-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Didin’i Farao. Teo koa ilay didin’i Farao hoe vonoina ny zazalahy vao teraka rehetra. Tsy nandaitra anefa io didy io, ary vetivety ihany no nanan-kery. Teraka telo taona teo ho eo talohan’i Mosesy (tamin’ny 1597 T.K.), ohatra, i Arona nefa mbola tsy nivoaka io didy io. Milaza koa ny Baiboly fa tsy nankatò azy io ny olona sasany. Anisan’izany, ohatra, ireo vehivavy hebreo atao hoe Sifra sy Poha, izay azo inoana fa lehiben’ny mpampivelona. Toa tsy nandidy an’ireo mpampivelona teo ambany fahefany hankatò an’io didy io izy ireo. Inona no vokany? “Vao mainka nihamaro sy tena nihanahery ny vahoaka.” Nodidian’i Farao àry ny vahoakany manontolo mba hanipy ny zazalahy israelita vao teraka rehetra tao amin’ny reniranon’i Neily. (Ek 1:15-22) Tsy dia hoe nankahala be an’ireo Israelita anefa ny Ejipsianina, ka hahavita izany. Na ny zanakavavin’i Farao aza namonjy an’i Mosesy. Tonga saina ihany angamba i Farao hoe hamoy andevo maro be izy raha mbola arahina ilay didy navoakany. Izany indrindra no nahatonga an’ilay Farao ao amin’ny Eksodosy tsy namela an’ireo Hebreo handeha, tatỳ aoriana.
-
-
Fantatra Mialoha, Voatendry MialohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Manamarina izany izay nataony tamin’i Abrahama (voaresaka teny aloha) sy tamin’ilay Farao be di-doha resahin’ny Eksodosy. Fantatr’i Jehovah mialoha fa tsy hamela ny Israelita handeha mihitsy i Farao, “raha tsy hampiasana hery.” (Ek 3:19, 20) Efa voatendriny mialoha àry hoe hisy loza hahafaty ny lahimatoa rehetra tao Ejipta. (Ek 4:22, 23) Izay nolazain’i Paoly momba ny nataon’Andriamanitra tamin’i Farao no mahatonga ny olona sasany hihevitra fa Andriamanitra mihitsy no manamafy ny fon’ny olona mba hanatanterahana ny fikasany, ka tsy miraharaha an’izay tian’ilay olona na ny toe-pony izy. (Ro 9:14-18) Milaza ny Baiboly sasany fa ‘hanamafy ny fon’i Farao’ Andriamanitra, araka ny teniny tamin’i Mosesy. (Ek 4:21, Prot.; ampit. Ek 9:12; 10:1, 27, Prot.) Misy anefa Baiboly milaza hoe ‘navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny’ i Farao. (TV) Mitovitovy amin’izany koa ny voalazan’ny Baiboly nadikan’i Rotherham. Resahin’ny fanazavana fanampiny ao amin’izy io fa amin’ny teny hebreo, dia matetika no aseho ho toy ny antony mahatonga zavatra iray ny famelana azy hitranga, ary “na ny baiko aza indraindray heverina fotsiny hoe famelana zavatra hitranga.” Ny teny hebreo ao amin’ny Eksodosy 1:17, ohatra, dia midika ara-bakiteny hoe “nahatonga an’ireo zazalahy ho velona” ny mpampivelona. Navelany ho velona anefa ireo zazalahy, raha ny marina, satria tsy novonoiny ho faty. Noresahin’ny Baiboly nadikan’i Rotherham fa mitovy hevitra amin’izany i M. Kalisch sy H. Gesenius ary B. Davies, izay samy manam-pahaizana momba ny teny hebreo. Nohazavain’izy io fa ny hevitry ny teny hebreo ao amin’ny Eksodosy dia hoe “navelan’Andriamanitra hanamafy ny fony i Farao, ka nomeny fotoana izy hanatanterahana ny fanirian-dratsy tao am-pony. Izay fotsiny ilay izy.”—Ny Baiboly Manamafy Hevitra, fanazavana fanampiny, p. 919; ampit. Is 10:5-7.
-