-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny isan’ireo Israelita nafahana. Milaza ny Eksodosy 12:37 fa nisy 600 000 ireo ‘vatan-dehilahy nandeha an-tongotra’, ankoatra “ny zaza madinika.” Rehefa natao ny fanisam-bahoaka, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia 603 550 no isan’ireo lehilahy 20 taona no ho miakatra. (No 1:2, 3, 45, 46) Tsy anisan’izany ny Levita (No 2:32, 33) izay niisa 22 000 ny lahy rehetra “hatramin’ny iray volana no ho miakatra.” (No 3:39) Tsy mahafaoka ny vehivavy ilay teny hebreo hoe gevarim (vatan-dehilahy). (Ampit. Je 30:6.) Ny hoe “zaza madinika” kosa dia avy amin’ny teny hebreo hoe taf, izay manondro ankizikely vao miana-mandeha. Tsy maintsy notrotroina ny ankamaroan’izy ireny, ary azo inoana fa tsy nahavita nandeha an-tongotra nandritra ilay dia manontolo.
“Amin’ny andron’ny zafiafiny.” Tadidio fa nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa hiverina any Kanana ny taranany amin’ny andron’ny zafiafin’izy ireo, izany hoe amin’ny andron’ny taranak’izy ireo fahatelo. (Ge 15:16) Na ela velona aza anefa ny olona tamin’izany, dia tsy taranaka telo monja no nisy nandritra ireo 430 taona, nanomboka tamin’ny fotoana nampanan-kery ny fifanekena tamin’i Abrahama ka hatramin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Efa hitantsika koa fa 215 taona monja ny Israelita no tena nipetraka tany Ejipta. Ahoana àry no hamaritana an’izany hoe taranaka telo izany? Haka ohatra ny amin’ny fokon’i Levy isika. Ireto no taranaka telo nifandimby avy amin’i Levy: 1) Kehata, 2) Amrama, ary 3) Mosesy.—Ek 6:16, 18, 20.
Nety ho maherin’ny telo tapitrisa ny olona nivoaka avy tany Ejipta raha nisy 600 000 ny vatan-dehilahy, ankoatra ny zaza amam-behivavy. Mitombina tsara io isa io, na dia tsy eken’ny sasany aza. Marina fa nisy taranaka telo monja avy teo amin’i Levy ka hatramin’i Mosesy. Samy ela velona anefa izy ireo, ka azo inoana fa nahita taranaka vitsivitsy nifandimby, na nahita ny nahaterahan’ny ankizy maro nandritra ny androm-piainany. Na ankehitriny aza, dia mety hahita ny zafikeliny sy ny zafiafiny mihitsy (miara-belona amin’ny taranany telo) ny lehilahy iray 60 na 70 taona.
Fitomboana tsy nisy toy izany. Hoy ny Baiboly: “Ary nihamaro ny zanak’Israely ka lasa be dia be. Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany izy ireo ka henika azy ilay tany.” (Ek 1:7) Lasa be dia be mihitsy izy ireo, ka hoy ny mpanjakan’i Ejipta: “Jereo fa lasa maro sy mahery noho isika ny zanak’Israely.” “Vao mainka nihamaro sy niely hatraiza hatraiza anefa ny zanak’Israely, arakaraka ny nampahorian’ny Ejipsianina azy. Koa raiki-tahotra mafy ny Ejipsianina.” (Ek 1:9, 12) Tsy mahagaga raha nitombo hatramin’ny 600 000 ny isan’ireo lehilahy lehibe tamin’izany, satria azon’izy ireo natao ny nanana vady sy vadikely maro ary nisy koa nanambady vehivavy ejipsianina.
