Velona Amin’ny Finoana ny Fampanantenan’Andriamanitra
“Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory”. — ISAIA 46:9, 10.
1, 2. Inona avy ireo fomba fihevitra samy hafa momba ny fidiran’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny tany?
TONGA hatraiza ny fidiran’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny tany? Samy manana ny fomba fiheviny ny olona. Misy mihevitra fa tsy miditra amin’izany mihitsy Andriamanitra. Rehefa avy namorona izy, ka nampandeha ny zava-drehetra, dia izao, hono, no nitranga: na tsy ta hanao zavatra ho antsika izy, na tsy afaka manao zavatra ho antsika. Araka io fomba fihevitra io, Andriamanitra dia toy ny raim-pianakaviana iray mampitaingina bisikileta vaovao ny zanany, ka mampijoro tsara ilay bisikileta, ary avy eo dia manosika azy io indray mandeha mba handehanan’ilay zanany ho eo amin’ny arabe. Aorian’izay, dia lasa ilay raim-pianakaviana. Mandeha irery ilay zanany; mety hianjera izy na tsia. Na ahoana na ahoana, dia tsy eo am-pelatanan’ilay raim-pianakaviana intsony ny raharaha.
2 Misy mihevitra kosa fa tena mitarika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika Andriamanitra, ary miditra an-tsehatra mivantana amin’ny zava-mitranga rehetra manerana ny zavatra noforoniny izy. Raha izany anefa no izy, dia hisy hanatsoaka hevitra fa tsy ny zava-mitranga tsara ihany no avy amin’Andriamanitra, fa ny heloka bevava sy ny fahoriana manjo ny olombelona koa. Ny fahalalana ny marina momba ny fomba fiasan’Andriamanitra, dia hanampy antsika hahafantatra izay tokony hampoizintsika fa hataony. Izany koa dia hanatanjaka ny finoantsika fa azo antoka ho tanteraka ny fampanantenany. — Hebreo 11:1.
3. a) Ahoana no ahafantarantsika fa Andriamanitra manana fikasana i Jehovah? b) Nahoana i Jehovah no lazaina ho ‘mamolavola’ ny fikasany?
3 Mba hamaliana ilay fanontaniana hoe miditra amin’ny raharahan’olombelona ve Andriamanitra sa tsia, dia tena zava-dehibe ny hahafantarana ny hoe Andriamanitra manana fikasana i Jehovah. Izany no hevitra fonosin’ny anarany. Ny dikan’ny hoe “Jehovah” dia hoe “Mahatonga Izy”. Mahatonga ny tenany ho Mpanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah, amin’ny fanaovan-javatra miandalana. Noho izany, dia lazaina ho ‘mamolavola’ ny fikasany momba ireo fisehoan-javatra na asa hatao amin’ny hoavy i Jehovah. (2 Mpanjaka 19:25, NW; Isaia 46:11, NW ). Io teny io dia avy amin’ilay teny hebreo hoe ya·tsarʹ, izay mifandray amin’ilay teny midika hoe “mpanefy tanimanga”. (Jeremia 18:4). Hain’ny mpanefy tanimanga mahay iray ny mamolavola vongan-tanimanga ho vazy tsara tarehy. Torak’izany koa, fa i Jehovah dia mahay mamolavola, na mitantana, ny toe-javatra mba hanatanterahana ny sitrapony. — Efesiana 1:11.
4. Ahoana no nanomanan’Andriamanitra ny tany mba honenan’ny olombelona?
4 Fikasan’Andriamanitra, ohatra, ny hahatonga ny tany ho toerana faran’izay kanto, honenan’ny olombelona lavorary sy mpankato. (Isaia 45:18). Efa nanao fanomanana tamim-pitiavana ho an’ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany i Jehovah, ela be talohan’ny namoronany azy ireo. Voalazalaza ao amin’ireo toko fanokafana ny bokin’ny Genesisy ny fomba nanaovan’i Jehovah ny andro sy ny alina, ny tany maina sy ny ranomasina. Namorona ny zavamaniry sy ny biby izy nony avy eo. Naharitra an’arivony taona maro io fanomanana ny tany hatao fonenan’ny olombelona io. Vita tamim-pahombiazana ilay tetik’asa. Ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany dia nanomboka ny fiainany tao Edena, izay paradisam-pahafinaretana nisy ny zava-drehetra nilainy mba hifaliany tamin’ny fiainana. (Genesisy 1:31). Tamin’izany fomba izany no nidiran’i Jehovah mivantana tamin’ny raharahan’ny tany, ka namolavolany miandalana ny asany mba hanatanterahana ny fikasany mendri-kaja. Nanova izany fidirany an-tsehatra izany ve ny fitaran’ny fianakavian’olombelona?
