Andriamanitry ny Fanekena i Jehovah
“Hanaovako fanekena vaovao (...) ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda”. — JEREMIA 31:31.
1, 2. a) Fankalazana inona no natombok’i Jesosy tamin’ny alin’ny 14 Nisana 33 am.f.i.? b) Fanekena inona nifandray tamin’ny fahafatesany no nasian’i Jesosy firesahana?
NIARA-NANKALAZA ny Paska tamin’ireo apostoliny 12 i Jesosy, tamin’ny alin’ny 14 Nisana 33 am.f.i. Koa satria fantany fa io no ho sakafo farany hiarahany amin’izy ireo, ary ho faty tsy ho ela eo an-tanan’ireo fahavalony izy, dia nanararaotra ilay fotoana i Jesosy mba hanazavana raharaha lehibe maro tamin’ireo mpianany akaiky indrindra. — Jaona 13:1–17:26.
2 Tamin’io fotoana io, taorian’ny nandefasana an’i Jodasy Iskariota, no nanorenan’i Jesosy ilay hany fankalazana ara-pivavahana nandidiana ny Kristiana — ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Hoy ny firaketana an-tsoratra: “Raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Matio 26:26-28). Tokony hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy ireo mpanara-dia azy, ka hanao izany amin’ny fomba tsotra sy mendri-kaja. Ary nanisy firesahana ny amin’ny fanekena iray mifandray amin’ny fahafatesany, i Jesosy. Antsoina hoe “fanekena vaovao” izy io ao amin’ny fitantaran’i Lioka. — Lioka 22:20.
3. Fanontaniana inona avy no atao momba ilay fanekena vaovao?
3 Inona ilay fanekena vaovao? Raha io no fanekena vaovao, midika ve izany fa misy fanekena taloha? Misy fanekena hafa mifandray amin’izy io ve? Fanontaniana lehibe ireo, satria nilaza i Jesosy fa ny ra amin’ilay fanekena dia halatsaka “ho famelan-keloka”. Mila mafy izany famelan-keloka izany isika rehetra. — Romana 3:23.
Fanekena tamin’i Abrahama
4. Fampanantenana tranainy inona no manampy antsika hahazo ny hevitr’ilay fanekena vaovao?
4 Mba hahazoana ny hevitr’ilay fanekena vaovao, dia tsy maintsy miverina any amin’ny efa ho 2 000 taona talohan’ny nanompoan’i Jesosy teto an-tany isika, fony niala tany Oran’ny Kaldeana, tanàna nanankarena, i Tera sy ny fianakaviany — anisan’izany i Abrama (Abrahama, tatỳ aoriana) sy i Saray (Saraha, tatỳ aoriana) vadin’i Abrama — ka nandeha tany Harana, tany avaratr’i Mezopotamia. Nitoetra tao izy ireo mandra-pahafatin’i Tera. Avy eo, noho ny didin’i Jehovah, dia niampita ny Ony Eofrata i Abrahama izay efa 75 taona, ka nianatsimo andrefana nankany amin’ny tany Kanana, mba hiaina toy ny mpifindrafindra monina, nonina an-day. (Genesisy 11:31–12:1, 4, 5; Asan’ny Apostoly 7:2-5). Tamin’ny 1943 al.f.i. izany. Raha mbola tany Harana i Abrahama, dia hoy i Jehovah taminy: “Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Nanampy teny toy izao i Jehovah tatỳ aoriana, rehefa avy niampita nankany Kanana i Abrahama: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” — Genesisy 12:2, 3, 7.
5. Mifandray amin’ny faminaniana manan-tantara inona ilay fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama?
5 Nifandray tamin’ny fampanantenan’i Jehovah hafa ilay fampanantenana nomena an’i Abrahama. Raha ny marina, dia io no nahatonga an’i Abrahama ho olo-malaza teo amin’ny tantaran’ny olombelona, ho mason-drojo fampitohizana iray teo amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana voalohany noraketina an-tsoratra. Taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha Edena, dia nanonona didim-pitsarana tamin’izy mivady, i Jehovah. Ary tamin’izay fotoana izay ihany, dia niteny tamin’i Satana, izay namitaka an’i Eva izy, ka nanao hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Notondroin’ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama fa hiseho avy amin’ny taranak’io patriarika io ilay Taranaka, izay amin’ny alalany no handravana ny asan’i Satana.
