-
Fanafahana ny Israelita avy Tany EjiptaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nolazain’ny apostoly Paoly fa anisan’ny zavatra azo akana fianarana ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (1Ko 10:1, 2, 11) Ilazana an’ohatra zavatra lehibe kokoa àry izy io. Mifanitsy amin’ny Israely ara-nofo ny Israely ara-panahy na Israelin’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. (Ga 6:15, 16) Niresaka ny amin’ny fiavian’ny mpaminany iray toa azy koa i Mosesy. (De 18:18, 19) Nanantena ireo Jiosy fa ho mpitarika sy mpanafaka lehibe izy io. Nampahafantarin’ny apostoly Petera fa i Jesosy Kristy no ilay mifanitsy amin’i Mosesy. (As 3:19-23) Mifanitsy amin’ny fanafahana ny Israelita tao amin’ny Ranomasina Mena sy ny fandringanana ny tafika ejipsianina àry ny fanafahana ny Israely ara-panahy. Hafahana amin’ireo fahavalony ao Ejipta an’ohatra mantsy ny Israely ara-panahy, amin’ny alalan’ny fahagagana lehibe ataon’i Jesosy Kristy. Halaza hatraiza hatraiza ny anaran’i Jehovah amin’izay fotoana izay, toy ny nanandratany ny anarany rehefa nanao fahagagana teo amin’ny Ranomasina Mena Izy.—Ek 15:1.
-
-
Hebreo, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Milaza asa mbola tsy vita fa mitohy kosa ny Genesisy 2:2b hoe: “Nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony izy tamin’ny andro fahafito.” Hita eo fa “nanomboka” nitsahatra izy tamin’izay, ary mbola tsy nifarana ilay fitsaharana, izany hoe mbola tsy vita.
-