Manisy fetra amin’ny fifampiraharahany amin’ny olombelona i Jehovah
5, 6. Nahoana no asian’Andriamanitra fetra ny fifampiraharahany amin’ny olombelona?
5 Tsy mitarika na mifehy ny tsipiriany tsirairay amin’izay ataon’ny olombelona i Jehovah, na dia manan-kery hanao izany aza izy. Maro ny anton’izany. Ny antony iray dia noho isika olombelona noforonina araka ny endrik’Andriamanitra, ka manana safidy malalaka, afaka manao izay tiantsika hatao. Tsy manery antsika hanaraka ny didiny i Jehovah, ary tsy baikoiny amin’izay ataontsika rehetra isika. (Deoteronomia 30:19, 20; Josoa 24:15). Marina fa ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra isika ny amin’izay ataontsika. Na izany aza, dia nanome antsika tamim-pitiavana fahalalahana lehibe hanapa-kevitra ny amin’ny fomba hitondrantsika ny fiainantsika izy. — Romana 14:12; Hebreo 4:13.
6 Mifandray amin’ilay raharaha napoitran’i Satana tany Edena ny antony iray hafa tsy itarihan’Andriamanitra ny zava-drehetra mitranga. Nihaika ny fiandrianan’Andriamanitra i Satana. Nanolotra an’i Eva ilay toa fahafahana hahaleo tena i Satana, dia fanolorana neken’i Eva, ary neken’i Adama nony avy eo. (Genesisy 3:1-6). Ho setrin’izany, dia navelan’Andriamanitra hanapa-tena samirery ny olombelona, mandritra ny fe-potoana iray, mba hanaporofoana raha marina ny fihaikan’i Satana na tsia. Izany no antony tsy azo anomezan-tsiny an’Andriamanitra noho ireo zava-dratsy ataon’ny olona ankehitriny. Izao no nosoratan’i Mosesy momba ny olona mpikomy: “Efa nasian-dratsy Izy; tsy zana[k’Andriamanitra] ireny — tsinin[’izy ireny] izany”. — Deoteronomia 32:5.
7. Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ny tany sy ny olombelona?
7 Na dia namela ny olona hanana safidy malalaka sy hanandrana hanapa-tena samirery aza anefa i Jehovah, dia tsy hoe tsy niditra mihitsy tamin’ny raharahan’ny tany izy. Raha tsy niditra mihitsy mantsy izy, dia tsy ho azontsika nantenaina firy ny hanatanterahany ny fampanantenany. Tsy nanova ny fikasany feno fitiavana ho an’ny tany sy ny olombelona i Jehovah, na dia nikomy tamin’ny fiandrianan’Andriamanitra aza i Adama sy i Eva. Azo antoka fa hanova ny tany ho paradisa, ho fonenan’ny olona lavorary sy mpankato ary sambatra, i Jehovah. (Lioka 23:42, 43). Voalazalaza ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy, ny fomba nanaovan’i Jehovah zavatra miandalana mba hanatanterahana izany fikasana izany.
Manao zavatra Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony
8. Nahafaoka inona ny fitondrana ny Isiraelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina?
8 Nasehon’Andriamanitra teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny firenen’ny Isiraely, fa hanatanteraka ny fikasany izy. Nanome toky an’i Mosesy, ohatra, i Jehovah, fa hanafaka ny Isiraelita avy tany Ejipta izy ka hitondra azy ireo ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, izay tany tondra-dronono sy tantely. (Eksodosy 3:8). Fanambarana lehibe nanome toky izany. Ho voafaoka amin’izany ny fanafahana ireo Isiraelita ireo, izay niisa telo tapitrisa teo ho eo niaraka tamin’ireo namany, dia ny fanafahana azy ireo tamin’ny firenena natanjaka iray izay nanohitra mafy ny fiaingan’izy ireo. (Eksodosy 3:19). Firenena natanjaka izay hanohitra mafy ny fahatongavan’izy ireo koa no tao amin’ilay tany hitondrana azy ireo. (Deoteronomia 7:1). Tany efitra iray izay hilan’ny Isiraelita sakafo sy rano no teo anelanelany. Toe-javatra namela an’i Jehovah hampiseho ny heriny fara tampony sy ny maha Andriamanitra azy izany. — Levitikosy 25:38.
9, 10. a) Nahoana i Josoa no afaka nanamarina fa azo ianteherana ny fampanantenan’Andriamanitra? b) Ahoana no maha zava-dehibe ny fananantsika toky fa afaka mamaly soa ny olony mahatoky Andriamanitra?
