FANATONANA AN’ANDRIAMANITRA
Fanao tany Atsinanana ny hoe tsy maintsy nanaraka fitsipika sy nahazo alalana tamin’ny mpanjaka ny olona iray vao nahazo niseho teo anatrehany. Matetika no nisy mpanelanelana nampandroso an’ilay olona sy nanome porofo fa azo itokisana izy. Novonoina ho faty izay tonga tsy nantsoina teo amin’ny tokotany anatiny nanoloana ny tranon’i Ahasoerosy mpanjaka persianina. Nahazo sitraka taminy anefa i Estera vadiny rehefa nanao vivery ny ainy mba hiseho teo anatrehany. (Es 4:11, 16; 5:1-3) Nila nitandrina an’izay nolazainy sy nataony ny olona nankeo anatrehan’ny mpanjaka sao hampahatezitra azy. Izany no nataon’ireo rahalahin’i Josefa rehefa niseho teo anatrehany, satria hoy i Joda tamin’i Josefa: “Toa an’i Farao ihany mantsy ianao.” (Ge 42:6; 43:15-26; 44:14, 18) Tena sarotra àry ny nahazo alalana hiseho teo anatrehan’ny mpanjaka, na dia olona tsy lavorary ihany aza izy, ka vitsy no nahazo alalana hanao izany.
Eo anatrehan’Andriamanitra. Nilaza i Paoly tany Atena fa “tsy lavitra antsika tsirairay” Andriamanitra. (As 17:27) Mora hatonina koa Izy, hoy ny Baiboly, kanefa tsy maintsy mahafeno fepetra sy mahazo alalana na sitraka aminy ny olona vao afaka manatona azy. Henin-kaja amam-boninahitra sy milamina tsara ny eo anatrehan’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, araka ny fahitana azon’i Daniela. Hitany ‘nentina ho eo anatrehan’ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be’, ohatra, ny “zanak’olona”, rehefa ‘nahazo alalana hankeo aminy.’ (Da 7:9, 10, 13, 14; ampit. Je 30:21.) Asain’Andriamanitra hiseho eo anatrehany amin’ny fotoana efa voatondro koa ny anjely, ary tsy afaka niaraka tamin’izy ireo teo i Satana, raha tsy nahazo alalana taminy.—Jb 1:6; 2:1.
Nila nifampiresaka tamin’ilay Andriamaniny sy Rainy ny olona satria noforonina araka ny endriny sady nisy itovizana taminy, izany hoe nanana ny toetrany, ary nomena andraikitra hikarakara ny Tany sy ny biby. (Ge 1:26, 27) Nifampiresaka taminy tokoa izy ireo.—Ge 1:28-30; 2:16, 17.
Tsy nila mpanelanelana i Adama sy Eva tamin’ny voalohany rehefa nifampiresaka tamin’Andriamanitra, fa toy ny zanaka miresaka amin-drainy. Lavorary mantsy izy ireo ka tsy nisy tsiny sy ota. (Ge 1:31; 2:25) Tsy afaka nifandray taminy toy izany intsony anefa izy ireo, rehefa nanota sy nikomy ary voaheloka ho faty. (Ge 3:16-24) Tsy fantatra raha mbola niezaka nanatona azy izy ireo taorian’izay.
Nilana finoana sy asa tsara ary fanatitra. Nilaina ny finoana sy ny asa tsara mba hahafahana manatona an’Andriamanitra, rehefa jerena ny tantaran’i Kaina sy Abela tamin’izy ireo nanolotra fanatitra. Nila ‘niova ka nanao ny tsara’ i Kaina, vao heken’Andriamanitra ny fanatiny. (Ge 4:5-9; 1Jn 3:12; He 11:4) Voalaza fa “nanomboka nantsoina ny anaran’i Jehovah” tamin’ny andron’i Enosa. (Ge 4:26) Toa tsy natao tamim-pinoana anefa izany, satria i Enoka fa tsy i Enosa no olona nanam-pinoana nanarakaraka an’i Abela sy ‘niara-nandeha tamin’Andriamanitra’ ka nahazo sitraka taminy. (Ge 5:24; He 11:5) Tsy nanaja an’Andriamanitra kosa ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Enoka.—Jd 14, 15; jereo ENOKA; ENOSA.