Nisy 70 ny mpianakavin’i Jakoba nidina tany Ejipta. Nisy tamin’izy ireo koa angamba teraka tany taoriana kelin’izay. (Ge 46) Raha tsy isaintsika i Jakoba, ny zanany 12 lahy, Dina zanany vavy, Sera zafikeliny, ireo zanak’i Levy telo lahy, ary ny loham-pianakaviana hafa niteraka rehefa tonga tany Ejipta, dia mety ho 50 sisa tavela. (Tsy isaina ny zanak’i Levy, toy ny tsy nanisana ny Levita tamin’ireo 603 550.) Aoka àry hatao hoe 50 ireo loham-pianakaviana. Milaza anefa ny Baiboly fa “nihamaro ny zanak’Israely ka lasa be dia be. Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany izy ireo ka henika azy ilay tany.” (Ek 1:7) Avy amin’izany no anaporofoantsika fa mety ho nahatratra 600 000 tokoa ny isan’ireo lehilahy teo anelanelan’ny 20 sy 50 taona, izay azo nalefa tao amin’ny tafika, ka velona tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Diniho izao:
Maro anaka ny fianakaviana tamin’izany, ary naniry hiteraka ny Israelita mba hanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra. Mety ho niteraka 10 teo ho eo (lahy ny antsasany) àry ny loham-pianakaviana tsirairay, nanomboka tamin’izy 20 ka hatramin’ny 40 taona. Aoka anefa hatao hoe tsy niteraka ireo loham-pianakaviana 50 noraisintsika tetsy aloha, raha tsy afaka 25 taona taorian’ny nahatongavany tany Ejipta. Azo ahena 20 isan-jato koa ny isan’ny zanakalahin’izy ireo afaka miteraka, satria mety ho tsy nanan-janaka ny sasany noho izy ireo maty aloha be na noho ny antony hafa, na mety ho efa tsy niteraka intsony izy ireo talohan’ny nahatratrarany 40 taona. Raha tsorina, dia aoka hatao hoe ny 200 ihany amin’ireo zanakalahy 250 nateraky ny loham-pianakaviana 50, no hanan-janaka mandritra ny 20 taona.
Didin’i Farao. Teo koa ilay didin’i Farao hoe vonoina ny zazalahy vao teraka rehetra. Tsy nandaitra anefa io didy io, ary vetivety ihany no nanan-kery. Teraka telo taona teo ho eo talohan’i Mosesy (tamin’ny 1597 T.K.), ohatra, i Arona nefa mbola tsy nivoaka io didy io. Milaza koa ny Baiboly fa tsy nankatò azy io ny olona sasany. Anisan’izany, ohatra, ireo vehivavy hebreo atao hoe Sifra sy Poha, izay azo inoana fa lehiben’ny mpampivelona. Toa tsy nandidy an’ireo mpampivelona teo ambany fahefany hankatò an’io didy io izy ireo. Inona no vokany? “Vao mainka nihamaro sy tena nihanahery ny vahoaka.” Nodidian’i Farao àry ny vahoakany manontolo mba hanipy ny zazalahy israelita vao teraka rehetra tao amin’ny reniranon’i Neily. (Ek 1:15-22) Tsy dia hoe nankahala be an’ireo Israelita anefa ny Ejipsianina, ka hahavita izany. Na ny zanakavavin’i Farao aza namonjy an’i Mosesy. Tonga saina ihany angamba i Farao hoe hamoy andevo maro be izy raha mbola arahina ilay didy navoakany. Izany indrindra no nahatonga an’ilay Farao ao amin’ny Eksodosy tsy namela an’ireo Hebreo handeha, tatỳ aoriana.
Andeha anefa mbola hahenantsika ihany ilay isa 200 noraisintsika teo, noho ilay didy navoakan’i Farao. Aoka hatao hoe hanalana ampahatelony ny isan’ireo zazalahikely velona nandritra ny dimy taona.
Kajy. Na eo aza izany rehetra izany, dia mbola nitombo be ihany ny Israelita satria notahin’Andriamanitra. Mety ho toy izao ny isan’ny zaza teraka isaky ny dimy taona, nanomboka tamin’ny 1563 T.K. (izany hoe 50 taona talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta), ka hatramin’ny 1533 (20 taona talohan’ilay fanafahana):
ISAN’NY LEHILAHY ISRAELITA
T.K.
