Ho tonga ny faran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”
“Koa izany no ilazana eo amin’ny Bokin’ny Adin’i Jehovah.” — NOMERY 21:14.
1, 2. Tamin’ny toe-javatra inona fahiny no nanehoan’i Jehovah tamin’ny Egyptiana fa Andriamanitra mpiady izy, ary ahoana no nanaovany izany?
TSY heverin’ny olona ankehitriny firy ny maha-miaramila sy maha-mpiady mahery an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Baiboly. Niharihary io toe-javatra io rehefa nanafaka ny vahoakany fahiny tamin’ny fampahoriana tany Egypta izy. Nampirisihin’ny fahavalo tsy hita mason’io vahoaka io, dia i Satana devoly, i Farao mba hanao izay hahafaty azy ireo noho ny asa mafy. Izao, rehefa takatr’i Farao izay nafoiny tamin’ny famelana ny Isiraelita handeha, dia nanenjika azy ireo izy sy ny tafiny.
2 Tsy voavak’i Farao anefa fa ilay Andriamanitry ny Isiraelita dia afaka ny ho tonga Andriamanitra mpiady mba hanafahana ny vahoakany. Raha mbola nandroso namakivaky ny fanambany mainan’ny Ranomasina Mena ireo tafika egyptiana ireo, nanenjika mba hamaly faty, dia nanao zavatra ilay Andriamanitry ny Isiraelita notandindomin-doza ary namono an-drano ny mpitondra kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly tamin’ny famelana ny antontan-drano hianjera teo ambonin’ilay lalantsara fandosirana nosokafana tamin’ny fomba mahagaga ho an’ny Isiraelita. — Eksodosy 14:14, 24-28.
3. Tao amin’ny hiram-pandresena nataony, nilaza an’i Jehovah ho karazana Andriamanitra manao ahoana moa ireo Isiraelita, nefa minia tsy mahafantatra zava-misy inona ireo firenena ankehitriny?
3 Afa-doza teny amin’ny morony atsinanan’ny Ranomasina Mena ireo Isiraelita dibo-kafaliana ka nihira hiram-pandresena, nankalaza ny Mpanavotra azy any an-danitra toy izao: “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. Ny kalesin’i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ny Ranomasina Mena.” (Eksodosy 15:1-4.) Teo amin’ny Ranomasina Mena teo no nampisehoan’i Jehovah ny tenany ho mpiady afaka manao asa mahatalanjona. Ninia tsy nahafantatra izany zava-misy izany ireo firenena teo amin’izao tontolo izao.
4, 5. Avy tamin’ny razambe iombonana iza no niavian’ireo foko 12 ravoravon’ny Isiraely ireo, ary tonga sakaizan’iza izy io noho ny toetra inona?
4 Ny mpaminany Mosesy izay nitarika ny fihirana an’io hira ara-tsindrimandry io, dia niresaka ny amin’i Jehovah ho “Andriamanitry ny razako”. Razamben’ny firenen’ny Isiraely niavaka i Abrahama Hebreo. Avy aminy, tamin’ny alalan’i Isaka sy Jakoba ary ny zanak’i Jakoba 12 lahy, no niavian’ny foko 12-n’ny Isiraely. Nampiseho ny tenany ho mpanompon’i Jehovah Andriamanitra fakan-tahaka i Abrahama. Natanjaka aoka izany ny finoan’io lehilahy io, hany ka rehefa nantsoin’i Jehovah mba handao ny tranony tany Oran’ny Kaldeana izy, dia tsy nisalasala nanomboka ny dia ho any amin’ny tany izay hasehon’i Jehovah azy, natoky fa hotanterahin’Andriamanitra ny fampanantenany hanome izany ho an’ny taranany.
5 Noho ny finoana maha-te hidera nananan’i Abrahama, i Jehovah dia nampanantena ny hanome azy “taranaka”, na zanaka, izay amin’ny alalany no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany, anisan’izany ny fianakaviana amin’izao androntsika izao (Genesisy 12:2, 3; 22:17, 18). Tafiditra tao anatin’ny fifandraisana akaiky aoka izany tamin’Andriamaniny i Abrahama ka nanjary fantatra ho “Sakaizan’Andriamanitra” izy, ny tenan’Andriamanitra mihitsy no niantso ilay patriarka nahatoky hoe “sakaizako”. — Jakoba 2:23; Isaia 41:8.