6. a) Amin’ny alalan’iza no hahatanteraka ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama? b) Inona ilay fanekena abrahamika?
6 Koa satria nifandray tamin’ny taranaka iray ilay fampanantenan’i Jehovah, dia nila nanan-janakalahy i Abrahama mba hiavian’ilay Taranaka. Efa zokiolona anefa izy sy i Saraha, ary mbola tsy nanan-janaka. Farany anefa, dia nitahy azy ireo i Jehovah, tamin’ny fahagagana izay namelona indray ny fahafahan’izy ireo hiteraka, ka nitera-dahy tamin’i Abrahama i Saraha, dia Isaka izany. Tamin’izany fomba izany no nitanana ho velona ilay fampanantenana taranaka iray. (Genesisy 17:15-17; 21:1-7). Taona maro tatỳ aoriana, taorian’ny fitsapana ny finoan’i Abrahama — izay tonga hatramin’ny fitsapana ny fahavononany hanolotra an’i Isaka zanany malala ho sorona — dia namerina ny fampanantenany toy izao tamin’i Abrahama i Jehovah: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:15-18). Io fampanantenana niitatra io matetika no antsoina hoe fanekena abrahamika, ary hifandray akaiky amin’izy io ilay fanekena vaovao tatỳ aoriana kokoa.
7. Ahoana no nanombohan’ny taranak’i Abrahama nitombo isa, ary toe-javatra inona avy no nitarika azy ireo honina tany Egypta?
7 Rehefa nandeha ny fotoana, dia niteraka kambana roa lahy i Isaka, dia i Esao sy i Jakoba. Nifidy an’i Jakoba ho razamben’ilay Taranaka Nampanantenaina, i Jehovah. (Genesisy 28:10-15; Romana 9:10-13). Nanan-janakalahy 12 i Jakoba. Mazava fa tonga izao ny fotoana hanombohan’ny taranak’i Abrahama hitombo. Rehefa olon-dehibe ireo zanakalahin’i Jakoba, ka efa nanana ny ankohonany manokana ny maro taminy, dia nanery azy rehetra hifindra tany Egypta ny mosary iray. Noho ny fitondran’Andriamanitra, dia efa nanomana lalana tany i Josefa, zanakalahin’i Jakoba. (Genesisy 45:5-13; 46:26, 27). Nihena ny mosary tany Kanana rehefa afaka taona vitsivitsy. Nitoetra tany Egypta anefa ny fianakavian’i Jakoba — mpivahiny tany am-boalohany, fa andevo kosa tatỳ aoriana. Tsy nitondra ny taranak’i Jakoba nivoaka an’i Egypta ho amin’ny fahafahana i Mosesy, raha tsy tamin’ny 1513 al.f.i., 430 taona taorian’ny nitan’i Abrahama an’i Eofrata. (Eksodosy 1:8-14; 12:40, 41; Galatiana 3:16, 17). Izao i Jehovah dia hanisy fiheverana manokana ny fanekena nataony tamin’i Abrahama. — Eksodosy 2:24; 6:2-5.
“Ny fanekena taloha”
8. Nifanao inona tamin’ny taranak’i Jakoba tao Sinay i Jehovah, ary inona no nifandraisan’izany tamin’ny fanekena abrahamika?
8 Fianakaviam-be iray i Jakoba sy ny zanany lahy fony nifindra nankany Egypta, kanefa ireo taranany nandao an’i Egypta dia foko maro nisy vahoaka sesehena. (Eksodosy 1:5-7; 12:37, 38). Talohan’ny nitondran’i Jehovah azy ireo tany Kanana, dia nitarika azy ireo nianatsimo, teo am-pototry ny tendrombohitra iray nantsoina hoe Horeba (na Sinay), any Arabia, izy. Nanao fanekena tamin’izy ireo teo, izy. Nanjary nantsoina hoe “ny fanekena taloha” izy io, raha ampifandraisina amin’ilay “fanekena vaovao”. (2 Korintiana 3:14). Tamin’ny alalan’ilay fanekena taloha no nanatanterahan’i Jehovah ara-panoharana an’ilay fanekena nataony tamin’i Abrahama.
9. a) Zavatra efatra inona avy no nampanantenain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanekena abrahamika? b) Fahatsinjovan-javatra fanampiny inona avy no nomen’ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely, ary inona no fepetra amin’izany?
