-
FanambadianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny fananana vady maro, ary toy izany koa ny fisaraham-panambadiana. Noleferiny anefa izy io mandra-pahatongan’ny fotoana nisian’ny fiangonana kristianina. Tsy ela taorian’ny nikomian’i Adama no nisy olona voalohany nanana vady maro. I Lameka, taranak’i Kaina, no olona voalohany resahin’ny Baiboly hoe nampirafy. Voalaza fa “naka vady roa i Lameka.” (Ge 4:19) Miresaka ny zavatra nataon’ny anjely sasany talohan’ny Safodrano ny Baiboly, ka milaza fa naka vady maro araka izay nofidiny ireo zanak’Andriamanitra ireo.—Ge 6:2.
-
-
NefilimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy maintsy ho anjely na “zanak’Andriamanitra” tsy hita maso àry ireo zanak’Andriamanitra resahina ao amin’ny Genesisy 6:2. Antsoina hoe zanak’Andriamanitra mantsy ny anjely, ao amin’ny Joba 1:6; 38:7. Manamarina izany i Petera tamin’izy nanoratra momba “ireo fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa.” (1Pe 3:19, 20) Niresaka momba “ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany” koa i Joda. Nolazainy fa “nandao ny fonenana sahaza azy” izy ireny. (Jd 6) Afaka nitafy nofo ny anjely ka toy ny olona no fahitana azy. Nanao izany ny sasany rehefa nitondra hafatra avy tamin’Andriamanitra. (Ge 18:1, 2, 8, 20-22; 19:1-11; Js 5:13-15) Ny lanitra anefa no tokony ho fonenan’ny anjely, ary mpanompo eo ambany fahefan’i Jehovah izy ireo any. (Da 7:9, 10) Raha mandao ny lanitra àry ny anjely mba honina etỳ an-tany, ary miala amin’ny fanompoana nanendrena azy mba hanao firaisana amin’olombelona, dia mandika ny lalàn’Andriamanitra sy manao zava-betaveta.
Milaza ny Baiboly fa ‘fanahy ao am-ponja’ ireo anjely tsy nankatò ireo ankehitriny, satria ‘natsipy any amin’ny Tartara’ ary “notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.” Toa midika izany fa tsy afa-manao zavatra firy intsony izy ireo, ary tsy afaka mitafy nofo toy ny talohan’ny Safodrano intsony.—1Pe 3:19; 2Pe 2:4; Jd 6.
Nitombo be ny faharatsiana. Lazaina fa “lehilahy nanan-daza” ireo “olo-mahery fahiny” naterak’anjely ireo. Tsy tsara laza teo anatrehan’Andriamanitra anefa izy ireo, ka maty tamin’ny Safodrano, fa tsy tafavoaka velona toa an-dry Noa mianakavy. “Nefilima” izy ireo, ary mpampijaly kely sy mpanjakazaka, ka azo antoka fa anisan’ny nahatonga ny fiainana hiharatsy. Nahalala ny fomba nanaovana ny vatan’olombelona ny anjely rain’izy ireo, sady afaka nitafy nofo. Tsy namorona zavamananaina vaovao anefa ireo anjely ireo. Anjely nitafy nofo kosa izy ireo. Nanambady vehivavy àry izy ireo ka niteraka. Safiotra, araka izany, ireo “olo-mahery” naterany, ary tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nampisy an’ireny zanany ireny. Toa tsy niteraka kosa anefa ny Nefilima.
-
-
Zanak’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ireo resahin’ny Genesisy toko faha-6. Ny Genesisy 6:2-4 no miresaka voalohany momba ireo “zanak’Andriamanitra” hoe ‘tsikaritr’izy ireo fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny’, talohan’ny Safodrano naneran-tany.
Maro ny mpivaofy teny milaza fa olombelona ihany ireo “zanak’Andriamanitra” ireo. Taranak’i Seta nanambady ny taranak’i Kaina ratsy fanahy, hono, ireo “zanak’Andriamanitra” nanambady ny “zanakavavin’olombelona”, satria taranak’i Seta i Noa, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, fa ny taranak’i Adama avy tamin’i Kaina sy ireo zanany hafa (Ge 5:3, 4) kosa ringana tamin’ny Safodrano.