6. Na dia mpirenireny tia fihavanana tany amin’ny Tany nampanantenaina aza i Abrahama, ahoana no nanaporofoany ny tenany ho mpiady natoky an’i Jehovah?
6 Na dia nifindrafindra toy ny vahiny tany amin’ny Tany nampanantenaina aza i Abrahama, dia noporofoiny fa afaka nanao zavatra tamin’ny naha-mpiady, na miaramila izy. Indray mandeha, dia nanafika ny Tany nampanantenaina ny mpanjaka efatra avy tany ivelany ka namabo an’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama sy ny fianakaviany. Natosiky ny fatoram-pianakaviana mafy i Abrahama ka nanome fiadiana ny mpanompony 318 lahy, ary niaraka tamin’ny fanampian’ny namany telo avy teo an-toerana, Anera sy Eskola ary Mamre, dia nanenjika ireo mpandroba izy. Namely tampoka tamin’ny alina i Abrahama sy ny tariny ka nandresy ireo mpanafika, na dia nahery lavitra noho izy aza ireo. Tonga ny “famonoana ireo mpanjaka”. (Hebreo 7:1, MN; Genesisy 14:13-17). Novonjen’i Abrahama i Lota sy ny fianakaviany ary azony indray izay rehetra nangalarina.
7-9. (a) Mpisorona iza no novangian’i Abrahama, ary tso-drano inona no azony? (b) Ahoana no nanehoan’i Abrahama fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra ihany no niriny hampanan-karena azy? (d) Araka ny nohamafisin’i Melkizedeka, iza no nanome fandresena an’ady an’i Abrahama?
7 Niaiky i Abrahama fa matoa nahomby izy tamin’ny ady dia noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra ihany, ary tamin’ny dia nataony rehefa nody avy nandresy, dia afaka niaiky ampahibemaso ny amin’izany izy. Fantany fa tokony ho hita any amin’ny tanànan’i Salema ny mpisorona ankasitrahan’Andriamaniny. Nandroso ho any amin’io tanàna io àry izy. Mampahafantatra antsika ny amin’izay nitranga avy teo ny tapany farany amin’ny Genesisy toko faha-14:
8 “Ary Melkizedeka mpanjakan’i Salema nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra. Dia nitso-drano azy izy ka nanao hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra. Ary hoy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. Fa hoy Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: Izaho efa nanangan-tànana tamin’i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao (fandrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’i Abrama), afa-tsy izay efa nohanin’ny zatovo sy ny anjaran’ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ireo ny anjarany.” — Genesisy 14:18-24.
9 Araka ny asehon’ireo andinin-teny ireo, i Melkizedeka, ilay mpanjaka sady mpisoron’ny tanànan’i Salema, dia nanamafy ny fieken’i Abrahama fa ilay Avo Indrindra no niady ho azy sy ny miaramilany ka nanome azy ny fandresena. Tsy nohamaivanin’i Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona ny anjara noraisin’i Jehovah tamin’ilay raharaha.
Ilay bokin’ireo Adin’i Jehovah
10. Inona no filazana voalohany momba ny fifamelezana amin’ny ady ao amin’ny Baiboly, ary nahoana izany no vao fiandohan’ny ady nahitan’i Jehovah fandresena?
10 Ny filazalazana ao amin’ny Genesisy toko faha-14 ny amin’ny fanafihana ny Tany nampanantenaina sy ny nandresen’i Abrahama ireo mpanafika nitam-piadiana no filazana voalohany momba ny fifamelezana amin’ny ady ao amin’ny Soratra masina. Araka izany, maherin’ny taonjato efatra talohan’ny asa lehibe nataony teo amin’ny Ranomasina Mena, dia efa nampiseho ny tenany ho miaramila, ho “mpiady mahery” i Jehovah. Vao fiandohana fotsiny anefa izany. Mbola hanaraka ny fandresena manakoako kokoa sy lehibe lavitra, anisan’izany ilay farany amin’ity “fifaranan’ny fandehan-javatra” ity. — Matio 24:3, MN.
