-
Fanafahana avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fanafahana avy Tany Ejipta
NIRAHIN’I Jehovah hiseho teo anatrehan’i Farao i Mosesy, mba hiteny amin’ny anaran’i Jehovah hoe: “Alefaso ny oloko.” (Ek 5:1) Tsy nety anefa i Farao. Tsy te hamoy andevo maro be mantsy izy. Tsy fantany na tsy nekeny koa hoe i Jehovah no tena Andriamanitra. (Ek 5:2) Nivavaka tamin’ireo andriamanitr’i Ejipta mantsy i Farao ary nihevi-tena ho andriamanitra mihitsy koa. Iza marina àry no tena Andriamanitra? Nampihatra didim-pitsarana tamin’ireo “andriamanitra rehetran’i Ejipta” i Jehovah rehefa nandefa loza folo. Nafahan’i Farao àry ny Israelita ary voaporofo fa i Jehovah no tena Andriamanitra velona.—Ek 12:12.
-
-
Andriamanitra sy AndriamanibavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ireo loza folo. Nampietry an’ireo andriamanitr’i Ejipta sy nampihatra didim-pitsarana tamin’izy ireo i Jehovah, rehefa nandefa loza tamin’ny Ejipsianina. (Ek 12:12; No 33:4; SARY, Boky Faha-2, p. 530) Afa-baraka i Hapi andriamanitra Neily tamin’ilay loza voalohany, rehefa lasa ra i Neily sy ny rano rehetra tany Ejipta. Nietry koa ny fivavahana tany Ejipta rehefa maty ny trondro tao amin’i Neily, satria nivavahana ny trondro sasany ary notehirizina tsy ho lo mihitsy aza ny fatiny. (Ek 7:19-21) Marika amantarana ny fahavokarana sy ny fitsanganana amin’ny maty ny sahona sady masina tamin’i Héket, andriamanibavy sahona. Afa-baraka àry io andriamanibavy io, rehefa nandrakotra an’i Ejipta ny sahona. (Ek 8:5-14) Niaiky ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina fa tsy nahavita nanova vovoka ho moka tamin’ilay loza fahatelo, na dia nanana hery miafina aza. (Ek 8:16-19) I Thoth andriamanitra, hono, no namorona ny hery miafina. Tsy afaka nanome hery an’ireo mpisorona anefa izy, tamin’ilay loza fahatelo!
-
-
Andriamanitra sy AndriamanibavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny nahafatesan’ireo lahimatoa anefa no tena nampietry an’ireo andriamanitra sy andriamanibavin’i Ejipta. (Ek 12:12) Nilaza tena ho andriamanitra zanak’i Ra na Amona-Ra mantsy ireo mpanjaka. Nanao firaisana tamin’ny vadin’ny mpanjaka, hono, i Ra na Amona-Ra, ka niteraka zazalahy izay andriamanitra nitafy vatan’olombelona ary natokana ho an’i Ra na Amona-Ra tao amin’ny tempoliny. Maty àry ilay andriamanitra rehefa maty ny lahimatoan’i Farao. (Ek 12:29) Nietry tanteraka ny fivavahan’ny Ejipsianina, ary tsy nahefa na inona na inona ny andriamaniny rehetra, satria tsy nahavonjy an’ireo lahimatoa eran’i Ejipta.—Jereo AMONA No. 5.
-