-
KananaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nozonin’i Noa i Kanana taorian’ilay zava-nitranga tamin’izy mamo. Naminany i Noa fa ho andevon’i Sema sy Jafeta i Kanana. (Ge 9:20-27) Milaza anefa ny Baiboly fa “i Hama, rain’i Kanana” no ‘nahita ny fitanjahan-drainy ka lasa nilaza izany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.’ Milaza koa ny Genesisy 9:24 fa rehefa nisava ny hamamoan’i Noa, dia “nanjary fantany izay efa nataon’ny faralahiny [“zanany faralahy”, Prot.] taminy.” Nahoana àry no i Kanana fa tsy i Hama no voaozona? Hoy ny fanamarihana ambany pejin’ny Baibolin’i Rotherham, eo amin’io andininy io: “Azo antoka fa i Kanana, fa tsy i Hama, no voaresaka eto: Notahina i Sema sy Jafeta satria nanaja ray aman-dreny; voaozona kosa i Kanana satria nanao zavatra tsy mendrika na dia tsy fantatra aza hoe inona ilay izy; i Hama indray tsy noraharahaina satria tsy niraharaha an-drainy.” Milaza ny boky jiosy iray fa “miresaka an-kolaka momba ny zavatra mamoafady mety ho nataon’i Kanana” io fitantarana fohy io. (Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany, nataon’i J. Hertz, Londres, 1972, p. 34) Nohazavainy fa mety hidika koa hoe “zafikely” ilay teny hebreo nadika hoe “zanany” eo amin’ny andininy faha-24. Hoy ilay boky avy eo: “Azo inoana fa i Kanana no voaresaka eo.” Milaza koa ny boky iray hafa fa misy mihevitra hoe “nanao firaisana mamoafady tamin’i [Noa]” i Kanana, ary io zanak’i Hama faralahy io no antsoin’ilay andininy hoe “faralahiny.”—Ireo Boky Dimy Voalohany Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1956, p. 47.
Tombantombana fotsiny ireo hevitra ireo, satria tsy lazain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ny ratsy nataon’i Kanana tamin’i Noa. Toa nanao ratsy ihany anefa izy, satria miresaka tampoka momba azy ilay fitantarana, aloha kelin’ny hiresahana momba an’ilay fahamamoan’i Noa. (Ge 9:18) Rehefa mitantara ny nataon’i Hama koa ny Genesisy, dia antsoiny hoe “Hama, rain’i Kanana” izy. (Ge 9:22) Voalaza ao fa “nahita ny fitanjahan-drainy” izy. Ilazana firaisana amin’olom-pady na firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna matetika, ny hoe ‘mampiharihary’ na ‘mahita ny fitanjahan’ny’ olona iray, ao amin’ny Baiboly. (Le 18:6-19; 20:17) Mety ho nanao zavatra vetaveta na firaisana mamoafady na saika hanao izany tamin’i Noa àry i Kanana, tamin’i Noa tsy nahatsiaro tena. Fantatr’i Hama ilay izy, nefa tsy nisakana an-janany izy na nanasazy azy. Vao mainka aza notantarainy tamin’ireo rahalahiny ilay fanalam-baraka natao tamin’i Noa.
Diniho koa ilay faminaniana nambaran’i Noa, tamin’izy nanozona an’i Kanana. Tsy misy porofo hoe lasa andevon’i Sema sy Jafeta i Kanana, fony fahavelony. Mahalala ny hoavy anefa Andriamanitra sady nampilaza an’i Noa an’ilay ozona. Tsy maintsy misy antony marim-pototra koa matoa tsy faly Andriamanitra. Azo inoana àry fa efa nanana filan-dratsy i Kanana, ka angamba nanaram-po tamin’ny firaisana ara-nofo. Efa tsinjon’Andriamanitra mialoha koa fa hanahaka azy ny taranany, ka ho ratsy ny vokany. Nitovitovy tamin’izany ny nitranga tamin’i Kaina. Efa tsikaritr’i Jehovah fa ratsy ny toe-pony, ka nampitandrina azy izy sao ny ota indray no hifehy azy. (Ge 4:3-7) Efa voamariny koa fa mora voasarika ho amin’ny ratsy ny ankamaroan’ny olona velona talohan’ny Safodrano. Tsy nety nibebaka anefa izy ireo, ka rariny raha naringana. (Ge 6:5) Ny tantaran’ny taranak’i Kanana anefa no tena ahitana fa rariny raha nozonina i Kanana. Tena nalaza ho ratsy fitondran-tena mantsy izy ireo, araka ny hamarinin’ny Baiboly sy ny tantara. Tanteraka ilay ozona natao tamin’i Kanana, 800 taona teo ho eo taorian’ny nilazana azy io. Resin’ny Israelita, taranak’i Sema, mantsy ny taranany. Lasa nofehezin’ny Medianina-Persianina sy ny Grika ary ny Romanina, izay samy taranak’i Jafeta, koa ny Kananita tatỳ aoriana.
