Nahoana no Matahotra An’ilay Andriamanitra Marina Ankehitriny?
“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — MPITORITENY 12:13.
1, 2. Nahoana no mety ny hananana tahotra araka ny tokony ho izy an’Andriamanitra?
MAHATSARA ny olona ny tahotra mahasoa sy feno fanajana ara-pivavahana an’Andriamanitra. Eny, na dia manakorontana ara-pihetseham-po, na manimba ny fahasambarantsika mihitsy aza ny maro amin’ireo tahotra mahazo ny olombelona, dia mahatsara antsika ny matahotra an’i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 112:1; Mpitoriteny 8:12.
2 Fantatry ny Mpamorona izany. Noho ny fitiavana ny zavatra noforoniny, dia mandidy ny rehetra izy mba hatahotra azy sy hanolotra fanompoam-pivavahana aminy. Izao no vakintsika: “Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany”. — Apokalypsy 14:6, 7.
3. Inona no nataon’ny Mpamorona ho an’ireo ray aman-drenintsika voalohany?
3 Azo antoka fa tsy tokony hodiantsika tsy fantatra ilay Mpamorona ny zava-drehetra, ilay Loharanon’ny fiainana, satria azy isika sy itỳ planeta itỳ. (Salamo 24:1). Ho fanehoana ny fitiavany lehibe, dia nanome fiainana an’ireo zanany teto an-tany i Jehovah, ary nanome azy ireo planeta mahatalanjona iray hitoerana — paradisa kanto iray. Tsy ho tsy nisy fepetra anefa io fanomezana mahatalanjona io. Raha bangoina, dia fananana nankinina hokarakaraina ilay izy. Ireo ray aman-drenintsika voalohany dia tsy maintsy nikarakara ny fonenany sy nanitatra azy io mandra-pahatongan’ny tany manontolo ho feno mponina sy ho voavoly. Izy ireo dia nanana tombontsoa sy andraikitra tamin’ireo biby an-tanety sy ireo vorona ary ireo hazandrano — ireo zavaboary velona rehetra izay niara-nanana ny tany taminy sy ny taranany. Hampamoahina ny amin’io fananana lehibe nankinina taminy io ny olombelona.
4. Nataon’ny olombelona ahoana ny zavatra noforonin’Andriamanitra?
4 Na dia teo aza izany fanombohana nahatalanjona izany, dia jereo izay nataon’ny olombelona mba handotoana ilay tany fonenany kanto! Noho ny tsy firaharahana tamim-panivaivana ny maha-fananan’Andriamanitra an’itỳ vatosoa kanto dia kanto itỳ, dia nolotoin’ny olombelona ny tany. Ilay fandotoana dia tonga hatramin’ny fandrahonana mihitsy ny fisian’ny karazany mihamaro hatrany eo amin’ny biby sy vorona ary hazandrano. Tsy handefitra amin’izany tsy misy farany ilay Andriamanitsika tia ny rariny sy be fitiavana. Ny fandrobana ny tany dia miantsoantso ampamoaka, dia zavatra izay rariny raha atahoran’ny maro. Etsy an-danin’izany, ho an’ireo izay matoky amim-panajana an’Andriamanitra, dia mampionona ny mahafantatra izay hitranga. Hanao ampamoaka i Jehovah, ary haverina amin’ny laoniny ny tany. Vaovao tsara mahafaly tokoa izany ho an’ireo mahitsy fo rehetra eto an-tany.
5, 6. Hanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah manoloana izay nataon’ny olombelona tamin’ny zavatra noforoniny?
5 Amin’ny alalan’ny inona no hanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany? Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izay efa nahazo fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ankehitriny. Amin’ny alalan’io Zanaka any an-danitra io no hamaranan’i Jehovah izao fandehan-javatra maloto sy feno fikomiana izao. (2 Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy 19:11). Amin’izany fomba izany no hitondrany fanamaivanana ho an’ireo izay matahotra azy sady hamonjena sy hitsimbinana ny tany fonenantsika.
6 Ahoana no hitrangan’izany? Milaza ny amin’ny fahatongavan’ny fahoriana lehibe iray izay hahatratra ny fara heriny amin’ny ady Haramagedona, ny Baiboly. (Apokalypsy 7:14; 16:16). Izany no ho didim-pitsaran’Andriamanitra hamelezana itỳ fandehan-javatra voaloto itỳ sy ireo mpandoto azy. Hisy olombelona mbola ho velona ihany ve? Eny! Izany dia ho ireo izay manana tahotra an’Andriamanitra, tsy ilay tahotra mankarary sy tsy mahasoa, fa ilay tahotra feno fanajana ara-pivavahana. Hahazo fahafahana izy ireo. — Ohabolana 2:21, 22.
