Fiadiana Amin’ny Fangejan’ny Ota eo Amin’ny Nofo Tsy Lavorary
“Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)”. — ROMANA 8:6.
1. Ho amin’ny fikasana inona no namoronana ny olombelona?
“ANDRIAMANITRA nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:27). Taratry ny zavatra iray na taratry ny loharano niavian-javatra iray ny endrika na sary. Araka izany, dia noforonina mba ho taratry ny voninahitr’Andriamanitra ny olombelona. Mitondra fiderana sy voninahitra ho an’ny Mpamorona, ary koa fahasambarana sy fahafaham-po ho an’ny tenany izy ireo, rehefa mampiseho amin’izay rehetra ilofosany ireo toetra araka an’Andriamanitra toy ny fitiavana, ny hatsaram-po sy ny rariny ary ny fifikirana amin’ireo zavatra ara-panahy. — 1 Korintiana 11:7; 1 Petera 2:12.
2. Tamin’ny ahoana ny olon-droa voalohany no diso an’ilay marika?
2 Ampy fitaovana tsara ho amin’izany anjara asa izany ny olon-droa voalohany, izay noforonina ho lavorary. Afaka nanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra tamim-pamirapiratana sy tamim-pitoviana tanteraka izy ireo, toy ny fitaratra izay nolambolamboina hangirana be ny sosony ivelany. Navelan’izy ireo ho vasoka anefa izany sosony ivelany nangirana be izany, rehefa nifidy an-tsitrapo ny tsy hankato ny Mpamorona azy sady Andriamaniny izy ireo. (Genesisy 3:6). Taorian’izay, dia tsy afaka nanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny fomba lavorary intsony izy ireo. Tsy nanana ilay voninahitra avy amin’Andriamanitra izy ireo, diso an’ilay zava-nokendren’Andriamanitra tamin’ny namoronany azy ho tahaka ny endriny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanota izy ireo.a
3. Inona no tena toetran’ny ota?
3 Izany dia manampy antsika hahazo ny hevitry ny tena toetran’ny ota izay nanimba ilay taratry ny fitoviana amin’Andriamanitra sy ny voninahiny ananan’ny olombelona. Mahatonga ny olona ho tsy masina, izany hoe ho tsy madio sy vasoka amin’ny heviny ara-panahy sy ara-pitondran-tena, ny ota. Noho ny olombelona rehetra taranak’i Adama sy i Eva, dia teraka tao anatin’izany toe-piainana vasoka sy tsy madio izany izy ireo, tsy nahatanteraka izay nantenain’Andriamanitra taminy tamin’ny naha-zanany azy ireo. Ary ny fiafarany? Manazava toy izao ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. — Romana 5:12; ampitahao amin’ny Isaia 64:5.
Ny fangejan’ny ota eo amin’ny nofo tsy lavorary
4-6. a) Ahoana no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona ny ota amin’izao andro izao? b) Inona no fiafaran’ireo fiheverana maoderina momba ny ota?
4 Ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia tsy mihevitra ny tenany ho tsy madio, ho vasoka, na ho mpanota. Raha ny marina, dia saiky nanjavona tanteraka tao amin’ny voambolana fampiasan’ny ankamaroan’olona ny hoe ota, amin’ny maha-teny azy io. Hiresaka ny amin’ny hoe fahadisoana angamba izy ireo, sy ny hoe fanaovana ny tsy mety ary ny hoe diso tetika. Fa ny hoe ota? Saiky sanatria izany! Na dia ho an’ireo izay mbola milaza tena ho mino an’Andriamanitra aza, hoy i Alan Wolfe, profesora amin’ny sosiolojia, “dia nahaforona fitambaran-javatra inoana ara-pitondran-tena ny fampianarany [ny an’Andriamanitra], fa tsy fehezan-dalàna momba ny fitondran-tena; ‘fanipazan-kevitra 10’, fa tsy didy 10”.
5 Inona no fiafaran’izany fomba fisainana izany? Fandavana ny tena fisian’ny ota, na fara faharatsiny, tsy firaharahana azy io. Izany dia niteraka taranaka iray izay mivaona be ny fahafantarany ny tsara sy ny ratsy, dia taranaka izay tsy misalasala mametra ny fari-pitsipiny manokana eo amin’ny fitondran-tena, ary tsy mahatsapa andraikitra na amin’iza na amin’iza amin’izay rehetra fidiny hatao. Amin’ny olona toy izany, dia ny tsy fahatsapan-tena ho meloka no hany fari-pitsipika itsarana raha mety na tsia ny fomba fanaovan-javatra iray. — Ohabolana 30:12, 13; ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:5, 20.
