BIBY MANDADY
1. Midika hoe “mandady” na “mihetsiketsika” ny matoanteny fototenin’ny hoe remes (heb.). (Ge 1:21, 28) Mirenireny kosa no dikany, hoy ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i Koehler sy Baumgartner. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 895; ampit. Ha 1:14.) Toa azo ilazana biby isan-karazany ny hoe remes, izay nadika hoe “biby mandady” ao amin’ny Baiboly, mba hanavahana azy amin’ny bibidia sy biby fiompy, vorona, ary trondro. (Ge 1:24, 25; 6:7, 20; 7:14, 23; 8:17, 19; 9:3; Ezk 8:10; 38:20) Mety ho anisan’ny remes koa ny biby hafa, na an-tanety na an-dranomasina, izay tsy ao anatin’ireo sokajy lehibe ireo.—Sl 104:25.
Momba “ny bibidia sy ny biby manidina sy ny biby mandady ary ny trondro” ny sasany tamin’ireo ohabolana 3000 nataon’i Solomona mpanjaka hendry. (1Mp 4:33; ampit. Oh 30:19, 24-28.) Nisy fifanekena natao tamin’ny bibidia sy ny voro-manidina ary ny biby mandady amin’ny tany (Ho 2:18), ary anisan’ny zavaboary midera ny Mpamorona izy ireny (Sl 148:10).
Herpetôn (gr.) no mifanitsy amin’ny hoe remes (heb.), ary ilazana biby mandady izy io matetika. Nampiasa azy io ilay nitantara momba ny fahitana hitan’i Petera tao Jopa (As 10:12; 11:6), sy Paoly tamin’izy niresaka fanompoan-tsampy (Ro 1:23), ary Jakoba tamin’izy niresaka an’ireo biby azon’ny olona folahina.—Jk 3:7.
2. Avy amin’ny matoanteny hoe zahal (“misosa”) ny teny hebreo nadika koa hoe biby mandady, izay biby mangatsia-dra, misy hazondamosina, ary mifoka rivotra. Anisan’ny loza hanjo ny Israely nanompo sampy ny “poizin’ny biby mandady amin’ny vovoka”, izany hoe ireo bibilava misy poizina. (De 32:24; ampit. Je 8:17.) Hipararetra hivoaka avy ao amin’ny manda fiarovana, toy ny biby mandady, ny firenena hampisehoan’Andriamanitra ny heriny.—Mi 7:17.
Ankoatra ny bibilava, dia anisan’ny biby mandady resahin’ny Baiboly koa ny tanalahy, katsatsaka, ary androngo hafa.—Jereo ny lahatsoratra manazava azy tsirairay.