Zazalahy teraka
1563 hatramin’ny 1558
47 350
1558 hatramin’ny 1553
62 300
1553 hatramin’ny 1548
81 800
1548 hatramin’ny 1543
103 750
1543 hatramin’ny 1538
133 200
1538 hatramin’ny 1533
172 250
—
Tontaliny 600 650*
* Tombantombana momba ny isan’ny lehilahy israelita 20-50 taona tamin’ny 1513 T.K.
Tsara homarihina fa na dia hovana kely fotsiny aza ireo isa ireo, dia hitombo be mihitsy ny tontaliny. Ho lasa iray tapitrisa mahery, ohatra, io tontaliny io raha ampiana iray monja ny zazalahy nateraky ny lehilahy tsirairay.
Maro be tokoa ve ny olona nandao an’i Ejipta niaraka tamin’i Mosesy?
Ankoatra ireo vatan-dehilahy 600 000 voalazan’ny Baiboly, dia nisy koa lahiantitra be dia be sy zaza amam-behivavy mbola maro kokoa aza, ary “olona maro hafa firenena.” (Ek 12:38) Mety ho nahatratra telo tapitrisa mahery àry ny isan’ny olona nandao an’i Ejipta. Tsy mahagaga raha tsy naniry handefa andevo maro be toy izany ilay mpanjaka ejipsianina! Niteraka fatiantoka be ho an’ny fireneny mantsy izany.
Maro be tamin’ireo no lehilahy mpiady, ka hoy ny Baiboly: “Nihorohoro mafy ny Moabita noho ny hamaroan’ny zanak’Israely, ka raiki-tahotra mafy izy ireo.” (No 22:3) Tsy ny asa mahagaga nataon’i Jehovah ho an’ny Israelita ihany no nampahatahotra ny Moabita, fa ny hamaroan’izy ireo koa. Tsy ho natahotra toy izany ny Moabita raha an’arivony monja izy ireo. Tsy dia nitombo firy anefa ny isan’ny Israelita tany an-tany efitra, satria maro taminy no nivadika ka maty tany.—No 26:2-4, 51.
Nisaina mitokana ny Levita rehefa voaisa ilay vahoaka, fotoana fohy taorian’ny nialana tany Ejipta. Nisy 22 000 ny Levita iray volana no ho miakatra. (No 3:39) Nahoana anefa no 22 273 monja ny isan’ireo lahimatoa iray volana no ho miakatra, teo anivon’ireo foko 12? (No 3:43) Noho ireto antony ireo: Tsy nisaina ny loham-pianakaviana; mety ho niteraka lahy be dia be ny lehilahy iray noho izy nanana vady maro, nefa iray ihany ny lahimatoany; ary ny lahimatoan’ilay lehilahy no nisaina fa tsy ny an’ny vadiny.
-
-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny lalana nalehan’ny Israelita niala tany Ejipta. Tsy hoe niara-niainga tamin’ny toerana iray daholo akory ny Israelita. Nisy avy tany an-toeran-kafa, ka namonjy an’ireo namany teny an-dalana. Avy tao amin’ny tanàna na faritr’i Ramesesa ny Israelita no niainga, ary tany Sokota no nijanonany voalohany. (Ek 12:37) Misy manam-pahaizana milaza fa ry Mosesy no niainga avy tao Ramesesa, fa ny Israelita hafa kosa avy tany amin’ny faritra hafan’i Gosena ka tao Sokota no fotoana.—SARINTANY, Boky 1, p. 536.
Maimaika no nialan’ny Israelita tany Ejipta, nefa nilamina tsara izy ireo. “Nilahatra toy ny tafika ny zanak’Israely rehefa niakatra avy tany Ejipta”, angamba toy ny tafika nizara dimy. Tao ny loha laharana sy ny vodilaharana, ny teo afovoany, ary ny sisiny roa. Nahay nitarika azy ireo i Mosesy, nefa nanomboka nitarika azy ireo koa i Jehovah tamin’izy ireo nitoby tao Etama. Andry rahona no nitarihany azy nandritra ny andro, ary andry afo kosa nandritra ny alina mba hampahazava azy ireo.—Ek 13:18-22.