6 Tamin’ny fandaharana fanadihadiana iray tao amin’ny televiziona, ohatra, dia nisy tanora nasaina nilaza ny fiheverany ilay antsoina hoe fahotana mahafaty fito.b “Tsy ota ny fireharehana”, hoy ny fanambaran’ny mpandray anjara iray. “Tokony hihevi-tena ho tsara ianao.” Mikasika ny hakamoana, dia hoy ny hafa iray: “Tsara ny ho toy izany indraindray. (...) Tsara indraindray ny maka aina sy manome fotoana ho an’ny tenanao manokana.” Na dia ilay mpiteny tao amin’ny televiziona aza dia nanome izao fanazavana tsy miolakolaka izao: ‘Tsy asa ratsy ny fahotana mahafaty fito, fa fientanam-pon’olombelona amin’ny ankapobeny kosa, izay mety hanorisory sady mety hahafinaritra be.’ Eny, nanjavona niaraka tamin’ny hevitra momba ota ny fahatsapan-tena ho meloka, satria, raha dinihina tokoa, dia tena mifanohitra amin’ny fahatsapan-tena ho meloka ny fiheveran-tena ho tsara. — Efesiana 4:17-19.
7. Araka ny Baiboly, ahoana no fiantraikan’ny ota eo amin’ny olombelona?
7 Izao no ambaran’ny Baiboly mazava, mifanohitra tanteraka amin’izany rehetra izany: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Na dia ny apostoly Paoly aza dia niaiky toy izao: “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” (Romana 7:18, 19). Tsy nitsetra tena tafahoatra akory i Paoly teo. Noho fahatakarany tsara hoe hatraiza ny olombelona no tsy nanana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra kosa no nahatsapany lalina ny fangejan’ny ota teo amin’ny nofo tsy lavorary. “Indrisy! olo-mahantra aho!”, hoy ny fanambarany, “Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” — Romana 7:24.
8. Fanontaniana inona avy no tokony hataontsika amin’ny tenantsika? Nahoana?
8 Ahoana no fihevitrao ilay raharaha? Mety hiaiky ianao fa amin’ny maha-taranak’i Adama anao, dia tsy lavorary sahala amin’ny olon-kafa rehetra ianao. Ahoana anefa no fiantraikan’izany fahalalana izany eo amin’ny fisainanao sy ny fomba fiainanao? Manaiky azy io ho toy ny zava-misy eo amin’ny fiainana ve ianao ka hanohy fotsiny hanaraka ireo fironana nolovanao? Sa ianao manao ezaka tsy an-kijanona mba hiadiana amin’ny fangejan’ny ota eo amin’ny nofo tsy lavorary, mikely aina mba hanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fomba mamirapiratra araka izay farany azo atao eo amin’izay rehetra ataonao? Tokony hampanahy mafy ny tsirairay amintsika izany, noho ilay voalazan’i Paoly hoe: “Izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)”. — Romana 8:5, 6.
Fihevitry ny nofo
9. Nahoana ‘ny fihevitry ny nofo no midika ho fahafatesana’?
9 Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana”? Matetika ny teny hoe “nofo”, dia ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazana ny olombelona ao anatin’ny tsy fahalavorariany, ‘notorontoronina tao amin’ny ota’ amin’ny maha-taranak’ilay Adama nikomy, azy. (Salamo 51:5; Joba 14:4). Araka izany dia nananatra ireo Kristiana i Paoly mba tsy hametraka ny sainy ho amin’ireo fironana sy fientanam-po ary faniriana ratsin’ny nofo tsy lavorary. Fa nahoana? Any an-toeran-kafa dia lazain’i Paoly amintsika ny atao hoe asan’ny nofo ary avy eo, dia nanampy izao fampitandremana izao izy: “Izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — Galatiana 5:19-21.
10. Inona no dikan’ny hoe ‘fihevitra’?
10 Misy ve anefa tsy fitoviana lehibe eo amin’ny fiheverana zavatra iray sy ny fanaovana izany? Marina fa ny fieritreretana zavatra iray akory tsy mitarika foana ho amin’ny fanaovana azy io. Kanefa ny hoe fihevitra dia lasa lavitra kokoa noho ny hoe fananana eritreritra miserana fotsiny. Ilay teny nampiasain’i Paoly dia phroʹne·ma amin’ny fiteny grika, ary milaza “fomba fieritreritra, (fironan’ny) saina, (...) zava-kendrena, faniriana mafy, fikelezana aina”. Noho izany, “ny fihevitry ny nofo” dia midika hoe fehezin’ny filan’ny nofo tsy lavorary, tonga fananany sy tapahiny ary entiny. — 1 Jaona 2:16.