Fampisehoan-kery nampitolagaga
7. Nahoana Andriamanitra no nisalovana ho an’ny Isiraely tamin’ny andron’i Mosesy?
7 Io fanaovan-javatra mampihetsi-po lalina hataon’i Jehovah Andriamanitra io dia nanana ho tandindona ny asa nampiseho hery izay notontosainy ho an’ireo mpivavaka taminy, 1 500 taona teo ho eo talohan’ny Fanisan-taona Iraisana. I Egypta, ilay hery ara-tafika lehibe, dia nanandevo ireo Isiraelita mpiavy izay andiana mpiasa azo nampiasaina teo aminy, nanandrana karazana famongoran-taranaka mihitsy aza izy io rehefa nodidian’i Farao mpanapaka azy ny hamonoana ho faty ireo Isiraelita lahy rehetra vao teraka. Ny fandresen’Andriamanitra an’i Egypta dia natao mba hitondrana ho an’ny Isiraely fanafahana tamin’io rafitra ara-politika nampahory io, eny, fanafahana tamin’ny firenena iray voaloton’ny fanompoam-pivavahana tamin’andriamanitra maro.
8, 9. Nanao ahoana ny fihetsik’i Mosesy sy ireo Isiraelita nanoloana ny fisalovanan’Andriamanitra?
8 Ny Eksodosy toko faha-15 dia mirakitra an-tsoratra ny fihetsiky ny Isiraely nanoloana io fanafahana avy tany Egypta io. Ny famakafakana io fitantarana io dia hanampy antsika hahatakatra ny fomba ahazoana manafaka ny Kristiana amin’izao fandehan-javatra voaloto ara-panahy sy ara-batana izao. Aoka isika handinika ny Eksodosy toko faha-15, hifantoka amin’andininy voafantina mba hahafantarana ny antony tokony hifidianantsika ny hatahotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Hanomboka amin’ny andininy voalohany sy ny faha-2 isika:
9 “Ary Mosesy sy ny Zanak’Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy”.
10. Inona no nitarika ho amin’ny fandringanan’Andriamanitra ny tafik’i Egypta?
10 Mahafantatra tsara ilay fitantarana ny fomba nanafahan’i Jehovah ny Isiraely avy tany Egypta ny olona manerana ny bolan-tany. Nitondra loza maro tamin’io herim-panjakana natanjaka io izy, mandra-pamelan’i Farao ny Isiraelita handeha, tamin’ny farany. Avy eo anefa, dia nanenjika an’io vahoaka tsy nanam-piarovana io ny tafik’i Farao, ka toa nataony izay hanerena azy io tsy ho afa-mihetsika teo amoron’ny Ranomasina Mena. Na dia toa hamoy haingana ilay fahafahana vao azony aza ireo zanak’Isiraely, dia nanana zavatra hafa tao an-tsainy i Jehovah. Tamin’ny fahagagana no nanokafany lalana iray namaky ny ranomasina ka nitondrany ny vahoakany teny amin’ny toerana tsy nahitan-doza. Rehefa nanaraka ny Egyptiana, dia nakatony teo amin’izy ireo ny Ranomasina Mena ka nataony maty an-drano i Farao sy ny hery ara-tafiny. — Eksodosy 14:1-31.
11. Inona no vokatry ny asan’Andriamanitra namely an’i Egypta?
11 Nanandratra an’i Jehovah teo imason’ireo mpivavaka taminy sy nahatonga ny anarany ho fanta-daza ombieny ombieny ny fandringanany ny hery ara-tafika egyptiana. (Josoa 2:9, 10; 4:23, 24). Eny, ny anarany dia nasandratra ambonin’ireo andriamani-diso tsy nanan-kery tao Egypta, dia andriamanitra izay voaporofo fa tsy nahavita nanafaka ireo mpivavaka taminy. Nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana mangidy ny fitokiana tamin’ireo andriamaniny sy tamin’olona mety maty ary tamin’ny hery ara-tafika. (Salamo 146:3). Tsy nahagaga raha toa ireo Isiraelita ka voatosika hihira fiderana nampiseho taratry ny tahotra mahasoa an’ilay Andriamanitra velona izay manafaka amin-kery ny vahoakany!
12, 13. Inona no tokony hianarantsika avy amin’ny fandresen’Andriamanitra teo amin’ny Ranomasina Mena?