9 Nitarika ny Isiraelita hivoaka avy tao Ejipta i Jehovah, tamin’ny fanaovan-javatra maromaro nisesy izay nampisehoany ny heriny. Voalohany, dia nandefa loza folo nitondra fandravana lehibe teo amin’ny firenen’i Ejipta izy. Avy eo dia nampisaraka ny Ranomasina Mena izy, ka afa-nandositra ny Isiraelita. Maty tao kosa ny tafika ejipsianina nanenjika avy tao aoriana. (Salamo 78:12, 13, 43-51). Taorian’izany, dia nikarakara ny Isiraelita tany an’efitra izy nandritra ny 40 taona, ka namelona azy ireo tamin’ny mana, nanome rano, ary nataony mihitsy aza izay tsy haharovitra ny fitafian’izy ireo sy tsy hampivonto ny tongony. (Deoteronomia 8:3, 4). Rehefa tafiditra tao amin’ilay Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, dia nitarika azy ireo handresy ireo fahavalony i Jehovah. Vavolombelona nahita maso ireo zavatra rehetra ireo i Josoa, izay naneho finoana natanjaka ny fampanantenan’i Jehovah. Afaka nilaza tamin-toky toy izao tamin’ireo loholona tamin’ny androny àry izy: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra”. — Josoa 23:14.
10 Matoky tanteraka koa ny Kristianina ankehitriny, toa an’i Josoa fahiny, fa vonona hanao zavatra sady afaka manao zavatra ho an’ireo manompo azy Andriamanitra. Tapany lehibe amin’ny finoantsika io fiekena mafy io. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa (...) Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy [Izy].” — Hebreo 11:6.
Mahatsinjo mialoha ny hoavy Andriamanitra
11. Anton-javatra inona avy no mahatonga an’Andriamanitra ho afaka hanatanteraka ny fampanantenany?
11 Hitantsika hatreto fa manome safidy malalaka sady mamela ny olombelona hanapa-tena samirery Andriamanitra, kanefa, etsy an-danin’izany, dia manan-kery hanatanteraka ny fikasany izy, no sady vonona hanao izany. Misy anton-javatra hafa iray anefa mahatonga ho azo antoka ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra. Mahatsinjo mialoha ny hoavy i Jehovah. (Isaia 42:9). Izao no nolazain’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, — dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra”. (Isaia 46:9, 10). Fantatry ny mpamboly za-draharaha iray ny fotoana sy ny toerana tokony hamafazany voa, kanefa mety ho mbola tsy azony antoka ny zavatra hitranga. Ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay” anefa dia manana fahalalana araka ny marina mba hahafantarana tsara mialoha ny fotoana sy ny toerana tokony hanaovany zavatra mba hanatanterahana ny fikasany. — 1 Timoty 1:17, NW.
12. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jehovah fahaiza-mamantatra ny hoavy tamin’ny andron’i Noa?
12 Diniho ny fomba nanehoan’Andriamanitra fahaiza-mamantatra ny hoavy, tamin’ny andron’i Noa. Nameno ny tany ny faharatsiana niely patrana, koa tapa-kevitra ny handringana ny olombelona tsy mpankato Andriamanitra. Nametra fotoana izy hoe rehefa afaka 120 taona no hanaovany izany. (Genesisy 6:3). Tsy ny fandringanana ny ratsy fanahy ihany akory no noheverin’i Jehovah, rehefa nametra io fotoana hentitra io izy. Azony natao na rahoviana na rahoviana mantsy ilay fandringanana. Tao anatin’ny fandaharam-potoanan’i Jehovah koa ny fitsimbinana ny olo-marina. (Ampitahao amin’ny Genesisy 5:29.) Noho ny fahendreny, dia fantatr’Andriamanitra mialoha ny fotoana tokony hampanaovana ilay asa izay hitarika ho amin’izany zava-kendrena izany. Nanome fanazavana nisy tsipiriany ampy tsara ho an’i Noa izy. Tokony hanorina sambo fiara iray “hamonjena ny ankohonany” i Noa, ary horinganina amin’ny safo-drano iray haneran-tany ny ratsy fanahy. — Hebreo 11:7; Genesisy 6:13, 14, 18, 19.
Tetik’asa fanorenana goavana
13, 14. Nahoana no zava-tsarotra ny fanorenana ilay sambo fiara?
