-
MpampivelonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nisy mpampivelona teo amin’ny Israelita tamin’izy ireo andevo tany Ejipta. Nampanantsoin’i Farao ny roa tamin’izy ireo, izany hoe i Sifra sy Poha, ka nasain’i Farao namono ny zazalahy hebreo rehetra vao teraka. Lehiben’ny mpampivelona angamba izy roa vavy ireo, ary izy ireo no nampita ny baikon’ny mpanjaka tany amin’ireo mpiara-miasa taminy. Baiko sarotra notanterahina izany, nefa koa nampidi-doza ny tsy fanarahana azy. “Natahotra an’ilay tena Andriamanitra anefa ny mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ireo zazalahy.” Nanao ampamoaka azy roa vavy àry i Farao, ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no nanao izao zavatra izao?” Nanazava izy ireo fa tsy afa-nanoatra, satria ‘natanjaka’ ny vehivavy hebreo ka efa teraka raha mbola tsy tonga akory ny mpampivelona. (Ek 1:15-19) Natahotra an’i Jehovah ireo mpampivelona ka tsy nety namono an’ireo zazakely. Notahin’i Jehovah izy ireo ary novaliany soa ka nomeny ankohonana.—Ek 1:20, 21.
-
-
SifraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
SIFRA
(Sìfra) [Mahafinaritra; Mangirana; Mihaja].
Sepfora no ao amin’ny Eksodosy 1:15 sy 2:21 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta kosa, dia Sifra no ao amin’ny Eksodosy 1:15, ary Zipora no ao amin’ny Eksodosy 2:21. Safira io anarana io amin’ny teny aramianina.
-