12 Toy izany koa fa tokony hiaiky isika hoe tsy misy andriamani-diso amin’izao androntsika izao na herim-panjakana faran’izay matanjaka, na dia manana fitaovam-piadiana niokleary aza, mety ho afaka hifaninana amin’i Jehovah. Afaka manafaka ny vahoakany izy ary hanao izany tokoa. “Manao izay sitrapony amin’ireo maro be any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?” (Daniela 4:32). Rehefa mahatakatra amin’ny fomba feno ny hevitr’ireo teny ireo koa isika, dia voatosika hihira fiderana azy amim-pifaliana.
13 Mitohy toy izao ilay hiram-pandresena teo amin’ny Ranomasina Mena: “Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.” Noho izany, io Mpiady tsy mety resy io dia tsy persona tsy fantatra anarana noforomporonin’ny sain’olombelona fotsiny. Manana anarana izy! Izy no ‘Ilay mahatonga’, ilay Mpanao Lehibe “Izay atao hoe Jehovah (...) Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Eksodosy 3:14, NW, fanamarihana ambany pejy; 15:3-5; Salamo 83:18). Tsy ekenao ve fa ho naneho fahendrena ireo Egyptiana fahiny ireo raha nanana fahatsapana tahotra tamin’ny antonona sy feno fanajana ny Tsitoha, fa tsy nihantsy azy?
14. Ahoana no nampisehoana ny hasarobidin’ny tahotra araka an’Andriamanitra teo amin’ny Ranomasina Mena?
14 Amin’ny maha-Mpamorona ny tany sy ireo zavatra eo aminy azy, ilay Mpanao ny ranomasina dia afaka mifehy tanteraka ny antontan-drano midadasika. (Eksodosy 15:8). Raha nampiasa ny fahefany tamin’ny rivotra koa izy dia nahatanteraka izay toa tsy ho azo natao. Nosarahiny hatreo amin’ny faritra iray ny lalina feno rano, ary notereny hiverina tamin’ny zotra nifanohitra ilay izy mba hampisy lalantsara voatsipika tao anaty rano mba hahafahan’ny vahoakany hamakivaky izany. Alao sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra: ranon-dranomasina an-tapitrisany taonina maro nivangongo avo ho rindrina nifanitsy, nahaforona lalam-pandosirana fiarovana ho an’ny Isiraely. Eny, nahazo fiarovana ireo izay naneho tahotra mahasoa an’Andriamanitra. Avy eo, dia nalefan’i Jehovah ilay rano, navelany hanonja hiverina toy ny safodrano mahery iray, ka nitelina ny tafik’i Farao sy ireo fitaovany rehetra. Fampisehoan-kerin’Andriamanitra toy inona moa izany teo anatrehan’ireo andriamanitra tsy misy vidiny sy ny tanjaky ny tafika olombelona! Azo antoka fa i Jehovah no ilay tokony hatahorana, sa tsy izany? — Eksodosy 14:21, 22, 28; 15:8.
Fampisehoana ny tahotsika an’Andriamanitra
15. Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ireo asam-pamonjena mahery nataon’Andriamanitra?
15 Raha nijoro tsy nanana ahiahy niaraka tamin’i Mosesy isika, dia azo antoka fa ho voatosika hihira toy izao: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?” (Eksodosy 15:11). Ny fihetseham-po toy izany dia naverimberina nandritra ireo taonjato hatramin’izay. Ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny apostoly Jaona dia milazalaza toy izao ny amin’ny antokona mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy voahosotra: “Ary mihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny Zanak’ondry izy”. Inona io fihirana lehibe io? “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, [Jehovah, NW ] ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, [Jehovah, NW ] ô? Fa Hianao ihany no masina”. — Apokalypsy 15:2-4.
16, 17. Fisehoan-javatra mahatalanjona inona no hitantsika mitranga amin’izao andro izao?
16 Koa amin’izao andro izao koa, dia misy mpivavaka nahazo fahafahana izay tsy vitan’ny hoe mankasitraka ny asa ataon’ny tanan’Andriamanitra fotsiny, fa mankasitraka ny didiny koa. Misy olona avy amin’ny firenena rehetra nahazo fahafahana ara-panahy, tafasaraka amin’itỳ tontolo voaloto itỳ noho izy ireo manaiky ireo didy marina omen’Andriamanitra sy mampihatra izany. Isan-taona, dia misy olona ana hetsiny maro afa-mandositra an’itỳ tontolo simba ara-pitondran-tena itỳ, mba hiara-mitoetra amin’ilay fandaminana madio sy mahitsy misy ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Tsy ho ela, rehefa ho avy nampiharina ilay didim-pitsaran’Andriamanitra mamaivay amin’ny fivavahan-diso sy amin’ny sisa amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, dia hiaina mandrakizay eo amin’ny tontolo iray vaovao sy marina izy ireo.