9 Nohazavain’i Jehovah tamin’ny Isiraely toy izao ireo fepetra tamin’io fanekena io: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6). Nampanantena i Jehovah fa ny taranak’i Abrahama dia 1) ho tonga firenena lehibe, 2) homena fandresena manoloana ny fahavalony, 3) handova ny tany Kanana, ary 4) ho fitaovana fampitana fitahiana ho an’ireo firenena. Nambarany izao fa ho azon’ny tenan’izy ireo atao ny handova ireo fitahiana ireo, amin’ny maha-vahoakany manokana azy, dia ny Isiraely, ho “fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina”, raha mankatò ny didiny izy ireo. Nanaiky ny hiditra tao amin’io fanekena io ve ireo Isiraelita? Indray niredona izy ireo namaly hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” — Eksodosy 19:8.
10. Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny Isiraelita ho firenena, ary inona no nantenainy tamin’izy ireo?
10 Noho izany, dia nandamina ny Isiraelita ho firenena iray, i Jehovah. Nanome azy ireo lalàna nifehy ny fanompoam-pivavahana sy ny fiainana sivily, izy. Nanome tabernakely (tempoly tao Jerosalema, tatỳ aoriana) sy fisoronana mba hanaovana fanompoana masina tao amin’ilay tabernakely, koa izy. Ny dikan’ny hoe manaja ilay fanekena dia hoe mankatò ireo lalàn’i Jehovah sy tsy manolotra fanompoam-pivavahana afa-tsy aminy irery ihany, indrindra indrindra. Ny voalohany amin’ny Didy Folo izay votoatin’ireo lalàna ireo dia manao hoe: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.” — Eksodosy 20:2, 3.
Fitahiana amin’ny alalan’ny faneken’ny Lalàna
11, 12. Tamin’ny fomba ahoana avy ireo fampanantenana tao amin’ilay fanekena taloha no tanteraka tamin’ny Isiraely?
11 Tanteraka tamin’ny Isiraely ve ireo fampanantenana tao amin’ny faneken’ny Lalàna? Tonga “firenena masina” ve ny Isiraely? Tamin’ny naha-taranak’i Adama azy, dia mpanota ireo Isiraelita. (Romana 5:12). Na dia izany aza, teo ambanin’ny Lalàna dia nisy sorona natao mba hanaronana ny fahotan’izy ireo. Hoy i Jehovah mahakasika ireo sorona natao tamin’ny Andro Fanavotana isan-taona: “Amin’izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’i Jehovah hianareo.” (Levitikosy 16:30). Rehefa nahatoky àry ny Isiraely, dia firenena masina izy, voadio ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Niankina tamin’ny fankatoavany ny Lalàna sy ny fanaovany sorona tsy tapaka anefa io fahadiovana io.
12 Tonga “fanjakà-mpisorona” ve ny Isiraely? Hatrany am-piandohana, dia fanjakana izy, ka i Jehovah no Mpanjakany tany an-danitra. (Isaia 33:22). Ankoatra izany, dia tafiditra tao amin’ny faneken’ny Lalàna ny fandaharana mba hisian’ny mpanjaka olombelona, hany ka nisolo tena an’i Jehovah ireo mpanjaka nanapaka tao Jerosalema tatỳ aoriana. (Deoteronomia 17:14-18). Fanjakà-mpisorona ve anefa ny Isiraely? Nanana fisoronana izay nanaovana fanompoana masina tao amin’ny tabernakely izy. Foiben’ny fanompoam-pivavahana madio ho an’ny Isiraelita sy ny tsy Isiraelita koa ny tabernakely (ny tempoly, tatỳ aoriana). Ary ilay firenena no hany fitaovana fampitana ny fahamarinana voambara, ho amin’ny taranak’olombelona. (2 Tantara 6:32, 33; Romana 3:1, 2). ‘Vavolombelon’i Jehovah’ avokoa ny Isiraelita nahatoky rehetra, fa tsy ireo mpisorona levita ihany. ‘Mpanompon’i Jehovah’ noforonina mba “hanambara ny fiderana” azy, ny Isiraely. (Isaia 43:10, 21). Vahiny maro nanetry tena no nahita ny herin’i Jehovah nanampiany ny vahoakany ka voasinton’ny fanompoam-pivavahana madio. Tonga proselyta izy ireo. (Josoa 2:9-13). Foko iray monja anefa no tena nanompo tamin’ny naha-mpisorona voahosotra.