Nahazo nanatona an’Andriamanitra sy voaro i Noa satria olo-marina sy tsy nisy tsiny. (Ge 6:9-19) Nanolotra fanatitra toy ny nataon’i Abela izy taorian’ny Safodrano, rehefa nanatona an’Andriamanitra. Nahazo tsodrano izy ary nomena toromarika fanampiny mba hahazo sitraka aminy foana. Nanaovana fifanekena koa izy sy ny zavamananaina rehetra hoe tsy hisy safodrano haneran-tany intsony. (Ge 8:20, 21; 9:1-11) Angamba nankasitrahan’Andriamanitra kokoa noho ireo rahalahiny roa i Sema, matoa nantsoina hoe “Andriamanitr’i Sema” i Jehovah.—Ge 9:26, 27.
Fisoronan’i Melkizedeka. Tamin’ny andron’i Melkizedeka vao nisy ‘mpisorona’ nisolo tena ny olona nanatona an’Andriamanitra, na dia nisolo tena ny fianakaviany aza i Noa tamin’izy nanolotra sorona. Neken’i Abrahama fa mpisorona i Melkizedeka matoa ‘nomeny ny ampahafolon’ny zava-drehetra izy.’ (Ge 14:18-20) Mifanitsy amin’i Melkizedeka i Kristy Jesosy.—He 7:1-3, 15-17, 25.
Ny nataon’ireo loham-pianakaviana fahiny. Nanam-pinoana sy nankatò ary feno fanajana i Abrahama rehefa nanao alitara sy fanatitra hanatonana an’Andriamanitra. (Ge 18:18, 19; 26:3-6; He 11:8-10, 17-19) Nantsoina hoe ‘naman’Andriamanitra’ àry izy. (Is 41:8; 2Ta 20:7; Jk 2:23) Nanao fifanekena taminy koa Andriamanitra. (Ge 12:1-3, 7; 15:1, 5-21; 17:1-8) Ny famorana no famantarana an’ilay izy, ka nisy fotoana tsy maintsy noforana izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Ge 17:9-14; Ro 4:11) Afaka nitalaho ho an’ny hafa koa i Abrahama (Ge 20:7), nefa feno fanajana foana izy teo anatrehan’i Jehovah na ny solontenany. (Ge 17:3; 18:23-33) Havan’i Abrahama lavitra i Joba, izay nanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny fianakaviany ka nanolotra fanatitra dorana. (Jb 1:5) Nitalaho ho an’ireo ‘namany’ telo lahy koa izy, ary “neken’i Jehovah ny vavak’i Joba.”—Jb 42:7-9.
Mpandova an’ilay fampanantenana nomena an’i Abrahama i Isaka sy Jakoba. “Niantso ny anaran’i Jehovah” tamim-pinoana izy ireo, ary nanorina alitara sy nanolotra fanatitra rehefa nanatona Azy.—He 11:9, 20, 21; Ge 26:25; 31:54; 33:20.
Nandidy an’i Mosesy ny anjelin’Andriamanitra mba tsy hanatona an’ilay voaroy mirehitra sy hanaisotra ny kapany, satria “tany masina” no nijoroany. (Ek 3:5) Voatendry hisolo tena ny firenen’Israely i Mosesy, ary tena tsy nanan-tsahala ny toerany satria afaka nankeo anatrehan’i Jehovah izy sady niresahany “mivantana.” (No 12:6-13; Ek 24:1, 2, 12-18; 34:30-35) Mifanitsy amin’i Mosesy koa i Kristy Jesosy.—De 18:15; As 3:20-23.
Tena nilaina ny nanao izay takin’i Jehovah. Nasain’i Jehovah nanamasina ny tenany nandritra ny telo andro sy nanasa ny akanjony ny firenen’Israely manontolo, talohan’ny nanomezany azy ireo ny Lalàna. Nasiana fetra tsy azon’iza na iza nihoarana nanodidina ny tendrombohitra Sinay, ary novonoina ho faty izay olona na biby nikasika azy io. (Ek 19:10-15) “Nentin’i Mosesy nivoaka avy tao an-toby ny vahoaka mba hihaona amin’Andriamanitra”, ary nasainy niandry teo am-pototr’ilay tendrombohitra. Izy kosa nianika azy io mba handray ny Lalàna, ary nisy kotroka, tselatra, setroka, afo, ary feona trompetra tamin’izay. (Ek 19:16-20) Nodidiana i Mosesy hoe: ‘Aoka ny mpisorona sy ny vahoaka tsy hitady hihoatra ny fetra mba hankany amin’i Jehovah, sao hitroatra hamely azy izy.’ (Ek 19:21-25) Ny loham-pianakaviana israelita tsirairay angamba ilay hoe “mpisorona” eto. Nolazaina fa “mpankeo amin’i Jehovah” izy ireo satria nisolo tena ny fianakaviany, toy ny nataon’i Joba.