Misy 400 km eo ho eo ny lalana akaiky indrindra, avy eo avaratr’i Memfisa mankany Lakisy any amin’ny Tany Nampanantenaina. Ho nanaraka ny morontsirak’i Mediterane sy ho nandalo tamin’ny tanin’ny Filistinina anefa ny Israelita, raha nandeha tamin’io lalana io. Efa nahita olana tamin’ny Filistinina i Abrahama sy Isaka razamben’izy ireo. Fantatr’Andriamanitra fa nety ho kivy izy ireo raha notafihin’ny Filistinina. Tsy zatra ady mantsy izy ireo sady niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny biby fiompiny. Nodidian’Andriamanitra àry izy ireo hiverina sy hitoby eo akaikin’i Pihahirota, izay eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina tandrifin’i Bala-zefona. Teo izy ireo no nitoby, teo akaikin’ny ranomasina.—Ek 14:1, 2.
Tsy hay hoe taiza marina ny lalana nalehan’ny Israelita avy eo Ramesesa nankany amin’ny Ranomasina Mena, satria tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’ireo tanàna voaresaka ao amin’ny Eksodosy. Boky maro no milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat, any amin’ny faritry ny Vinany any Ejipta, izy ireo. Izay tokoa no lalan’izy ireo raha toa ka teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny faritry ny Vinany no nisy an’i Ramesesa. Hoy anefa i John Wilson, manam-pahaizana momba an’i Ejipta: “Mampalahelo fa tsy miray hevitra ireo manam-pahaizana hoe taiza marina no nisy an’i Ramesesa. Fanaon’ireo Farao nantsoina hoe Ramsès mantsy, indrindra fa i Ramsès II, ny nampitovy ny anaran’ny tanàna sasany tamin’ny anarany. Marina fa miresaka momba [an’i Ramesesa] ny zavatra sasany nofongarina tao amin’ireo tanàna teo amin’ny Vinany, nefa tsy midika izany hoe ny iray tamin’ireo tanàna ireo [i Ramesesa].”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-4, p. 9.
Nisy toerana samy hafa nolazaina fa Ramesesa. Anisan’izany, ohatra, i Tanis (San el-Hagar ankehitriny), any amin’ny 56 km atsimoandrefan’i Port-Saïd izay eo amoron’ny Ranomasina Mediterane. Nolazaina indray anefa avy eo fa tsy i Tanis no Ramesesa fa i Kantir, izay any amin’ny 20 km atsimo kokoa. Misy asa soratra ejipsianina milaza fa tanàna roa samy hafa i Tanis sy (Per-)Ramesesa. Nisy avy any an-toeran-kafa koa ireo zavatra nofongarina avy tao Tanis. Nilaza àry i John Wilson fa “ny fahitana ny soratra hoe Ramesesa teo amin’ny toerana iray akory tsy midika hoe io toerana io no Ramesesa.” Nahitana soratra miresaka momba an’i Ramsès II tokoa tany Tanis sy Kantir. Nisy ifandraisany tamin’io Farao io fotsiny anefa ireo tanàna ireo, fa tsy hoe ny iray tamin’izy ireo no ilay Ramesesa resahin’ny Baiboly hoe fitehirizana entana sy vokatra talohan’ny nahaterahan’i Mosesy. (Ek 1:11) Sarotra ny milaza fa i Ramsès II ilay Farao resahin’ny Eksodosy, araka ny hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe RAMESESA.
Misy koa milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat ny Israelita. Betsaka mantsy no mihevitra fa tsy tena ny Ranomasina Mena no niampitan’izy ireo, fa toerana iray teo avaratr’izy io. Misy aza manam-pahaizana milaza fa nanaraka ny moron’ny Farihy Serbonisy (ao amin’ny faritry ny Ranomasina Mediterane) izy ireo. Nianavaratra nankany amoron-dranomasina, hono, ny Israelita rehefa avy teo amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat. Mifanohitra amin’ny Baiboly anefa izany, satria voalaza ao fa tsy nentin’Andriamanitra tany amin’ny lalana mankany amin’ny tanin’ny Filistinina izy ireo. (Ek 13:17, 18) Amin’ireo milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat ny Israelita, dia misy koa mihevitra fa ny Farihy Mangidy, any avaratr’i Suez, ilay “ranomasina” niampitan’izy ireo.