-
-
Ozona, ManozonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Taorian’ny Safodrano no nisy olona voalohany nanozona. I Noa no nanozona an’i Kanana, zanak’i Hama, ho lasa andevon’i Sema sy Jafeta. Tanteraka io ozona io, 800 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa resin’ny taranak’i Sema (izany hoe, ny firenen’Israely) ny tanànan’i Kanana. (Ge 9:25-27) Izany no nilazan’i Josoa tamin’ny taranak’i Kanana (ny Gibeonita) hoe vahoaka “voaozona” izy ireo ka natao andevo na mpanompo.—Js 9:23.
-
-
HamaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanambady talohan’ny Safodrano i Hama. Tsy maty tamin’ny Safodrano izy sy ny vadiny, sy ny ray aman-dreniny, ary ny rahalahiny roa sy ny vadin’ireo. (Ge 6:18; 7:13; 8:15, 16, 18; 1Pe 3:19, 20) Taorian’ny Safodrano i Hama vao niteraka.
Nisy zava-dratsy nahavoarohirohy an’i Hama tatỳ aoriana, ka voaozona i Kanana zanany lahy. Mamon-divay mantsy i Noa, ary nanary lamba tao an-tranolainy. Nahita ny fitanjahan-drainy i Hama, ka notantarainy tamin’izy roa lahy rahalahiny izany. Tsy mba nanaja an-drainy izy, nefa i Noa no loham-pianakaviana ary mpanompo sy mpaminany nampiasain’Andriamanitra mba hiarovana ny taranak’olombelona tsy ho lany tamingana. Tena nanaja an’i Noa kosa i Sema sy Jafeta, ka nanao dia nihemotra ary nandrakotra azy tamin’ny lamba fitafy. Tsy nanala baraka an’i Noa izy ireo satria tsy nijery ny fitanjahan-drainy. Nilaza ozona i Noa rehefa nisava ny hamamoany, ary tsy i Hama no nozoniny fa i Kanana zanak’i Hama. Nitso-drano an’i Sema izy avy eo, sady nitso-drano an’i Jafeta. Tsy niresaka momba an’i Hama anefa izy. I Kanana ihany no nozoniny ka nambarany tao amin’ny faminaniana fa ho lasa andevon’i Sema sy Jafeta.—Ge 9:20-27.
Angamba i Kanana mihitsy no nanao an’ilay zava-dratsy, ary tsy nanitsy azy i Hama rainy. Na koa efa tsinjon’i Noa mialoha fa hotahafin’ny taranak’i Kanana ny toetra ratsin’i Hama, izay angamba efa hita teo amin’i Kanana zanany, ka notarihin’ny fanahin’Andriamanitra i Noa hilaza an’ilay faminaniana. Tanteraka ny ampahany tamin’ilay ozona rehefa nandresy an’ireo Kananita ny Israelita taranak’i Sema. Lasa andevon’ny Israelita kosa ireo tsy naringana (anisan’ireny ny Gibeonita [Js 9]). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia tanteraka koa ny ampahany hafa tamin’ilay ozona, rehefa lasa teo ambany vahohon’ny firenena matanjaka avy tamin’ny taranak’i Jafeta ny sasany tamin’ny taranak’i Kanana, zanak’i Hama. Taranak’i Jafeta mantsy ny Medianina sy Persianina, ary ny Grika sy ny Romanina.
-
-
HivitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Resahin’ny Baiboly fa noravan’i Josoa tanteraka ny tanànan’ireny firenena ireny. (Js toko 10, 11) Anisan’ireo foko niaraka tamin’ireo mpanjaka kananita ny Hivita nonina “teo am-pototr’i Hermona [tendrombohitra] any Mizpa”, rehefa nantsoin’i Jabina mpanjakan’i Hazora hiady tamin’i Josoa. (Js 11:1-3) Anisan’ireo niady tamin’ny Israely ny Hivita ka resiny. (Js 9:1, 2; 12:7, 8; 24:11) Nisy foko hivita notsimbinina anefa (Js 9:3, 7), dia ny Gibeonita, izay nisolo tena tanàna hivita telo hafa koa. Izy ireo irery no natahotra an’i Jehovah sy niaiky fa niady ho an’ny Israely Izy. Nampiasa tetika izy ireo ka afaka nanao fifanekena tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Israely. Tsy naringana àry izy ireo fa natao mpanompon’ny Israely. (Js 9:1-15, 24-27) Lasa andevon’ny taranak’i Sema ireo Gibeonita sy ny namany, araka ilay fanozonan’i Noa an’i Kanana.—Ge 9:25-27.
-