy vahoaka voafidin’i Jehovah intsony ny Israely ara-nofo, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny taona 70. Tsy fanafihana ny taranak’ilay vehivavy àry io fanafihana io, izany hoe tsy anisan’ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:15.
-