-
AbelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitra i Abela, tatỳ aoriana. Nanao toy izany koa i Kaina. Samy nitondra izay nananany izy roa lahy: Ny voalohan-teraky ny andian’ondriny no natolotr’i Abela, fa ny vokatry ny tany kosa ny an’i Kaina. (Ge 4:3, 4) Samy nino an’Andriamanitra izy mirahalahy. Azo inoana fa ny ray aman-dreniny no niresaka taminy momba an’Andriamanitra. Tsy maintsy ho fantatr’izy ireo koa hoe nahoana izy mianakavy no tany ivelan’ny zaridainan’i Edena sy tsy nahazo nankao. Matoa nanao fanatitra izy roa lahy dia te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra, satria tsapany fa tafasaraka taminy izy ireo. Na dia azo inoana aza hoe nampiasa alitara izy ireo rehefa nanao fanatitra, dia tsy resahin’ny Baiboly izany.
Ny fanatitr’i Abela no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny an’i Kaina. Tsy resahin’ny Baiboly hoe ahoana no nampahafantaran’Andriamanitra izany. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’izy roa lahy izany. Misy manazava hoe “ny sasany tamin’ny voalohan-teraky ny andian’ondriny, mbamin’ny tavin’ireny” mantsy no fanatitra natolotr’i Abela, fa ny an’i Kaina kosa tsy resahin’ny Baiboly hoe ny tsara indrindra tamin’ny voankazo. Nieritreritra ve i Abela hoe fanatitra sarobidy kokoa ny zavamananaina iray rehefa alatsaka ny rany? Nosaintsaininy ve ilay fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3:15 momba an’ilay taranaka, izay tsy maintsy halatsaka ny rany? Taonjato maro taorian’i Abela, dia noharina tamin’ny sorona zanak’ondry tsy misy kilema ny sorona nataon’ilay Zanak’Andriamanitra lavorary. (Jn 1:29) Azo antoka anefa fa tsy nahafantatra an’izany mihitsy i Abela. Tatỳ aoriana ny Soratra Masina vao nanazava hoe nahoana no ny fanatitr’i Abela ihany no nankasitrahan’Andriamanitra. I Abela no resahin’ny apostoly Paoly ho olona voalohany nanam-pinoana, ao amin’ny Hebreo 11:4. Nilaza izy fa ny finoany no nahatonga ny fanatiny ‘hisy vidiny kokoa’ noho ny an’i Kaina. Ny 1 Jaona 3:11, 12 kosa milaza fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Hita izany, tatỳ aoriana, rehefa nanda ny torohevitra sy ny fampitandreman’Andriamanitra izy, ary nitetika ny hamono an’i Abela.
-
-
AlitaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Taorian’ny Safodrano no nisy firesahana voalohany momba ny alitara. “Nanorina alitara ho an’i Jehovah i Noa”, ka nanolotra fanatitra dorana teo amboniny. (Ge 8:20) I Kaina sy Abela no hany voatantara fa nanao fanatitra talohan’ny Safodrano. Azo inoana fa nampiasa alitara izy ireo, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza izany.—Ge 4:3, 4.
-
-
KainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lasa mpiasa tany i Kaina. Nitondra fanatitra ho an’i Jehovah izy sy Abela zandriny “rehefa afaka elaela”, satria te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. “Ny vokatry ny tany” no nakan’i Kaina hatao fanatitra, nefa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ilay izy. (Ge 4:2-5; ampit. No 16:15; Am 5:22.) Marina fa tsy nisy ra ny fanatitra nataon’i Kaina, nefa toa tsy izay no antony tsy nankasitrahana an’ilay izy, satria neken’ny Lalàna ny fanatitra biby sy fanatitra varimbazaha. Misy milaza fa tsy voaresaka hoe ny vokatra tsara indrindra no nataon’i Kaina fanatitra, nefa nomarihina kosa hoe “ny voalohan-teraky ny andian’ondriny, mbamin’ny tavin’ireny” no nataon’i Abela fanatitra. Tsy hoe ratsy anefa ny vokatra natolotr’i Kaina. Tsy izany no antony tsy nankasitrahan’Andriamanitra an’ilay izy. Milaza ny Hebreo 11:4 fa tsy noho ny finoana no nanaovan’i Kaina fanatitra, fa ny an’i Abela kosa vokatry ny finoany ka nankasitrahan’Andriamanitra.
Tsy resahin’ny Baiboly ny fomba nampisehoan’Andriamanitra hoe nankasitrahany ny fanatitra iray fa tsy nankasitrahany kosa ny iray. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’i Kaina sy Abela izany. Afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah (1Sa 16:7; Sl 139:1-6), ka fantany fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Niharihary izany toe-pony izany rehefa nolavin’Andriamanitra ny sorona nataony. Nanomboka nisongadina teo amin’ny toetran’i Kaina “ny asan’ny nofo”, dia ny “fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana.” (Ga 5:19, 20) Sosotra i Kaina, nefa nilaza taminy i Jehovah fa hisandratra izy raha miova ka manao ny tsara. Azony natao ny nanetry tena ka nanahaka an’ilay rahalahiny nankasitrahan’Andriamanitra. Nanoro hevitra azy Andriamanitra mba hifehy ny fanirian-dratsy izay efa namitsaka teo am-baravarana ka nitady hangeja azy. Tsy niraharaha izany torohevitra izany anefa i Kaina. (Ge 4:6, 7; ampit. Jk 1:14, 15.) Izany tsy fanajana izany no atao hoe “lalan’i Kaina.”—Jd 11.
-
-
AfoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nahay ny atao hoe afo ny mpivady voalohany. Napetrak’i Jehovah teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena mantsy “ireo kerobima sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina”, rehefa noroahiny hiala tao izy ireo. (Ge 3:24) Mety ho nentin’i Kaina sy Abela teo anoloan’ireo kerobima ireo ny fanatitra natolony ho an’i Jehovah. Azo inoana fa nampiasa afo izy ireo tamin’izay (na dia tsy resahin’ny Baiboly mivantana aza), na nanantena fa handatsaka afo handevonana ny fanatiny ireo kerobima. (Ge 4:3, 4) Tsy maintsy ho nampiasa afo mahamay be i Tobala-kaina rehefa nanefy varahina sy vy, satria mari-pana 1535° C vao mampitsonika vy. (Ge 4:22) ‘Nodorana tao anaty lafaoro’ ny biriky namboarina taorian’ny Safodrano, nefa nisy koa nohamainina tamin’ny masoandro fotsiny. (Ge 11:3) Fanaon’ny olona taloha ny nitondra na naka afo, satria sarotra be ny nandrehitra afo.—Ge 22:6; Is 30:14.
-