Teo ambanin’ny Lalàna. Nisy mpisorona notendrena hanolotra an’ireo sorona notakin’ny Lalàna tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly, mba hahafahan’ny Israelita tsirairay sy ilay firenena manontolo hanatona an’Andriamanitra. Ny zanakalahin’i Arona Levita no mpisorona nisolo tena ny vahoaka. Novonoina ho faty kosa izay tsy taranak’i Arona nanatona ny alitara sy ny fitaovana masina mba hanao ny asan’ny mpisorona, na dia Levita aza izy. (Le 2:8; No 3:10; 16:40; 17:12, 13; 18:2-4, 7) Tsy maintsy nisasa sy nidio araka ny notakin’ny Lalàna ny mpisorona ary nanao ny akanjo natokana ho azy, vao nahazo nanatona ny alitara na “ny toerana masina.” (Ek 28:40-43; 30:18-21; 40:32; Le 22:2, 3) Novonoina ho faty izay tsy nanaja na nandika ny toromarik’ilay Andriamanitra Fara Tampony, toy ny nanjo azy roa lahy zanak’i Arona. (Le 10:1-3, 8-11; 16:1) I Arona sy izay mpisoronabe nandimby azy ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena, teo anatrehan’i Jehovah. Indray mandeha isan-taona ihany anefa izy no nahazo niditra tao, dia tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:2, 17) Mifanitsy amin’i Arona àry i Kristy Jesosy Mpisoronaben’Andriamanitra.—He 8:1-6; 9:6, 7, 24.
Nisolo tena an’ilay firenena teo anatrehan’i Jehovah i Solomona Mpanjaka, rehefa nitokana ny tempolin’i Jerosalema. Nivavaka izy mba hijeren’i Jehovah andro aman’alina an’ilay trano nametrahany ny anarany, sy mba hihainoany ny fitalahoan’ny mpanjaka sy ilay firenena ary ny vahiny niaraka tamin’ny Israely, dia izay rehetra ‘nivavaka nanandrify an’ilay trano.’ Afaka nanatona an’i Jehovah àry ny rehetra, na mpanjaka na vahoaka madinika.—2Ta 6:19-42.
Ny mpanjaka sy mpisorona ary mpaminany no nahazo nanatona an’Andriamanitra, rehefa nisy raharaha nahakasika ny firenen’Israely manontolo. Nampiasaina indraindray ny Orima sy Tomima nentin’ny mpisoronabe, mba hahalalana hoe inona no tari-dalan’Andriamanitra. (1Sa 8:21, 22; 14:36-41; 1Mp 18:36-45; Je 42:1-3) Voasazy izay nandika ny lalàn’i Jehovah momba ny fomba tokony hanatonana azy, toy izay nanjo an’i Ozia. (2Ta 26:16-20) Mety tsy hifandray intsony amin’ny olona toy izany Andriamanitra, toy ny nataony tamin’i Saoly. (1Sa 28:6; 1Ta 10:13) Tsy misy olona avelan’i Jehovah hanao tsinontsinona Azy sy izay zavatra ampiasaina amin’ny fanompoana azy. “Nirehitra tamin’i Oza” zanak’i Abinadaba, ohatra, “ny fahatezeran’i Jehovah, ka novonoin’Andriamanitra teo izy satria tsy naneho fanajana” rehefa nihazona an’ilay Vata izay saika nianjera.—2Sa 6:3-7.