Proselyta teo amin’ny Isiraely
13, 14. a) Nahoana no azo lazaina fa tsy mpandray anjara tamin’ny faneken’ny Lalàna ireo proselyta? b) Ahoana no nahatonga ireo proselyta ho eo ambanin’ny faneken’ny Lalàna?
13 Nanao ahoana ny toeran’ireny proselyta ireny? Fony i Jehovah nanao ny fanekeny, dia ny Isiraely ihany no nanaovany izany; tsy voatonona ho mpandray anjara ireo “olona maro samy hafa firenena”, na dia nanatrika teo aza izy ireo. (Eksodosy 12:38; 19:3, 7, 8). Tsy nampidirina ny voalohan-terak’izy ireo rehefa nisaina ny vola avotra ho an’ny voalohan-teraky ny Isiraely. (Nomery 3:44-51). Am-polony taona maro tatỳ aoriana, rehefa nozaraina tamin’ireo fokon’ny Isiraely ny tany Kanana, dia tsy nisy na inona na inona natokana ho an’ireo mpino tsy Isiraelita. (Genesisy 12:7; Josoa 13:1-14). Nahoana? Satria tsy natao tamin’ireo proselyta ny faneken’ny Lalàna. Noforana anefa ireo lehilahy proselyta, ho fankatoavana ny Lalàna. Nitandrina ireo fandidian’ny Lalàna izy ireo ary nandray soa avy tamin’ireo fandaharana natao tao anatin’izy io. Nanjary teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna ny proselyta sy ny Isiraelita. — Eksodosy 12:48, 49; Nomery 15:14-16; Romana 3:19.
14 Raha sendra nahafaty olona tsy nahy, ohatra, ny proselyta iray, dia afaka nandositra tany amin’ny tanàna fandosirana, sahala amin’ny Isiraelita iray, izy. (Nomery 35:15, 22-25; Josoa 20:9). Nisy sorona natao “ho an’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra”, tamin’ny Andro Fanavotana. Tamin’ny naha-anisan’ny fiangonana ny proselyta, dia nandray anjara tamin’ireo zavatra natao izy ireo, ka nahazo fanavotana tamin’ilay sorona. (Levitikosy 16:7-10, 15, 17, 29; Deoteronomia 23:8, 9). Nifanerasera akaiky aoka izany tamin’ny Isiraely ireo proselyta teo ambanin’ny Lalàna, hany ka nandray soa koa ireo proselyta, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., rehefa nampiasaina ho an’ny Jiosy ny voalohany tamin’ny ‘fanalahidin’ny fanjakana’. Ho vokatr’izany, dia tonga Kristiana i “Nikoleo (proselyta avy tany Antiokia)” ary anisan’ireo ‘fito lahy tsara laza’ notendrena hikarakara izay nilain’ny kongregasiona tao Jerosalema, izy. — Matio 16:19; Asan’ny Apostoly 2:5-10; 6:3-6; 8:26-39.
Nitahy ny taranak’i Abrahama i Jehovah
15, 16. Ahoana no nahatanterahan’ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama, teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna?
15 Rehefa nandamina ny taranak’i Abrahama ho firenena iray teo ambanin’ny Lalàna i Jehovah, dia nitahy azy ireo, araka ny fampanantenana nomeny an’ilay patriarika. Nitarika ny Isiraely hankao Kanana i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, tamin’ny 1473 al.f.i. Ny fizarana ilay tany tamin’ireo foko, taorian’izay, dia fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah hanome ilay tany ho an’ny taranak’i Abrahama. Rehefa nahatoky ny Isiraely, dia notanterahin’i Jehovah ny fampanantenany hanome azy ireo fandresena manoloana ny fahavalony. Marina indrindra izany nandritra ny fanapahan’i Davida Mpanjaka. Tanteraka ny lafiny fahatelo amin’ny fanekena abrahamika, tamin’ny andron’i Solomona, zanakalahin’i Davida. “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.” — 1 Mpanjaka 4:20.