13 Diniho io asa nanendrena an’i Noa io, araka ny nahitany azy. Olon’Andriamanitra i Noa, koa fantany fa afaka nandringana ny ratsy fanahy i Jehovah. Talohan’ny hitrangan’izany anefa, dia nisy asa tokony hatao, ary asa nitaky finoana. Ho tetik’asa goavana ilay fanorenana ny sambo fiara. Nofaritan’Andriamanitra mazava tsara ny refiny. Hihoatra ny halavan’ny kianja filalaovam-baolina ankehitriny ny halavan’ilay sambo fiara, ary hitovy haavo amin’ny trano misy rihana efatra izy io. (Genesisy 6:15). Sady tsy za-draharaha ireo mpanorina no vitsy. Tsy nanana ireo fitaovana ary fomba misy ankehitriny izy ireo. Ankoatra izany, dia tsy nahay namantatra ny hoavy toa an’i Jehovah i Noa. Koa tsy nisy fomba nahafantarany ny toe-javatra hitranga arakaraka ny fandehan’ireo taona, izay mety hanampy na hanakantsakana ilay tetik’asa fanorenana. Azo inoana fa nisaintsaina fanontaniana maro i Noa. Ahoana no fomba hanangonana ireo fitaovana hanorenana? Ahoana no fomba hamoriana ireo biby? Inona no sakafo hilaina ary hanao ahoana ny habetsahany? Rahoviana marina no hitranga ilay Safo-drano nambara mialoha?
14 Teo koa ireo toe-piainana tamin’izany fotoana izany. Be ny faharatsiana. Nameno ny tany tamin’ny herisetra ireo Nefilima nahery, izay safiotra nateraky ny anjely ratsy fanahy tamin’ny vehivavy. (Genesisy 6:1-4, 13). Ankoatra izany, dia tsy tetik’asa ho azo natao tamim-piafenana ny fanorenana ilay sambo fiara. Ho liana ta hahafantatra ny olona hoe inona no nataon’i Noa, ary holazainy amin’izy ireo izany. (2 Petera 2:5). Azo nampoizina ve fa hankasitraka izy ireo? Sarotra inoana izany! Taona vitsivitsy talohan’izay, dia nanambara ny amin’ny handringanana ny ratsy fanahy i Enoka nahatoky. Tsy tiam-bahoaka mihitsy ilay hafatra nampitainy, hany ka “nentin’Andriamanitra” izy, na nohafoheziny ny androm-piainany. Niharihary fa natao mba hisorohana ny famonoan’ny fahavalon’Andriamanitra azy izany. (Genesisy 5:24; Hebreo 11:5; Joda 14, 15). Tsy vitan’ny hoe tokony hanambara hafatra tsy tiam-bahoaka toy izany i Noa, fa tokony hanorina sambo fiara koa. Rehefa nihanandroso ny fanorenana io sambo fiara io, dia ho fampahatsiahivana nahery ny amin’ny fahatokian’i Noa teo anoloan’ireo ratsy fanahy niara-belona taminy izy io!
15. Nahoana i Noa no natoky fa ho afaka hanatontosa ilay asa nanendrena azy izy?
15 Fantatr’i Noa fa nanohana sy nitahy ilay tetik’asa ilay Andriamanitra Tsitoha. Moa ve tsy i Jehovah mihitsy no nanendry azy hanao ilay asa? Nanome toky an’i Noa i Jehovah fa hiditra ao amin’ny sambo fiara iray vita tanteraka izy mianakavy, ka ho voatsimbina mandritra ilay Safo-drano haneran-tany. Nohamafisin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanekena navesa-danja iray mihitsy aza ny maha azo antoka izany. (Genesisy 6:18, 19). Azo inoana fa nahatakatra i Noa hoe efa tsinjon’i Jehovah mialoha no sady efa notombanany izay zavatra rehetra ho tafiditra amin’ilay tetik’asa, talohan’ny nanendreny an’i Noa. Ankoatra izany, dia fantatr’i Noa fa nanan-kery hisalovanana Andriamanitra mba hanampy azy, rehefa nilaina izany. Koa nanosika an’i Noa hanao zavatra àry ny finoany. Toa an’i Abrahama taranany, i Noa dia “natoky indrindra fa izay nolazain[’Andriamanitra] dia hainy hatao koa”. — Romana 4:21.
16. Arakaraka ny fandrosoan’ny fanorenana ilay sambo fiara, tamin’ny ahoana no nihanatanjaka ny finoan’i Noa?
16 Nihanatanjaka ny finoan’i Noa, rehefa nandeha ireo taona ka nihanisy endriny ilay sambo fiara. Voavaha ireo olana momba ny fanorenana sy ny fandaminana ny asa. Voatohitra ireo fisedrana. Tsy nisy fanoherana nahasakana ilay asa. Nahatsapa ny fanohanan’i Jehovah sy ny fiarovany ry Noa mianakavy. Rehefa nitozo ihany i Noa, dia ‘nitondra fiaretana ny finoany voazaha toetra’. (Jakoba 1:2-4, NW ). Vita ilay sambo fiara tamin’ny farany, tonga ilay Safo-drano, ary tafita velona ry Noa mianakavy. Nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra i Noa, toa an’i Josoa koa tatỳ aoriana. Novalian-tsoa ny finoan’i Noa.