11. Inona ilay “Bokin’ny Adin’i Jehovah”, nefa aiza koa no ahitana fitantarana maro be ny amin’ireo asa lehibe an’ady nataony?
11 Mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Nomery 21:14 dia nosoratana ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”. Izany fitantarana na tantara azo itokiana ny amin’ireo adin’Andriamanitra ho fiarovana ny vahoakany izany, dia angamba niandoha tamin’ny ady nataony ho an’i Abrahama nahatoky. Nahafantatra ny amin’io boky io i Mosesy saingy tsy nanome antsika antsipiriany ankoatra izany izy. Noho izany dia tsy nampahafantarina antsika ny amin’ny fomba rehetra nanehoan’i Jehovah ny tenany ho mpiady nandritra ny fe-potoana voatantara ao amin’io bokin’ny Adin’i Jehovah io. Hatramin’ny nanononana an’io boky io anefa, dia nosoratana ny ampahany lehibe amin’ny Baiboly Masina, ka izany dia manome antsika fitantarana sesehena ny amin’ireo ady lehibe niavaka nataon’i Jehovah.
Ilay Melkizedeka Lehibe — Mpiady iray
12. Solontenan’Andriamanitra Avo Indrindra lehibe iza moa no nasehon’i Melkizedeka, ary Salamo inona nataon’i Davida no miresaka aminy amin’ny maha-mpisorona sy mpiady?
12 Rehefa avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy i Abrahama, dia nitso-drano azy i Melkizedeka. I Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona dia nampiseho ara-paminaniana Ilay ho Mpisoronaben’Andriamanitra Avo Indrindra sady mpiady mahery tohanan’ilay Andriamanitra Ambony Indrindra. Ny Salamo faha-110, nosoratan’i Davida mpanjaka mpiady teo ambany tsindrimandry, dia miresaka amin’Ilay lehibe kokoa noho i Melkizedeka tao Salema rehefa nilaza hoe: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao. Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka. Ny Tompo [Jehovah, MN ] eo an-kavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany.” — Salamo 110:2, 4, 5.
13. Ampahafantarina ho iza moa ilay lehibe noho i Melkizedeka taloha ao amin’ny Hebreo toko faha-7 sy faha-8, ary tao amin’ny toerana mendri-kaja inona no nidiran’izy io, nitondra karazana fanatitra inona?
13 Nampahafantatra ny maha-izy an’Ilay tena nandefasana ireo teny ireo ny mpanoratra nahazo tsindrimandry ny bokin’ny Hebreo rehefa niteny hoe: “Tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe ‘mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka’ Izy.” (Hebreo 6:20.) Voazava ao amin’ny toko manaraka amin’ny Hebreo ny fahalehibeazan’ilay Melkizedeka taloha. Na dia izany aza anefa, ny fahalehibeazany amin’ny maha-mpisorona dia latsaka noho ny an’Ilay nanana azy ho tandindona, dia i Jesosy Kristy tafatsangana sy nomem-boninahitra, izay niditra teo anatrehan’ny fisiana masin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy nitondra ny vidin’ny sorona lehibe lavitra noho izay nety ho naterin’i Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona. — Hebreo 7:1–8:2.
14. Moa ve ilay Melkizedeka Lehibe nanome lalana ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana handray anjara amin’ny fisetran-javatra ara-tafika eo amin’izay lazaina fa firenena kristiana?
14 Nitso-drano mpiady iray, dia i Abrahama mpandresy, i Melkizedeka mpisorona sady mpanjaka. Ahoana anefa ny amin’ilay Melkizedeka Lehibe, ilay Mpanorina ny kristianisma marina? Mihambo ho misolo tena an’i Jesosy Kristy ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny fitsofan-drano ny tafik’ireo firenena lazaina fa kristiana sy amin’ny fivavahana ho azy. Nefa moa ve ilay Mpisoronaben’i Jehovah any an-danitra nanohana ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’izany? Moa ve izy tamin’izay nanaiky ho tompon’andraikitra tamin’ny fandatsahan-dra rehetra natao nandritra izay heverina ho vanim-potoana kristiana, anisan’izany ny ra nalatsaka tamin’ny Ady Lehibe voalohany sy faharoa? Tsy izany velively! Tsy nisy mihitsy fotoana namelany ny tena mpianany hanao ny tenany ho anisan’izao tontolo izao ka hiaraka aminy amin’ny fandatsahan-dra an’ady ataony.