16 Ahoana anefa no hitahiana ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny Isiraely, taranak’i Abrahama? Araka ny efa voalaza, dia vahoakan’i Jehovah manokana ny Isiraely, solontenany teo amin’ireo firenena. Fotoana fohy talohan’ny nandrosoan’ny Isiraely nankao Kanana, dia hoy i Mosesy: “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony”. (Deoteronomia 32:43). Vahiny maro no nanaiky izany. Efa nisy “olona maro samy hafa firenena” nanaraka ny Isiraely nivoaka an’i Egypta sy nanatri-maso ny herin’i Jehovah tany an’efitra ary nandre ilay fanasan’i Mosesy mba hihoby. (Eksodosy 12:37, 38). Nanambady an’i Boaza isiraelita i Rota moabita tatỳ aoriana, ka tonga razamben’ny Mesia. (Rota 4:13-22). Nampiavaka ny tenany i Jonadaba kenita sy ny taranany ary i Ebeda-meleka etiopiana, noho ny fanarahan’izy ireo foto-pitsipika marina, tamin’ny fotoana naha-maro ny Isiraelita teratany tsy nahatoky. (2 Mpanjaka 10:15-17; Jeremia 35:1-19; 38:7-13). Teo ambanin’ny Empira Persiana, dia vahiny maro no tonga proselyta ka niaraka tamin’ny Isiraely mba hiady tamin’ny fahavalony. — Estera 8:17, NW, fanamarihana ambany pejy.
Ilaina ny fanekena vaovao
17. a) Nahoana i Jehovah no nanda ny fanjakan’ny Isiraely avaratra sy atsimo? b) Inona no nitarika ho amin’ny fandavana farany an’ireo Jiosy?
17 Na dia teo aza izany, dia tsy maintsy nahatoky ilay firenena manokan’Andriamanitra mba hahazoany amin’ny fomba feno ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy nahatoky anefa izy io. Marina fa nisy Isiraelita nanam-pinoana niavaka. (Hebreo 11:32–12:1). Na dia izany aza, dia nitodika imbetsaka tany amin’ireo andriamanitra sampy ilay firenena, noho ny fanantenany handray soa ara-nofo. (Jeremia 34:8-16; 44:15-18). Nisy olona nanao dika vilana ny Lalàna na tsy niraharaha azy io tsotra izao. (Nehemia 5:1-5; Isaia 59:2-8; Malakia 1:12-14). Nanjary nizara ho fanjakana avaratra sy atsimo ny Isiraely, taorian’ny nahafatesan’i Solomona. Rehefa hita fa nikomy tanteraka ilay fanjakana avaratra, dia izao no nambaran’i Jehovah: “Satria hianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony”. (Hosea 4:6). Voasazy mafy koa ilay fanjakana atsimo noho izy nivadika tamin’ilay fanekena. (Jeremia 5:29-31). Rehefa nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia ny Jiosy, dia nanda azy ireo toy izany koa i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 3:13-15; Romana 9:31–10:4). Farany, dia nanao fandaharana vaovao i Jehovah mba hahatanterahan’ilay fanekena abrahamika amin’ny fomba feno. — Romana 3:20.
18, 19. Fandaharana vaovao inona no nataon’i Jehovah mba hahafahana hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanekena abrahamika?
18 Ny fanekena vaovao izany fandaharana vaovao izany. Efa nanambara izany mialoha i Jehovah fony izy nilaza hoe: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda (...). Izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” — Jeremia 31:31-33.
19 Io ilay fanekena vaovao izay nasian’i Jesosy firesahana tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i. Nambarany, tamin’io fotoana io, fa ilay fanekena nampanantenaina dia nadiva ho raikitra teo amin’ireo mpianany sy i Jehovah, ka i Jesosy no ho mpanalalana. (1 Korintiana 11:25; 1 Timoty 2:5; Hebreo 12:24). Tokony hanana fahatanterahany be voninahitra kokoa sy maharitra kokoa ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama, amin’ny alalan’io fanekena vaovao io, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no nampanantenain’i Jehovah tao amin’ny fanekena abrahamika?
◻ Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny fanekena abrahamika, tamin’ny Isiraely ara-nofo?
◻ Ahoana no nandraisan’ireo proselyta soa tamin’ny fanekena taloha?
◻ Nahoana no nilaina ny fanekena vaovao iray?
[Sary, pejy 9]
Ny faneken’ny Lalàna no nentin’i Jehovah nanatanteraka voalohany an’ilay fanekena abrahamika