17 Mifanaraka amin’ny Apokalypsy 14:6, 7, dia eo am-pandrenesana hafatra fampitandremana momba ny didim-pitsarana ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah eo ambany fitarihan’ny anjely izao ny taranak’olombelona. Tany amin’ny tany maherin’ny 230, tamin’ny taon-dasa, dia nisy Vavolombelona dimy tapitrisa teo ho eo nanambara ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny ora fitsarany. Ho fampianarana ireo mpiara-belona namany mba ho tafita velona, dia manao fitsidihana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny olona ny Vavolombelona, mitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana. Amin’izany fomba izany, dia olona ana hetsiny maro isan-taona no mahazo fahalalana ampy mba hatahorana an’ilay Andriamanitra marina amim-pahakingan-tsaina, ka manolotra ny fiainany ho azy sy atao batisa. Maharavoravo toy inona moa ny mahita olona toy izany manjary matahotra an’ilay Andriamanitra marina! — Lioka 1:49-51; Asan’ny Apostoly 9:31; ampitahao amin’ny Hebreo 11:7.
18. Inona no manazava fa tafiditra amin’ny fitoriana ataontsika ireo anjely?
18 Marina ve fa tafiditra amin’io asa fitoriana io ireo anjely? Azo antoka fa tsy misy isalasalana ny amin’ny hoe matetika ny fitarihan’ny anjely no nitondra ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny trano iray nisy olona ory izay naniry mafy fanampiana ara-panahy, nivavaka mihitsy aza mba hahazoana izany! Ohatra, nisy Vavolombelon’i Jehovah roa niaraka tamin’ny ankizy kely iray nitory ny vaovao tsara tany amin’ny nosy Caraïbes. Raha nanatona ny mitataovovonana, dia nanapa-kevitra ny handeha hody ireo olon-dehibe roa. Ilay ankizy kely anefa dia dodona tsy toy ny nahazatra ny hitsidika ilay trano nanaraka. Rehefa hitany fa tsy nirona hanao izany tamin’izay fotoana izay ireo olon-dehibe, dia nandeha irery izy ka nandondòna. Ramatoa tanora iray no namoha ny varavarana. Rehefa nahita izany ireo olon-dehibe, dia nanatona ka niresaka taminy. Nanasa azy ireo handroso ilay ramatoa, nanazava fa tamin’ilay fotoana nandrenesany dondòna tao am-baravarana iny indrindra izy no vao avy nivavaka mba handefasan’Andriamanitra Vavolombelona tany aminy hampianatra azy ny Baiboly. Natao ny fandaharana mba hanaovana fampianarana Baiboly.
19. Inona avy ireo zavatra azontsika tondroina ho soa avy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra?
19 Eo am-panolorantsika amim-pahatokiana ny hafatra momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra, dia mampianatra ireo didiny marina koa isika. Rehefa ampiharina eo amin’ny fiainan’ny olona izy ireny, dia mitondra fitahiana ara-batana sy ara-panahy. Ohatra, mazava tsara ny Baiboly raha ny amin’ny fanamelohana ireo faharatsiam-pitondran-tena rehetra eo amin’ny lahy sy ny vavy. (Romana 1:26, 27, 32). Amin’izao andro izao dia tsy raharahaina ombieny ombieny eo amin’izao tontolo izao ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Inona no vokany? Rava ireo fanambadiana. Mitombo ny ditra. Miely ireo areti-mifindra amin’ny alalan’ny firaisana izay mampitondra takaitra na mahafaty, dia areti-mifindra izay nanjary nihanaka be amin’izao taonjato faha-20 izao. Tsy azo lavina fa ilay aretina mahatahotra hoe SIDA, dia miely indrindra noho ny faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Kanefa moa ve tsy voaporofo fa fiarovana lehibe ho an’ireo mpivavaka marina ny tahotra feno fanajana an’Andriamanitra? — 2 Korintiana 7:1; Filipiana 2:12; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