11. Tamin’ny ahoana i Kaina no nihevitra ny nofo, ary inona no vokatr’izany?
11 Manazava tsara ilay hevitra ny lalana narahin’i Kaina. Rehefa nipoitra tao am-pon’i Kaina ny fialonana sy ny fahatezerana, dia nampitandrina azy toy izao i Jehovah Andriamanitra: “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” (Genesisy 4:6, 7). Nisy safidy teo anatrehan’i Kaina. Moa ve izy ho “tsara toetra”, izany hoe hametraka ny sainy sy ny zava-kendreny ary ny faniriany mafy ho amin-javatra tsara? Sa kosa izy hanohy hihevitra ny nofo, ka hampifantoka ny sainy ho amin’ilay fironan-dratsy izay namitsaka tao am-pony? Araka ny nanazavan’i Jehovah azy, ny ota dia ‘namitsaka teo am-baravarana’, niandry ny hiantsambotra sy handrapaka an’i Kaina, raha namela izany izy. Tsy niady sady tsy ‘nanapaka’ ny filan’ny nofony anefa i Kaina, fa namela azy io kosa hanapaka azy, ka izany dia nitarika ho amin’ny fiafarana nahitan-doza.
12. Inona no tokony hataontsika mba tsy handehanana amin’ny “làlan’i Kaina”?
12 Ahoana ny amintsika amin’izao andro izao? Azo antoka fa tsy irintsika ny handeha amin’ny “làlan’i Kaina”, araka ny fitarainana nataon’i Joda mikasika olona sasany teo anivon’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. (Joda 11). Tsy tokony hanjohy hevitra mihitsy isika ka hieritreritra fa tsy manimba ny fampanaranam-po kely ny filan’ny tena manokana, na ny fandikana fitsipika indraindray. Mifanohitra amin’izany indrindra, fa tokony ho mailo isika hamantatra izay mety ho fitaomana ratsy sy manimba mety ho tonga ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika, ka hanaisotra izany haingana alohan’ny hamakan’izany. Manomboka avy ao anaty ny fiadiana amin’ny fangejan’ny ota eo amin’ny nofo tsy lavorary. — Marka 7:21.
13. Amin’ny ahoana ny olona iray no mety ho ‘voafitaky ny filany’?
13 Nety ho nitopy tany amin’ny fisehoan-javatra iray nanafintohina na nahatsiravina, ohatra, ny masonao, na tany amin’ny sary iray nahatonga hieritreri-dratsy na nanaitra ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy tamin’ny fomba manokana. Nety ho sary iray tao amin’ny boky na gazetiboky izany, na fisehoan-javatra iray tao amin’ny sinema na teo amin’ny efi-jerin’ny televiziona, na teo amin’ny peta-drindrina iray, na tamin’ny toe-javatra iray tena nisy teo amin’ny fiainana mihitsy aza. Tsy voatery hanaitra amin’izao fotsiny akory izany, satria mety hiseho — ary tena miseho — izany. Na dia nety ho tsy naharitra afa-tsy segondra vitsivitsy aza anefa io sary na fisehoan-javatra io, dia mety hitoetra maharitra ao an-tsaina ka hipoitra indray indraindray. Inona no ataonao rehefa mitranga izany? Manao zavatra avy hatrany ve ianao mba hiadiana amin’izany eritreritra izany ka manaisotra azy io ao an-tsainao? Sa avelanao hitoetra ao an-tsainao izy io, angamba amin’ny fakana sary an-tsaina ilay zava-nitranga isaky ny mipoitra izany eritreritra izany? Ny fanaovana io farany io dia mety hampandeha ilay fitohitohizam-pisehoan-javatra voalazalazan’i Jakoba hoe: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana”. — Jakoba 1:14, 15; Romana 8:6.
