-
BibyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Biby madio sy maloto. Nozarain’Andriamanitra ho sokajy roa ireo biby nasainy nampidirin’i Noa tao amin’ny sambofiara: Biby madio izay tokony hakany fito avy, ary biby maloto izay tokony hakany roa avy. (Ge 7:2, 3, 8, 9) Azo inoana fa ireo neken’i Jehovah hatao sorona no natao hoe biby madio, satria mbola tsy nahazo alalana hihinan-kena ny olona. Fantatr’i Noa àry hoe inona no biby madio azo natolotra teo ambony alitara, rehefa nivoaka ny sambofiara izy. (Ge 8:20) Tsy nisy biby tsy azon-dry Noa mianakavy nohanina tamin’izany, satria hoy i Jehovah: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.”—Ge 9:3.
-
-
Sakafo, HaninaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy resahin’ny Baiboly hoe nihinana henam-biby ny olona talohan’ny Safodrano. Navahana tamin’ny biby tsy madio ihany ny biby madio, saingy mba hatao sorona fotsiny.—Ge 7:2.
-