Ranomasina Mena, fa tsy ‘ranomasina bararata.’ Midika ara-bakiteny hoe “ranomasina harefo, na bararata, na zozoro” ilay teny hebreo hoe yam-sof (nadika hoe “Ranomasina Mena”). Misy àry mihevitra fa tsy ny Ranomasina Mena, fantatra amin’ny hoe Hoalan’i Suez, no niampitan’ny Israelita fa ranomasina bararata, izay honahona sahala amin’ny faritr’ireo Farihy Mangidy. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo anefa mampiasa ny teny grika hoe erytra talassa, izay midika ara-bakiteny hoe “Ranomasina Mena”, mba handikana ny hoe yam-sof. Samy nampiasa an’io teny grika io koa, na i Lioka izay nanoratra ny Asan’ny Apostoly (tamin’izy nitatitra ny tenin’i Stefana), na ny apostoly Paoly, rehefa nitantara ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta.—As 7:36; He 11:29; jereo RANOMASINA MENA.
Tsy ho fahagagana lehibe koa izay nitranga raha honahona fotsiny no niampitan’ny Israelita. Tsy ho “natelin’ny” Ranomasina Mena ireo Ejipsianina, ary tsy ho “nandifotra azy ireo ny rano manonja” ka tsy ho “nilentika tao amin’ny lalina tahaka ny vato” izy ireo. (He 11:29; Ek 15:5) Niresaka an’io fahagagana mahatalanjona io anefa i Mosesy sy Josoa tatỳ aoriana. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy ny Israelita, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina. Midika izany fa teo amin’ny andaniny roa ny ranomasina, ary teo ambonin’izy ireo sy tao aoriany ilay rahona. (1Ko 10:1, 2) Midika koa izany fa lalina kokoa noho ny honahona ilay rano niampitan’ny Israelita.
Ho haintsika hoe taiza no lalana nalehan’ny Israelita raha fantatsika ny toerana nisy ny renivohitr’i Ejipta tamin’izany, sy ilay rano niampitan’izy ireo. Tsy misy antony tokony hisalasalantsika hoe ny Ranomasina Mena ilay niampitan’izy ireo, satria izay no lazain’ny Soratra Grika Kristianina. Azo inoana koa fa i Memfisa no renivohitr’i Ejipta, satria saika tany foana no foiben’ny fitondrana. (Jereo MEMFISA.) Mety ho teo akaikin’i Memfisa àry ireo Israelita no niainga. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho afaka nampanantsoina teo anatrehan’i Farao taorian’ny misasakalina i Mosesy, ny alin’ny Paska. Tsy afaka ny ho tonga ara-potoana tany Ramesesa koa izy avy eo mba handeha ho any Sokota, talohan’ny nifaranan’ny 14 Nisana. (Ek 12:29-31, 37, 41, 42) Nilaza i Josèphe fa araka ny lovantsofina jiosy tranainy indrindra, dia tany avaratra kelin’i Memfisa no niainga ireo Israelita.—Rakitry ny Ela Jiosy, II, 315 (xv, 1).
Ho lavitra loatra an’ilay toerana avaratr’i Memfisa anefa ny lalan’ireo Israelita, raha toa ka namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat izy ireo. Maro àry ny mpivaofy teny ara-baiboly milaza fa mety ho ny iray amin’ireo lalana be mpahalala falehan’ny “mpanao fivahiniana masina” no nalehan’ireo Israelita. Anisan’izany, ohatra, ny lalana El Hadj avy eo Le Caire mankany Suez (Clysma taloha, ary Kolsom tatỳ aoriana), eo amin’ny farany avaratry ny Hoalan’i Suez.
-