-
Fanisan-taonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nalaina avy tamin’ny Genesisy 11:10–12:4 ireo tarehimarika ireo. Voalaza fa teraka “taorian’ny safodrano” i Arpaksada. (Ge 11:10) Ilay fotoana nilatsahan’ny orana rehefa niandoha ny Safodrano (2370 T.K.) no atao hoe “safodrano” eto, fa tsy ny fotoana elaela nijanonan’ny rano teto an-tany. Manamarina izany ny dikan’ny hoe “safodrano” amin’ny teny hebreo.—Ampit. Ge 6:17; 7:4-6, 10-12, 17; 9:11.
-
-
Genesisy, Bokin’nyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Zava-nitranga talohan’ny nahaterahan’i Mosesy daholo no resahin’ny Genesisy. Mety ho Andriamanitra no nilaza mivantana taminy na tamin’olon-kafa velona talohany hoe inona no nitranga talohan’ny namoronana ny olombelona. (Ge 1:1-27; 2:7, 8) Mety ho nampitampitaina koa anefa ilay fitantarana sy ireo tsipiriany hafa, ary ren’i Mosesy tamin’ny farany. Mety ho avy tamin’i Adama ilay izy no lasa fantatr’i Mosesy rehefa nampitampitain’ny olona dimy monja, dia i Metosela, Sema, Isaka, Levy, ary Amrama. Ela niainana mantsy ny olona tamin’izany. Mety ho tantara an-tsoratra efa nisy tamin’izany koa no nakan’i Mosesy an’ilay fitantarana. Nihevitra toy izany i Campegius Vitringa, manam-pahaizana holandey tamin’ny taonjato faha-18. Miverimberina ao amin’ny Genesisy (impito ao amin’ny Prot.) mantsy, hono, ny hoe “Izao no taranak’i/taranaky”, ary indray mandeha ny hoe “Ity no boky milaza ny taranak’i.” (Ge 5:1; 10:1; 11:10, 27; 25:12, 19; 36:1, 9) Tôhledôht no teny hebreo nadika hoe ‘taranaka’, nefa tsara kokoa izy io raha adika hoe “tantara” na “fiandohana.” Hafahafa tokoa, ohatra, raha atao hoe “taranaky ny lanitra sy ny tany” ilay hoe “tantaran’ny lanitra sy ny tany.” (Ge 2:4) Samy manao hoe ‘tantara’ daholo àry eo ny Fandikan-teny Protestanta, Fandikan-teny Katolika, ny Baiboly frantsay Crampon, ary ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Azo antoka fa te hahalala ny tantara marina ny olona tamin’izany, toy ny ankehitriny ihany.
Mihevitra àry i Vitringa sy ny olon-kafa fa tantara an-tsoratra efa nisy ireo tôhledôht resahin’ny Genesisy, na dia tsy misy porofon’izany aza ao amin’ny Baiboly. Nanana an’ireo, hono, i Mosesy, ka avy tamin’ireo no nanovozany hevitra mba hanoratana ny Genesisy. Nanoratra na nanana an’ireo tantara ireo, hono, i Adama, Noa, ireo zanakalahin’i Noa, Sema, Tera, Ismaela, Isaka, Esao, ary Jakoba. Tsy mazava anefa hoe ahoana no nahazoan’i Mosesy an’ireo tantara ireo. Tsy mazava koa hoe nahoana no avy tamin’olona tsy dia tena nanompo an’i Jehovah (toa an’i Ismaela sy Esao) no nahazoana ny ankamaroan’ny tantara ao amin’ny Genesisy. Mety ho teny fampidirana an’ireo fizarana samihafa tao amin’ilay tantara lava be fotsiny àry ny hoe “Izao no tantaran’i.” Ampitahao amin’ny teny fampidirana ny Filazantsaran’i Matio.—Mt 1:1.
-