FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Septambra
    • 10, 11. a) Ahoana no nielezan’ny faharatsiana taorian’ny fikomian’i Adama sy Eva? b) Inona no faminaniana nambaran’i Enoka, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona?

      10 Niely haingana be, ohatra, ny faharatsiana taorian’ny nanotan’i Adama. Milaza ny Baiboly fa i Kaina, lahimatoan’i Adama, no mpamono olona voalohany, rehefa namono an’i Abela rahalahiny. (Genesisy 4:8-10) Niteraka zanakalahy hafa antsoina hoe Seta i Adama sy Eva, taorian’ny nahafatesan’i Abela. Izao no voalaza momba azy: “Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy. Tamin’izany no vao niantsoana ny anaran’i Jehovah.” (Genesisy 4:25, 26) Mampalahelo fa mifandray amin’ny fivadiham-pinoana ilay teny hoe ‘niantso ny anaran’i Jehovah’ eto.b Namoron-kira ho an’ny vadiny roa i Lameka, taranak’i Kaina, taona maro taorian’ny nahaterahan’i Enosy. Voalaza ao amin’izy io fa namono tovolahy nandratra azy i Lameka. Nampitandrina koa izy hoe: “Raha valiana fito heny izay mamono an’i Kaina, dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’i Lameka.”—Genesisy 4:10, 19, 23, 24.

  • Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Septambra
    • b Efa niresaka tamin’i Adama i Jehovah, talohan’ny andron’i Enosy. Nekeny ny fanatitr’i Abela, ary niresaka tamin’i Kaina mihitsy izy, talohan’ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny noho ny fialonana sy fahatezerana. Tsy misy ifandraisana amin’ny fivavahana marina àry ilay hoe nanomboka ‘nantsoina ny anaran’i Jehovah.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2027)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara