-
FahalalanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Hoy i Jehovah tamin’ilay niaraka taminy tamin’izy namorona (Jn 1:1-3), rehefa nihinana tamin’ny voankazo voarara i Adama sy Eva (Ge 2:17; 3:5, 6): “Efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Ge 3:22) Toa tsy midika fotsiny izany hoe nahalala izay tsara sy ratsy ho an’ny tenany izy mivady, satria ny didin’Andriamanitra efa nampahafantatra azy an’izany. Tsy hoe lasa nahalala ny ratsy koa izy ireo rehefa nanao ratsy, satria nilaza i Jehovah fa lasa tahaka azy izy ireo. (Ge 3:22) I Jehovah anefa tsy nanao ratsy vao nahalala ny ratsy. (Sl 92:14, 15) Nahalala ny tsara sy ny ratsy àry i Adama sy Eva, amin’ny heviny hoe izy ireo indray no namaritra ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy. I Jehovah anefa no manan-jo hamaritra an’izany satria faran’izay hendry izy. Nanandra-tena ho ambony noho Andriamanitra àry izy ireo ka tsy nankatò azy fa namorona lalàna ho an’ny tenany. Tsy toy ny an’i Jehovah anefa ny fahalalany ny atao hoe tsara sy ratsy, ka nitondra fahoriana ho azy izany.—Je 10:23.
-
-
Fahefana Fara TamponyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nikomy i Adama sy Eva rehefa nihinana tamin’ny voan’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Zon’ilay Mpamorona, izay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, anefa ny nandrara an’i Adama tsy hihinana tamin’ilay voankazo. Zavaboariny mantsy i Adama, ka voafetra ihany ny zavatra azony atao ary nila nanaiky izany izy. Tokony heken’ny zavaboary rehetra manan-tsaina fa manan-jo hitondra ilay Mpamorona ary tokony hanohana izany izy ireo, raha tiana hiadana sy hilamina izao rehetra izao. Ho nasehon’i Adama fa nanaiky an’izany koa izy, raha tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo. Ho lasa rain’ny olombelona rehetra eto an-tany mantsy izy ka tokony ho nankatò sy tsy nivadika, na dia tamin-javatra madinika aza, araka ilay toro lalana hoe: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lk 16:10) Azon’i Adama natao tsara ny nankatò tanteraka. Tsy hoe nisy poizina akory ilay hazo. (Tsy firaisana ara-nofo koa ilay voankazo voarara, satria nandidy azy mivady mba ‘hameno ny tany’ Andriamanitra. [Ge 1:28] Voankazo ara-bakiteny kosa ilay resahin’ny Baiboly eto.) Manazava ny dikan’ilay hazo ny fanamarihana ambany pejin’ny Genesisy 2:17 ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema (1966) hoe:
“Natokan’Andriamanitra ho azy irery io fahalalana io, kanefa nitady hahazo azy io ny olombelona rehefa nanota, [Ge] 3:5, 22. Tsy hoe fahalalana ny zava-drehetra akory izy io, satria tsy lasa nahalala ny zava-drehetra ny olombelona rehefa nanota. Tsy hoe fahaizana manavaka izay tsara sy ratsy koa izy io, satria efa nanana izany fahaizana izany ny olombelona na dia mbola tsy nanota aza, ary azo antoka fa nomen’Andriamanitra an’izany ny zavaboary manan-tsaina. Ny fahefana hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy kosa izy io, sy ny fahefana hanao izay tiana fotsiny. Te hahaleo tena tanteraka ny olombelona, ary tsy te hanaiky intsony hoe noforonina izy. Fieboeboana sy fanoherana ny zon’Andriamanitra hitondra àry ny fahotana voalohany.”
-