Inona no Lazain’ny Baiboly?
“Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny fotoana namoronana azy.” (Genesisy 2:4) Fintinin’ny Baiboly amin’ireo teny ireo hoe ahoana no nisian’ny planetantsika. Mifanaraka amin’ny voka-pikarohana hitan’ny mpahay siansa ve izany? Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto.
Efa nisy foana ve izao rehetra izao?
Hoy ny Genesisy 1:1: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”
Maro ny mpahay siansa malaza mino hoe efa nisy foana izao rehetra izao. Nino an’izany foana ry zareo talohan’ny 1950. Noho ireo voka-pikarohana vao haingana anefa dia niaiky ny ankamaroan’ny mpahay siansa hoe nanam-piandohana izao rehetra izao.
Hoatran’ny ahoana ny tany tamin’ny voalohany?
Resahin’ny Genesisy 1:2, 9 fa tamin’ny vao noforonina ny tany, dia ‘tsy nisy endriny sady tsy nisy na inona na inona’ fa tototry ny rano.
Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Resahin’i Patrick Shih, mpikaroka momba ny zavamananaina, hoe “tsy nisy oksizenina teto an-tany tamin’ny voalohany ... sady tsy nisy na inona na inona.” Hoy koa ny gazety iray momba ny kintana sy planeta: “Tototry ny rano ny tany, tamin’ny voalohany ary zara raha nisy tany maina.”
Niova tsikelikely ve ny atmosferantsika?
Hita avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy 1:3-5 fa tara-pahazavana kely fotsiny no tody tetỳ an-tany tamin’ny voalohany. Tatỳ aoriana vao tazana avy tetỳ ny masoandro sy ny volana.—Genesisy 1:14-18.
Tsy milaza ny Baiboly hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy no namoronana ny zavamananaina rehetra teto an-tany
Milaza ny foibem-pikarohana momba ny tontolo iainana, izay naorin’i Smithson, fa hazavana manjavozavo fotsiny no tody tetỳ an-tany tamin’ny voalohany. Hoy izy io: “Feno gazy metanina matevina be nanodidina ny tany. Nihananify anefa ilay gazy metanina tatỳ aoriana, ka lasa manga ny lanitra.”
Niara-nisy ve ny zavamananaina sa nisy filaharany?
Resahin’ny Genesisy 1:20-27 fa ny trondro no noforonina voalohany, dia avy eo ny vorona, ny biby, ary ny olombelona no noforonina farany. Mino ny mpahay siansa hoe ny trondro no nisy voalohany, dia ela be tatỳ aoriana vao nisy ny biby mampinono, ary mbola taoriana kokoa vao nisy ny olombelona.
Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy hisy fiovana mihitsy eo amin’ny zavamananaina
Inona no Tsy Lazain’ny Baiboly?
Misy miteny hoe tsy mifanaraka amin’ny voka-pikarohana hitan’ny mpahay siansa, hono, ny zavatra lazain’ny Baiboly. Ny fahazoany ny zavatra resahin’ny Baiboly anefa no diso.
Tsy milaza ny Baiboly hoe 6 000 taona fotsiny izao rehetra izao na ny tany. Resahiny fotsiny hoe noforonina ny tany sy izao rehetra izao “tany am-piandohana.” (Genesisy 1:1) Tsy nofaritany hoe tamin’ny firy taona lasa izany.
Tsy milaza ny Baiboly hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy no namoronana ny zavamananaina rehetra teto an-tany. Fe-potoana fotsiny no tiany holazaina amin’ilay teny hoe “andro.” Resahin’ny Baiboly, ohatra, hoe niforona ny planetantsika sy ny zavamananaina eo aminy “tamin’ny andro nanaovan’i Jehovaha Andriamanitra ny tany sy ny lanitra”, izany hoe nandritra anʼireo enina “andro” resahin’ny Genesisy toko 1. (Genesisy 2:4) Fe-potoana lava be àry ny andro tsirairay tamin’ireo enina “andro” nanomanan’Andriamanitra ny tany sy namoronany ny zavamananaina teo amin’izy io.
Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy misy fiovana mihitsy eo amin’ny zavamananaina. Milaza ny bokin’ny Genesisy fa noforonina “araka ny karazany avy” ny biby. (Genesisy 1:24, 25) Tsy teny fampiasan’ny mpahay siansa ilay hoe “karazana” resahin’ny Baiboly. Mety ho azo ilazana zavamananaina iray tarika anefa izy io. Mety hisy biby na zavamaniry maro isan-karazany àry ao anatin’ilay “karazana” iray resahin’ny Baiboly. Mety hisy endriny samihafa koa ireo zavamananaina iray karazana rehefa mandeha ny fotoana.
Ahoana ny hevitrao?
Hitantsika teo fa tsotra sy marina tsara ny fanazavan’ny Baiboly momba ny hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao, hoatran’ny ahoana ny tany tamin’ny voalohany, ary ahoana no nampisy ny zavamananaina. Mety ho marina koa ve izany ny Baiboly rehefa milaza hoe iza no namorona an’ireny rehetra ireny? Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa vao haingana ilay hoe avy amin’ny hery iray mihoatra noho ny an’ny olombelona no nampisy an’izao rehetra izao.”b
a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
b Ny Rakipahalalana Britannica dia tsy manohana an’ilay hevitra hoe nisy namorona ny zavamananaina.