-
Vata Misy ny FifanekenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fitehirizana zava-masina mampahatsiahy zava-nitranga niavaka ilay Vata, ka ireo takela-bato roa misy ny tenin’ny vavolombelona na ny Didy Folo no tena tao foana. (Ek 25:16) Natao tao koa “ny siny volamena nisy ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka”, saingy nesorina tao talohan’ny nanorenana ny tempolin’i Solomona. (He 9:4; Ek 16:32-34; No 17:10; 1Mp 8:9; 2Ta 5:10) Nomen’i Mosesy an’ireo Levita mpisorona ny “boky misy ny Lalàna”, taloha kelin’ny nahafatesany. Tsy nasainy natao tao amin’ilay Vata anefa izy io, fa ‘teo anilan’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitra, ho vavolombelona eo hiampanga azy ireo.’—De 31:24-26.
-
-
MpisoronabeFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Napetraka teo amin’ny toerany. Nanomana an’i Arona ho amin’ny asany ny andraikitra nomen’i Jehovah azy taoriana kelin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Nasaina napetrany teo anoloan’ny Tenin’ny Vavolombelona, ohatra, ny siny nisy mana mba hotehirizina, tamin’ny Israelita tany an-tany efitra ho any Sinay. Mbola tsy nisy ny tranolay fihaonana sy ny Vata misy ny fifanekena tamin’izany. (Ek 16:33, 34) I Arona no niandraikitra ny tranolay masina sy ilay Vata, tatỳ aoriana. Ankoatra an’ireo 70 lahy tamin’ny anti-panahin’ny Israely, dia voatonona hoe nahazo nanatona ny Tendrombohitra Horeba i Arona sy ny zanany roa lahy, ka nahazo fahitana an’Andriamanitra.—Ek 24:1-11.
-