Manao anarana mahafinaritra ho an’ny tenany ilay Andriamanitra Mpiady
15, 16. Nanao inona ho an’ny tenany i Jehovah rehefa niady ho an’ny vahoakany mba hanafahana azy avy tany Egypta?
15 Nanisy fitenenana ny amin’ny fanafahan’i Jehovah ny foko 12-n’ny Isiraely avy tany Egypta ny Nehemia 9:10 rehefa nilaza hoe: “Dia nanao famantarana sy fahagagana tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ny olona rehetra tany amin’ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy [ny Isiraelita] ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin’izao anio izao.” — Ampitahao amin’ny Eksodosy 14:18.
16 Nilaza ny hatsaran’io anarana io ny mpaminany Isaia rehefa niresaka ny amin’i Jehovah ho “Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy.” Ary niresaka tamin’i Jehovah izy nanao hoe: “Tahaka izany no nitondranao ny olonao, mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.” (Isaia 63:12-14.) Rehefa niantso an’i Jehovah mba hanao zavatra indray ho an’ny vahoakany i Daniela dia niteny taminy hoe: “Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta tamin’ny tànana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao.” — Daniela 9:15; Jeremia 32:20.
17. Iza no hirahin’i Jehovah mba hiady ho an’ny anarany, ary inona no hasehony amin’ireo firenena rehetra ankehitriny amin’izany?
17 Amin’ny fotoana mety, i Jehovah Andriamanitra dia haniraka an’i Jesosy Kristy, ilay Melkizedeka Lehibe, amin’ny maha-mpiady mahery. Amin’ny alalany no hanaovan’i Jehovah anarana ho an’ny tenany mihoatra noho izay rehetra mety ho voalazalaza ao amin’ny bokin’ny Adin’i Jehovah tamin’ny lasa sy ny ao amin’ny Soratra Hebreo amin’ny Baiboly Masina. Ao amin’ny toko farany amin’ny boky alohan’ny farany amin’ny Soratra hebreo, dia nambara mialoha ny amin’ny fanafihana iraisam-pirenena an’i Jerosalema. Amin’izay, mifanaraka amin’ny Zakaria 14:3, dia “hivoaka Jehovah ka hiady amin’ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ny andro fiadiana”. Amin’izany fomba izany no hanehoan’ilay Andriamanitry ny Baiboly amin’ireo firenena rehetra ankehitriny fa mbola ilay Andriamanitra mpiady tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny ihany izy.
18, 19. Jerosalema inona no hiharan’ny fanafihana faran’izay mafy avy amin’ireo firenena?
18 Izany dia fahatsinjovan-javatra mbola vao ho avy. Jerosalema inona anefa no hiharan’ny fanafihana faran’izay mafy toy izany? Tsy tanteraka teo amin’i Jerosalema tamin’ny andron’i Zakaria ilay faminaniana. Noravan’ny tafik’i Roma tamin’ny taona 70 am.fan.ir. io tanàna io. Naorina indray anefa i Jerosalema, ary ankehitriny izy io dia heverin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny firenen’ny Isiraely ara-nofo ho masina. Tamin’ny ady naharitra enina andro tamin’ny 1967, dia lasan’ny Isiraely ara-nofo ho fananany i Jerosalema manontolo teto an-tany naorina indray. Tsy misy anefa porofo na dia kely akory aza fa nandray anjara tamin’io ady io i Jehovah Andriamanitra. Jesosy Kristy, ilay Mpanjakany nahazo fiandrianana, dia tsy manjaka eo amin’i Jerosalema eto an-tany, ary izy io dia tsy “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, izany hoe Jehovah, intsony. — Matio 5:35.