Tsy ampy ny fombafomba sy ny sorona. Misy milaza fa fombafomba sy fanaovana sorona fotsiny ny fanompoana an’i Jehovah taloha, fa tatỳ aoriana vao notakina ny hananana fitondran-tena madio. Marina fa nisy fombafomba sy sorona natao taloha nefa tsy ampy mihitsy izy ireny. Fomba nentina nanehoana fotsiny izy ireny hoe nankatò ny Lalàna ilay olona nanatona an’Andriamanitra. (He 9:9, 10) I Jehovah ihany mantsy no manapa-kevitra farany hoe iza no avelany hanatona azy. Hoy ny Salamo 65:4: “Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao, mba hitoetra eo an-tokotanin’ny tempolinao.” Tsy maintsy nanam-pinoana, nanao sy nilaza ny marina, nanao ny rariny, tsy nivesatra trosan-dra, ary nanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray, vao afaka nanatona Azy. Tsy hoe nitondra fanomezana ho an’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao fotsiny ireo nahazo nankany an-tendrombohiny, fa ‘tsy nanan-tsiny teo amin’izay nataon’ny tanany sady nadio fo’ koa. (Sl 15:1-4; 24:3-6; 50:7-23; 119:169-171; Oh 3:32; 21:3; Ho 6:6; Mi 6:6-8) Naharikoriko azy sy tsy nisy dikany taminy ny fanatitra sy fifadian-kanina ary vavaka nataon’izay tsy nanana an’ireo toetra ireo. (Is 1:11-17; 58:1-9; 29:13; Oh 15:8) Tsy maintsy nanenina sy nalahelo mafy ary nanana fo torotoro sy kivy ny olona nanao ratsy, vao afaka nanatona an’Andriamanitra. (Sl 51:16, 17) Tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny asan’ireo mpisorona nanamavo ny anarany sy nanolotra sorona nisy kilema.—Ml 1:6-9.
Toy ny hoe miseho eo anatrehan’ny fitsarana sy manatona mba hotsaraina, ny hoe manatona an’Andriamanitra. (Ek 22:8; No 5:16; Jb 31:35-37; Is 50:8) Asain’i Jehovah hanatona azy sy hitondra ny adin’izy ireo any aminy ary handroso ny porofony ireo firenena, mba hotsarainy.—Is 41:1, 21, 22.
Anatin’ny fifanekena vaovao. Aloky ny zavatra tsara kokoa ahafahana manatona an’Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna sy ireo sorona biby. (He 9:8-10; 10:1) Tsy inona izany fa ny fifanekena vaovao, izay ahafahan’ny rehetra ‘hahalala an’i Jehovah, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.’ (Je 31:31-34; He 7:19; 8:10-13) I Kristy Jesosy no hany Mpanelanelana amin’io fifanekena io, ka nantsoina hoe “lalana.” Hoy izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jn 14:6, 13, 14) Ny fahafatesany no nanaisotra ilay rindrina nanasaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena tsy voafora, izay tsy tafiditra tao amin’ilay fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny Israely. ‘Amin’ny alalany [àry] no ahafahan’ny roa tonta manatona ny Ray amin’ny alalan’ny fanahy iray ihany.’ (Ef 2:11-19; As 10:35) Tsy maintsy mino ny vidim-panavotana ny olona iray sady mino fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” Andriamanitra, vao avelany hanatona azy sy horaisiny tsara amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (He 11:6; 1Pe 3:18) Fantatr’ireo manatona azy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Mpisoronabe fa “velona mandrakariva [i Jesosy] mba hiangavy ho an’ireo.” (He 7:25) Tsy misalasala àry izy ireo ‘manatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary sahy miteny rehefa manao izany.’ (He 4:14-16; Ef 3:12) Tsy matahotra ny homelohina izy ireo. (Ro 8:33, 34) Manatona an’Andriamanitra amin-tahotra sy amim-panajana foana anefa izy ireo, satria mendrika an’izany “ilay Mpitsara ny olona rehetra.”—He 12:18-24, 28, 29.
Sorona ara-panahy no atolotr’ireo Kristianina manatona an’Andriamanitra. (1Pe 2:4, 5; He 13:15; Ro 12:1) Tsy ilaina ny tempoly sy ny sampy vita amin’ny volamena na volafotsy na vato. (As 7:47-50; 17:24-29; ampit. Ef 2:20-22.) Fahavalon’Andriamanitra izay naman’ity tontolo ity. Manohitra an’ireo manambony tena izy, fa afaka ‘manatona azy’ kosa ireo manetry tena ‘madio tanana’ sy ‘madio fo.’ Izy koa ‘hanatona azy ireo.’—Jk 4:4-8.
Mahazo “mankao amin’ny toerana masina” ny Kristianina voantso ho any an-danitra, “noho ny ran’i Jesosy.” ‘Manatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana’ izy ireo, satria fantany tsara ilay “mpisoronabe miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra.”—He 10:19-22.
Tsy tokony hisalasala hanatona an’Andriamanitra isika, satria hoy ny Salamo 73:27, 28: “Ho ringana izay manalavitra anao, ary hataonao mangina izay mivadika aminao ka mahafoy anao. Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako, mba hanambarako ny asany rehetra.”—Jereo VAVAKA.