14. Mifanehatra amin’inona isika isan’andro, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana izany?
14 Miaina eo amin’ny tontolo iray ankalazana ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, sy ny herisetra ary ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, isika. Aseho miharihary sy malalaka izany ao amin’ireo boky sy gazetiboky, sinema, fandaharana ao amin’ny televiziona, ary ny mozika be mpitia. Noho izany, dia tototra ara-bakiteny amin’ireo eritreri-dratsy sy hevi-dratsy isan’andro isika. Ahoana no fihetsikao manoloana izany? Mahatsiaro tena ho falifaly sy ho afa-boly amin’izany rehetra izany ve ianao? Sa kosa ianao mitovy fihetseham-po amin’i Lota marina “izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy (...) dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna”? (2 Petera 2:7, 8). Mba hahombiazana eo amin’ny fiadiana amin’ny fangejan’ny ota eo amin’ny nofo tsy lavorary, dia ilaintsika ny ho tapa-kevitra hanao toy ny nataon’ny mpanao salamo: “Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny mivadika, tsy hikambana amiko izany.” — Salamo 101:3.
Fihevitry ny fanahy
15. Fanampiana inona no ananantsika mba hiadiana amin’ny fangejan’ny ota eo amintsika?
15 Zavatra afaka manampy antsika hiady amin’ny fangejan’ny ota eo amin’ny nofo tsy lavorary ilay nanohizan’i Paoly ny teniny hoe: “Ny fihevitry ny Fanahy [dia] fiainana, (sy fiadanana)”. (Romana 8:6). Araka izany, toy izay hanaiky hotapahin’ny nofo, dia tsy maintsy mamela ny saintsika hankeo ambanin’ny fitaoman’ny fanahy isika ka hiroborobo amin’ny fananana ireo zavatry ny fanahy. Inona avy izany? Nanao ny lisitr’izy ireo i Paoly ao amin’ny Filipiana 4:8: “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero [hatrany ireo zavatra ireo, NW ].” Aoka isika handinika akaiky kokoa ka hahazo tsara ny hevitr’ireo zavatra tokony hoheverintsika hatrany.
16. Toetra tsara inona avy no nampirisihan’i Paoly antsika ‘hoheverina hatrany’, ary inona no tafiditra amin’izany?
16 Voalohany indrindra, i Paoly dia nitanisa toetra ara-pitondran-tena valo. Takatsika, mazava ho azy, fa tsy voafetra hieritreritra raharaha mahakasika ny Soratra Masina na ny foto-pampianarana fotsiny akory ny Kristiana amin’ny fotoana rehetra. Misy foto-kevitra na foto-dresaka maro karazana azontsika ampifantohana ny saintsika. Fa ny zava-dehibe, dia ny tsy maintsy ifanarahan’izy ireny amin’ireo toetra ara-pitondran-tena voalazan’i Paoly mazava. Mendrika ny fitandremantsika ny sokajiny tsirairay amin’ireo “zavatra” notononin’i Paoly. Aoka isika handinika azy ireo misesy.
◻ Ny hoe “marina” dia mahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny hoe marina na diso fotsiny. Izy io dia midika hoe milaza ny marina sy mahitsy ary mendri-pitokiana, zavatra izay tena izy, fa tsy miseho ho toy izany fotsiny. — 1 Timoty 6:20.
◻ Ny hoe “manan-kaja” dia milaza zavatra izay mendrika sy fanaja. Izy io dia mampahatsiaro fahatsapana fanajana fatratra, zavatra izay manan-toetra mendri-kaja sy ambony ary tsara laza, fa tsy zavatra tsinontsinona sy ambany.
◻ Ny hoe “mahitsy” dia midika ho fanatratrarana ny fari-pitsipik’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olombelona. Ireo olona eo amin’izao tontolo izao dia mampiasa ny sainy amin’ny teti-dratsy tsy mahitsy, fa isika kosa dia tokony hieritreritra sy hahita fahafinaretana amin-javatra izay mahitsy eo imason’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny Salamo 26:4; Amosa 8:4-6.
◻ Ny hoe “madio” dia midika hoe tsy misy loto sy masina, tsy eo amin’ny fitondran-tena (eo amin’ny lahy sy ny vavy na hafa) ihany, fa eo amin’ny eritreritra sy ny antony manosika koa. “Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha”, hoy i Jakoba. I Jesosy, izay ‘madio’, no Ohatra lavorary tokony hodinihintsika. — Jakoba 3:17; 1 Jaona 3:3.
◻ “Mahate-ho-tia” izay manosika ho tia sy mahatonga hahatsapa fitiavana eo amin’ny hafa. Tokony “hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” isika, fa tsy hampifantoka ny saintsika amin-javatra izay manetsika fankahalana sy lonilony ary fifandirana. — Hebreo 10:24.