19 Tsia, tsy io tanàna renivohitra ofisialin’ny Jiosy anisan’ny Firenena Mikambana io akory ilay Jerosalema voatonona ao amin’ny faminanian’i Zakaria. Miresaka ny amin’ilay Jerosalema izay vakintsika ao amin’ny bokin’ny Hebreo kosa i Zakaria. Eo i Paoly dia mitodika any amin’ireo kristiana voahosotra ka manao hoe: “Fa hianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina.” (Hebreo 12:22.) Tsy inona akory io Jerosalema any an-danitra io fa ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra, asehon’ny antokona kristiana voahosotra vitsy eto an-tany ankehitriny izay mamelona fanantenana ny hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy ao amin’io Fanjakana io. Izy ireo no hiharan’ny fanafihana nambaran’ny faminaniana.
20. Inona no teny nolazain’i Hezekia mpanjaka tamin’ny vahoakany norahonana mba hampaherezana azy, ary miankina amin’ny tenin’ny Mpanjaka lehibe noho i Hezekia iza no ampaherezan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ny tenany?
20 Kanefa tsy mila ny matahotra izay ho fiafaran’io fanafihana io na izy ireo, na ny vahoaka betsaka amin’ny kristiana manana fanantenana ho eto an-tany izay niala avy tamin’ny firenena rehetra mba hiaraka amin’izy ireo ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Rehefa nanafika an’i Jerosalema tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia mpanjaka ny tafika naharaiki-tahotr’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, dia nomena toky ny amin’ilay toe-javatra ireo Isiraelita notandindomin-doza rehefa niteny taminy toy izao ny mpanjaka Hezekia: “Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika.” Ny vokany dia “niankina tamin’ny tenin’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda ny olona”. (2 Tantara 32:8.) Afaka mampahery ny tenany amin’ny teny toy izany avy amin’ny mpanjaka lehibe noho Hezekia, dia i Jesosy Kristy, ireo Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, rehefa rahonan’ny tafiky ny firenena eo amin’ity fandehan-javatra ity.
21. (a) Nahoana no ho tonga ao an-tsaina ny tenin’i Jahaziela mandritra ny fanafihana hamely an’i Jerosalema any an-danitra? (b) Hanao ahoana ny ho fiafaran’ilay ady tsy maintsy hatao?
21 Amin’izany fotoana izany, dia ho tonga ao an-tsaina ireo teny mampitombo finoana nataon’i Jahaziela levita manao hoe: “Tsy hianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.” (2 Tantara 20:17.) Eny, mandritra izany fotoana mampidi-doza izany dia hiaraka amin’ny vahoakany i Jehovah. Hiankina amin’ny fiadiany ho azy ireo ny tsy fananany ahiahy sy ny fiarovana azy. Ary hiady tokoa izy amin’ny alalan’ny Mpanjakany mpiady, Jesosy Kristy! Inona no ho vokany? Ny fanafoanana tanteraka ny fandaminana hita mason’ny Devoly eto an-tany. — Apokalypsy 19:11-21.
22. (a) Inona no ho famaranan-javatra amim-pandresena ao amin’ny bokin’ny Adin’i Jehovah, ary inona no hataon’i Jehovah ho an’ny tenany mifanaraka amin’izany? (b) Voatosika hanao inona ireo tia ny anaran’i Jehovah noho ny fandreseny?
22 Endrey ny hatsaran’ny anarana hataon’Andriamanitra ho an’ny tenany noho ny fandreseny mahatahotra ao amin’io “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” io ao Haramagedona! (Apokalypsy 16:14, 16.) Toy ny hoe hisy toko vaovao hanampy ao amin’ny bokin’ny Adin’i Jehovah. Izany dia ho famaranan-javatra amim-pandresena, fifaranana lehibe raha ny amin’ity fandehan-javatra ity. Hasehon’ilay boky manontolo fa tsy mbola resy an’ady mihitsy ilay Andriamanitra Tsitoha. Amin-karavoana toy inona moa no hideran’ireo tia ny anaran’i Jehovah azy aorian’izany! Amin’izay, dia ho fatratra ny fanatanterahana ny andininy farany ao amin’ny bokin’ny Salamo manao hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia”. — Salamo 150:6.
Fanontaniana ho famerenana
◻ Inona no tsy heverin’ny olona ankehitriny firy mikasika an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Baiboly?
◻ Ady inona no nataon’i Abrahama, ary iza no nanome azy ny fandresena?
◻ Inona ilay “Bokin’ny Adin’i Jehovah”?
◻ Inona no ho fiafaran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”, ary inona no ho vokatr’izany?