Ireo vokatry ny fahatahorana an’Andriamanitra ankehitriny
20. Inona no manazava fa mahafantatra ny lazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olon-kafa?
20 Tondraka ireo fitahiana ho an’ireo matahotra an’Andriamanitra sy manaraka ny didiny. Diniho ny zava-nitranga iray izay manazava hoe mihamitombo ny fanekena fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahaforona firahalahiana mandry feizay misy Kristiana mahitsy ara-pitondran-tena. Nisy Vavolombelona maromaro, solontena tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray tany Amerika Atsimo, nipetraka tao amin’ny hotely iray izay sady nampiasaina koa, indray alina, hanaovana fivoriana tsy an’ny Vavolombelona, notarihin’ny prezidàn’ilay firenena. Raha nampiditra haingana ilay prezidà tao anaty ascenseur ny ekipa mpiantoka ny fiarovana, dia nisy Vavolombelona iray tsy nahafantatra izay tao anatin’ilay ascenseur, niditra, ka akory ny fahatairan’ireo lehilahy mpiantoka ny fiarovana! Rehefa nahatakatra tsara izay nataony ilay vehivavy Vavolombelona, dia niala tsiny izy noho ny fitsofotsofohany fahatany. Nasehony ilay insigne tamin’ny fivoriambe izay nampahafantatra azy ho Vavolombelona, ary nilaza izy fa tsy fandrahonana ho an’ilay prezidà akory ny tenany. Nitsiky ny mpiambina iray ka niteny hoe: “Raha sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah avokoa ny olon-drehetra, dia tsy ho nila izao karazana fiarovana izao isika.” — Isaia 2:2-4.
21. Lalam-pitondran-tena inona avy no azon’ny olona arahina amin’izao andro izao?
21 Izany no karazana olona angonin’i Jehovah ankehitriny ka ampiomaniny mba hivoaka ‘amin’ilay fahoriana lehibe’ izay hamarana itỳ fandehan-javatra itỳ. (Apokalypsy 7:9, 10, 14). Tsy hiankina amin’ny kisendrasendra akory izany fahatafitana velona izany. Mba ho tafita velona, ny olona iray dia tsy maintsy matahotra an’i Jehovah, manaiky azy ho Tompom-piandrianana ara-dalàna, sy manolo-tena ho azy. Ny zava-misy anefa dia hoe, tsy hamboly ilay karazan-tahotra izay hahatonga azy ho mendri-piarovana, ny ankamaroan’ny olona. (Salamo 2:1-6). Araka ireo porofo rehetra misy, dia efa manapaka amin’ny maha-Mpanjaka azy i Jesosy Kristy, ilay Mpanapaka voafidin’i Jehovah, hatramin’ny 1914, ilay taona fanapahan-javatra. Midika izany fa mihatapitra haingana ilay fotoana tavela ho an’ny olona mba hampitomboany sy hampisehoany tahotra mahasoa an’i Jehovah. Na dia izany aza, ilay Mpamorona antsika dia mamela ny olona, na dia ireo olona ambony saranga aza, mba handray tsara: “Amin’izany dia hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsara ny tany. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana, ary mifalia amin’ny fangovitana. Manoroha ny Zanaka, fandrao tezitra Izy, ka ho very eny an-dàlana hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.” — Salamo 2:7-12.
22. Inona no tahirizin’ny hoavy ho an’ireo izay matahotra an’Andriamanitra?
22 Enga anie isika ho anisan’ireo izay hidera ny Mpamorona antsika ho Ilay namonjy antsika. Izany anefa dia mitaky ny hatahorantsika an’ilay Andriamanitra marina ankehitriny! (Ampitahao amin’ny Salamo 2:11; Hebreo 12:28; 1 Petera 1:17.) Tsy maintsy manohy mianatra ireo didiny marina sy mankato azy ireny isika. Hahatratra ny fara heriny ilay hiran’i Mosesy sy ny an’ny Zanak’ondry, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Apokalypsy 15:3, 4, rehefa hanafoana tanteraka ny faharatsiana rehetra eto an-tany i Jehovah, ka hanomboka hanasitrana ny olombelona sy ny tany fonenany amin’ireo vokatry ny ota mandoto. Amin’izay, dia hihira amin’ny fontsika manontolo toy izao isika: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, [Jehovah, NW ] ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, [Jehovah, NW ] ô?”
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana i Jehovah no mendrika ny tahotra mahasoa asehontsika?
◻ Inona no nahariharin’ny zava-bitan’Andriamanitra teo amin’ny Ranomasina Mena?
◻ Inona avy ireo soa azo avy amin’ny tahotra feno fanajana asehontsika amin’i Jehovah?
◻ Hoavy manao ahoana no miandry an’ireo izay matahotra an’ilay Andriamanitra marina ankehitriny?