◻ Ny hoe “tsara laza” dia tsy midika fotsiny hoe “tsongoin’olom-bolo eo amin’ny tany ama-monina” na hoe “anaovan’ny olona tatitra tsara”, fa midika ho fanaovan-javatra koa, fahaizana mampahery sy manao teny fiderana. Mametraka ny saintsika ho amin-javatra izay mahasoa sy mampahery isika fa tsy amin-javatra mampietry sy manafintohina. — Efesiana 4:29.
◻ Amin’ny fotony, ny hoe “hatsarana” dia mety hidika hoe “hatsaram-po” na “fahatsarana ara-pitondran-tena”. Mety hidika ho fahatsarana na karazany inona na karazany inona anefa izy io. Araka izany, dia azontsika atao ny mankasitraka ireo toetra sy fahamendrehana ary zava-bita sarobidin’ny hafa mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra.
◻ Ireo zavatra “misy dera” dia tena toy izany tokoa raha avy amin’Andriamanitra na avy amin’ny fahefana izay nekeny ara-dalàna ilay fiderana. — 1 Korintiana 4:5; 1 Petera 2:14.
Fampanantenana fiainana sy fiadanana
17. Fitahiana inona avy no ateraky ny “fihevitry ny fanahy”?
17 Rehefa manaraka ny fananaran’i Paoly isika ka ‘mihevitra hatrany ireo zavatra ireo’, dia hahomby isika eo amin’ny “fihevitry ny Fanahy”. Ny vokany dia tsy vitan’ny hoe fitahiana amin’ny fiainana fotsiny, izany hoe fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenaina, fa fiadanana koa. (Romana 8:6). Nahoana? Satria ny saintsika dia voaro amin’ny fitaoman-dratsin’ireo zavatry ny nofo, ary tsy dia misy fiantraikany lehibe loatra eo amintsika intsony ilay ady mafy mahafadiranovana eo amin’ny nofo sy ny fanahy izay voalazalazan’i Paoly. Amin’ny fanoherantsika ny fitaoman’ny nofo, dia mahazo fiadanana avy amin’Andriamanitra koa isika, “satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo”. — Romana 7:21-24; 8:7.
18. Ady inona no ataon’i Satana, ary ahoana no ahafahantsika ho tonga mpandresy?
18 Manao izay afany i Satana sy ireo masoivohony mba hahavasoka ny taratry ny voninahitr’Andriamanitra ananantsika. Iezahan’izy ireo ho azo ny fifehezana ny saintsika amin’ny fanotorana azy io amin’ny fanirian’ny nofo. Fantany fa, amin’ny farany izany dia hitarika ho amin’ny fandrafiana an’Andriamanitra sy ho amin’ny fahafatesana. Afaka ny hivoaka ho mpandresy amin’izany ady izany anefa isika. Sahala amin’i Paoly, dia afaka manambara koa isika hoe: “Misaotra an’Andriamanitra (...) amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” isika, noho ny nanomezany antsika fomba hiadiana amin’ny fangejan’ny ota eo amin’ny nofo tsy lavorary. — Romana 7:25.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mazàna ny Baiboly no mampiasa ilay matoanteny hebreo hoe cha·taʼʹ sy ilay matoanteny grika hoe ha·mar·taʹno mba hilazana ny “ota”. Ireo teny roa ireo dia samy midika hoe “diso”, amin’ny heviny hoe diso na tsy mahatratra tanjona, na marika, na tarigetra iray.
b Araka ny lovantsofina, ny fahotana mahafaty fito dia: avonavona, fitsiriritana, filan-dratsy, fialonana, hatendan-kanina sy fahatezerana ary hakamoana.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona moa no atao hoe ota, ary ahoana no ahafahany mampitombo fangejana eo amin’ny nofo tsy lavorary?
◻ Ahoana no ahafahantsika miady amin’ny “fihevitry ny nofo”?
◻ Inona no azontsika atao mba hampandrosoana ny “fihevitry ny Fanahy”?
◻ Ahoana no itondran’ny “fihevitry ny Fanahy” fiainana sy fiadanana?
[Sary, pejy 15]
Navelan’i Kaina hanapaka azy ireo fironan’ny nofo, ho fahaverezan’ny tenany
[Sary, pejy 16]
Ny fihevitry ny fanahy dia fiainana sy fiadanana