Tsy misy porofo mihitsy anefa hoe navahan’Andriamanitra toy izany ny taranak’olombelona. Tsy misy porofo koa hoe ny nanambadian’ny taranak’i Seta ny taranak’i Kaina no tiana horesahina eo, na hoe ireo “olo-mahery” ao amin’ny Genesisy 6:4 no zanak’izy ireo. Marina fa olona ratsy toetra indraindray no antsoina hoe “zanak’olombelona” (tsy toy ireo “zanak’Andriamanitra”, araka ny hevitr’ireo mpivaofy teny tetsy aloha), nefa tsy voatery ho toy izany foana.—Ampit. Sl 4:2; 57:4; Oh 8:22, 30, 31; Je 32:18, 19; Da 10:16.
Anjely. Ao amin’ny Joba 1:6 indray no ahitana an’ilay teny hoe “zanak’Andriamanitra.” Anjely nivory teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, ary teo koa i Satana izay “avy nivezivezy teny ambonin’ny tany.” (Jb 1:6, 7; jereo koa 2:1, 2.) Anjely koa fa tsy olombelona (mbola tsy noforonina tamin’izany) ireo ‘zanak’Andriamanitra nihoby’, rehefa ‘nametraka ny vato fehizoron’ny’ tany Andriamanitra. (Jb 38:4-7) Zavaboary any an-danitra koa àry fa tsy eto an-tany, “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Salamo 89:6.—Jereo ANDRIAMANITRA (Teny hebreo).
Tsy eken’ireo mpivaofy teny tetsy aloha anefa hoe anjely “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2-4. Ny faharatsian’ny olombelona mantsy, hono, no resahin’ny teny manodidina. Ny nidinan’ny anjely tetỳ an-tany anefa no nampitombo haingana ny faharatsiana. Eritrereto ireo fanahy ratsy tamin’ny andron’i Jesosy. Izy ireo no nahatonga ny olona hahavita zavatra mahatsiravina, na dia tsy nitafy nofo aza. (Jereo DEMONIA; DEMONIA, OLONA MISY.) Mety àry ny fitantaran’ny Genesisy hoe nidina tetỳ an-tany ireo anjely, satria izany no anisan’ny nahatonga ny faharatsiana hanjaka talohan’ny Safodrano.
Manamarina izany ny tenin’ny apostoly Petera. Noresahiny ny amin’ireo “fanahy tao am-ponja izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa” (1Pe 3:19, 20), sy ny amin’ireo “anjely nanota” talohan’ny nandravana an’ilay “tontolo fahiny.” (2Pe 2:4, 5) Nilaza koa i Joda fa nisy ‘anjely tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.’ (Jd 6) Raha tsy anjely anefa “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2-4, dia tsy mazava ny tian’i Petera sy Joda holazaina. Lasa tsy fantatra mantsy hoe inona no nataon’ireo anjely tsy nankatò, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny andron’i Noa.
Nitafy nofo tokoa ny anjely indraindray, ary nisy aza niara-nihinana sy nisotro tamin’ny olona. (Ge 18:1-22; 19:1-3) Nilaza i Jesosy fa ho tahaka “ny anjely any an-danitra” ireo hatsangana amin’ny maty, satria tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina. Tsy manambady àry ny anjely, satria tsy misy hoe lahy na vavy izy ireny. (Mt 22:30) Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka mitafy nofo izy ireo, na tsy afaka manambady vehivavy. Hoy i Joda, rehefa avy niresaka momba an’ireo anjely tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao “ny fonenana sahaza azy” (ny lanitra): “Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny, izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana toy ireo anjely ireo koa, ka nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao. Aseho ho anatra ho antsika ireo tanàna ireo.” (Jd 6, 7) Asehon’ny Baiboly fa anjely ireo nikomy ka nanao zavatra tsy fanao, tamin’ny andron’i Noa. Azo antoka àry fa anjely ireo “zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2-4.—Jereo NEFILIMA.
-