Manohana ilay asa i Jehovah
17. Amin’ny lafiny inona avy no tahaka ny tamin’ny andron’i Noa ny androntsika?
17 Nambaran’i Jesosy mialoha fa ho tahaka ny tamin’ny andron’i Noa ny androntsika. Tapa-kevitra indray ny handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, ary nametra fotoana hitrangan’izany izy. (Matio 24:36-39). Efa nanao fanomanana koa izy mba hitsimbinana ny olo-marina. Raha tokony hanorina sambo fiara i Noa, ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny kosa dia tokony hanambara ny fikasan’i Jehovah, hampianatra ny Teniny, ary hanao mpianatra. — Matio 28:19.
18, 19. Ahoana no ahafantarantsika fa tohanan’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara?
18 Raha tsy nomba an’i Noa i Jehovah, ka tsy nanohana azy, dia tsy ho voaorina ilay sambo fiara. (Ampitahao amin’ny Salamo 127:1.) Toy izany koa fa raha tsy tohanan’i Jehovah ny Kristianisma marina, dia tsy azo inoana fa haharitra, ary azo antoka fa tsy hiroborobo. Nanaiky izany i Gamaliela, Fariseo sady mpampianatra ny Lalàna nohajaina, tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa naniry hamono an’ireo apostoly ny Synedriona jiosy, dia nampitandrina an’io fitsarana io toy izao izy: “Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana”. — Asan’ny Apostoly 5:38, 39.
19 Noporofoin’ny fahombiazan’ny asa fitoriana, na tamin’ny taonjato voalohany izany na amin’ny andro ankehitriny, fa tsy asan’olona izy io, fa asan’Andriamanitra. Ny lahatsoratra manaraka dia handinika ny sasany amin’ireo toe-javatra sy fisehoan-javatra nampientanentana izay nahatonga io asa io hahomby tokoa amin’ny ambaratonga lehibe aoka izany.
Aza manary toky na oviana na oviana!
20. Iza no manohana antsika eo am-pitoriantsika ny vaovao tsara?
20 Na dia miaina amin’ny “andro mahory” aza isika, dia afaka mahazo antoka fa voafehin’i Jehovah tanteraka ny zava-drehetra. Manohana ny vahoakany izy, eo am-piezahan’izy ireo hamita ny fitoriana ny vaovao tsara, alohan’ny hahatongavan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra hamaranana ity fandehan-javatra ratsy ity. (2 Timoty 3:1; Matio 24:14). Manasa antsika ho tonga “mpiara-miasa” aminy i Jehovah. (1 Korintiana 3:9). Matoky koa isika fa momba antsika i Kristy Jesosy amin’io asa io, ary afaka miantehitra amin’ny fanohanana sy ny fitarihan’ny anjely isika. — Matio 28:20; Apokalypsy 14:6.
21. Fiekena mafy ny amin’ny inona no tsy tokony hariantsika na oviana na oviana?
21 Novonjena tamin’ny ranon’ny safo-drano ry Noa mianakavy, satria naneho finoana ny fampanantenan’i Jehovah. Hovonjena amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy koa ireo izay maneho finoana toy izany ankehitriny. (Apokalypsy 7:14). Miaina amin’ny fotoana tena mampientanentana tokoa isika. Misy fisehoan-javatra lehibe miandry antsika! Tsy ho ela Andriamanitra dia hanao zavatra mba hanorenana lanitra vaovao be voninahitra sy tany vaovao izay hitoeran’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13). Aza manary na oviana na oviana ny fiekenao mafy fa na inona na inona lazain’Andriamanitra, dia ho hainy hatao. — Romana 4:21.
Hevitra Hotadidina
◻ Nahoana i Jehovah no tsy mifehy ny tsipiriany rehetra amin’ny zavatra ataon’ny olombelona?
◻ Tamin’ny ahoana ny fahaizan’i Jehovah manatanteraka ny fikasany no niharihary teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny Isiraely?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fahaizany mamantatra ny hoavy tamin’ny andron’i Noa?
◻ Inona no toky ananantsika, raha ny amin’ny fampanantenan’Andriamanitra?