-
Sarobidy Lavitra Noho ny Zava-tsoan’i EjiptaNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Jona
-
-
Fitaizana sy fanabeazana
“Nentin[’i Jokebeda] ny zaza ka notezainy. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao izy, ka dia tonga zanany.” (Eksodosy 2:9, 10) Tsy resahin’ny Baiboly hoe firy taona i Mosesy no niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny. Misy mihevitra fa mandra-pisarany nono, fara faharatsiny, izany hoe nandritra ny roa na telo taona, nefa mety ho ela kokoa noho izany. Tsy mamaritra taona ny Eksodosy fa milaza fotsiny hoe “lehibe ny zaza.” Na ahoana na ahoana, dia azo antoka fa nanararaotra ny fotoana i Amrama sy Jokebeda hampahafantarana an’i Mosesy fa Hebreo izy. Nampianariny ny momba an’i Jehovah koa izy. Nahavita nandentika ny finoana sy ny fitiavana ny fahamarinana tao am-pon’i Mosesy ve izy ireo sa tsia? Ny fotoana no hilaza izany.
-
-
Sarobidy Lavitra Noho ny Zava-tsoan’i EjiptaNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Jona
-
-
[Efajoro, pejy 11]
Fifanekena Natao Tamin’ny Mpampinono
Ny reny no tokony hampinono ny zanany. Hoy anefa ilay manam-pahaizana atao hoe Brevard Childs, ao amin’ny Gazety Momba ny Haisoratra Ara-baiboly (anglisy): “Nanakarama mpampinono indraindray ny fianakaviana andriana sasany [tany Proche-Orient]. Fanao koa izany rehefa tsy afaka nampinono ny zanany ilay reny na tsy fantatra ny renin’ilay zaza. Ilay mpitaiza no tompon’andraikitra tamin’ny fanabeazana sy fampinonoana an’ilay zaza nandritra ny fotoana nifanarahana.” Misy taratasy papyrus maromaro mirakitra fifanekena natao tamin’ny mpampinono avy tany Proche-Orient fahiny, mbola voatahiry. Noporofoin’izy ireny fa fanao izany, nanomboka tamin’ny vanim-potoana somerianina ka hatramin’ny faran’ny vanim-potoanan’ny Grika tany Ejipta. Izao avy no noraketin’ireny taratasy ireny mazàna: ny anaran’ireo olona nifanaiky, ny fotoana aharetan’izy io, ny mombamomba ilay asa atao, ny tsipiriany momba ny sakafo, ny lamandy aloa raha toa ka mivadika amin’ilay fifanekena, ny karama sy ny fomba andoavana azy. Nanazava i Childs fa matetika no “naharitra roa ka hatramin’ny telo taona ny fitaizana zaza. Nobeazin’ny mpampinono tao an-tranony ilay zaza, nefa tsy maintsy nentiny tany amin’ny ray aman-dreniny izy io indraindray mba hozahan’izy ireo.”
-